Manana adidy ny mpitondra Malagasy hihevitra sy hanome lanja ny fiantraika ratsin’ny tetikasa Base Toliara amin’ny mponina – Filazam-baovao faha-213 (MLG)

Nisy lahatsoratra an-gazety iray nanambara fa efa antomotra ny fanombohan’ny tetikasa fitrandrahana Base Toliara any atsimo andrefan’i Madagasikara, na dia eo aza ny fanoherana mafy, tsy avy amin’ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana ihany, fa hatramin’ny olom-pirenena maro, anisan’izany ny mpahay siansa. Ny tetikasa dia mikendry ny hitrandraka fasimainty misy ilmenite, rutile ary zircon.

Ny loza ara-pahasalamana mananotanona noho ny « radioactivité »

Tsy tokony hatomboka mihitsy ity tetikasa ity, satria mety hiteraka loza ara-pahasalamana be loatra ho an’ny olona monina manodidina ny toeram-pitrandrahana. Ny antony lehibe indrindra dia ny tahan’ny « radioactivité » avo loatra ao amin’ny zircon, ateraky ny uranium sy thorium. Mpahay siansa maromaro no efa nampitandrina momba izany loza izany nanomboka tamin’ny taona 2014, indrindra ny loza ateraky ny aretina mahery ho an’ny mpiasan’ny tetikasa fitrandrahana sy ny vondrom-piarahamonina manodidina, izay mety hihatra amin’ny zanany sy ny taranany any aoriana.

 Ny fanadihadiana mialoha ny vokatra mety ho azo nataon’ny orinasa foibe Aostraliana Base Resources tamin’ny taona 2019 dia nanamafy io haavon’ny « radioactité » io ary nanamarika fa ireo vokatra ireo dia tsy azo aondrana any Japon sy Etazonia izay tsy te hampiditra loza toy izany ho an’ny olom-pirenena any amin’ny taniny.

 Sahy manantena izahay fa tsy ho tonga amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mampidi-doza ho an’ny vahoaka Malagasy ny mpitondra malagasy, ka hampitsahatra ity tetikasa ity.

Fiantraikany ratsy eo amin’ny tontolo iainana eo an-toerana sy ny zavamananaina ary ny toetrandro

Ny tatitra savaranonando (« rapport préliminaire ») momba ny fanombanana ny fiantraikan’ny tetikasa eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy dia naminavina ny hisian’ny fiovan’ny tany sy ny topografia, ary koa ny fahaverezan’ny zavamaniry, ny loharanon-karena ary ny zavamananaina eo amin’ny toeram-pitrandrahana.

 Noresahiny koa ny ho fahalotoan’ny tany sy ny rano amin’io faritra io. Ny fanombohana ny asa dia mety hiteraka fandripahana ireo zavamaniry voajanahary an-jatony hekitara, anisan’izany ny baobab tsy fahita any amin’ny toeran-kafa.

 Tsy azo ihodivirana fa hisy fiantraikany tena ratsy amin’ny faritra antsoina hoe PK 32 Ranobe ny fanamboarana ny làlana hatokana ho an’ny fitaterana ny harena an-kibon’ny tany mankany amin’ny seranan-tsambon’i Toliara, izay mahaliana ny rehetra ny zavamananaina misy ao, indrindra fa ireo vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny tontolo iainana. Ao anatin’ny ala Mikea no misy an’io.

Ireo vokatra lehiben’ny fitsirihana nataon’ny Fitsarana Mpandinika ny fampiasàna ny volam-bahoaka (Cour des Comptes)

Tamin’ny taona 2020 no nanao fitsirihina ny Cour des Comptes eto Madagasikara ary nijery akaiky momba ny dingana narahina tamin’ny fanomezana alàlana hitrandraka sy taratasy miantoka ny ara-tontolo iainana (« certification environnementale ») ho an’ny tetikasa Base Toliara. Notsoahan’ny Cour des Comptes fa tsy mifanaraka amin’ny fepetra voalazan’ny lalàna sy didy aman-dalàna manan-kery ny fanomezan-dàlana laharana faha-39130 tamin’ny 22 martsa 2012 nataon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Bureau des Cadastres Miniers (BCMM) ho an’ny tetikasa Base Toliara. Ny tatitra mifandraika amin’izany dia azo takarina ato amin’ity rohy ity https://ccomptes.mg/fr/rapports/publics

 Antony iray fanampiny hampitsaharana ity tetikasa ity izany, izay misy andraisan’ny Fanjakana andraikitra, ka tsy maintsy manaja ny Lalànany sy ny Fepetrany izy

 Ny tatitra dia nilaza koa fa tsy ampy ny fandinihana sy fisainana momba ny fiantraikan’ity tetikasa fitrandrahana ity amin’ny tontolo iainana amin’ny faritra saro-pady sy arovana.

 Navoitran’ity fitsirihana ity ihany koa ny tsy fanajana ny zon’ny tompon-tany, indrindra ny zo eo amin’ny tanin’ireo olona tompon-tany efa nipetraka an-taonany maro araka ny fomban-drazana. Nampiharihary ihany koa ny fanitsakitsahana ny zon’ny vondron’ny mponina mahakasika ny tanim-panjakana tsy azo amidy sy azo amidy (domaine public et domaine privé) ity fanaraha-maso ity. Nomarihin’ireto mpitsara ao amin’ny Cour des Comptes ihany koa ny tsy fanarahana ny fepetra voalazan’ny lalàna mikasika ny fakàna tany an-keriny noho ny filam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique) eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny tsy fahatomombanana isan-karazany teo amin’ny fomba fakàna ny hevitry ny mponina.

 Io tsy fisian’ny fototra ara-dalàna teo amin’ny dingana samihafa nolalovan’ny tetikasa io dia tena manan-danja lehibe ka ampy hanakanana sy hisorohana ny fitohizan’ny asan’ity tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany ity.

Raha bangoina, dia

>> Mitaky ny fampitsaharana tanteraka ny tetikasa Base Toliara izahay noho ny fiantraika goavana maro efa fantatra raha toa ka manomboka ny asany sy noho ny tsy fanarahany ny lalàna.

>>  Ny fikasàna hitrandraka monazite sy mineraly tsy fahita firy (« terres rares ») ao amin’ny faritra hitrandrahana ny fasimainty navoakan’ny Base Resources tamin’ny rakitra vao tsy ela dia vao maika hampitombo ny loza mety hitranga amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny tontolo-lova ara-boajanahary.

19 martsa 2024

  • Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
  • Plateforme des Organisations de la Société Civile sur les Industries Extractives – OSCIE
  • Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany – Solidarité des Intervenants sur le Foncier – SIF