Taorian’ny taratasy misokatra ho an’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara momba ny fampanofana maharitra sy tsy ara-dalàna ny Nosy Sakatia izay nametrahana fanontaniana maromaro tsy nahazoana valiny tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, dia hita fa tsy mbola misy fiovana ny fandehan-draharaha amin’izao fotoana izao satria mbola mitatao eo ambony lohan’ireo vahoaka ny fandroahana azy amin’ny taniny nohon’ny fanomezan’ny fanjakana alàlana ny orinasa vahiny GREEN MADA LAND hampiasa ny tany niveloman’izy ireo aman-jato taona.
Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa efa namoahana didy nanafoana ny fampanofana maharitra azony tamin’ny taona 2019 ity orinasa ity (Arrêté N° 27 227/2019-MATP nivoaka tamin’ny 29 novambra 2019) nohon’ny tsy fanarahany ny dingan-dàlana voalazan’ny lalàna kanefa dia izao nahazo fifanarahana sy alàlana hanofa ny Nosy Sakatia mandritra ny 99 taona izao indray. Averina indray ny fanontaniana hoe : ambonin’ny lalàna rehetra misy ve izany itony lazaina hoe tetikasan’ny filoham-pirenena itony ?
Anaovana tery vay manta hanaiky sy hifampiraharaha amin’ny mpangorona ny taniny ny vahoaka ao Sakatia ary rehefa tsy manaiky dia arangaranga hatrany fa tetikasan’ny filoham-pirenena (projet présidentiiel) izany ka tsy maintsy ho tanterahina na inon-kidona na inon-kihatra.
Tsy ampahafantarina ny mponina izayhamporisihina hanaiky sy hifampiraharaha akory iza avy no tompon’ny petra-bola ao anatin’ny orinasa GREEN MADA LAND. Inona no kasainy hatao ary inona no tombontsoa ho entiny ho an’ny firenena sy ny mpiara-belona ?
Misy ratsy sy mahamenatra na tsy fampiseho masoandro angaha ao anatin’ilay fifanekena bail emphytéotique 99 taona niarahan’ny orinasa sy ny solontenam-panjakàna nanasonia no tsy omena ho hitan’ny mponina ao Sakatia voakasika mivantana sy amporisihina hifampiraharaha aminy ny taratasy momba izany ?
Raha marina ny voalazan’ireo izay nahita io fifanarahana io dia “Zato Ariary isaky ny m² isan-taona” fotsiny hono no hofan’izany tany izany. Mazava loatra ary fa tsy ny fampandrosoana ny faritra izay voizina fa antony nametrahana ity orinasa ity no hiseho fa ny mifanipaka amin’izany tanteraka. Etsy ankilany anefa ny vahoaka dia voahitsakitsaka tanteraka ny zony amin’ny tany, ny zony ara-kolontsaina, ny zony ara-tsakafo, ny zony hanana fonenana sahaza, ny zon’ny zaza hianatra sy ireo zo hafa rehetra mety hifandraika amin’ireo voalaza ireo sy ny fahaverezan’ny foto-pivelomany.
Tsy nohon’ny fanitsakitsahana ankitsirano ny zon’ireo mponina izay voaaron’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona manan-kery sy mihatra feno eto Madagasikara tamin’ny alàlan’ny fankatoavan’i Madagasikara izany ihany akory no tsy maha ara-dalàna ity fampanofana maharitra ny Nosy Sakatia ity, fa ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia ihany koa dia efa nahazo ny famindram-pitantanana ireo harena voajanahary ao amin’ny nosiny (bénéficiaire du transfert de gestion locale), ka noho izany dia tsy azo ampanofaina ity Nosy ity.
Tapenam-bava isaky ny maneho hevitra amin’ny haino vaky jery ny vahoakan’ny Nosy Sakatia satria manelingelina ny fikasàna tsy manaja ny rariny sy ny hitsiny nokotrehin’ireo manohana sy tompon’ny orinasa GREEN MADA LAND. Izahay manao sonia ity fanambarana ity dia miray hina amin’ireo vahoakan’ny Nosy Sakatia manao antso avo sy mampahatsiahy fa :
– Ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fanajana ny lalàna sy ny lalàm-panorenana dia isan’ny voady nataon’ny Filoham-pirenena, ary ny tsy fanajàna izany dia fivadiham-pitokisana amin’ny vahoaka Malagasy ;
– Ny fiandrianam-pirenena dia miainga amin’ny fiarovana ny faritra sy ny tany Malagasy, ka tsy ekena ny fanilihina ny vahoaka amin’ny taniny toy ny mitranga ao amin’ny Nosy Sakatia, na iza na iza mpitondra fanjakàna mifandimby tompon’andraikitra amin’izany ;
– Ny manam-pahefàna isan’ambaratonga nanankinana sy anankinan’ny vahoaka ireo andraikitra ireo dia manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka izay antoky ny filaminam-pirenena sy ny fampandrosoana maharitra.
Antananarivo faha-19 Septambra 2023
- Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI)
craad.madagascar@gmail.com ; https://www.craadoimada.com
- Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TAN
patrimoine.malgache@yahoo.fr ; https://terresmalgaches.info ; https://web.facebook.com/TANYterresmalgaches ; @CollectifTany
- Initiative conjointe TAFO MIHAAVO – Natural Justice