Mba ho fitsarana ara-drariny no hatao ho an’i Nathassa Razafiarisoa sy ireo tanora ao Sambava nogadraina taorian’ny ady tany – Filazam-baovao n°215

Ao anatin’ny toe-draharaha izay mihamitombo hatrany ny fandrobana tany nefa tsy mamaly amin’ny fomba mahomby ny zo sy ny filan’ny mponina maika ny fitadiavana vahaolana ara-dalàna, dia nanamarika ireo mpiara-manasonia ity fanambarana an-gazety ity fa ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny tany Malagasy, kosa, dia miha iharan’ny famaliana ny hetsika ataony amin’ny alalan’ny tsindry … Lire la suite

Manana adidy ny mpitondra Malagasy hihevitra sy hanome lanja ny fiantraika ratsin’ny tetikasa Base Toliara amin’ny mponina – Filazam-baovao faha-213 (MLG)

Nisy lahatsoratra an-gazety iray nanambara fa efa antomotra ny fanombohan’ny tetikasa fitrandrahana Base Toliara any atsimo andrefan’i Madagasikara, na dia eo aza ny fanoherana mafy, tsy avy amin’ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana ihany, fa hatramin’ny olom-pirenena maro, anisan’izany ny mpahay siansa. Ny tetikasa dia mikendry ny hitrandraka fasimainty misy ilmenite, rutile ary zircon. Ny loza ara-pahasalamana … Lire la suite

Filazam-baovao faha-212 (MLG): Mila fifampidinihana matotra eo amin’ny fitondrana sy ny vahoaka isan’ambaratonga ny famaritana ny teti-pampandrosoana sy ny fitantanana izany

Miarahaba ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny governemanta izahay fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena. Ary mirary fahombiazana ho an’ny sehatra iandraiketanareo tsirairay avy eo amin’ny ezaka atao ho amin’ny fanatsaràna ny fari-piainan’ny fitambaran’ny vahoaka malagasy. ….Izahay miasa ato amin’ny firaisamonim-pirenena, toy ny firaisamonim-pirenena eran-tany, dia sokajy iray amin’ny sehatra anatin’ny fiaraha-monina eo akaikin’ny Fanjakàna sy ny rantsany … Lire la suite

Newsletter n°212 (FR): La définition de la stratégie de développement et sa gestion nécessitent une concertation sérieuse entre les dirigeants et la population à tous les niveaux

Nous, organisations de la société civile, souhaitons à chacun des responsables du gouvernement plein succès à vos secteurs de responsabilité respectifs dans leurs efforts visant à améliorer le niveau de vie de l’ensemble du peuple malgache.  Comme dans les autres pays du monde, nous, organisations qui œuvrent au sein de la société civile, constituons une … Lire la suite

Verezin-jo sy roahina amin’ny taniny ny vahoaka Malagasy mba hidiran’ny mpampiasa vola vahiny sy malagasy iray tombotsoa aminy : endrika iray isehoan’izany ny fampanofana maharitra (bail amphytéotique) tsy ara-dalàna ny Nosy Sakatia mandritra ny 99 taona amin’ny orinasa GREEN MADA LAND ary eo ambany fialofan’ny “projet présidentiel” no anaovana izany – Filazam-baovao faha-202

Taorian’ny taratasy misokatra ho an’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara momba ny fampanofana maharitra sy tsy ara-dalàna ny Nosy Sakatia izay nametrahana fanontaniana maromaro tsy nahazoana valiny tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, dia hita fa tsy mbola misy fiovana ny fandehan-draharaha amin’izao fotoana izao satria mbola mitatao eo ambony lohan’ireo vahoaka ny fandroahana azy amin’ny taniny nohon’ny fanomezan’ny … Lire la suite

Fanambarana mahakasika tan-tsoroka ara-bola voaray tamin’ny taona 2019 – Filazam-baovao faha-188 (MLG)

Taorian’ny filazana tarehim-bola diso mahakasika fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka izay noresahin’ny olona iray nandritra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany Base Toliara tao amin’ny fandaharana DON DRESAKA, TVPLUS, ny 19 Febroary 2023, dia manaparitaka amin’ny fomba mangarahara tanteraka ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy (Collectif TANY) : fa tamin’ny 30 oktobra 2019, … Lire la suite