Ao anatin’ny toe-draharaha izay mihamitombo hatrany ny fandrobana tany nefa tsy mamaly amin’ny fomba mahomby ny zo sy ny filan’ny mponina maika ny fitadiavana vahaolana ara-dalàna, dia nanamarika ireo mpiara-manasonia ity fanambarana an-gazety ity fa ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny tany Malagasy, kosa, dia miha iharan’ny famaliana ny hetsika ataony amin’ny alalan’ny tsindry hazo lena.
Nathassa Razafiarisoa, filohan’ny fikambanana Tanora Tia Fandrosoana ao Sambava dia notanana am-ponja vonjimaika ao Antalaha efa mandritra ny 4 volana sy tapany izao.
Niaro tamin’ny fomba mavitrika sy feno fahavononana ireo mponin’i Marotsiazo izay noravana ny tranon’izy ireo i Nathassa rehefa resin’ny mpandraharaha matanjaka iray tany amin’ny fitsaràna izy ireo, nefa ny tenany tsy manana fananana manokana ao amin’ilay faritra isehoan’ny ady tany.
Sahala amin’ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona tsy tambo isaina izay tsy nanao afa-tsy nanatanteraka ny anjara asany lehibe amin’ny fiarovana ny zo fototry ny mponina voakasik’izany, dia nenjehina i Nathassa.
Voalohany, noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ireo tanora nandrava ny fefy namboarin’ireo olona ifanolanana mba tsy ahafahan’ny olona mivezivezy. Avy eo nandritra ny fiantsoana azy matetika sy ny nitazonana azy teny amin’ny zandarimaria nandritry ny fanadihadiana dia niampy antony hafa ny niampangana azy.
Vao avy nandre izahay fa ny dingana manaraka amin’ny lalan-tsarotra feno sakana diavin’i Nathassa dia ny fanondroana ny datin’ny fitsaràna izay nandrasan’ny rehetra hatramin’ny faha-13 Febroary.
Izahay, mpiara-manasonia ity fanambarana ity, izay manaraka akaiky ny raharaha ary manohana an’i Nathassa sy ireo tanora ao Sambava notanana any am-ponja vonjimaika noho ny ady tany, dia :
– mangataka amin’ireo mpanapa-kevitra amin’ny andrim-pitsaràna mba hanaja ny zon’izy ireo amin’ny fitsarana ara-drariny izay ahitàna, ankoatry ny zavatra hafa, ny zo hahazo didim-pitsarana ao anatin’ny fotoana tsy ela loatra, ary noho izany, tsy hamela ny hisian’ny ankaso isa-karazany izay mety hanemotra ny datin’ny fitsarana., ary mangataka miaraka amin’izany koa ny famotsorana azy ireo madiodio.
– miantso ny fandraisana andraikitra avy amin’ny mpandray anjara rehetra. Ndeha isika hiara-hiasa ho an’ny rariny, ny fahalalahana ary ny fahamendrehana ho an’ny vehivavy sy ny tanoran’i Sambava. Ny tolon’izy ireo dia tolontsika, ary mandà ny hamela ny tantara ho voamariky ny tsy rariny isika, satria taorian’ny nandavan’ny rafi-pitsarana ny fangatahana famotsorana vonjimaika an’i Nathassa tamin’ny volana Febroary, dia tsy maintsy atao ny mandray izay fepetra ilaina mba hisorohana ny raharaha Nathassa tsy ho lasa raharaha fanenjehana sy fampijaliana ara-pitsarana izay efa niteraka fahafatesan’ny vehivavy mpikatroka vao haingana.
– te-haneho ny ahiahy lalina momba ny fomba fitondrana ireo vehivavy mpikatroka mafana fo eto Madagasikara izay toa iharan’ny fanenjehana tsy mitsaha-mitombo ary tsy noraharahiana na voahitsakitsaka mihitsy aza ny zo fototra ananany, ka noho izany dia miantso ny Fanjakana Malagasy mba handinika haingana ity toe-draharaha ity.
Antananarivo, faha 9 Avrily 2024
——————————–
Rakitra azo hanovozan-kevitra :
Ireo manao sonia :
- Alliance Voahary Gasy – AVG
- Association CAPRICORNUS
- Association IZARA, Antsirabe Région Vakinankaratra
- AVA ( Association des Volontaires Actifs)
- A V D D C C ( Association des Volontaires pour la Défense des Droits des Consommateurs et des Citoyens
- CEDII
- Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes – CCOC
- Coalition Lampogno
- Coalition Paysanne de Madagascar – CPM
- Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
- CONCRET-S / Human Rights
- Conseil National des Femmes de Madagascar – CNFM
- CRAAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien)
- Dis Moi Madagascar
- FARM (Femmes en Action Rurale de Madagascar)
- FIANTSO Madagascar
- Fikambanan’ny LEHILAHY MANDRAY ANDRAIKITRA Région Amoron’i Mania,
- Fikambanan’ny Tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny Firenena – FTMF
- Fleurs éveillées Toamasina
- FOMZMPM( Fikambanan’Olompirenena Miaro ny Zon’ny MPanjifa Malagasy)
- Gnytotsymbazainy GTZ
- Hetsika ROHY
- Initiative conjointe TAFO MIHAAVO-Natural Justice
- Jeune Actif Interrégional (JAI-Association)
- Jeunes Contre la Pauvreté
- KIDJA Francine
- LALAONIRINA Zaëlle Jorlin
- Mouvement Jeunesse et Citoyenneté
- MPIAMI ( MPIasa afak’ Aba MIvondrona )
- MPM ( MPiasa Miavotra)
- MSIS – Tatao
- Ny Tanintsika
- Observatoire de la Jeunesse
- Observatoire National des Droits Humains – ONDH
- ONG CODE Menabe
- ONG FANOITRA
- ONG FIANTSO Madagascar
- ONG HITSY
- ONG IVORARY
- ONG RAVINTSARA
- ONG SOS AUX JEUNES DE MADAGASCAR Région Amoron’i Mania
- ONG VEMA
- PFROSC Sofia
- Plateforme des Sociétés Civiles de la SAVA (PSC-SAVA)
- Plate-Forme Nationale des Organisations de la Société Civile de Madagascar (PFNOSCM)
- RAFANOMADIO Arlette
- RAKOTOANOSY Monique
- RASOAMAMPIONONA Razafindratsara Clarisse
- Recycl’Anay
- Réseau des Jeunes Leaders de Madagascar – RJLM
- RJDD (Réseau des Jeunes pour le Développement Durable)
- SAHI Mpanasoa
- SIVEM ( Sehatra Ivoaran’ny VEhivavy Malagasy)
- Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany – SIF
- Tantsaha Mivoatsy
- VOHIFIRAISANA Analamanga