Fanambaran’ny fihaonam-be nasionalin’ny firaisamonimpirenana eto Madagasikaramomba ny Nosy Sakatia – Newsletter n°254 (MLG)

Nifarana ny faha-5 Jolay 2025 ny andiany faharoa amin’ny Fihaonam-be nasionalin’ny firaisamonimpirenena eto Madagasikara izay nahitàna solontena mihoatra ny zato avy amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.

Talohan’ny namakiana ny Tatitry ny Fihaonam-be dia nisy fanambaràna toy izao nataon’ny mpivory ary novakian’ny mpiandraikitra.

Manana olana goavana be eo amin’ny lafiny fananan-tany ny fokonolona eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Anisan’ireo olana lehibe atrehin’ny vahoaka amin’ny fitantanana ny tany ireto manaraka ireto :

  • Fitantanana sy fanomezana tompony tsy ara-drariny ;
  • Fanavakavahana sy tsy fitovian’ny sata momba ny tany ;
  • Fihenjanana ara-tsosialy sy fanararaotana harena voajanahary.

Noho ireo olana rehetra ireo dia lasa miaina ao anaty tahotra sy ahiahy ny fokonolona. Tsy mahazo aina amin’ny fananany intsony izy ireo, tsy mahafantatra izay hoavin’ny taniny, ka mahatonga fanahiana lalina amin’ny lafiny fiarovana ara-tsosialy, toekarena ary kolontsaina.

Maro amin’izy ireo no very fanantenana sy zara raha mahasahy mitaky ny zony, satria matahotra ny ho melohina na ho voahilikilika amin’ny rafitra efa niorina.

Noraisina ho ohatra velona momba ny olana ankehitriny ny iainan’ny fokonolona manoloana ny tetikasa, lazaina fa hitondra fampandrosoana, ny raharaha ao Nosy Sakatia. Ka nanatanteraka ny andraikiny teo amin’ny asa fanelanelanana teo amin’ny mponina any ifotony sy ny mpiandraikitra eo amin’ny fitondram-panjakàna ny firaisamonim-pirenena ary mbola manohy izany hatramin’izao.

Miaina anaty ahiahy sy tebiteby efa am-bolana na an-taona maro ny mponina ao Nosy Sakatia noho ny famerimberenana aminy fa ho avy hanao tetikasa ny orinasa Green Mada Land ka tokony hiala ny mponina.

Vao maika mampitombo izany ahiahy sy tebiteby izany ny resaka nataon’olona maromaro, nilaza fa efa akaiky ny fotoana ka tsy maintsy miala tao amin’ny nosy ny mponina rehetra ao Nosy Sakatia.

Miray feo amin’ny mponina izahay sy manampy tosika ny fangatahany amin’ ny mpitondra fanjakàna sy ny orinasa hanao latabatra boribory (table ronde) miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka farany ambony ao amin’ny orinasa Green Mada Land.

Lazain’ny manam-pahefana ao Nosy Be fa ny manam-pahefana any Antananarivo mantsy no tompomarika sy afaka manapa-kevitra momba ny fifanolanana misy eo amin’io orinasa io sy ny fokonolona ao Sakatia.

Hevitra telo no tena tsindrina manodidina izany latabatra boribory miaraka amin’ny orinasa izany :

Voalohany : hiaraka amin’ny mpahay lalàna sy teknisianina samihafa izay ho fidiny hanampy azy eo amin’ny fifanakalozan-kevitra ny mponina, satria ny orinasa ampian’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fanjakàna matanjaka be foana.

Faharoa : Hasiana fiantsoana sy fanasàna an-tsoratra izany latabatra boribory izany fa tsy resaka am-bava na an-tarobia no hifampilazana ny fotoana sy toerana.

Fahatelo sady farany : Alefa 15 andro mialoha ny fiantsoana sy fanasàna ahafahan’ireo rehetra tokony hanatrika mandamina ny fotoanany ka samy ho tonga.

5 jolay 2025