Taorian’ny fanaovan-tsonia ny Accord de Partenariat Économique (APE) teo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana, dia maniry hampahafantatra ny vahoaka ny fikambanan’ny tantsaha sy ny firaisamonim-pirenena momba ireo mety ho fiantraikan’ity fifanarahana ity amin’ny masomboly sy ny zon’ny tantsaha. Takianay ny hamoahana ampahibemaso ny APE voasonia manontolo ary manohitra ny famatorana an’i Madagasikara amin’ny UPOV izay mety hanakana ny fahafahan’ny tantsaha mampiasa, mitahiry, mamokatra ary mifanakalo malalaka ny masomboliny.