FAMINTINANA
Ny Fampitambaram-pambolena (« Agrégation agricole ») dia làlan-tsaina vaovao naroson’ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary ny « Agribusiness » (Fambolena fehezin’ny pangoron-karena) no maodelim-pambolena hampiroboroboana sy hanovàna ny sehatry ny fambolena malagasy.
Ny « Agrégation agricole » na Fampitambaram-pambolena dia miantehatra amin’ny fifanarahana vita sonia eo amin’ireo kaoperativan-tantsaha (mpamboly, mpiompy na mpanjono) izay antsoina ho « agrégés » na voatambatra, sy orinasa iray, mpampiasa vola izay « agrégateur » (mpanambatra).
Satria io fampitambaram-pambolena (“agrégation”) io dia fomba hafa manohy ny tetikasa ara-pambolena vita fifanarahana (“Agriculture contractuelle”) efa ampiharina eto Madagasikara, dia aseho ny votoatin’ny fifanarahana ara-pamokarana sasantsasany nampiasaina tato anatin’ny taona vitsivitsy, izay miteraka fanehoan-kevitra sy fandinihana maro samihafa. Mamatsy ny ambioka (masomboly), zezika sy fitaovana ary manara-maso ireo tantsaha ny orinasa. Ny tantsaha kosa mamboly ny taniny amin’ny alàlan’ireo fitaovana nomena, amin’ny fanarahana antsakany sy an-davany ny torolàlana isan-karazany omen’ny orinasa ary tsy maintsy mivarotra aminy, amin’ny vidiny matetika tapahina amin’ny fotoana anaovana sonia ny fifanarahana, ny vokatra rehetra ankoatr’ireo vokatra izay tsy manaja ny fenitra. Miharihary ny fahaverezan’ny fizakantenan’ny tantsaha ka ny mpampiasa vola no tena mahazo ny ampahany be amin’ny tombom-barotra : fiaraha-miombon’antoka mitanila ka « ny andaniny mahazo kely / ny ankilany mahazo be » izany.
Ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ataon’ireo kaoperativan’ny mpamokatra izay hisolo ny tantsaha tsirairay nivondrona tao anatina fikambanana na tsia, dia hanome vahana ny fifandanjan-kery mitanila eo amin’ny mpampiasa vola sy mpamokatra izay manambatra fambolena.
Ankoatr’izany, ny lojika ara-toekaren’ireo mpampitambatra « agrégateurs », izay mirona amin’izay safidy ahafahan’izy ireo mahazo ny tombony be indrindra, dia ahiana hitarika azy hirona any amin’ny làlam-bola miteraka tombotsoa be indrindra, izay tsy vokatra ara-tsakafo. Ary na dia hiroso amin’ny fambolem-bary aza izy ireo dia mety aleony manondrana izany any ivelany toy izay mivarotra amin’ny tsena eto an-toerana. Miteraka ahiahy be noho izany ny mety tsy hahafahan’ity paikady ity hahatratra marina ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Zava-dehibe noho izany ny tsy maintsy hijeren’ny tompon’andraikitra sy ny mpandray fanapaha-kevitra ny filàn’ny vahoaka Malagasy raha vantany vao hanome ny orinasa ny fahazoan-dàlana hanao fampitambarana-« agrégation » izy ireo, arakaraka ny vokatra nofidian’ny mpampitambatra-« agrégateur », sy ny fanaraha-maso akaiky ny habetsaky ny kasaina haondrana sy ny ampahany hampiasaina eto an-toerana rehefa miakatra ny vokatra, na manahoana na manahoana ny finoana sy fahatokisan’izy ireo ny tombon-dahiny azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakàna sy ny sehatra tsy miankina. Tsy maintsy hampitomboin’ny mpitondra ny lanja omena ny fanohanana ireo mpamokatra ara-pianakaviana, ao amin’ny laharam-pahamehan’ny tetikasa ao anatin’ny « Plan Emergence Madagascar ».
Mikasika ny fambolem-bary, ireo fepetra fifehezana ny rano, izay manana ny anjara toerany lehibe, dia tsy novoaboasana tsara ao amin’ny Paikadim-pirenena momba ny Fambolena miankina amin’ny Fandraharahan’ny mpangoron-karena (Stratégie nationale de l’agribusiness Madagascar – jolay 2020) sy ao amin’ny Plan Emergence Madagascar 2019-2023 (janoary 2021), nefa ny fiovan’ny toetr’andro dia tena manakorontana mafy ny asa fambolena. Tsy misy mihitsy vahaolana mazava iatrehana ny maitso ahitra izay mianjady amin’ny ankamaroan’ny tantsaha isan-taona.
Ny fampiharana nandritra ny 10 taona mahery tamin’ny alàlan’ny « Plan Maroc Vert » ny Fampitambaram-pambolena (« agrégation agricole ») tany Maraoka, dia nahafahana nisintona lesona niainga tamin’ny valan-dresaka iray, fa vao maika miankin-doha ny tantsaha ary tsy manana fomba hifehezana ny vidin’ny vokatra nisasarany. Fehezin’ny vondron’orinasa goavana ny sehatra rehetra, ataony ampihimamba ny vola, ny hatsembohana ary ny tanin’ireo tantsaha madinika.
Antso avo ho an’ny olom-pirenena rehetra no atao mba hitandrina sy ho mailo manoloana ny volavolan-dalàna momba ny Fampitambaram-pambolena (« agrégation agricole »), izay ho avy araky ny voalaza ao anatin’ny ‘Stratégie nationale de l’Agribusiness’ sy notaterin’ny gazety.
DRAFITRA
Famintinana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .1
Fampidirana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .2
Inona moa izany Fampitambaram-pambolena ? . . . . . . . . . . . . . . .3
Inona no taratry ny famakiana ny fifanarahana ara-pamokarana sasany ampiasaina eto Madagasikara ? . . . 4
Hanatsara ny fari-piainan’ireo mpamokatra mivondrona amin’ny kaoperativa ve ny fampitambaram-pambolena ? . . . . . . . . . . 6
Hahatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafo ve ity paik’ady ity ? . . . . 7
Inona avy ireo lesona lehibe tsoahina avy amin’ny traikefa tany Maraoka ? . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 11
Famaranana. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 14
FAMPIDIRANA
Ny toerana misy ny fanjariana ara-tsakafo eto Madagasikara dia miteraka olana lehibe ankehitriny, noho ny antony maro samihafa, mifandraika indrindra amin’ny fiovan’ny toetr’andro (1). eto amin’izao tontolo izao, ary mihombo manokana noho ny fandripahana ny ala manerana ny nosy. Mba hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny politika momba ny fambolena ironan’ny Fanjakana Malagasy, izay miandany amin’ny fanohanana ny fambolena sy fiompiana miankina amin’ny fandraharahan’ny mpangoron-karena araka ny naroson’ny fitondrana nifandimby, dia vao maika niha-nahazo vahana nanomboka tamin’ny taona 2019, ao anatin’ny sori-dàlana efa nampiharina tany amin’ny firenen-kafa, dia ny Fampitambaram-pambolena (na ‘Agrégation agricole’). Ny antontan-kevitra momba ny Paikadim-pirenena momba ny Fambolena miankina amin’ny fandraharahan’ny mpangoron-karena eto Madagasikara, tao amin’ny “fivoriana fandaniana ny drafitra entina hanatanterahana” io Paik’ady io, izay natao tamin’ny Jolay 2020, dia nanambara fa hisy volavolan-dalàna hanatanterahana ity fomba fiasa ity (2).
Izany no mahatonga ny fahamaikan’ny hanaparitahana amin’ny olom-pirenena rehetra ireo vaovao sy ny vokatrin’ny fanadihadiana voalohany momba io politika io. Mampametra-panontaniana tokoa mantsy ny vokatr’ity paikady ity amin’ireo mpamokatra hiroboka amin’izany sy ny fipetraky ny fanjarian-tsakafo ho an’ny ankamaroan’ny mponina. Ho resahana ihany koa ny traikefa niainan’ny « Plan Maroc Vert » (na Drafitra Maraoka Maitso) izay niankin-doha tamin’ny Fambolena fehezin’ny Mpandraharaha mpangoron-karena (Agribusiness) hatramin’ny taona 2008.
INONA MOA IZANY FAMPITAMBARAM-PAMBOLENA ?
Ny efa ampiharina eto Madagasikara dia ny tetikasa Fambolena vita fifanarahana (« Agriculture contractuelle », izay mazàna misy fifanarahana vita sonia eo amin’ny mpamokatra tantsaha sy ny orinasa mpampiasa vola. Ny fehezan-kevitry ny fifanarahana dia mamaritra fa manome ny tantsaha ny ilaina rehetra hanomboana – ny masomboly sy ny zezika -, ny fitaovana, ny fampiofanana ary ny fanaraha-maso indrindra indrindra, ny mpampiasa vola. Ny tantsaha mpamokatra kosa dia mivarotra amin’ilay mpampiasa vola ny vokatra rehetra izay miakatra, miaraka amin’ny toromarika samihafa tsy maintsy arahany mikasika ny fomba fambolena sy ny fepetra takian’ny mpampiasa vola aminy eo amin’ny vokatra ho vidiany.
Ny fampitambaram-pamokarana (‘Agrégation agricole’) dia mitazona io lamina io amin’ny fangatahana an’ireo mpamokatra – tantsaha, mpiompy, mpanjono – hivondrona ao anatin’ny “kaoperativa” mba hiantoka ny famokarana. Ny orinasa kosa, ny mpampiasa vola, izay mitondra famatsiam-bola momba ny tetik’asa fambolena, – ka antsoina ankehitriny amin’ny anarana hoe mpanambatra – dia hanangona ny vokatra rehetra, hanodina azy ireo eo an-toerana na eo amin’ny faritra manodidina, ary hikarakara ny fivarotana azy eo amin’ny tsena eto an-toerana na amin’ny fanondranana any ivelany (3). Ny fampitambaram-pamokarana izany dia endrika fifanarahana ara-pambolena vaovao eo amin’ireo fikambanana mpamokatra sy ny sehatra tsy miankina.
Ny tanjon’ity rafitra ity voalaza dia ny “hiteraka sanda fanampiny eo amin’ny faritra mpamokatra, mba hahatonga an’i Madagasikara ho firenena indostrialy misandratra ary hampiditra ny mpamokatra ho anatin’ny fisandratan’ny fambolena”.
Ity fampitambarana ity no endrika fiaraha-miombon’antoka ironan’ny fitondràna ankehitriny ao anatin’ny Paikadim-Pirenena momba ny Fambolena fehezin’ny fandraharahan’ny mpangoron-karena (« Stratégie Nationale de l’Agribusiness ») eto Madagasikara (tamin’ny volana Jolay 2020). Ho fanampin’izany, ny Drafi-pivoarana momba ny Fisandratan’i Madagasikara 2019-2023 – Plan Emergence de Madagascar 2019-2023 – (Janoary 2021) dia nanambara fa ny tanjon’ny Fandaharam-pampandrosoana ny Fambolena dia (i) “Hanatratra ny fahavitan-tena amin’ny vary” sy (ii) “Hampivoatra ny Fambolena fehezin’ny Fandraharahan’ny mpangoron-karena” (4).
Ny safidin’ny mpanapa-kevitra amin’ny vina hanandratra ny Agribusiness, fambolena miorina amin’ny orinasa, satria “hery manosika ny ari-karena maharitra, ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fahazakàn’i Madagasikara hihatrika ny fifaninanana ara-barotra” dia milaza mazava fa mikendry ny tanjona “hampiroborobo sy hametraka, ato anatin’ny folo taona, agribusiness mahomby sy mahazaka fifaninanana, antoky ny fisandratana sy fanovana ny sehatry ny fambolena malagasy » (5). Fanimbàna ny Fambolena ara-pianakaviana « Agriculture familiale », izay fomba fanao eo anivon’ny ankamaroan’ny Malagasy any ambanivohitra, ary mandrafitra ny telo ampahefatry ny mponina eto amin’ny nosy Madagasikara no ho vokatr’izany. Ity fambolena ara-pianakaviana ity dia mampiasa ny mpianakavy rehetra ary mamokatra ny ankabetsahan’ny sakafo ilaina eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ny fanohanana ny Fambolena ara-pianakaviana, dia tsy hita afa-tsy any amin’ny laharam-pamehana faha-6 ao amin’ny Velirano faha- 9 ao amin’ny Plan Emergence Madagascar.
Nisy fanadihadiana nivoaka tamin’ny taona 2016 notohanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena mitondra ny lohateny hoe “Fambolena sy fampandrosoana any ambanivohitra ao Madagasikara”, dia misy fizarana mahakasika ny fambolena vita fifanarahana (6). Raha ny filazan’ireo mpanoratra, tamin’izany fotoana izany, dia « tantsaha manodidina ny 100.000 no voakasik’io fambolena vita fifanarahana io, amin’ny toeram-pamokarana any ambanivohitra mahatratra mihoatra ny 2,5 tapitrisa ao Madagasikara » (6). Ireo orinasa voakasik’izany dia « ahitana endrika maro samy hafa eo amin’ny alehibeny, ny fivelarany, ny tsena kendreny ary ny asa-famokarana ataony : orinasa mpanodina, orinasa mpanangom-bokatra, orinasa mpanondran’entana, ny orinasa iraisam-pirenena, ny fivondronan’ny tompon’ny indostria izay mety an’ny mpamatsy vola malagasy na vahiny, dia misehatra amin’ny làlam-bokatra isan-karazany. Misy ireo orinasa mpanodina mikendry ny tsena iraisam-pirenena izay miantsehatra amin’ny maha orinasa hafa-kaba azy ireo. Eo koa ireo fikambanana mpamokatra izay miantsehatra amin’ny maha mpampiroborobo ny paik’ady mifantoka amin’ny asa fambolena vita fifanarahana »6. Ny fifanarahana dia mety vita an-tsoratra na am-bava.
Ny fampitomboana ny vokatry ny fambolena malagasy mba hialàna amin’ny fanafàrana sy ny firosoana amin’ny fizakan-tena ara-tsakafo dia ilaina amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Ny fanodinana eto an-toerana ny vokatry ny fambolena alohan’ny ivarotana na hanondranana azy ireo mba hahazoana tombony kokoa dia fandaharan’asa tena mendri-piderana. Saingy hatraiza no azo antoka ny mampety io paikady io ho an’ny mpamokatra, hatraiza no ahazoana antoka fa hisitraka izany tombony izany ny mpamboly ?
INONA NO TARATRY NY FAMAKIANA NY FIFANARAHANA ARA-PAMOKARANA SASANY AMPIASAINA ETO MADAGASIKARA ?
Afaka nijery fifanarahana famokarana teo amin’ny folo teo izahay mahakasika fambolena vita fifanarahana (7)
mifandraika amin’ny vokatra sakafo natokana ho an’ny fanondranana (tsaramaso, pitipoà) ary koa ny voly natao ho an’ny indostria toy ny orza, hasy ary artemisia. Fifanarahana mitovy no soniavin’ny mpamokatra tsirairay izay miara-miasa amin’ny mpamatsy vola iray arakaraka ny karazam-bokatra vokarina, ny faharetan’ny fifanarahana mety maharitra tsingerin’ny vokatra iray ka hatramin’ny 5 taona.
Ny iray amin’ireo orinasa (W.), ao anaty antontan-taratasy mialoha ny fifanarahana, dia mitarika ny mpamboly izay nampiseho fahavononana hanome toky fa
– hampiasa ny fitaovana nomen’ny orinasa ary hamerina ny vidin’ireo, na dia tsy mahaloa ny trosany aza ny vidin’ny vokatra novidin’ilay orinasa.
– ary tsy maintsy manaja ireo torolàlana sy tetika tokony hampiharina amin’ny tanim-boliny voakasiky ny fifanarahana » (8).
Ny fifanarahana avy eo dia manery azy hiditra amin’ny “fikambanan’ny mpamokatra”, sy hanaraka ireo fepetra ara-teknika faran’izay henjana izay tsy maintsy tanterahiny raha tsy izany dia miandry azy ny sazy : ny habe sy ny velaran’ny tany ambolena, ny halalin’ny bainga, ny habetsaky ny zezika tsy maintsy ampiasaina isaky ny velaran-tany, ny daty famafazana, ny fotoana tsy maintsy hihaonana amin’ny chef secteur, ny toetran’ ny vokatra izay hovidin’ny orinasa amin’ny vidiny voafaritra mialoha, tamin’ny nanao sonia ny fifanarahana, ny vidiny izay “afaka miova raha « tsy maintsy niroso tamin’ny fanamboarana ny làlana ny orinasa”, sns. Ny pitipoà fihina-kodiny izay manana habeny manaraka ny fenitra, tsy tapaka ary mahitsy tsara ihany, izay ho entin’ny mpamokatra any amin’ny Ivontoerana voatondron’ny orinasa no hovidin’ity farany. “Raha toa ka mihoatra ny vidin’ny pitipoà fihinan-kodiny amidy amin’ny orinasa ny vidin’ny fitaovana rehetra, dia andraikitry ny mpamboly ny mandoa izany, farafahatarany amin’ny andro farany famoahana ireo vokatra voajinja. Raha tsy izany, dia azo atao ao anatin’ny fifanarahana amin’ny tsingerina manaraka ny fandoavana ilay vola. “
Ny fifanarahana vita sonia teo amin’ny orinasa iray hafa (X.) sy ireo tantsaha dia milaza fa ny zavatra rehetra ilaina aty am-boalohany – ny masom-boly, ny zezika, ny famonoana bibikely – ary ny fitaovana fanondrahana dia omen’ny mpampiasa vola toy ny fampindramam-bola ary misy torolàlana amin’ny antsipirihany izay tsy maintsy harahan’ny mpamokatra, momba ny teknika fambolena, ny fanondrahana ary ny fiotazana, fanaraha-maso isaky ny 15 andro ataon’ireo teknisianina. Ny vidiny ivarotana ny vokatra dia raiketina amin’ny fotoana anaovan’izy ireo sonia ny fifanarahana, ny vokatra tsy mifanaraka amin’ny fenitra dia haverina amin’ny mpamokatra mba ho hatsaraina ary averina indray ao aoriana. Ny famerenana ny “indram-bola” nomen’ny orinasa tamin’ny alalan’ny masomboly sy zezika ary ny fampitaovana dia atao rehefa mandoa ny vidin’ny fivarotana ny vokatra.
Ireo mpanandratra ny fambolena vita fifanarahana dia manamafy fa ny tombony azo amin’ity maodely ity dia ny fijanonan’ny tantsaha eo amin’ny taniny sy ny famboleny azy. Saingy marefo sy seho ivelany izany fiarovan-kevitra izany : tsy ny tantsaha intsony no mifehy ny fampiasana sy fitantanana ny taniny, ny fandaminana ny fotoanany, ary ny fanapaha-kevitra momba ny voly. Very ny fizakantenany. Endrika vaovao fanendahana aminy ny taniny ity (9).
Ny vidin’ny vokatra notapahana tamin’ny fotoana nanaovan-tsonia ny fifanekena no nahatonga ny fifanolanana teo amin’ny roa tonta teto Madagasikara teo aloha, tao amin’ny sehatra hasy : hitan’ny tantsaha fa ambany loatra ny ividianan’ny mpampiasa vola (Y.) ny vokatra raha oharina amin’ny ataon’ny mpanangom-bokatra hafa, ka tsy nanaja ny fifanarahana izy ireo ary nivarotra ny vokatra tamin’ny olon-kafa. Efa nisy fandrahonana sazy amin’ny toe-javatra toy izany.
Ny tranga fanta-daza dia momba ny artemisia annua, iray amin’ireo akora ampiasaina amin’ny fanamboarana Covid-Organics, izay voly avotra hanaovana fambolena vita fifanekena eo amin’ny tantsaha sy ny mpampiasa vola. Lahatsoratra iray tao amin’ny gazety iraisam-pirenena no nahafantarana ny elanelana misy eo amin’ny vidiny mahazatra sy ny vidiny andrasan’ny tantsaha monina amin’ny tanàna iray akaikin’ny renivohitra : “Novidiana taminay 1.050 ariary ny kilao-n’ny artemisia maina” hoy ny tantsaha. Rehefa hamidy latsaky ny 15.000 ariary ny kilao dia mamono antoka.”, hoy ny mpiara-miasa aminy. “Ny Artemisia dia mameno ny taninay mandritra ny enim-bolana”, hoy ihany izy, “mandritry ny enim-bolana anefa izahay afaka manao fambolena legioma in-telo miodina izay ahazoana vola avo telo heny” (10). Io lahatsoratra io koa dia nahafahana nahafantatra ny vidiny hivarotan’ny orinasa ny artemisia annua satria nolazain’ny Filohan’ny Repoblika fa ny “taonina artemisia” dia mitentina 3 000 dolara amerikana” ».
Na inona na inona mason-karena zakain’ilay mpampiasa vola, dia azo antoka fa tena mahazo tombony be izy. Raha mety ho azo an-tsaina ny zavatra samihafa voatery takian’ny fanajàna ny fepetra momba ny kalitaon’ny vokatra natokana ho an’ny fanondranana, ny fitazonana ny vidin-javatra amin’ny mpamokatra tena ambany ary indraindray tsy eken’ny mpamboly, dia mandray anjara amin’ny fampaharetana ny fahantran’ny tantsaha izany. Manaiky izy ireo satria ahafahany manana fidiram-bola fanampiny mba manatsara ny fiainany andavan’andro izay tena mitsipozipozy izany. Ny fiheverana ho tsinontsina tanteraka ny lanjan’ny asa nataon’ny mpamokatra sy ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fitaovam-pamokarana amin’ny alalan’ny tany, rehefa eo am-panombanana ny vidin’ny vokatra, dia mifanohitra amin’ny lanja lehibe omena ny fandraisan’anjara ara-bola entin’ny mpampiasa vola sy ny tombom-barotra goavana azony, ka ahafahana milaza fa ny fiaraha-miasa ato amin’ity fambolena vita fifanekena (agricuture contractuelle) ity dia fiaraha-miombon’antoky ny « mahazo be sy mahazo kely », fa tsy samy mahazo (« gagnant-gagnant » na « win-win ») araka ny vakiana matetika any anaty lahatsoratra.
Ny tsy ara-drariny misy amin’ny fifanarahana dia miseho ihany koa amin’ny tsy fisian’ny andininy mahakasika ny fiantohana ao amin’ireo fifanarahana misy, afa-tsy tao amin’ny tranga roa,
– ny iray (Z.) dia mamaritra fa “ny fanonerana ho an’ny mpamokatra dia hahatratra 30% -n’ny fahasimbana voamarina amin’ny fahavoazana voajanahary (havandra, fanala) alohan’ny faha-15-n’ny volana Oktobra”. Tsy tafiditra ao anatiny izany ireo tondra-drano sy « cyclones » mitranga mandritra ny fotoanan’ny orana (Novambra ka hatramin’ny Febroary).
– ny iray hafa (W) dia milaza fa raha misy olana mifandraika amin’ny voina voajanahary voamarin’ny manam-pahaizana dia afaka mifanakalo hevitra ny roa tonta.
Amin’ny ankabeazan’ny tranga, ny tantsaha irery izany no mibaby ny vokadratsin’ireo trangan-javatra ateraky ny toetr’andro toy ny fahaverezan’ny vokatra nohon’ny rivodoza, ny haintany ary ny tondra-drano, izay mitombo tokoa ny isany any amin’ny faritra rehetra noho ny fiovan’ny toetr’andro. Iaraha-mahalala fa tsy mora ny mahazo fanonerana avy any amin’ny orinasa fiantohana noho ny fahaverezan’ny vokatr’asa ateraky ny voina voajanahary. Saingy ny fotokevitra mikasika ny tokony hifampizaràn’ny mpampiasa vola sy ny mpamokatra ny fatiantoka mety hiseho dia heverinay fa zava-dehibe. Tena tsy azo ekena ny famindràna ny fatiantoka rehetra any amin’ny mpamokatra.
Ny andinin’ny fifanarahana momba ny rafitra fanelanelanana raha misy ny fifanolanana dia mahaliana manokana : voasoratra ao amin’ny fifanarahana L., fa “ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ao amin’ny andininy […] amin’ity fifanarahana ity dia manery ny orinasa hitondra ny raharaha eo anoloan’ny fitsarana ary zony izany ”. Ao amin’ny fifanarahan’ny orinasa Z. dia voafaritra fa afaka mitondra ny raharaha any amin’ny tribonaly misahana ny heloka bevava ny orinasa raha toa ka misy tsy voahaja ny iray amin’ ireo andininy ireo. Maninona ny zon’ny mpamokatra no tsy mba voatonona ao amin’ireo fifanarahana ireo ?
Ao amin’ny fifanarahan’ny orinasa X izay tsy dia miandany loatra ny fomba fijery, dia milaza ny andininy momba ny fifanarahana fa “raha misy ny fifanolanana tsy voavaha amin’ny fifandaminana dia hatolotra ny tompon’andraikitra mahefa ny raharaha “. Saingy mampalahelo fa tsy afaka nahita zava-nitranga mikasika ny famahana ny fifanolanana arak’io voalaza io izahay sy momba ny tohin’ny tranga mety nisian’ny fanenjehana tany amin’ireo “manampahefana mahefa”.
Eo amin’ny sehatry ny fambolena hasy any amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, nisy tantsaha izay tsy nanaja ny fifanarahana, indrindra ny andininy momba ny tsy fahazoana mivarotra ny voly amin’olon-kafa, ka notoriana sy nesorina tamin’ny fiaraha-miasa. Teo andaniny kosa ny tantsaha dia nitatitra fa matetika, ny iray amin’ireo orinasa Y. dia tsy manaja ny vanim-potoana sy ny daty fanomezana fanafody famonoana bibikely nefa ny fahataràna amin’ny famoahana ireo fanafody ireo dia mampitombo ny herin’ny bibikely mpanimba. Fanampin’izany, ny fanafody famonoana bibikely omen’ny orinasa dia tsy nahomby, ny tantsaha anefa voatery manefa ny vidiny ara-bola, izay nahatonga tantsaha maro hiala tamin’ny fiaraha-miasa. Izany zava-misy izany no voalaza fa nampihena be ny famokarana hasy tany amin’ny faritra, na teo aza ny fananganana ny Komity Fiaraha-miasa momba ny Hasy (Conseil Interprofessionnel du Coton) izay nampivondrona ny tantsaha, ny tompon’andraikim-panjakàna ao an-toerana sy any amin’ny foibe, ary ny mpandraharaha, toerana nanaovana ny fifampiraharahana momba ny vidin’ny vokatra, ary famaritana ny fitsipika momba ny fiaraha-miasa sy ny fifaninanana eo amin’ireo mpandraharaha (11).
Ary farany, ny fifanarahana rehetra dia mandrara ny mpamokatra tsy hampiasa masomboly hafa noho izay omen’ny mpampiasa vola. Ny iray tamin’izy ireo dia namelabelatra an’io hevitra io tamin’ny lahatsoratra roa, ary nanipika fa ny mpamokatra dia manao fanekena fa “tsy hamokatra masom-boly eo amin’ny sombin-tany nifanarahana, tsy hampiasa afa-tsy ny masomboly nomen’ny orinasa ary hampiasa ny masomboly rehetra nomena eo amin’ny sombin-tany nifanarahana.”
Efa namoaka fampitandremana sy tsikera imbetsaka izahay manoloana ny fanapariahana ny masombolim-bary safiotra satria tena atahorana ny fitomboan’ny fiankinan-dohan’ny tantsaha haterany (12). Ny fambolena vary safiotra dia nanomboka nisian’ny fambolena vita fifanarahana tamin’ny taona 2019 (13), ary nanomboka ny taona 2020 ny famokarana masomboly safiotra (14).
Alohan’ny hiresahana bebe kokoa momba ny vary dia andao hojerena ny fomba mety hiantraikan’ireo lafiny samihafa amin’ny fifanarahana ara-pambolena amin’ny tetikasa fampitambaram-pambolena eto Madagasikara.
HANATSARA NY FARI-PIAINAN’NY MPAMOKATRA MIVONDRONA AMIN’NY KAOPERATIVA VE NY FAMPITAMBARAM-PAMBOLENA ?
Ny fahasamihafana lehibe misy eo amin’ny fambolena vita fifanarahana sy ny fampitambaram-pambolena dia ny fisian’ny kaoperativa mpamokatra – tantsaha, mpiompy, mpanjono – ao amin’ny fifanarahana miaraka amin’ny mpanambatra fa tsy mpamokatra isam-batan’olona, mpikambana ao amin’ny fikambanana na tsia,. Ny fikambanana eto Madagasikara dia fehezin’ny lalàna faha- 60-133 (15) izay mamaritra ny andininy faha-2 fa “ny fikambanana dia fifanarahana hiarahan’ny olona roa na maromaro, hanambatra amin’ny fomba maharitra, ny fahalalany na ny asany, ho an’ny tanjona hafa ankoatry ny fizaràna tombony”, fa ny kaoperativa kosa dia fehezin’ny lalàna faha- 99-004 (16) ary raisina ho toy ny orinasa manana ny maha-izy, noho izany dia mikendry ny fahazoana tombom-barotra.
Na dia mazàna aza manana ny ampy noho ny tantsaha mpikambana anaty fikambanana ireo mpikambana mivondrona ao amin’ny kaoperativa – ny vidin’ny petra-bola iray ao amin’ny kaoperativan’ny mpamokatra dia manodidina ny 200.000 Ariary, raha manodidina ny 1.000 Ariary kosa ny latsak’emboka firotsahana amin’ny fikambanana tantsaha – dia tsy azo antoka hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fifandanjan-kery ho an’ireo mpamokatra, ny fanovàna ny fifanarahan’ny olona mandeha irery ho lasa vondrona mikambana anatin’ny kaoperativa, noho ny tsy fitoviana lehibe loatra eo amin’ny ho enti-manana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny roa tonta. Ny fiankinan-doha mafy-n’ireo mpamokatra amin’ny fitaovana sy zezika ary masomboly atolotry ny mpandraharaha mpampiasa vola dia mametra ny fahafahany mifampiraharaha. Ankoatr’izay, ny mety tsy hisian’ireo mpanangom-bokatra hafa ao amin’ny faritra iray isian’ny fampitambaram-pambolena dia ahiana hahatonga ny mpamokatra hanaiky tsy fidiny izay vidim-bokatra lazain’ny mpanambatra.
Ny fatiantoka isan-karazany mananontanona ny mpamokatra eo amin’ny sehatry ny fambolena vita fifanarahana dia mbola mitombona eo amin’ny sehatry ny fampitambaram-pambolena. Fanampin’izany, ny fanadihadiana navoakan’ny gazety RECMA (17) tamin’ny volana Janoary 2019 momba ny “kaoperativa ao Madagasikara” dia nanasongadina fa “ny koperativa dia faritana ho orinasa izay ny mpikambana ao aminy no tompony” nefa eto Madagasikara ny lalàna manan-kery amin’izao fotoana izao ary indrindra ny didim-panjakàna momba ny fampiharana azy dia mampiseho “ny mbola fisian’ny fandraisan’anjara mafy-n’ny Fanjakana amin’ny fiainan’ireo rafitra ireo”. Milaza io lahatsoratra io fa tsy manana fahafahana manao izay asa heveriny toy ny orinasa malagasy rehetra ny kaoperativa.
Ny Paikadim-pirenena momba ny Fambolena miankina amin’ny Fandraharahan’ny mpangoron-karena – dika Jolay 2020 – dia manombana fa, ao anatin’ny fe-potoana antonony dia ny 50% amin’ireo mpamokatra no hisitraka fiantohana, izay tsy mbola voafaritra mazava ny votoatiny. Ato anatin’ny fe-potoana fohy kosa, inona avy ny fepetra horaisina hampihenana ny toetra marefon’ny mpamokatra rehetra ? Ary ahoana ny amin’ireo 50% ambiny ?
Ny fisian’ny fiaraha-midinika vaovao momba ity paikady ity niaraka tamin’ny sehatra tsy miankina irery tamin’ny volana novambra 2020 (18), herintaona taorian’ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra rehetra, na mivantana na ankolaka (19) dia miteraka ahiahy momba ny hironan’ny fanapaha-kevitra farany momba ny Paikady ho amin’ny tombotsoan’ireo mpandraharaha ara-toekarena mpanambatra, izay efa hisitraka ny tombony be indrindra amin’ny ny sanda fanampiny aterak’ity rafitra ity, toy ny amin’ny fambolena vita fifanarahana. Marihina fa nandritra io dinika niarahan’ny olona voafantina io, dia nangataka ny sehatra tsy miankina ny “hitiliana tsara kokoa izay hahazo tombontsoa, ny orinasa malagasy alohan’ny zava-drehetra, ary ny fampitomboana ny teti-bola atokana ho an’ny sehatry ny fambolena”.
Miteraka ahiahy koa ny tsy fisian’ny fanaparitahana ny valin’ny antso ho an’ny fanehoana fahalianana (appel à manifestatioon d’intérêt) tamin’ireo mpanambatra ao amin’ny faritra telo atao « fitaratra » Analamanga, Boeny ary Alaotra-Mangoro, indrindra ho an’ireo mpamboly mpikambana ao amin’ny kaoperativa ao Marovoay, ao amin’ny faritra Boeny, izay manana fifanolanana momba ny tany misy an’arivony hektara maro, amin’ny vondron’orinasa SOMIA, izay malaza fa nanasonia fikasàna hiara-hiasa (memorandum d’entente) tamin’ny minisiteran’ny Fambolena tamin’ny Janoary 2020 mifandraika amin’ny tanjon’ny “fahavitan-tena ara-tsakafo”. » (20) (21).
Ny hevitra mahakasika ny fahafaha-mifaninana nahindrahindra ao amin’ity vina manandratra ny voalaza fa “Agribusiness , môtera manetsika ny fandrosoana maharitra, ny fizakan-tena ara-tsakafo ary ny fahafaha-mifaninana eto Madagasikara” ity dia tsy miteraka afa-tsy fanantenana kely dia kely amin’ny hisian’ny fizaràna ny tombom-barotra fanampiny amin’ny mpamokatra, satria hiezaka hampihena ny fandaniany amin’ny famokarana ireo mpampitambatra.
HAHATRARANA NY FIZAKAN-TENA ARA-TSAKAFO VE ITY PAIKADY ITY ?
Na eo aza ny fiezahana hampitombo ny karazana sakafo hohanina amin’ny ambaratonga samihafa, dia ny vary no mijanona ho foto-tsakafon’ny vahoaka malagasy. Ny famantarana lehibe indrindra ny fizakan-tena ara-tsakafo dia ny fihenana mandra-pahafoana ny filàna hanafatra vary. Nampiely antso ho an’ny fanehoana fahalianana ho an’ireo tetikasa fampitambaram-pambolena eo amin’ny sehatry ny famokarana vary ny Fanjakàna tamin’ny volana septambra 2020 tany amin’ny faritra telo mba hampitomboana 500.000 taonina ny vokatra eto amin’ny firenena isan-taona ary hialàna amin’ny fanafarana vary izay mahatratra 300.000 taonina amin’izao fotoana izao.
Ao anatin’ireo 80% -n’ny mponina miasa amin’ny sehatry ny fambolena dia 90% no mirotsaka amin’ny fambolena vary amin’ny velaran-tany 1,3 tapitrisa hektara (22). Saingy voaporofo fa tsy ampy ny vary vokatra manoloana ny fitomboan’ny isan’ny mponina, noho ireto antony manaraka ireto araka ny filazan’ny Minisiteran’ny Fambolena : “ambany ny fampiasana masomboly sy zezika mahomby, olana amin’ny fidirana amin’ny tsena, tsy fisiana amin’ny lafiny iray nefa koa tsy fahampian’ny fanohanana miaro sy manome antoka ny mpamokatra sy ny mpamboly ara-pianakaviana, etsy ankilany » (23).
Io fandinihina io dia tsy miresaka singa iray tena manan-danja amin’ny fambolem-bary ary indrindra amin’ny teknika heverina ho mahomby toy ny voly vary maro anaka (système de riziculture intensive na SRI) sy amin’ny fampiasàna ireo masomboly manome vokatra tsara kokoa, arak’izay voamarikin’ny manam-pahaizana momba ny fambolena sy ny mpandinika rehetra, dia ny fifehezana ny rano (24). Ny fanajariana ny faritra 100 000 ha voalaza ao amin’ny Praograma Fanandratana an’I Madagasikara (PEM) sy ny Paikady Nasionaly momba ny Fandraharahana ara-Pambolena (SNAB) dia tsy ampy, manoloana ny filàna ankehitriny sy ho avy. Natao ho an’ny Fampitambarana ara-pambolena fotsiny ve ireo 100.000 ha ireo, sa afaka hisitraka an’izany koa ny tantsaha mamboly ara-pianakaviana, sy ny “mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono”, toa ny vondrona Emirati Elite Agro LLC izay hanana tany 60.000 ha ho an’ny voly isan-karazany, anisan’izany ny vary ? Ny “famerenana amin’ny laoniny ny velarantany fambolena” kasaina hatao ao anatin’ny paikady SNAB dia mbola manjavozavo ka miteraka fanontaniana sy ahiahy momba ny fanatsarana ny fifehezana ny rano ao amin’ilay velaran-tanimbary iray tapitrisa hektara mahery.
Inona no vahaolana ankapobeny sy maharitra heverin’ny rafitra amin’ny tranga toy ny tamin’ny fiandohan’ny taona 2021, izay nisehoana haintany manerana ny firenena ka nanambaran’ny Minisitry ny Fambolena fa tara be ny orana ka tsara kokoa raha ajanona ny famafazana vary ary miandry ny vanim-potoana famafazana manaraka ? (25) (26) sy hoe amin’ny volana martsa vao afaka hanambara raha hisy fiatraikany amin’ny vary vokatra amin’ity taona ity ny fahataran’ny orana ?
Raha mikasa hanankina ny fanapaha-kevitry ny fanajariana sy ny famatsiam-bola ireo fotodrafitrasa momba ny rano ho an’ny fambolena amin’ireo mpanambatra ny mpanapa-kevitra, dia atahorana ny ho vokany amin’ny vidim-bary hakàny azy any amin’ny mpamokatra, sy amin’ny vidiny hivarotany ny vary eo amin’ny tsena eto an-toerana. Noho izany dia tokony handray an-tanana ny asa fananganana fotodrafitrasa momba ny rano ho an’ny fambolena ny Fanjakana na eo aza ny fironana neoliberaly amin’izao fotoana izao sy ny tolo-kevitra matanjaka omen’ny rafitra momba ny fandraharahana iraisampirenena momba ny fanitarana amin’ny ankapobeny ny “fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina” (partenariat public-privé). Fanampin’izany, ny tompon’andraikitra ambony dia tsy maintsy mandresy lahatra ireo mpanambatra mba hanaiky hizara ny rano misy amin’ireo mpamokatra tantsaha manodidina na amin’izay tsy mpikambana ao amin’ny Fampitambarana aza.
Ilaina ny fampitomboana ny voka-bary eto amin’ny firenena, indrindra manoloana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao, saingy tsy hahafeno ny banga tsy ampy eo amin’ny filàna izany raha toa ataon’ny mpandray fanapaha-kevitra eo anivon’ny fanjakana laharam-pahamehana ny fanondranana any ivelany miohotra amin’ny fanjifana eto an-toerana. Raha ny marina dia tsy ampahafantarina ny olom-pirenena ny fampanantenana sy ny fanomezan-toky hanondrana vary any amin’ny firenen-kafa fonosin’ilay faniriana hanao an’i “Madagasikara ho sompitra ao amin’ny Ranomasina Indiana”. Mba hahazoana antoka fa ho ampy ny ampahany amin’ny voka-bary atokana ho an’ny filàna ara-tsakafo eto amin’ny firenena, dia tsy maintsy mihevitra ireo toerana hiafaràn’ireo karazany roa ireo ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny karazana vary ho volena amin’ny faritra tsirairay, dieny amin’ny fotoana famafazana. Ny fifehezana amin’ny fotoam-pijinjana hoe firy taonina no ho tazonina ho an’ny tsena eo an-toerana, etsy andaniny, ary firy taonina no hahondrana, etsy ankilany, dia tena zava-dehibe.
Manoloana ny lojika ara-toekarena mahazatra ny sehatra tsy miankina, dia mety handray fanapahan-kevitra mifototra amin’ny tombony mety aminy indrindra sy betsaka indrindra ny mpanambatra ary tsy voatery mikendry ny hanalefahana ny loza mananontanona momba ny tsy fahampian-tsakafo eto Madagasikara. Araka ny nomarihan’ireo mpikaroka samihafa voatonona, mikasika ny fambolena vita fifanarahana eran-tany, “ny sehatra rehetra dia mety ho voakasika fa ny zava-misy ankehitriny dia manaraka ny zavatra voadinika erantany izay mampiseho fa ny voly fototra, ny voamaina sy hanin-kotrana, izay, mifandray akaiky amin’ny fiantohana ny fahampiana ara-tsakafo, dia tsy dia manitona loatra ny fambolena vita fifanarahana, raha oharina amin’ny fambolena hôrtikoltora sy vokatra fampidiram-bola (cultures de rente), indrindra fa ireo fambolena mitsinjo ny tsena fanondranana any ivelany » (27).
Rehefa tena jerena akaiky tokoa ny karazam-bokatra nanaovana fambolena vita fifanarahana hatramin’izao, sy ireo voly asandratry ny tetikasa lehibe, dia ireo vokatra mikendry fanondranana no tena ifantohan’izy ireo : kakao, lavanila, hasy, jirofo, letchis, kanelina, dipoavatra, curcuma, mananasy ary ampongaben-danitra” (28).
Amin’ny ho avy sy amin’ny ankapobeny, ny sakafo ilain’ny vahoaka malagasy no tokony hanaovana tombana matetika, miohotra amin’ny fitomboan’ny isan’ny mponina ohatra, mba ahafahana mitsinjo azy amin’ny fanapaha-kevitra rehetra, toa ny amin’ny fizaràna fahazoan-dalàna ho an’ny fanambàrana. Raha toa ny mpandray fanapaha-kevitra te hampihatra an’ity fomba fiasa sy maodely ity na inona na inona fiantraikany, dia tokony hatao izay ahafahan’ny mpamokatra mihinana na mivarotra ireo vokatra azo hohanina izay tsy vidian’ny mpanambatra, rehefa tsy mahafeno ny fepetra sy fenitra napetraka tao amin’ny fifanarahana, ny habeny sy ny kalitao, ohatra, toa izay efa hita any amin’ny fifanarahana sasany.
Ny fiheverana ny sakafo ilain’ny mponina sy ny fahefany mividy dia tena zava-dehibe manan-danja ao amin’ny sehatry ny fambolena ary koa eo amin’ny sehatry ny fiompiana sy ny jono, ho an’ny fahatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafo. Maro tokoa amin’ireo vokatra fanondrana ahazoan’ny mpandraharaha ara-toekarena tombony goavana mantsy no tsy voly sakafo ary ny vokatra avy amin’ny vokatry ny jono rehetra natao haondrana dia tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny ankamaroan’ny teratany malagasy.
Hahatafita ny andraikitra apetraka aminy amin’ny fomba mahomby ve ny rafitra tompon’andraikitra amin’ity asa ity sy hahatanteraka ny fampiharana ireo tolo-keviny ?
Ny singa iray mahaliana ao amin’ny paikadin’ny fampitambaram-pambolena dia ny sanda fanampiny (valeur ajoutée) antenaina amin’ireo fanodinana ny vokatra fihinana na tsy fihinana. Saingy asa firy no haterak’ireny ozinina ireny, ary hanao ahoana ny karama sy ny fepetra hihatra amin’ny mpiasa ? Ny hahazo tombony lehibe indrindra dia ahiana indray ho ny orinasa maro rantsana sy ireo mpandraharaha ekonomika, teratany sy vahiny. Eo amin’ny sehatry ny haivarotra (commercialisaton), ny paikady SNAB dia mihevitra amin’ny fomba mazava fa ny tsena eto an-toerana dia ho an’ny kaoperativan’ny mpamboly ary ny tsena iraisam-pirenena dia ho an’ny orinasa mpanondrana. Izany tetika izany dia hanakana tanteraka ny fahazoana fahaiza-manao sy ny fitomboan’ny fahalalàn’ny kaoperativan’ny mpamboly voatambatra eo amin’ny sehatry ny fanondranana.
Toy ny any amin’ny firenena hafa, eo amin’ny mponina ambanivohitra izay mandrafitra ny ankamaroan’ny mponina eto Madagascar, ny tantsaha sy ny mpamboly vary dia mandalo fotoan-tsarotra rehefa « maitso ahitra » (période de soudure) : mila vola izy amin’ny fotoam-pijinjana dia amidiny ny vary novokariny : vidiny somary ambany satria betsaka ny vokatra tonga eny an-tsena. Volana vitsivitsy aty aoriana, lany tanteraka ny tahiriny, miatrika ny ny fotoanan’ny “maitso ahitra” izy ireo ary voatery mividy ny vary amin’ny vidiny avo kokoa mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana manaraka. Tsy misy vahaolana amin’ity fahasahiranana miverimberina ity naroso mazava na ao amin’ny Paikady momba ny Fandraharahana ara-pambolena tantanan’ny mpangoron-karena (Stratégie de l’Agribusiness) mikendry ny fizakan-tena ara-tsakafo na ao amin’ny amin’ny Drafitra Fisandratan’i Madagasikara (Plan Emergence Madagascar) (29).
Ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka samihafa notaterina tao amin’ny antontan-taratasin’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny taona 2016 dia niresaka an’io lohahevitra io ary nanambara fa « ny iray amin’ireo fiantraikany voatanisa matetika dia ny fanalefahana ny faharetan’ny maitso ahitra satria maro amin’ireo voly isian’ny fambolena vita fifanarahana no voly avotra na mandritry ny fotoanan’ny maitso ahitra no miakatra ny vokany, tonga amin’ny fotoana tena mahasahirana ara-tsakafo ny tokantrano izany ny vola nateraky ny vokatra. » Raha toa ka tsy maintsy miatrika maitso ahitra mandritry ny efa-bolana ny tokantrano tsy manana fifanarahana, dia lasa roa volana sy tapany na 1,7 volana io fe-potoana io tamin’ny tranga sasany. Araka ny voalazan’io fanadihadiana ihany koa, “manodidina ny 100.000 ny isan’ny mpamboly voarohy amin’ny fambolena isian’ny fifanarahana ao amin’ireo toeram-pambolena mihoatra ny 2 tapitrisa sy 5 hetsy manerana an’i Madagasikara” (30). Satria “tsy loharanom-bola lehibe indrindra ny Fambolena vita fifanarahana ho an’ireo tokantrano voakasika no tsy io no làlam-pivarotana ny vokatra mahazatra azy indrindra ” (31). Noho izany dia mamboly any amin’ny toeran-kafa izy ireo ho an’ny antom-pivelomany na manao asa-fivelomana hafa noho ny fambolena mandritra ny fotoana hafa fa tsy mifantoka amin’io mandava-taona.
Asa ny mpanoratra raha nikasa ny hanafoana ny fakam-panahy rehetra mitady hampihatra ny Fambolena isian’ny FiIfanarahana ho asa tokana na lahasa lehibe indrindra rehefa manoratra hoe : ” Ny mpisehatra rehetra kosa dia tokony ho tonga saina fa, ao anatin’ny vanim-potoana izay anjakan’ny tsy fahampian-tsakafo mahavelona sy ny tsenan’ny voka-pambolena tsy dia lavorary firy, dia tena miteraka risika lehibe ho an’ny fitohizan’ny fahamarinan-toerana sy ny faharetan’ny asa fiharian-karena ny fanaovana tsirambina ny famokarana vokatra azo atao sakafo ” ? ((30) p.179)
Mikasika ny fiatraikany amin’ny fitomboan’ny fidiram-bola kosa, « ny mpamokatra izay mirotsaka amina fifanaraham-pamatsiana orinasa mpanodina vokatra […] dia mahazo fidiram-bola avo kokoa noho ny mpamokatra hafa tsy miara-miasa amin’io satria tsy azo antoka ny lalam-barony. Saingy maivana ihany ny fiantrakan’izany amin’ny fanilihana ny fahantrana satria ny toeram-pamokarana manan-katao sy renivola betsaka ihany (tany, asa, biby fiompy) no afaka mirotsaka amin’ireny fifanarahana ireny ». (30) p. 177
Manoloana ny mason-tsivana ilaina amin’ny fidirana ho mpikambana amin’ny kaoperativa sy ny mety ho fanilihana ireo fikambanana, dia ambony ny tahan’ny tantsaha izay tsy hirotsaka amin’ny Fampitambaram-pambolena. Noho izany ary mandra-pisian’ny porofo hafa manohitra izany, dia tokony hanohy hiantoka ny ampahany lehibe amin’ny vary sy vokatra hafa natao ho amidy amin’ny mpanjifa eto anivon’ny firenena ao amin’ireo toeram-pamokarany sy ny fikambanana misy azy ny ankamaroan’ny tantsaha. Manomboka mametraka ny Dokany Mora ho an’ny Mpamokatra (32), rafitra mikendry hamatsy masomboly sy zezika ny mpamokatra amin’ny vidiny heverina fa zakan’izy ireo ny mpitondra. Ny tsy fahampian’ny fahafantarana ny vidiny tena ampiharina sy ireo olona tena hisitraka izany dia tsy ahafahana milaza hevitra momba io rafitra vaovao io amin’izao fotoana izao. Misy tetikasa sasany tohanan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena miezaka manohana ny fampandrosoana ny fambolena tantanam-pianakaviana amin’izao fotoana izao. Saingy amin’ny faritra vitsivitsy sy mandritra ny taona vitsivitsy voafetra ka tsy mahasolo politika nasionaly ho an’ny rehetra izy ireo.
Noho izany dia anjaran’ny Fanjakana ny maminavina mialoha, amin’ny fomba sahaza sy mifanaraka amin’ny zava-misy, ireo lesoka tokony ho harenina amin’ny fanatanterahana ny fizakan-tena ara-tsakafo ato anatin’ny fotoana fohy. Ny politikam-pambolena nasionaly mikendry ny fanatosahana ny ampahany betsaka indrindra amin’ny sanda fanampiny ho any amin’ny tantsaha no tokony hofidina sy hampiharina mba hisorohana ny fahatongavan’ny mosary hanenika an’i Madagasikara ary hahafahan’ny tantsaha miaina amin’ny fomba mendrika, miaraka amin’ny fidiram-bola ampy, sady manohy mamelona ny mponina an-tanan-dehibe sy any ambanivohitra.
Ny fihomboan’ny zava-tsarotra atrehin’ireo tantsaha amin’ny fanatanterahana ny asany no tena vokatry ny nampiharana ny Fampitambaram-pambolena nandritry ny folo taona tao amin’ny Drafitra Maraoka Maitso (Plan Maroc Vert).
Ny traikefa maraokana dia aseho etsy ambany mba hanamafisana ny antsonay amin’ny fiangaviana ny rehetra ho mailo manoloana ny fifidianana ny Fitambaram-pambolena sy ny fampiroboroboana ny Agribusiness ho paikady nolanian’ny mpitondra fanjakàna malagasy ankehitriny mba hahatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafo sy hanavaozana ny sehatry ny fambolena ho « maoderina » , na dia tsy tena mitovy aza ny zava-misy eto Madagasikara sy any Maraoka.
INONA AVY IREO LESONA LEHIBE TSOAHINA AVY AMIN’NY TRAIKEFA TANY MARAOKA ?
Anisan’ireo firenena nampihatra ny Fampitambaram-pambolena nandritra ny folo taona mahery i Maroc tamin’ny alàlan’ny Plan Maroc Vert izay mikendry ny hanavao ny fambolena maraokana ho maoderina sy hampandroso ny faritra ambanivohitra tao amin’ny firenena, tamin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny toeram-pambolena lehibe, mitodika bebe kokoa amin’ny fanondranana any ivelany, miohotra amin’ny fambolena hivelomana. Tanjona roa lehibe no napetraka : ny fampitomboana avo roa heny ny harin-karena faobe sy ny vola miditra amin’ny fambolena mba hisakanana ny fahantrana. Nanokanana vola mitentina 147 miliara dirham, anisan’izany ny famatsiam-bola iraisam-pirenena 34 miliara dirham, ny Drafitra Maraoka Maitso (Plan Maroc Vert) dia efa nanampy na tamin’ny famatsian-drano sy ny fampiasàna milina amin’ny fambolena, na tamin’ny asa fanodinana ny vokatra ary ny fanatsaràna ny masom-boly (33). Ary vao avy nitarina tamin’ny « Green Generation 2020-2030 » (34) izany.
Saingy ny zava-misy iainan’ny tantsaha any ifotony izay voavahabaha ao amin’ny rakitra navoakan’ny ATTAC/ CADTM Maroc (36), nampiana ny famotopotoranay ny mpandrindra ny fandinihana, dia ahafahana mahatakatra tsara kokoa ny vokatr’io “maodely” io.
“Ho fampiharana ny fifanekena, dia manome masom-boly ny mpamokatra ny mpanambatra any am-piandohana ary avy eo mividy ny vokatra amin’ny mpamokatra : « Amin’ity taona ity, hanao famokarana miaraka aminay ianao, omenay masomboly, zezika ary ny zavatra iaingàna rehetra ilaina. Amin’ny faran’ny taona, atao ny kajy dia ilazana ianao hoe : amin’ity taona ity, somary ratsy ny vidiny “. Manandrana indray ianao amin’ny taona manaraka, ka isan-taona dia miha-milentika hatrany ianao. Ny mpamokatra madinika ambaindainy dia lasa miankin-doha tsikelikely. Dia amin’ny fotoana ilazàna ianao hoe : “Henoy aho, tsy maharaka intsony ianao. Alainay ny taninao, ny toeram-pambolenao”. Izany ilay lojika.
Rehefa milaza aminao ny vidin’ny vokatra izy ireo, dia tsy manana fomba hanakarana ireo anton-javatra samihafa niditra tamin’ny famaritana azy ianao. Rehefa miresaka fironan-javatra toy ny hoe “Eny, nisy vidim-bokatra lafo tokoa tany Eropa sy ny sisa ” ianao dia hoy ny avalin-dry zareo anao : “Marina fa lafo be ny vidiny tany Eropa saingy nisy olana ny vokatrao, tsy ampy ny kalitao-nao sns … » Ampidirany lafin-javatra maro hafa foana… mba hampanaikeny anao hatrany ny vidiny farany ambany ary mba ahazoany be any amin’ny farany.
Raha te hanana fidirana amin’ny fanondranana any ivelany sy ny tsena ianao dia tsy maintsy mandalo amin’ireo vondron’orinasa ireo. Tena sarotra ny manondrana any ivelany samirery rehefa tsy ampy ny velarantaninao. Fanampin’izany, mila fitaovana ho enti-miasa, ny kamio, ny fifandraisana amin’olona samihafa. Na eo amin’ny tsena eo an-toerana aza, raha tsy mifamatotra amin’ireo vondron’orinasa lehibe ianao, dia mety ho tratry ny olana marobe eo amin’ny lafiny haivarotra (commercialisation) satria tsy mivarotra mivantana amin’ny mpanjifa ny mpamokatra madinidinika, misy fanjakazakan’ny mpanelanelana izay matetika izy ireo ihany koa no manangona ho an’ny vondron’orinasa lehibe.
Ny vondron’orinasa lehibe dia mpanondrana any ivelany, manao fifanarahana amin’ireo tantsaha madinika, saingy mividy entana koa eo amin’ny tsena eo an-toerana mba hamenoana ny entana halefa. Ny olana dia tsy manana fomba hifehezana ny tena vidiny hivarotana ireo vokatra ianao, eny fa na eto amin’ny tsena eto an-toerana aza, vao mainka moa fa ny any ivelany.
Eo koa ny traikefan’ny mpamokatra any avaratr’i Maroc izay mamboly betiravy fakàna siramamy, ary manao fifanarahana amin’ny vidiny raikitra amin’ireo ozinina fanodinana. Saingy lazaina amin’izy ireo foana isaky ny miteny izy ireo fa tsy ampy ny tahan-tsiramamin’ny betiraviny. Ary farany, satria ny ozinina nanome mialoha ny zezika, ny fanafody famonoana bibikely, ny masomboly ary mitaky vidin’izany lafo amin’ireo tantsaha, miaraka amin’ny zana-bola, dia mazàna lazainy amin’izy ireo fa tsy manana kalitao tsara ny vokatra novokariny ka tsy vidiany amin’ny vidiny sahaza ny entana. Ny hiafaràny dia difotry ny trosa ny mpamokatra madinika any amin’ny faran’ny taona. Ny fanjakazakan’ireo vondron’orinasa lehibe sy ireo mpangoron-karena vahiny maro rantsana dia tena mazava eo amin’ny ambaratonga rehetra -n’ny sehatry ny famokarana sy haivarotra.
Mba hamokarana, dia nihanaka ny maodely Agribusiness, tsy maintsy manaraka ny fitsipika napetrany, mividy masomboly safiotra, manomana ny fambolena any amin’ny tsenan-janaka-legioma, manaja ny laminasa anglisy fanamasahana ny tany, manaja ny laminasa fitsaboana amin’ny fanafody famonoana bibikely… Tsy maintsy miditra amin’io lojika io, ianao anefa tsy ampy vola, lafo be daholo izany. Mitrosa amin’ny vondron-orinasa lehibe na amin’ny banky ianao ka manolotra ny titran’ny taninao ho antoka. Ny fampidirana ny tantsaha madinika amin’ny fitrosàna dia fomba iray hakàna amin’izy ireo ny taniny sy hampahantràna azy. Ny tantsaha madinika dia iharan’ny tsindry ary tsy dia manan-tsafidy. Ka na latsaka ao anaty fandriky ny banky izy, na latsaka ao anatin’ny vela-pandrika ataon’ireo vondron’orinasa lehibe mpanondrana any ivelany, ary matetika tafiditra amin’izy roa miaraka. Any Maraoka izao manjary tena sarotra be ny mahita masomboly nentin-paharazana. Tsy azo ampitomboin-taranaka ny masomboly, tsy azonao ampitomboina toy ny masomboly taloha, tsy manome na inona na inona, satria safiotra ireny masomboly ireny. Very ny fizakan-tenan’ny tantsaha amin’ny resaka masomboly, tsy maintsy mividy amin’ireo orinasa vaventy marorantsana izay manjaka amin’ity sehatra ity toy ny Bayer SA Seeds, De Ruiter-Seminis, Enza Zaden, Gautier Semences, Rijk Zwaan, Syngenta, Vilmorin… Fanampin’izany, mila mandeha miankina amin’ny tsenan-janaka-légioma ianao.
Ao amin’ny faritra misy ahy izao manjary misy tanin-jana-kazo miompana manokana amin’ny legioma. Masomboly nataon’ny orinasa lehibe maro rantsana izay tsy maintsy hatao grefy (voatabia, voanketsihetsy, voatango…) satria lany hery ny nofon-tany fa nanaovana voly tokana (monoculture) ary nampiasàna fanafody famonoana bibikely sy zezi-bazaha tamin’ny fomba mavesatra. Ankoatry ny fanaovana grefy dia eo koa ny fambolena mampiasa fiaro-tsiry (”culture hydroponique”) toy ny fanao amina tany manao fambolena totoafo (agriculture intensive) hita aty Eoropa mba hisian’ny vokatra mandava-taona na dia miova aza ny toetrandro…
Ny rafitra fiantohana dia nivoatra efa ho taona vitsivitsy izao ary misy banky lehibe nanangana rafitra miantoka amin’ny haintany. Saingy ny rafitra fiantohana dia sarotra vinavinaina loatra na dia amin’ny lafim-piainana hafa aza ka indraindray mitsaoka an-daharana ianao. Amin’ny ankapobeny, ao anaty fahantrana ny tantsaha madinika ka tsy manam-bola hisoratana anarana amin’ireny fiantohana ireny. Matanjaka ny sehatra ara-bola.
Ny tanjon’ny politikam-pambolen’ny Fampitambarana dia ny fahazoana antoka ny fisian’ny velaran-tany ho an’ireo vondron’orinasa mpamboly lehibe, ary ahatonga ireo mpamokatra madinika ho tonga mpiasa mpanampy an’ireny vondrona lehibe ireny. Ny mpampitambatra tsirairay dia samy manana ny fahalianany amin’ny fampivondronana tantsaha madinika betsaka araka izay tratra mba hananany velarana lehibe kokoa, izany hoe fahazoana vokatra tena betsaka. Izay no lojikan-javatra. Tsy voatery mamatotra ny tenany amin’ny mpampitambatra ny tantsaha, saingy tena voatsindry izy. Afaka manao izay tiany eo amin’ny taniny izy, saingy raha ny marina dia voafatotry ny fifaninanana, ny fiakaran’ny vidin’ny fitaovana ho enti-mamokatra ary ny fijotson’ny vidin’ny vokatra. Amin’ny farany, rahonana ho horoahina avy tao amin’ny sehatra izy.
Mihoatra ny 1,5 tapitrisa ny isan’ny mpamokatra any Maraoka. Manodidina ny 75% ny toeram-pambolena madinika (latsaky ny 5 hektara) izay tsy maintsy hiafara amin’ny fiankinan-doha amin’ireo Fampitambarana lehibe. Tany am-piandohan’ny taona 90, ny mpamatsy vola lehibe vahiny voalohany (frantsay sy espaniola indrindra) ary koa ny maraokana dia nanomboka tamina toeram-pambolena kely 10ha / 15 ha, ankehitriny misy vondron’orinasa manana 2.000 ka hatramin’ny 3.000 ha. Ny tanin’ny tantsaha madinika nampahantrany no nangoniny.
Mikasika ny loharanon-drano : ireo loharano famatsian-drano dia samy manana ny maha-izy azy arakaraka ny faritra. Ho an’ny faritra sasany, ny vovo no loharano matetika ahazoana rano. Na aiza na aiza, hita fa kely ny fisitrahan’ny tantsaha madinika ny ranon’ny toho-drano. Ny ankamaroan’ny tantsaha nanontaniana dia mampiasa ny fomba fitarihan-drano mahazatra (système d’irrigation traditionnel) (36), ary ireo izay maniry izany dia trà-pahasahiranana be eo amin’ny fahazoana ny fanampiana sy ny famatsiam-bola ilaina hividianana fitaovana ho an’ny fanondrahana mitete (irrigation par goutte à goutte). Any amin’ny faritra be tendrombohitra, miankina amin’ny rotsakorana ny fambolena.
Any amin’ny faritra Draa any atsimon’i Maraoka, ny hain-tany nandritra ny taona maro nifandimby dia nisy fiatraikany ratsy tamin’ny rano ambonin’ny tany, sy ny rano miaty, izay heverina fa fototra lehibe indrindra mamelona ny fitarihan-drano (irrigation).
Ritra ny rano miaty (ambanin’ny tany) satria mitombo izay tsy izy ny isan’ny vovo goavana sady lalina nolavahana. Fanampin’izany, nitombo ny isan’ny kamory (bassins) ary nitombo isa ny toerana fanondrahana rano mitete (irrigation goutte à goutte). Niainan’ny faritra ihany koa ny fahatongavan’ireo orinasa mpitrandraka harena ambanin’ny tany mihady lavadrano lehibe vatsiany paompy sy fantsona goavambe izay hatrany amin’ny am-polony kilaometatra ny halavany. Izany no nahatonga ny fahalanian’ny rano ambanin’ny tany ary niaina ny “krizin’ny hetaheta” ny mponina ao amin’ny faritra ka nitarika hetsika lehibe hiaro ny zon’izy ireo hisotro rano nandritra ny fahavaratry ny taona 2017.
Hamaranana, ny Drafitra Maraoka Maitso dia “fanamafisana ny fandraharahana ara-pambolena” (agrobusiness). Nisintona hevitra avy amin’ny tolo-kevitry ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena mitondra ny lohateny hoe “Fambolena miasa ho an’ny fampandrosoana” (L’agriculture au service du développement). Ny votoatiny dia fanatsaràna ny fepetra fampiasam-bola takian’ireo orinasa goavana maro rantsana, sy ny fanohanana ireo mpamboly manan-katao eo an-toerana, handresena ireo olana lehibe atrehin’izy ireo eo amin’ny sehatry ny fanatontoloana, ny krizy manerantany ary ny fitomboan’ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy eto an-toerana izay ho safotry ny fibosesehan’ny vokatra avy any ivelany. Ny “Plan Maroc Vert” dia miorina amin’ny fambolena totoafo (agriculture intensive) manodidina vokatra manome sanda fanampiny avo, natokana indrindra ho an’ny fanondranana any ivelany sy ny fanitarana ny fambolena fehezin’ny mpangoron-karena (agro-industrie). Ary ny andraikitry ny Fanjakana dia ny manohana ny fananganana ireo fampitambarana manodidina ireo orinasa “agro-indostrialy” manjaka tokana mamadika ny vokatry ny tany (voatabia, voankazo voasary, ronono, menaka fihinana, sns.) ho vokatra indostrialy. Ny sarambaben’ny mpamokatra madinika dia hiankin-doha amin’ireo vondrona lehibe ireo izay hanao ampihimamba ny volany, ny hatsembohany, ary hatramin’ny taniny.
Io politika momba ny fambolena io tokoa mantsy manamafy ny fangoronana tany. Ny sehatra fambolena hanjanahana (mihoatra ny iray tapitrisa hekitara) no fototra mivaingan’ny tompon’nytany lehibe midadasika izay avy amin’ny mpiasam-panjakàna ny ampahany (mpiasam-panjakàna ambony avy ao amin’ny fitantanana, ny tafika ary ny pôlisy) sy ireo mpangoron-karena eo amin’ny fambolena izay manjary miankina koa amin’ny Fanjakana.
Ny fitambaran’ny velarantany izay norobain’io sarangan’olona io dia tombanana ho manodidina ny 900.000 hekitara : tany lonaka ary miorina amina faritra voatondraka (périmètres irrigués) ny ankamaroany, ary ny nahatonga izany dia taorian’ny fanesorana tamin’ny fifehezan’ny fanjakana (privatisation) ny sisa tavela tamin’ny tany fambolena notantanan’ny mpanjanaka tamin’ny alàlan’ny orinasa roa (SODEA sy SOGETA : 324.000 hekitara tamin’ny 1973 ka hatramin’ny 124.000 hekitara tamin’ny 2003). Ny drafitra “Plan Maroc Vert” dia nikasa hanome 700.000 hekitara fanampiny ho tombontsoan’ny Fampitambaran’orinasa agro-indostrialy lehibe, izay mazava ho azy fa niteraka fahavoazana ho an’ny tantsaha madinika. Izany dia manamafy ny famondronan-tany efa nisy teo am-piatombohan’ny Drafitra Maraoka Maitso : ny iray isan-jato (1%) amin’ireo mpamokatra mampiasa mihoatra ny 15%-n’ny velaran-tany fambolena azo ampiasaina, ary 50 hekitara eo ny velarantanin’ny toeram-pamokarana. Ny 71% -n’ireo mpamboly kosa dia tsy mampiasa afa-tsy 24% -n’ny velarantany fambolena azo ampiasaina, eo amin’ny toeram-pamokarana latsaky ny 5 hekitara isanisany.”
FAMARANANA
Manoloana ny vaovao omen’ny haino aman-jery mahakasika ny fisian’ny “famolavolàna” volavolan-dalàna momba ny Fampitambaram-pambolena (37), dia naseho ireo zava-pantatra sy fandinihana ny votoatin’ny fifanaraham-pamokarana vitsivitsy efa misy eo amin’ny tantsaha sy ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina ary koa ny lesona azo tamin’ny traikefan’ny Fampitambaram-pambolena nandritra ny 10 taona tany Maraoka. Ny lalàna ho avy momba ny paikadim-pampandrosoana ny agribusiness amin’ny alàlan’ity modely ity dia azo antoka fa hikasika ny fiompiana sy ny jono ihany koa.
Ny lokanady lehibe indrindra dia ny fizakan-tena ara-tsakafo ao anatin’ny fotoana fohy sy lavitr’ezaka. Dieny eo amin’ny dingana famokarana, dia ahiahy sy fisalasalana no misy sy zaraina momba ny ahafahan’ity maodely fambolena ity hahatratra io tanjona io, indrindra noho ny fitadiavan’ireo orinasa tsy miankina tombom-barotra faran’izay betsaka, anefa eo amin’io dingana io ny tantsaha, izay mandrafitra ny ankamaroan’ny mponina, no heverina ho tafiditra ao anatin’ny “fisandratana” (« émergence »). Ny dingana fanodinana sy varotra dia tsy ahafahana manonitra izay lesoka ateraky ny dingan’ny famokarana.
Manoloana ny andraikitra sy ny anjara famatsiam-bola omen’ny mpanapa-kevitra sy tompon’andraikitra Malagasy ho an’ireo orinasa teratany sy vahiny amin’ity maodelim-pambolena ity dia toa tsy azo ihodivirana ny fametrahana fanontaniana momba :
– ny fahefana sy tombontsoa omen’ny volavolan-dalàna ho avy ho an’ireo mpampiasa vola tsy miankina, teratany sy avy any ivelany ho takalon’ny fidirany amin’ity paikady ity,
– ary ny fiantraikan’izany amin’ny ain’ny tantsaha any amin’ny faritra hampitambarana fambolena, amin’ny hetra miditra, amin’ny vola vahiny (« devises ») sy ny trosam-panjakana ary ho an’ny fizakan-tenan’ny Malagasy ara-tsakafo.
*22 febroary 2021 no voasoratra sy naely ny lahatsoratra tamin’ny teny frantsay (Newsletter n°152)
*26 mey 2022 no voadika tamin’ny teny malagasy
Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresmalgaches ; @CollectifTany
Plate-Forme Nationale des Organisations de la Société Civile de Madagascar – VOIFIRAISANA (PFNOSCM/VOIFIRAISANA)
plateformeosc@gmail.com ; Facebook : Pfnoscm Madagascar
—
(1) https://www.newsmada.com/2021/01/29/manque-de-pluie-et-consequences-en-cascade-la-secheresse-cause nationale/-
(2) StratégieNationale de l’Agribusiness Madagascar – Réunion de validation – Plan de mise en œuvre » juillet 2020 : document SNAB
(3) Vidéo de promotion : https://www.youtube.com/watch?v=FwZOiAZaz1s
4) Plan Emergence de Madagascar 2019-2023 – version Janvier 2021 – Velirano– (« Engagement ») 9
(5) Document SNAB
(6) Agriculture et développement rural à Madagascar, Banque mondiale, 2016, pages 160-221
(7) Famakafakàna momba ny Fambolena vita fifanarahana, Collectif TANY, 2019 (tsy naparitaka).
(8) Lettre de candidature – Taratasy fangatahana hirotsaka.
(9) Fandraisam-pitenenan’ny Collectif TANY tany Halle, mey 2016
(11) Fanadihadiana momba ny Fambolena vita fifanarahana, Collectif TANY, 2019
(12) Filazam-baovao Collectif TANY laharana faha-3
(15) http://www.droit-afrique.com/upload/doc/madagascar/Madagascar-Ordonnance-1960-133-associations.pdf
(16) https://www.ecolex.org/details/legislation/loi-no-99-004-relative-aux-cooperatives-lex-faoc028936/ sy https://www.informea.org/fr/node/445898
(17) Revue RECMA : LES COOPÉRATIVES A MADAGASCAR : QUEL ÉQUILIBRE ENTRE ATTRIBUTIONS DE L’ÉTAT ET DÉVELOPPEMENT DU MOUVEMENT ?, 2019
(18) https://www.newsmada.com/2020/11/03/agribusiness-concertation-pour-une-strategie-nationale/
(19) https://lexpress.mg/03/10/2019/une-strategie-pour-lagribusiness/
(20) https://www.newsmada.com/2020/01/17/agribusiness-les-secteurs-prives-mobilises/
(21) Video
MAROVOAY VARODROA.mp4
(22) Riziculture à Madagascar ; face aux défis de l’augmentation et de la sécurisation de la production | NewsMada
(24) L’agriculture à Madagascar – Comment réaliser la révolution dans le secteur agricole ? Recommandations » Friedrich Ebert Stiftung, 2015
(26) https://www.newsmada.com/2021/02/18/andilamena-antitra-ny-fotodrafitrasanny-vary/
madagasikara.mg/economie/2021/01/28/exportation-agricole-le-
(27) Agriculture et développement rural à Madagascar, Banque mondiale, 2016, page 163
(28) http://www.midi-projet-casef-veut-redorer-limage-de-madagascar-a-lechelle-internationale/
(29) Plan Emergence Madagascar, version janvier 2021
(30) Banque Agriculture et développement rural à Madagascar, Banque mondiale, 2016, page 166
(31) Agriculture et développement à Madagascar, page 163
(33) Green Generation 2020-2030 : https://www.afrique-agriculture.org/articles/lessentiel/maroc-apres-le-plan-vert-le-generation-green
(35) https://www.farmlandgrab.org/post/view/30095
(37) Secteur agricole : un projet de loi sur l’agriculture contractuelle en gestation | NewsMada