Tsy maintsy fantarin’ny olompirenena malagasy tsara ny votoatin’ny A.P.E fifanarahana ara-toe-karena voasonia niaraka tamin’ny Vondrona Eoropeanina ny 10 jona 2026 ary toherina ny famatorana an’i Madagasikara amin’ny UPOV.

Taorian’ny fanaovan-tsonia ny Accord de Partenariat Économique (APE) teo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana, dia maniry hampahafantatra ny vahoaka ny fikambanan’ny tantsaha sy ny firaisamonim-pirenena momba ireo mety ho fiantraikan’ity fifanarahana ity amin’ny masomboly sy ny zon’ny tantsaha. Takianay ny hamoahana ampahibemaso ny APE voasonia manontolo ary manohitra ny famatorana an’i Madagasikara amin’ny UPOV izay mety hanakana ny fahafahan’ny tantsaha mampiasa, mitahiry, mamokatra ary mifanakalo malalaka ny masomboliny.