FANAMBARAN’NY MPONINA ETO SAKATIA – Newsletter n°241 (MLG)

Manaloana ny toe-draharaha misy aty aminay, izahay mponina monina eto Sakatia dia manao izao fanambarana izao:

 IZAHAY dia tsy misakana ny fampandrosoana ho an’ny tanindrazana. Fa kosa, ny fikasana hanala anay mponina eto amin’ny taninay no tsy ekenay. Tsy azo ekena ihany koa ny fandravàna ny kolontsaina.

Tsy ekenay velively izany

Tsara tsipihina etoana fa mahavokatra vary izahay. Mamboly voanio sy lavanila, anana ary voatabia. Ary efa mamatsy ny hotely sy orinasa Fruits de Madagascar ao Nosy Be sy ireo orinasa ao Sakatia amin’ny voankazo samihafa izay novolenay toy ny grenadelle, voasary makirana, mananasy, manga ary akondro ny fianakaviana miasa ato.

Maro koa ny mpizaha-tany avy amin’ny firenena maro efa noraisinay mponina eto Nosy Sakatia ka faly sy afa-po na ny vahiny mpitsidika na izahay mponina mpandray vahiny.

Mitodika aminao izahay Mr le Maire de Nosy-Be, niantso fitoniana ho anay mponina eto Sakatia ianao, eny, fa kosa tsy ho tony mihitsy izahy raha toa ka tsy azonay ny Zo fototra anananay vahoaka. Raha ny taona 2000 araka ny nambaranao, mahakasika ny titre fananan-tany na RFT (réserve foncière touristique), talohan’izany dia efa nipetraka teto izahay, ary talohan’ny fanjanahan-tany aza. Efa nisy marobe ny fangatahana ny “TITRE” fananan-tany fa ny ao amin’ny “DOMAINE “ dia nanambara fa “SUSPENDU” ny fangatahana titre fananan-tany ho an’ny Nosy Sakatia.

Mr le Gouverneur de la Région DIANA : tsy manohitry ny voalazanao izahay mponina Sakatia, fa ny fampandrosoana ho tombontsoa ho an’olombitsy izay manohitohina ny tomboantsoa iombonan’ny vahoaka amin’ny foto-pivelomanay ety Ifotony dia tsy ekenay izany satria tanindrazanay ity.

Isaoranay ianareo vahoaka Malagasy tsy vaky volo miaraka ary maneho firaisankina aminay amin’ity toe-javatra manjo izahay amin’izao fotoana izao. Taminy 9/04/25 nisy nilaza tao amin’ny Kolo TV ianareo momba ny parachutistes,  na dia izahay eto an-toerana aza tsy nahita ary tsy nahafantatra ny fisian’izany dia ianareo no nilaza izany ka marikan’ ny firasankinanareo aminay mponina eto Sakatia izany. Mankasitraka tompoko. Madagasikara iray ihany, Malagasy tsy mivaky volo fa iray ihany. Madagasikara dia hoan’ny Malagasy.

MANIRY IZAHAY VAHOAKA ETY IFOTONY HANATSARA NY SEHATRY NY FIZAHANTANY AMINY ALALAN’NY ECO-TOURISME IZAY EFA ATAONAY – HANATSARA NY VELOMAM-PO NAY IO ECO-TOURISME IO – ARY KOA VONONA HIARA-HIASA AMIN’IZAY OLONA NA RAFITRA VONONA HIARA-HIPETRAKA AMINAY HAHAFAHANAY MITONDRA NY ANJARA BIRIKY AMIN’NY FAMPANDROSOANA AN’I MADAGASIKARA.

TSY AFAKA MANATANTERAKA IZANY ANEFA IZAHAY RAHA TSY AFAKA MIPETRAKA AMIN’ NY TANINAY TSY MISY AHIAHY.

MBOLA MIANTSO IREO HERY VELONA REHETRA MISY ETO MADAGASIKARA IZAHAY MPONINA MONINA ETO AMIN’NY NOSY SAKATIA MBA HIJERY ANKAIKY NY ZAVA-MISY ATY AMINAY.

11 Aprily 2025   

Ny mponina monina eto amin’ny Nosy Sakatia