Miarahaba ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny governemanta izahay fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena. Ary mirary fahombiazana ho an’ny sehatra iandraiketanareo tsirairay avy eo amin’ny ezaka atao ho amin’ny fanatsaràna ny fari-piainan’ny fitambaran’ny vahoaka malagasy.
….Izahay miasa ato amin’ny firaisamonim-pirenena, toy ny firaisamonim-pirenena eran-tany, dia sokajy iray amin’ny sehatra anatin’ny fiaraha-monina eo akaikin’ny Fanjakàna sy ny rantsany samihafa sy ny Mpandraharaha tsy miankina ary ny Fiangonana. Satria mampita ny feo ary miaro ny tombotsoan’ny olompirenena maro an’isa no andraikitray dia manaraka sy milaza hevitra momba ny fiainam-pirenena izahay fa tsy mikendry haka ny fitondràna akory, toy ny antoko politika. Ny zava-kendren’ny tolokevitra arosonay dia ny fahatanterahan’ny Firenena tsara tantana ( « Etat de droit » ) manaja ny zon’olombelona sy ny Fiaraha-monina hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny ( « justice sociale » ) izay manome ny fepetra ahafahan’ny vahoaka maro an’isa manana fari-piainana sahaza.
….Voninahitra ho anay fikambanana maro ato amin’ny firaisamonim-pirenena, Tompoko, ny maneho sy mizara toe-javatra roa lehibe aminareo tompon’andraikitra ambony.
Voalohany, feno fanahiana izahay firaisamonim-pirenena manoloana ny fanapaha-kevitra tampoka navoakan’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny faha-31 janoary 2024 mikasika ny fanovàna ny lalàna momba ny tanim-panjakàna azo amidy (2008-014) sy ny fampihatoana ny fanomezana tanim-panjakàna ny mponina. Ny politikam-panjakana (« Politique Générale de l’Etat ») nivoaka ny faha-17 janoary 2024 anefa toa maneho fikasàna hanome velaran-tany midadasika ho an’ny mpampiasa vola amin’ny sehatra samihafa
Koa miandry sy manantena izahay fa ho avy tsy ho ela :
* ny fanazavàn’ny mpitondra fanjakàna ny lalan-kizorana heveriny ho raisina momba ny fanovàna io lalàna io,
* sy ny fikarakaràna atrikasa hifanakalozan’ny mpamolavola lalàna sy mpanatanteraka miaraka aminay firaisamonim-pirenena sy solontenan’ny mponina avy amin’ny faritra rehetra mahafantatra tsara ny zava-misy any ifotony ary handraisana ny tolo-kevitry ny rehetra.
(Vaovao farany, 19 febroary 2024 : Manditry ny fe-potoana nanangonana ny sonian’ny fikambanana hiara-hanasonia ity fanambaràna ity dia nahazo fiantsoana hivory ny faha-22 sy 23 febroary ny SIF – Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany : solontena roa avy amin’ny firaisamonim-pirenena no asaina. Ho zaraina manaraka eto ny vaovao momba izany)
Manohana ny fiandrianam-pirenena ara-sakafo (« souveraineté alimentaire ») izahay, izay anisan’ny lohahevitra kasain’ny mpitondra homena lanja manokana ato ato. Io tokoa mantsy no vahaolana azo antoka fa hahafahantsika Malagasy, indrindra ny tantsaha, manohy ny famokarana ny sakafon’ny mponina manontolo, sy ahafahan’ny mpamokatra mitahiry sy manatsara ny fahaiza-manaony. Tsy ho vita izany raha tsy misy ny fiandrianam-pirenena eo amin’ny fananantany ( « souveraineté foncière » ) ahafahan’ny tantsaha mitazona ny fahaleovantenany sy ny taniny. Ny paikady manomana ny tantsaha ho mpiasa sy mpikarama miankin-doha amin’ny orinasa na rafitra hafa, na avy eto an-toerana na avy any ivelany, dia tsy mizotra amin’ny fiandrianam-pirenena sy fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny isam-batan’olona, ny vondron’olona ary ny firenena.
Mba ho foana ny « Tantsaha tsy manana saha » (paysans sans terre), dia tokony ho hamoraina sy hampitomboina ny fahazoana tany ho an’ny tantsaha rehetra mba hahatonga azy ho mpamokatra matihanina. Any ambanivohitra, ny haben’ny velarantany isam-pianakaviana dia tsy ampy ho an’ny filàn’izy ireo intsony. Latsaky ny iray hekitara ny salan’isa eto amin’ny firenena noho ny fizaràna ny tany tamin’ireo taranaka mpandova maro nifanesy. Ankoatra izany, maro ireo mpamokatra no tsy manana tany fa manofa izany (« fermage ») na misasaka (« métayage ») na mindrana. Ny fifindran’ny tanora maro amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara noho ny fitadiavana fivelomana dia tsy miteraka vokatra mahomby noho ny havitsian’ny asa azony atao ankoatry ny varotra madinika mpanelanelana sy ny fitarihana posy. Tokony hatsangana sy hatsaraina ny paikady mazava momba ny fampandrosoana sy ny fifindra-monina mba hamaliana ny fanamby ateraky ny fifindra-monina avy any ambanivohitra.
Ny lohahevitra faharoa dia fanazavàna mahakasika ny fahafahanay fiaraisamonim-pirenena manatanteraka ny andraikitray.
Tsy manohitra ny fampandrosoana izahay firaisamonim-pirenena. Ny dikan’ny fampandrosoana sy ny fomba heverina fa ahatongavana amin’izany no mety misy tsy hitoviana fa samy manana ny heviny. Tsy manohitra ny fampandrosoana izahay fa mamporisika sy manolo-kevitra ny mpitondra hanangana tetikasa mikatsaka ny tombotsoan’ny maro an’isa sy tsy hampahantra azy ireo. Tsy mahafeno ireo fepetra ireo amin’izao fotoana izao ny tetikasan’ny mpampiasa vola izay nahazo velaran-tany midadasika eto Madagasikara.
Tsy manohitra ny fitondràna izahay fa indraindray mety tsy mitovy hevitra amin’ny iray na ny fitambaran’iretsy sokajin’ny fiaraha-monina hafa amin’ny lohahevitra sasany. Zava-dehibe ny fampahatsiarovana ireo anjara-toerana sy andraikitry ny firaisamonim-pirenena ireo manoloana ny tranga manahiran-tsaina tato ato.
Anisan’izany ny manjo ny namana avy any Sambava migadra any Antalaha nanomboka tamin’ny faha-15 desambra 2023 ary tsy azo novangiana. Ny faha-13 febroary no natao ny fanadihadiana ny fotony (“enquête au fond”) tokony natao ny faha-24 janoary 2024. Miandry ny fanondroana ny datin’ny fitsaràna (“procès”), izay antenaina fa tsy ho ela intsony. Ary manantena isika fa hahazo fahafahana vonjimaika (“liberté provisoire”) izy satria efa vita ny fanadihadiana ny fotony. Ny namana iray avy any Ihosy, faritra Ihorombe, kosa nahazo sazy roa taona an-tranomaizina noho ny asa nataony amin’ny maha-tompon’andraikitra azy eo amin’ny firaisamonim-pirenena sy maha-mpiaro ny zon’olombelona azy.
Koa ankoatry ny fangatahana ny tsy hanakatonana ny sehatry ny fahalalahana (« espace démocratique ») eto amin’ny firenena dia mampahafantatra ireo tompon’andraikitra vaovao sy mampahatsiahy ireo efa mahalala izahay fa misy Volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny zon’ny mpiaro ny Zon’olombelona nangatahanay naroso hodinihin’ny antenimieram-pirenena efa telo taona izao tsy mety tafiditra ao amin’ny lohahevitra dinihina ao hatramin’izao.
> Heverinay fa tena laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ny hanomezna tany ny mpamokatra mba tena ho tratra ny fizakan-tena sy fahavitan-tena ara-tsakafo izay tanjon’ny firenena ary tsy tokony hatao ankilabao fa homena lanja mafy izany eo am-panavaozana ny lalàna fanomezana tanim-panjakana.
> Hapetraka amin’ ny tena toerany sy andraikiny ny firaisamonim-pirenena fa tsy tokony ho raisina fahatany sy faobe anatin’ny fanakianana avy amin’ny ankolafin-kery samihafa ny fanamarihana sy tolokevitra ataony.
Antananarivo faha- 20 febroary 2024
Sonia :
- – Actions sans frontières
- – ASDFEM Mankahery
- – Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha (BIMTT)
- – CEDII – FIA
- – CNPE Madagascar
- – Coalition des OSCs MAGNARIGNY
- – Coalition Lampogno
- – Coalition Paysanne de Madagascar (CPM)
- – CODE Menabe
- – Collectif des OSCs des Jeunes Engagés Atsimo-Andrefana (COJEAA)
- – Collectif TANY
- – FEKRITAMA
- – Femmes en Action Rurales de Madagascar (FARM)
- – FFTS
- – FIANTSO
- – FIFATAM
- – Fikambanan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara (FVTM)
- – Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha (FIFATA)
- – FIKOTAMIFI
- – FIMPIAMA : FIvondronan’ny MPIompy Akoho gasy Matsiatra ambony
- – FTMF Fikambanan’ny Tanora Mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny Firenena
- – GTZ
- – KMF/CNOE – Fanabeazana Olompirenena
- – Kômitim-pirenena miahy ny famokarana tantanam-pianakaviana (CNAF Malagasy)
- – Komity Miaro ny Tany ao Ambatolahy (Ihorombe)
- – Mouvement Chrétien de Cadres et de Professionnels (MCCP)
- – Mouvement ROHY
- – MSIS-TATAO
- – Observatoire National des Droits Humains (ONDH)
- – ONG EFA
- – ONG FAHAZAVANA
- – ONG Fandrosoana
- – ONG FIANTSO Madagascar
- – ONG Hitsy
- – ONG Lalana
- – ONG Ravintsara
- – ONG Vehivavy Mazoto (VEMA)
- – OSCIE
- – Plateforme de Société Civile de Développement Equitable et de Bonne gouvernance (PSBEB)
- – Plate-forme Nationale des Organisations de la Société Civile de Madagascar (PFNOSCM)
- – Réseau SOA
- – SAHI : Soa Ananana Harena Iombonana
- – Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany – Solidarité des Intervenants sur le Foncier (SIF)
- – Soa Gny Mivoatsy (Ihorombe)
- – Tafamahasoatoi Atsimo Andrefana
- – Tafo Mihaavo
- – Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra amin’ny Fifidianana (TNMF)
- – Tantsaha Mivoatsy
- – Union Matanjaka
- – Vie Neuve MADAGASCAR
- – Vohifiraisana Analamanga
- – Vondron’ny Fikambanana Tantsahan’i Menabe (VFTM)
- – Vovonan’ny Fikambanan’ny Tantsahan’i Vakinankaratra (VFTV)