Iray vola sy tapany taorian’ny 25 Septambra 2025, izay nanombohan’ny hetsika manan-danja eo amin’ny tantaran’i Madagasikara nataon’ny tanora sy ireo hery mpanohana ny demokrasia ary herinandro mahery kely taorian’ny nanendrena ny governemanta voalohany tao amin’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia maro ny olom-pirenena, no maneho ny ahiahiny momba ny tena fandrosoan’ny toe-draharaham-pirenena mankany amin’ny fanovana antenaina, indrindra eo anivon’ireo tanora. Misy milaza fa mitaky fotoana ny fanatanterahana izany. Mandrisika ireo mpandray fanapahan-kevitra kosa izahay ato amin’ity fanambarana ity, mba handray, dien’izao vanim-potoanan’ny Tetezamita sy ny Fanavaozana izao, fepetra fitandremana matanjaka mba hisorohana ny fangoronana ny tany Malagasy, indrindra ireo ataon’ny mpisehatra vahiny.
Ny fandrobana ny tanin’ny tantsaha sy ny olom-pirenena manerana ny nosy nataon’ireo olo-manana fahefana amin’ny lafiny samihafa, ireo oligarka, ary tamin’ny alalan’ireo nantsoin’ny sasany hoe tetikasan’ny filoham-pirenena dia lohahevitra niteraka fanafintohinan’ny mponina tamin’ny fitondran’ny ekipa Rajoelina nandritra ny taona maro. Misy tranga vaovao tsara iray ankehitriny izay mendrika hasongadina : niteraka fahalianana sy fanantenana tokoa ny fanambaran’ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany nandritra ny lanonana fifamindram-pahefana, fa haverina amin’ny vondrom-piarahamonina any ifotony ny tany nesorina taminy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny.
Voatonona manokana ireo nosy kely any amin’ny morontsiraka avaratr’i Madagasikara – Nosy Sakatia, Mitsio, ary Iranja -. Nisy mpanolo-tsaina eo amin’ny lalàna nilaza fa notendren’ny manampahefana ambony nanao fitsidihana ireo toerana tao amin’ny vondronosy Nosy Be, nihaino ny mponina any ifotony, ary nanangona rakitra betsaka. Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra momba ny tranga samihafa, dia tsy maintsy hisy fanadihadiana lalina momba ny sata ara-dalàna- n’ny nosy kely tsirairay, ny tahirin-tany fizahan-tany (na réserve foncière touristique) tsirairay, ary indrindra ireo sombin-tany maro ao Nosy Be izay atahorana halain’olona na efa nisy naka mihitsy.
Etsy ankilan’izany anefa dia tokony hiteny tsy misy hatak’andro ireo manampahefana vaovao ary hampiseho mangarahara tanteraka momba ny fanapahan-keviny mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa Faritra Afak’haba Iraisam-pirenena ho an’ny Fizahantany (Zone Franche Internationale Touristique) miaraka amin’ny Emirà Arabo Mitambatra izay nambaran’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 19 martsa 2025, fa tsy nolazainy kosa ny toerana hanaovana azy
Niresaka momba ny olan’ny fanotofana tany sy tanimbary tsy ara-dalàna ihany koa ny Minisitra miandraikitra ny Fanajariana ny tany. Maro ireo tokantrano voakasik’izany no miandry fatratra ny famerenana haingana amin’ny laoniny ny zony. Manantena ny rehetra fa ny fankatoavana ny zon’ireo niharam-boina sy ireo izay tratry ny ambana momba ny hakana ny taniny amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo dia hametraka ohatra azo hampiharina amin’ny famahana, mandritry volana ho avy, ireo olana momba ny tany maro hafa izay loharanon’ny tsy rariny ara-tsosialy.
Betsaka ny tsikera manodidina ny nisafidianana minisitra sasany ao amin’ity governemanta ity izay niteraka fanoherana maro Ny Minisiteram-panjakana ho an’ny Fanavaozana ny Repoblika dia nankinina tamin’ny solombavambahoaka iray avy amin’ny antokon’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, izay nifampiraharaha tamin’ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics tamin’ny taona 2008, momba ny fampanofàna nandritra ny 99 taona tany nanana velaraana 1,3 tapitrisa hektara any amin’ny faritra efatra dia Atsinanana, Melaky, Menabe, ary SAVA. Nanambara tamin’ny gazety iraisam-pirenena ny orinasa Daewoo tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 fa haato ny tetikasa noho ny krizy politika. Tsy mbola voamarina an-tsoratra ny fanafoanana io tetikasa io, ka niteraka ahiahy lehibe ny mety hiverenany indray.
Efa nisy fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena nanameloka ny fisafidianana ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, izay iray amin’ireo mpanohana mafana fo ny tetikasa Base Toliara fitrandrahana harena an-kibon’ny tany mampidi-doza sy miteraka adi-hevitra be, ankoatr’izay, teo aloha izy dia Sekretera Mpanatanteraky ny Tranoben’ny Harena ankibon’ny tany izay mamondrona ireo orinasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany miasa eto Madagasikara (1).
Tokony hiandry 2 taona fanampiny ve isika, mandra-pahatapitry ny Tetezamita-Fanavaozana indray, vao handray fepetra hiarovana ny tany Malagasy? Ampahatsiahivina fa tamin’ny fiandohan’ny Tetezamita tamin’ny taona 2009 no nisian’ny fanaovana sonia fifanarahana mihoatra ny 10 tamin’ny fomba miafina, izay mbola iainan’ny vondrom-piarahamonina any ifotony ankehitriny ny voka-dratsiny, raha tsy hilaza afa-tsy ny tetikasa fandraharahana ara-pambolena Tozzi Green sy ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Toliara Sands izay lasa Base Toliara taty aoriana (2).
Aoka ho mailo isika dien’izao. Ny fanapahan-kevitra momba ny fametrahana ny aro fanina matanjaka ilaina amin’ny fiarovana ny tanin’ny Malagasy dia tsy maintsy atao anisan’ny laharam-pahamehana mandritra ny vanim-potoanan’ny Tetezamita sy ny Fanavaozana ary tsy maintsy hampidirina ao anatin’ny mason-tsivana amin”ny fanaovana tombana ny minisitra tsirairay izay voalahatra ho ao anatin’ny roa volana.
Efa nanomboka nanome toky ny ekipany tokoa mantsy ireo mpandrindra ny mamba noana tany, mba hahazoana crédit karbônina fa tsy hisy fiovana lehibe hono eo amin’ny politikan’ny crédit karbônina eto Madagasikara na dia teo aza ny “korontana ara-politika” sy ny “fiovan’ny mpitondra”. Fa handeha ho azy toy ny mahazatra hono ny fandraharahana. (‘Business as usual’)
Voatonona ao amin’ny lahatsoratra iray Carbone Pulse fa mpanohana ny tsena karbônina ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Tontolo Iainana ankehitriny. Ity tsena ity anefa noforonin’ireo orinasa lehibe eran-tany mba ahafahan’izy ireo manohy ny asa mamoaka entona mafana mandoto ny tontolo iainana, ary mbola iadian-kevitra raha tena misy fahombiazana amin’ny fanalefahana ny fiovan’ny toetr’andro io tsena sy rafitra io ? Ankoatr’izay, vao avy nampiseho ny asa fanadihadiana ny fifanarahana teo amin’ny orinasa frantsay iray sy ireo tantsaha Malagasy any amin’ny faritra efatra ao afovoan’ny nosy, izay tokony hamboly hazo eo amin’ny taniny amina toerana midadasika 10.000 hektara mba hahazoan’ilay orinasa crédit karbônina ho azy, fa tena fifanarahan’ny mandresy sy ny resy (gagnant-perdant) no misy : ny orinasa mpiara-miombon’antoka no mitantana ny ara-bola rehetra mikasika ny tetikasa, ary ny tantsaha Malagasy dia mahazo potipotiny mandritra ny am-polony taona vitsivitsy aorian’ny fanesoran’ny orinasa ny fandaniana nataony sy ny anjarany amin’ny fivarotana crédit karbônina, ireo potipotiny moa dia tena ampahany bitika kely amin’ny totalin’ny crédit karbônina. Na izany aza, dia manaiky hamato-tena ireo tantsaha hamboly hazo sy hikarakara azy ireo mandritra ny taona maro izay mihoatra lavitra noho ny salan’isan’ny taona iainan’ny Malagasy iray alohan’ny ahafatesany.
Adidy maika sy manan-danja tena tsy maintsy hatao ny fiadiana amin’ny fangoronan’ny hafa ny tany malagasy ka ilaina hatomboka dieny ety am-piandohan’ity tetezamita ity (3).
Betsaka ny tany efa nafoy tamin’ny vidiny mora tamin’ny alalan’ny fivarotana na fampanofana (4) tamin’ny olona sy orinasa isan-karazany, tompontany na vahiny. Tsy maintsy atsahatra ity azo lazaina fa fahaverezan-drà ity!
07 novambra 2025
Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malagasy@gmail.com, https://terresmalgaches.info, facebook: TANYterresmalgaches,
X ex-Twitter: @CollectifTany; Instagram: @collectiftany; BlueSky: @collectiftany
Rakitra nanovozana hevitra :
(2) Ao amin’ny pejy faha-4 ‘ity rakitra ity ny lisitr’ireo fifanarahana
https://www.ecoi.net/en/file/local/1094620/1930_1369236275_g1313694.pdf
(3) Ity sosokevitra tondrozotra nataon’ny tanora Gen Z ity dia manao tolokevitra ao amin’ny pejy faha-11 ny hampihatoana (hanaovana « moratoire ») ny fanaovana fifanarahana momba ny tany, azo halalinina ho anisan’ny fepetra ho raisina izany
https://www.gen-z-madagascar.com/wp-content/uploads/2025/10/Fdr-GenZ.pdf
(4) Ny lalàna momba ny bail emphytéotique na fampanofàna tany mandritry ny fotoana maharitra 8 ka hatraminy 99 taona dia tsy mametra ny isan’ny fanavaozana ny bail isaky ny lany ny fe-potoana, ka manjary toy ny mivarotra tany amin’ny vidiny mirary dia mirary ny fampanofàna tany amin’ny mpampiasa vola vahiny.