Misaotra ny mpitondra fanjakàna foibe izay, ela ny ela, ka nanomboka namoaka fanambaràna momba ny raharaha Sakatia taminy faha-6 aprily 2025. Efa ela mantsy no heno sy fantatra tany Nosy Be fa ny ao Antananarivo no hany tompomarika momba io raharaha io nefa dia nijanona tao anatin’ny manjavozavo tanteraka nandritry ny taona maro.
Efa ho 9 taona izao no nisy mpiavy ay ao amin’ny Nosy Sakatia nangataka anay Collectif TANY hanara-maso sy hanohana ny mponina ao, manoloana ny olana nianjady taminy noho ny fitadiavana hanala azy fa hanatanteraka tetikasa ao ny orinasa Green Mada Land. Efa nandalo fitsaràna izany raharaha izany.
Efa maro ny fanambaràna naparitakay, matetika niaraha-nanasonia tamin’ny fikambanana samihafa, ka iray ihany no fanontaniana lehibe sady maika apetrakay androany : fa maninona ny tompon’andraikitra nifanesy teto Madagasikara no nieritreritra sy nanapa-kevitra ary samy mampihatra fa rehefa Tahirin-tany (réserve foncière), indrindra momba ny fizahan-tany (touristique dia tsy azon’ny Malagasy monina ao sy nanamaintimolaly (mise en valeur) ny tany tao amam-polo na aman-jatotaona ny hiasàna sy hanaovana asa fampandrosoana, fa tsy maintsy na orinasan’ny Malagasy manan-karembe na orinasa vahiny no omena azy ?
Miha-mibaribary isan’andro fa tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra momba ny fitantanana ny tany malagasy ny olompirenena Malagasy amin’ny faritra maro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miha-mahatsapa hatrany ny maro fa fampahoriana sy fahantrana no aterak’izany ho an’ny maro an’isa sy ny firenena mihitsy fa tsy fampandrosoana. Tsy hanome ohatra izahay fa iaraha-tsika mpanara-baovao mahafantatra ny zava-miseho amin’ny toerana samihafa.
Efa nisy fotoana nilazàna tamin’ny haino aman-jery malagasy iray fa ny raharaha Daewoo taminy 2008 no antony nijoroan’ny fikambanana Collectif TANY taty ivelany mba hanohananay aty ivelany ny mponina any ifotony ary indrindra ny tantsaha aty Madagasikara amin’ny fiarovana ny taniny sy ny harena voajanahary izay fitaovam-pamokaran’ny 80 isan-jaton’ny Malagasy. Asa maro samihafa no takian’izany ary tafiditra ao anatin’ny tohananay ny mponina ao Sakatia. Tsy asa politisianina izany fa andraikitry ny firaisamonim-pirenena. Inona moa ny olana raha manampy ny vahoaka sy ny mponina tsotra miaro ny taniny ny firaisamonim-pirenena, anisan’izany izahay ?
Fa maninona no heverina fa tokony hiady irery ireo olona ao amin’ilay faritra voakasika nefa sady atody miady amam-bato no ny orinasa sy ny fanjakàna mifanampy sy mahazo fanampiana isa-karazany ?
Ny tolokevitray dia tokony havaozina ny lalàna laharana 96-016 mikasika ny fampanofàna tany amin’ny fomba maharitra (bail emphytéotique) eto Madagasikara mba hiaro ny tombotsoan’ny Malagasy.
Satria io lalàna manan-kery ankehitriny io dia milaza fa azo atao hatramin’ny 99 taona ny faharetan’ny fanofàna, mila ho zato taona, tena lava be loatra. Faharoa : azon’ny orinasa izay manofa tany ny manao ilay tany ho antoka any amin’ny banky, izany hoe raha tsy mahaverina ny vola nindraminy ilay orinasa dia lasan’ilay banky ny tanintsika. Fahatelo : azo avaozina ny fifanarahana, izany hoe haharitra an-jatotaonany maro. Ary farany, tsy voafetra ny isan’ny fanavaozana azo atao, izany hoe lasan’ilay orinasa mpanofa tany mandrakizay ilay tanintsika, raha toa ka te-hanavao foana izy. Fehiny : toy ny nividy tany malagasy amin’ny vidiny mirary dia mirary, mila ho maimaim-poana, ireo orinasa manofa, na malagasy izy na vahiny.
Sarotra ny mandray an’izany ho fampandrosoana
8 aprily 2025
Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr; http://terresmalgaches.info; Facebook : TANYterresmalgaches ; X :@CollectifTany ; Instagram : CollectifTany