Antso avy amin’ny Rodoben’ny Firaisamonimpirenena ao amin’ny faritra DIANA – Newsletter n°255 (MLG)

NOSY SAKATIA : AVELAO HO AN’NY MPONINA NY NOSINDRAZANY !

Efa nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakanan’ny Repoblika Malagasy (journal officiel) tamin’ny taona 2019 ny fanafoanana ny fifanarahana fampanofana maharitra (bail emphytéotique) ny tany ao amin’ny Nosy Sakatia. Hatramin’izao taona 2025 izao anefa dia mbola manjavozavo ho an’ny mponin’i Sakatia ny toe-javatra. Misy ve ny tsy fanarahana-dalàna sa manana sakana ny ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananantany ?

« Tandindomin-doza ny mponina ao Nosy Sakatia sy ao amin’ny nosy kely rehetra ao avaratr’i Madagasikara » hoy ny antson’ny firaisamonimpirenena ny 29 janoary 2025. Nasongadiny tamin’izany fanambarany izany fa efa an-taonany maro no nisy nanao varo-boba ny tany tao Nosy Be ary mitohy tsy mitsahatra ny olan’ny mponina satria maro ny olon-tsotra ravàna trano sy esorina amin’ny taniny nefa tsy mazava ny fomba nisafidianana ireo vitsy an’isa mpanam-bola mahazo manorina ».

Niteraka fanontaniana lehibe ny fahitàn’ny mpanao fanadihadiana maro tao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika Malagasy (Journal Officiel) mitondra ny daty 23 Desambra 2019 ny didim-pitondràna laharana faha-227/2019 MAHTP. Enin-taona izany izao no nanafoanan’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy tamin’izany fotoana ny « fifanarahana fampanofàna maharitra 50 taona teo amin’ny Fanjakàna malagasy sy ny sosaiety Green Mada Land mahakasika ny tany atao hoe Réserve Foncière du Domaine Public d’Ampasindava-Sakatia ao amin’ny Kaominina sy Distrikan’i Nosy Be ». Koa mahagaga ny mbola aneken’ny mpiandraikim-panjakàna ankehitriny sy iarovany ny tetikasan’ny orinasa Green Mada Land.

Voalaza ao amin’io Gazetim-panjakana io mantsy fa« ny tany dia miverina ho tanim-panjakàna azo amidy, madiodio sy tsy misy arakaraka ». Voalaza ao koa fa « ny mpividy tsy nekena dia manana fe-potoana roa (2) volana manomboka amin’ny fampahafantarana azy ity didim-pitondràna ity mba hanaovana fampiakaran-draharaha. Amin’ny fahataperan’ny fe-potoana voalaza etsy ambony sy raha vao maharay ny taratasy fanamarinana momba ny tsy fisian’ny fampakaran-draharaha ny Mpikajy ny Fananantany ao Nosy Be dia hanao ny fanoratana ao amin’ny bokin-tany mifandraika amin’izany. Ny ministry ny Fanajariana ny Tany nanasonia ny fanafoanana ny fifanarahana dia nanamafy tao amin’ny televiziona KOLO TV ny fisian’io fanafoanana ny fifampiraharahana (bail emphytéotique) io taminy 10 Aprily 2025.  

ANDEHA TOHANANA IREO  MPONINA AO SAKATIA  

Tsy mitsahatra ny fahasahiranan-tsaina sy fanahian’ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia momba ny tanin-drazany sy ny ho aviny. Nisy fotoana niatrehan’izy ireo fanandraman’ny solontenan‘ny orinasa sy ny Organe Mixte de Conception (OMC) hiditra tao an-tanàna saingy nijoro ny fokonolona tsy nanaiky izany.

Tonga nanao fampiofanana mahakasika ny Zon’Olombelona tao Nosy Sakatia ny solontenan’ny Firenena Mikambana tamin’ny volana Mey ka nifanandrify tamin’ny fandalovan’izy ireo vao raikitra ny fampifanatrehana ny solontenan’ny mponina sy ny mpiandraikitra ara-panjakàna tao Nosy Be nokarakarain’ny mpanolo-tsain’ny kaominina mba hametrahana fanontaniana samihafa momba ny olana misy. Tonga nanatrika izany ny irakin’ny orinasa Green Mada Land avy ao Nosy Be. Saingy mbola manjavozavo ho an’ny olona izay tena mpampiasa vola sy mpanapa-kevitra marina (bénéficiaire effectif) ao amin’ny orinasa Green Mada Land. Tsy nampahafantarina ny mponina hatramin’izao koa ny andinidinin’ilay tetikasa ankalazaina fa hitondra fampandrosoana. Hatrany am-piandohana no voahitsakitsaka ny zon’ny mponina ahafantatra sy hilaza hevitra momba ilay tetikasa izay tsy manaja ny zony eo amin’ny fananantany.

Taorian’ny fanehoan’ny firaisamonimpirenena avy ao amin’ny faritra Diana hatrany ny firaisan-kinany amin’ny fokonolona ao Nosy Sakatia, dia nandalo tao an-toerana koa tamin’ny faran’ny volana Jolay 2025 ny solontenan’ny fikambanana ao amin’ny firaisamonimpirenena avy any amin’ny faritra hafa namantatra bebe kokoa ny zava-misy iainan’ny mponina sy naneho fanohanana ny tolona ataony amin’ny fiarovana ny taniny sy ny ny antom-pivelomany ary ny tontolo iainany sy ny kolotsainy. Anisan’ny ohatra velona mahakasika ny olana maro momba ny Fananantany atrehin’ny fokonolona manerana an’i Madagasikara noresahana nandritry ny Fihaonambe nasionalin’ny Firaisamonimpirenena tao Antananarivo ny 3 ka hatraminy 5 Jolay mantsy ny raharaha ao Nosy Sakatia.


Mendrika harahan’ny olompirenena malagasy rehetra akaiky ny raharaha Nosy Sakatia ary tena manampy ny fokonolona ao ny firaisankina sy fanohanantsika avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara.

Lahatsoratra nivoaka tao amin’ny gazety MIDI-Madagasikara ny 5 aogositra 2025.