Miainga amin’ny lalàna vaovao 2022-013 mikasika ny tanin’olon-tsotra tsy vita faritra PPNT – ka hatrany amin’ny faritra fisandratana (zines d’émergence): samia malina hatrany! – Filazam-baovao faha-185 (MLG)

Mirary ny soa indrindra ho anao izahay amin’izao taona vaovao izao, na dia ahiana tsy ho mora aza ity taona ity.

 Misy fanapahan-kevitra sasantsasany noraisin’ny Fanjakana Malagasy tato anatin’ny volana vitsivitsy izay amin’ny volana na taona ao aoriana mihitsy aza no ho tsapa ny vokany.
 Nampihozongozona sy nahatezitra mafy ny mpisehatra rehetra momba ny fananan-tany eto Madagasikara ka hatrany ivelany ny fanovàna ny lalàna 2006-031 momba ny tanin’olontsotra tsy vita titra (PPNT) nolanian’ny loholona sy ny solombavambahoaka tamin’ny volana jona 2021 (lalàna 2021-016) (1) (2). Nisy hetsika isan-karazany, anisan’izany ny fanendrena Minisitra vaovaon’ny Fanajariana ny tany, nahatongavana tamin’ny fandaniana ny lalàna 2022-013 izay nanafoana ireo teboka tena nampidi-doza tamin’ilay lalàna tamin’ny 2021.

 Ny fandinihana tsara io lalàna vaovao io anefa dia mampiseho fa tsy namerina tamin’ny laoniny ny zo rehetra nananan’ny mponina amin’ny tanin’olontsotra tsy vita titra (PPNT) araka ny lalàna 2006 ity lalàna vaovao ity. Ireo fandinihana ireo dia mifototra amin’ny voalazan’ny lalàna (3) izay nalainay tao amin’ny tranokalan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy tamin’ny volana Aogositra 2022, saingy tsy hita ao intsony amin’izao fotoana izao. Marihina fa io lalàna io dia manindry fa “Noho ny fahamehana sy araka ny voalazan’ny andininy faha-4 sy 6 andalana faha-2 amin’ny Didim-panjakana laharana faha-62-041 […] dia hampiharina avy hatrany ity lalàna ity raha vao avy nampahafantarina tamin’ny alalan’ny fampielezam-peo sy/na fahitalavitra na tamin’ny peta-drindrina fa tsy miankina amin’ny famoahana azy ao amin’ny Gazety Ofisialin’ny Repoblika” (Journal Officiel) (and.55).

 Anisan’ny lohahevitra voaresaka ao amin’ny lalàna vaovao taona 2022, izay ho resahana ato amin’ity fanambarana ity, ny momba ny fakana an-keriny ny tany ho an’ny tombotsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique ) sy ny dingana jeometirika (« pas géométriques ») teo aloha, izay nosoloina ny tsorian-tany amoron-dranomasina mirefy 25 m (bande littorale de 25m). Mampametra-panontaniana ary mendrika ahazoana fanazavana avy amin’ireo manampahefana tompon’andraikitra ireo lohahevitra ireo, indrindra manoloana ny fanambaràna sasantsasany nataon’ireo mpitondra fanjakana nandritra ny Fihaonambem-pirenena momba ny fampiasam-bola ho amin’ny fisandratan’i Madagasikara (4) – izay natao ny 28 sy 29 oktobra 2022 – mba hampahafantarana ny olom-pirenena rehetra, indrindra ny tantsaha, ny zon’izy ireo amin’ny tany sy aha-mailo azy hatrany mikasika izany.


RAHA MISY « FAKANA AN-KERINY NY TANY HO AN’NY TOMBOTSOAM-BAHOAKA » DIA TSY MAINTSY MANANA KARA-TANY NY MPONINA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO.

 Olona sy fianakaviana Malagasy an-tapitrisany no manana tany nolovaina tamin’ny razambeny nefa tsy manana ny iray amin’ireo taratasy roa ara-dalàna fanaporofoana ny fananan-tany, dia ny titra na kara-tany. Tsiahivina anefa fa ny fahazoana titra izay naorin’ny fitondrana mpanjanaka sy iandraiketan’ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fananan-tany ny famoahana azy hatramin’izao, dia tsy vitan’ny ankamaroan’ny olom-pirenena malagasy noho ny fahasahiranana eo amin’ny fizoràna ireo dingana ilaina ahazoana ity antontan-taratasy ity sy ny vola mihoa-pampana takian’ny fikarakaràna azy, nefa ny 80%-n’ny mponina no miaina ambanin’ny taham-pahantrana. Ny kara-tany, izay napetraky ny Fanavaozana ny Lalàna momba ny fananan-tany (Réforme Foncière) tamin’ny taona 2005, kosa, izay iandraiketan’ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany (BIF) ny famoahana azy, dia mitaky vola kely kokoa saingy mbola tsy takatry ny tantsaha maro ny vola enti-manana izany ary latsaky ny ampahatelony (1/3) amin’ireo kaominina 1695 eto Madagasikara, no manana BIF.

 Voalazan’ny lalàna 2006 fa ny Malagasy rehetra nitoetra sy nanamainty molaly ny PPNT dia raisina ho tompon’ny taniny, ho fampiharana ny fiheverana ho tompony. Etsy ankilany, ny lalànan’ny taona 2022 dia milaza fa raha misy fakàna an-keriny ny tany ho an’ny tombontsoam-bahoaka dia “anjaran’ny tompony ny manome porofon’ny zo maha-tompon’ny tany azy, mba ahafahany mahazo ny tambin’ny fanesorana an-keriny” – ao amin’ny andininy faha-25 andalana faha-3 – ary ao amin’ny andalana faha-4 hoe “Ho an’ny tany tsy mbola misy kara-tany, ny ankilany mpanala ny mponina teo amin’ny tany dia mangataka amin’ny Lehiben’ny Mpanatanteraka, ny firosoana amin’ny fomba fanafainganana ny famoahana karatany. »

 Io andini-dalàna io dia maneho fanitsakitsahana ny fiheverana ho tompony (présomption de propriété) notapahina nandritra ny Fanavaozana ny Lalàna momba ny fananan-tany (Réforme Foncière), izay nahitana taratra ny fanomezana hasina ny zo ara-drariny izay nohajain’ny lalàna malagasy foana hatramin’izay (5). Io fitakiana kara-tany amin’ny fahazoana onitra io dia mifanohitra amin’ny fitsipika voarakitra ao amin’ny “Torolalana an-tsitrapo ho an’ny fitantanana tompon’andraikitra amin’ny fananan-tany” « directives volontaires pour une gouvernance responsable des régimes fonciers » izay manome lanja lehibe ny zo ara-drariny sy araka ny fomba eo amin’ny tany. Manao tsinotsinona ny soatoavina malagasy momba ny firaiketam-po amin’ny tany nolovaina tamin’ny razana ihany koa. Tena mampidi-doza amin’ny fiainan’ireo olompirenena malagasy an-tapitrisa izay efa ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany fanapahan-kevitra izany satria hanala aminy ny taniny izay matetika hany fitaovam-pamokarany sy hany fototry ny fidiram-bolany.

 Fahagagàna sy fahadisoam-panantenana no nateraky ny fahitàna ity fanitsakitsahana goavana ny zo ara-drariny sy ara-pomba malagasin’ny mponina ity. Nivadika ho ahiahy lehibe izany avy eo rehefa nanambara ny fametrahana ny Faritra hampisandratana ny Fambolena (6) sy ny Fizahantany (7) (« zones d’émergence agricoles et touristiques ») ny Fihaonam-be Nasionaly momba ny fampiasam-bola hoan’ny Fisandratan’i Madagasikara, ho avy hanampy ny agropôla, ny faritra fampiasam-bola hafa (8) ary ny tetikasa antsoina hoe “phares” (na tsilo) mifandraika amin’ny tambajotram-pifandraisana sy ny “fampandrosoana an-tanàn-dehibe” (9) izay itadiavan’ny mpitondra fanjakàna mpampiasa vola. Azo antoka ny fanatanterahana azy ireo fa hitarika ho amin’ny fakana an-keriny tany noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriations pour cause d’utilité publique).

 Ankoatra izay, manjavozavo tanteraka ity andalana faha-4 amin’ny andininy faha-25 ao amin’ny lalàna ity momba ny hoe iza no hiantoka ny saran’ny fahazoana kara-tany. Ny ankilany manaisotra an-keriny matetika dia ny Fanjakana. Araka ny voalazan’ny andininy faha-44 amin’ny Lalàm-panorenana dia “ny filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta no miandraikitra ny asan’ny mpanatanteraka”. Iza ary no Lehiben’ny mpanatanteraka resahin’ny andininy faha-25 amin’ity lalàna ity ? Ny filohan’ny Repoblika ? Ny praiminisitra ? Sa ny Ben’ny tanànan’ny faritra voakasika ? Ny didim-panjakana fampiharana an’io lalàna io ankehitriny (10) ao amin’ny andininy faha-62 dia tsy manome valiny momba izany.

 Misy fifanoherana miharihary sy tsy mirindra ao anatin’ny lalàna eo amin’ny fiheverana ny zon’ny mponina nentim-paharazana izay tsy manana kara-tany rehefa tafiditra anatin’ny faritra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny fananan’olon-tsotra tsy vita titra – PPNT – (and. 24) sy ny fitakiana kara-tany rehefa misy fanesorana an-keriny ho an’ny tombontsoam-bahoaka (and 25). Saingy ny andininy faha-61 ao amin’ny didim-panjakana fampiharana mifanandrify amin’ny andininy faha-24-n’ny lalàna dia tsy miresaka mihitsy momba ny olona mipetraka ao amin’ny PPNT tsy manana kara-tany, ka tsy maharesy lahatra ny fisian’ny tena finiavana hanaiky ny zon’izy ireo ao anatin’ny faritry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
 Ankoatra izay, inona no vahaolana aroso amin’ny fanafainganana ny fanaovana kara-tany rehefa any amin’ny iray amin’ireo kaominina 1.000 tsy manana BIF no misy ny tany voakasika ?

 Mitaky ny hikarohana sy hampiharana haingana araka izay azo atao ny fepetra hamerenana amin’ny laoniny amin’ny fomba maharitra sy tsy misy fetra ny zon’ny tompon’ny tany tsy manana taratasy fanamarinana ny fananany ny tany – karatany sy titra – izahay. Ao anatin’ny fotoana fohy kosa dia manao tolokevitra ny hamolavolana sy handaniana haingana teny mita (circulaire) na didim-panjakàna fampiharana hafa izahay, manazava ny zotra harahina amin’ny fanaovana karatany amin’ny fomba malaky voalaza ao amin’ny andininy faha-25, ary ny famahabahana mikasika ny fampiharana ny andininy faha-24 amin’ny làlana, amin’ izay fomba tena manome manome tombotsoa indrindra ireo mponina mipetraka araka ny fomba amam-panao malagasy sy araka ny zo ara-drariny. Tokony haparitaka amin’ny fomba maro mba ahafantaran’ny olom-pirenena rehetra azy izany vaovao izany.

 Ankoatr’izay, ny didy hitsivolana momba ny fakàna an-keriny ho an’ny tombontsoam-bahoaka (11) sy ny didim-panjakana fampiharana azy (12) dia mitaky fanavaozana mba hifanarahany amin’ny zava-misy ankehitriny satria atahorana hihatra amin’ny olom-pirenena an-tapitrisany any amin’ny faritra rehetra ny fanesorana an-keriny, amin’ireo volana ho avy ireo, nefa efa tamin’ny taona 1962 no nivoaka ny lalàna mifehy izany.
Tokony hapetraka haingana dia haingana ny fepetra azo ampiharina mazava mikasika ny fanombanana ny fatiantoka amin’ny fidiram-bola vokatry ny fanesorana an-keriny sy ny kajy mikasika ny onitra mba hitazonana na hanatsarana ny fari-piainan’ireo olona iharan’ny fanesorana an-keriny, na manana karatany sy titra fananan-tany izy ireo na tsia. Mba tsy hisian’ny fitotongan’ny toe-piainan’ireo fianakaviana voakasika izay efa marefo, eny fa na dia mandritry ny fotoana voafetra aza, dia tokony hofaritana ao anatin’ny fepetra vaovao fa homena ireo izay tokony hisitraka izany alohan’ny tena fanesorana an-keriny ny onitra.

 Ny andininy hafa amin’ny lalàna 2022-013 izay hodinihina, satria mahaliana olom-pirenena malagasy marobe ary mikasika manokana ny Faritra Isandratan’ny Fizahan-tany (7), dia mifandraika amin’ny nantsoina teo aloha hoe dingana jeometirika na « pas géométriques ».


VOATAZONA AO AMIN’NY LALANA TAMIN’NY TAONA 2022 NY FILAZANA FA AO ANATIN’NY TANIM-PANJAKANA AZO AMIDY NY DINGANA JEOMETRIKA (PAS GEOMETRIQUES) TEO ALOHA

 Any amin’ny firenena sasany, ny faritry ny pas géométriques dia manondro ny velaran-tany izay 50 metatra miala ny morontsiraky ny ranomasina sy ny ranomasimbe, tafiditra ao anatin’ny tanim-panjakàna tsy azo amidy ary tsy azon’ny Fanjakàna hamidy.

 Nosoloin’ny lalàna malagasy ny pas géométriques teo aloha, ka novainy ho tsorian-tany amoron-dranomasina mirefy 25 m « bande littorale de 25m » izay ao anatin’ny satan’ny tanim-panjakàna tsy azo amidy fa sehatra ho an’ny daholobe, ary tsy azo hatao ho fananan’olona na rafitra manokana. Ny vokatra mivaingana ateraky ny hoe an’ny daholobe ny toerana 25 metratra miala ny sisin-dranomasina dia ny fandraràna ny fivarotana ala honko sy nosy, izay tsy azo atao ho fananan’olon-tsotra (13).

 Alohan’ny hiresahana momba ny tetikasa fananganana trano fandraisam-bahiny 5 kintana amina toerana fizahan-tany miisa 20 hatolotra ny mpampiasa vola anefa, anisan’izany ny Nosy Iranja sy Nosy Mitsio, dia nanamafy ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny lahateniny nandritra ny fihaonambem-pirenena momba ny fampiasam-bola ho an’ny fanandratana an’i Madagasikara fa ny nosy Ankao, misy ny hotely Miavana, dia lasa fananan’olon-tsotra (14). Efa fantatry ny sarambabem-bahoaka io satan’ny Nosy Ankao io nandritra ny fandalovan’ny mpilalao sarimihetsika malaza iray tao amin’ity toerana ity ny volana desambra 2020 (15).

 Tamin’ny fomba ahoana sy oviana ary iza no nivarotra ny Nosy Ankao tamin’olona na orinasa iray ? Raha tsy ara-dalàna io fivarotana io, dia tokony hirosoana ny fanafoanana ny varotra.

 Tokony hisy teny mita (circulaire) iray havoaka hanazava ny sata ara-dalàna momba ny ala honko sy ny tsorian-tany amoron-dranomasina mirefy 25 m (bande littorale de 25m), izay an’ny besinimaro ary tsy azo omena ho lasan’olona manokana, mba hiarovana ny tontolo iainana saro-pady eny amoron-tsiraka.


FAMARANANA

 Ny adidin’ny olom-pirenena hahalala ny lalàna sy ny zo fototra hahazoany vaovao dia mitaky lalàna mazava sy azon’ny sarambabem-bahoaka takarina. Ny tompon’andraikitra dia tokony hanao ny Lalàna 2022-013 sy ny didim-panjakana fampiharana azy ho azo jerena haingana amin’ny Internet alohan’ny tsy maintsy hamoahana azy atao ao amin’ny gazetim-panjakàna (Journal Officiel).

 Ny fanazavana isan-karazany nangatahana tamin’ny alalan’ny teny mita (circulaire), ny didim-panjakana fampiharana na ny fanavaozana ny lalàna nangatahana ato anatin’ity fanambarana ity dia tena maika satria efa mipoitra amin’ny fomba mivaingana eo amin’ny fanamboarana ny lalambe Antananarivo Toamasina ny olana mahakasika ny fanesorana an-keriny ho an’ny tombotsoam-bahoaka – izay miteraka fisaintsainana sy fifandirana ny vokatry ny tsy firaharahana ny mponina voakasika (16). Mampanahy ihany koa ny isan’ny fianakaviana kasaina homena onitra (17).

 Misy hevitra hafa ao amin’ny Lalàna 2022-013 miteraka resabe amin’ireo mpisehatra samihafa ka mendrika ny hametraham-panontaniana, saingy voafetra amin’ireo voalaza ireo ihany ity fanambarana ity noho ny antony laharam-pahamehana.
 Ireo mpamolavola sy mpanapa-kevitra momba ny lalàna malagasy dia tokony hitandrina mba tsy hampampahantra ireo vondrom-piarahamonina voakasika mivantana ireo fampiasam-bola sy tetikasa natao hitondra fampandrosoana, izay tsy isalasalàna fa mahasoa olom-bitsy.

12 janoary 2023 (Voadika tamin’ny teny malagasy ny 30 janoary 2023)
Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY / Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy


SORATRA NOZAHANA :

(1) loi 2021-016 : https://cnlegis.gov.mg/uploads/L2021-016-VF.pdf

(2) https://www.madagascar-tribune.com/La-nouvelle-loi-fonciere-malgache-2021-016-Appel-a-la-vigilance-de-tous-les.html
https://strugglesforlandforum.net/v2/lettre-des-paysans-malgaches-au-president-de-la-republique-et-aux-membres-de-la-haute-cour-institutionnelle/ ;
https://www.landcoalition.org/fr/newsroom/madagascar-80-of-malagasy-at-risk-of-eviction-from-their-land/?fbclid=IwAR2wuLUrcXp3GQPK3LpWaNuCKnCH4B3JLwdROKkyW7JgAmB4YE7mjo8Elw4https://www.foncier-developpement.fr/actualite/madagascar-fortes-inquietudes-autour-de-la-nouvelle-loi-fonciere/,
BM,

(3) loi 2022-013 : version comportant encore l’expression de l’article 29 alinéa 2 jugée non conforme à la constitution par la Haute Cour Constitutionnelle : https://drive.google.com/file/d/1W75z5TfxW8R3svJlJJicH2bDetHY9kB7/view?usp=share_link
– lien non accessible actuellement mais visible en août 2022, : https://www.assemblee-nationale.mg/wp-content/uploads/2022/08/Loi-n%C2%B0-2022-013-propri%C3%A9t%C3%A9-priv%C3%A9e-non-titr%C3%A9e.pdf
– Décision de la Haute Cour Constitutionnelle : Décision n°06-HCC/D3 du 27 juillet 2022 concernant la loi n°2022-013 portant refonte des règles fixant le régime juridique de la propriété foncière privée non titrée.

(4) https://www.presidence.gov.mg/actualites/1712-cloture-du-forum-national-des-investissements-pour-l-emergence-de-madagascar.html

(5) Loi 60-004 du 15 février 1960, article 11 al.2 et article 18 : http://www.justice.mg/wp-content/uploads/textes/1TEXTES%20NATIONAUX/DROIT%20PRIVE/Textes%20sur%20le%20foncier/lois%20et%20ordonnances/3.pdf  ;

(6) https://lexpress.mg/29/10/2022/emergence-agricole-madagascar-vise-lautoffisance-en-riz-des-2024/

(7) https://midi-madagasikara.mg/2022/10/29/destination-madagascar-un-million-de-touristes-prevus-en-2028/

(8) https://www.foncier-developpement.fr/publication/zones-dediees-a-linvestissement-a-madagascar-zef-zii-zes-zia-caracteristiques-et-incidences-foncieres/

(9) https://www.facebook.com/watch/live/?ref=watch_permalink&v=1174613933152651 (min 1’ à 10’)

(10) décret d’application de la loi 2022-013 : https://filedn.com/lzR2s0OWOmk4aW2x50htrdQ/D%C3%A9cret%20PPNT.pdf

(11) https://edbm.mg/wp-content/uploads/2017/12/L62-023_expropriation.pdf

(12) https://drive.google.com/file/d/1i7VAOzrg0u6tfx-DNJSlb820kopKhUG2/preview

(13) Normes de performance standards de la SFI :
Loi sur le domaine public de l’Etat n°2008-013
– Article premier : « le domaine public immobilier de l’Etat comprend l’ensemble des biens […] qui ne peuvent devenir […] propriété privée »
– Art. 3 : « Font partie du domaine public les biens ci-après :[…] 3/ Une bande littorale d’une largeur de 25mètres à partir de la limite ci-dessus »
– Art. 15 : »Certaines parties du domaine pubic de l’Etat, à l’exception de la bande littorale de la mer […] peuvent faire l’objet […] a/ d’un contrat de concession […] b/ d’une autorisation d’occupation temporaire.
 Loi sur le domaine privé de l’Etat n°2008-014
art.50.- Les terrains compris dans l’ancienne zone des pas géométriques, distraction faite de la bande littorale de vingt cinq (25) mètres, accroissent au domaine privé de l’Etat

(14) https://www.facebook.com/watch/live/?ref=watch_permalink&v=1174613933152651 (min 12’52)

(15) https://www.linfo.re/ocean-indien/madagascar/le-president-malgache-invite-par-tom-cruise-en-vacances-sur-l-ile-d-ankao

(16) http://www.lagazette-dgi.com/?p=88973

(17) https://midi-madagasikara.mg/2022/12/15/tracage-dautoroute-104-parcelles-touchees-deja-identifiees/