Fanambarana mahakasika tan-tsoroka ara-bola voaray tamin’ny taona 2019 – Filazam-baovao faha-188 (MLG)

Taorian’ny filazana tarehim-bola diso mahakasika fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka izay noresahin’ny olona iray nandritra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany Base Toliara tao amin’ny fandaharana DON DRESAKA, TVPLUS, ny 19 Febroary 2023, dia manaparitaka amin’ny fomba mangarahara tanteraka ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy (Collectif TANY) : fa tamin’ny 30 oktobra 2019, dia nahazo tan-tsoroka ara-bola nitentina 3.300 euros avy amin’ny fikambanana FRONT LINE DEFENDERS, izay mikendry ny hanome fanohanana ara-bola, ara-potoana sy mahomby, ho an’ireo mpiaro ny zon’olombelona tandindomin-doza ny fandaharan’asany.

13 tapitrisa Ariary no sandan’io vola io fa tsy 300 tapitrisa. (13.340.118 Ariary, izany hoe telo ambin’ny folo tapitrisa fa tsy telonjato tapitrisa, treize millions fa tsy trois cents millions)

Tsy hiverenana ireo teboka rehetra efa nohazavaina nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavitra TVPlus tamin’ny 2 martsa 2023, saingy ilaina ny manamarika fa nangatahana ary azo izany tan-tsoroka izany mba hanohizana ny fanohanana eo anivon’ny fitsaràna ireo mpiaro ny zon’olombelona miisa 9 voasambotra tany Toliara ary nigadra tany Fianarantsoa tamin’ny volana mey 2019, nivoaka ny fonja taorian’ny fitsaràna ambaratonga voalohany ny volana jona 2019. Taorian’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa tamin’ny 19 oktobra 2021, dia miandry ny fitsaràn’ny ambaratongan’ny Fitsarana Avo ny raharaha.

Paris, 3 martsa 2023
Ny fikambanana TANY miaro ny tany malagasy