Filazam-baovao faha-212 (MLG): Mila fifampidinihana matotra eo amin’ny fitondrana sy ny vahoaka isan’ambaratonga ny famaritana ny teti-pampandrosoana sy ny fitantanana izany
Miarahaba ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny governemanta izahay fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena. Ary mirary fahombiazana ho an’ny sehatra iandraiketanareo tsirairay avy eo amin’ny ezaka atao ho amin’ny fanatsaràna ny fari-piainan’ny fitambaran’ny vahoaka malagasy. ….Izahay miasa ato amin’ny firaisamonim-pirenena, toy ny firaisamonim-pirenena eran-tany, dia sokajy iray amin’ny sehatra anatin’ny fiaraha-monina eo akaikin’ny Fanjakàna sy ny rantsany … Lire la suite