Lahatsoratra nivoaka tao amin’ny AVP – Les autres voix de la planète, Dette et Souveraineté alimentaire, CADTM, 2024, pejy 42-45.
Madagasikara dia Nosy lehibe mirefy 587 000 km2, mitovy velarana amin’i Frantsa sy ny Benelux mitambatra. Firenena manan-karena amin’ny zava-manan’aina sy harena an-kibon’ny tany ahitana akora mineraly sarobidy sy vato soa. Saingy ny vinan’ireo mpitondra nifandimby sy ny politikam-panjakana nampiharina vao mainka mampitombo ny fahantran’ny mponina mi-isa 28 tapitrisa. Amin’izao fotoana izao, Madagasikara dia laharana faha-3 aorian’i Syria sy Soudan Atsimo “ao anatin’ireo firenena manana tahan’ny fahantrana ambony indrindra eto an-tany” (1).
Ity lahatsoratra fohy ity dia hiezaka haneho ny antony, 64 taona taorian’ny fanambarana ny fahaleovantena ny 26 Jona 1960, mahatonga ny tarazoky ny fanjanahantany sy ny politikam-panjakàna notarihin’ireo « fanavaozana » (réformes) nangatahin’ireo rafitra iraisam-pirenena ara-bola amin’ny sehatry ny fananantany hanampy trotraka amin’ny fitohizan’ny fahantran’ny mponina.
Misy fiantraika lalin’ny fanjanahantany mbola mitohy hatramin’izao
Fianakaviana malagasy maro no efa niaina am-polotaonany maro teo amin’ny tanin’ireo orinasan’ny mpanjanatany na teo amin’ny sombintany vita titra tamin’ny anaran’ny voanjo mpanjanatany (colons) ary nanabe voho izany, saingy tsy mahazo manantanteraka fombafomba mba hitompoana ireo tany ireo.
Talohan’ny fanjanahantany, ny zo fananantany araka ny fomba amam-panao dia nekena araka ny teny nifanaovana sy tamin’ny alalan’ny fijoroan’ny mpiara-monina sy ny ray aman-dreny ho vavolombelona. Nanomboka tamin’ny 1896, ny fitondran’ny mpanjanatany dia nametraka lalàna mikasika ny fananantany izay mitaky ny fanoratana ny tany sy ny fanomezana taratasy fanamarinana fananantany (bokin-tany na titra) avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana ho fepetra tokana ahafantarana ny tompony (tanin’olon-tsotra misy titra). Ny fe-potoana maharitra ela ilaina amin’ny fanatanterahana ireo dingana maherin’ny 20 amin’ny fomba fomba tsy maintsy arahina sy ny vola samihafa haloa tena lafo dia nahatonga ho ny voanjo mpanjanatany sy ny fianakaviana malagasy manankarena vitsy an’isa ihany no nahavita nahazo titra. Tsy novaina io lalàna io rehefa nahazo fahaleovantena ny firenena tamin’ny taona 1960.
Ny fanavaozana ny lalàna momba ny tany napetraka tamin’ny taona 2005 dia nanaiky ny « présomption de propriété », zo fitompoana teo amin’ny tanin’olon-tsotra tsy misy titra (propriétés privées non titrées -PPNT), izany hoe ny zon’ireo olona nipetraka teo amin’ny “tany rehetra efa nokarakaraina araka ny fomba nentim-paharazana, (…); na fananan’ny fianakaviana nolovain’ny taranaka nifanesy izany, na…”. Ny kara-tany dia taratasy manaporofo io zo fananantany io, mora azo kokoa na amin’ny lafiny fotoana na ara-bola, ary karakaraina eny anivon’ny kaomina sy omen’ny Birao Ifoton’ny Fananantany (BIF) (2). Tamin’ny 2021, raha nihoatra ny 1.000 amin’ny kaomina miisa 1.695 eran’i Madagasikara no tsy nanana BIF, ary maro be ny tanin’ny tantsaha no tsy nisy karatany, dia navaozina tamin’ny fomba tampoka sy maro nanohitra ny lalàna momba ny PPNT nolaniana tamin’ny taona 2006 (3). Ny lalàna vaovao napetraka tamin’ny taona 2022 ary manan-kery izao dia nanala zavatra betsaka teo amin’ny famaritana ny PPNT sy nahatonga ny fananana taratasy fanamarinana momba ny tany, toy ny titra na karatany, ho zava-dehibe manjary tsy maintsy ananana manoloana ny mpiasam-panjakàna, raha sendra misy olana (4).
Ny zava-misy tena ratsy sy tsy azo ekena dia ny mbola fisian’ny “tanin’ny voanjo mpanjanatany” aman’hetsiny hekitara amin’izao taona 2024 izao any amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Maro ny fianakaviana malagasy no miaina efa am-polotaona maro eo amin’ny tanin’ny orinasan’ny mpanjanatany teo aloha na misoratra amin’ny anaran’ny voanjo mpanjanatany, ary manabe voho azy, saingy tsy afaka manao fombafomba hakàna azy ho fananany (5). Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia nandà ny lalàna nikendry ny hanova ity toe-draharaha ity tamin’ny taona 2015, ny antony nomeny dia andininy iray ao amin’ny Lalampanorenana Malagasy izay manambara ny fanajàna ny fananan’ny olona manokana (propriété privée) (6). Any amin’ny toerana samihafa, niverina ny taranaky ny voanjo mpanjanatany nohon’ny fahalianana vaovao amin’ny tany manerantany ary nandroaka ny fianakaviana malagasy izay nonina teo amin’ilay tany. Ity tranga ity dia santionany amin’ireo ohatra maro amin’izay antsoina hoe fanaovana am-pihimamba sy fangoronana tany.
Miroborobo ny fanaovana am-pihimamba sy fangoronana tany ataon’ny mpisehatra isa-karazany.
Ny lazaina hoe fanaovana am-pihimamba sy fangoronana tany (accaparement de terres) dia izay fifanakalozana na fifanarahana rehetra atao manohintohina sy manitsakitsaka ny zon’ny mponina any ifotony ao amin’ny taniny, tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny vondrom- piarahamonina ary miteraka tsy rariny ara-tsosialy.
Maro ny fifandirana momba ny tany eo amin’ny mpiara-monina sy ao anatin’ny fianakaviana. Misy ny manampahefana eo amin’ny ambaratonga samihafa, ny mpandraharaha ara-toekarena, izay ny sasany dia tena ôligarika, maka ny tanin’olona na tanin’ny fianakaviana na tanin’ny vondrom-piarahamonina, na any an-tanandehibe na any ambanivohitra. Noho ny toe-draharaha manodidina feno kolikoly sy manjavozavo, dia tsy fantatry ny vahoaka ny toe-draharaha resahan’ny vavolombelona sy ny andinidinin’ny fisehoan-javatra raha tsy rehefa mahavita mampita feo na soratra any amin’ny haino aman-jery na amin’ny tambajotra sosialy ireo mponina any an-toerana mitolona miaro ny taniny (7).
Eo ankilan’izay, ny mpitondra fanjakana nifanesy dia nanome tany be dia be ho an’ny mpampiasa vola ary mbola misy fanomezana tany hafa koa efa fantatra fa ho avy :
– Ny paik’ady nasionalin’ny agrobusiness izay nankatoavina tamin’ny volana jolay 2020 dia mikasa hanome 4 tapitrisa hekitara natokana ho an’ny « agropoles » hiasàn’ny mpandraharaha tsy miankina ato anatin’ny 10 taona (8).
– Ny fanomezan’ny fanjakàna Malagasy tany 60.000 hekitara tao Bas-Mangoky ho an’ny orinasa emirati Elite Agro tamin’ny volana Janoary 2020, mba hivarotany amin’ny Fanjakàna Malagasy ny ampahan’ny vokatra sakafo vokariny ao, izay nahantona tamin’ny 2022, ve misy ifandraisany amin’ny fandehanan’ny Filohan’ny Repoblika mivory matetika any amin’ny Firenena Emirà Arabo Mitambatra amin’izao fotoana izao ? (9)
– Misesisesy ny Andro Iraisampirenena amin’ny Faritra (Journées Internationales des Régions). Ny tao amin’ny faritra Ihorombe tamin’ny Desambra 2023 nanolotra lahasa sy tany 13.000 hektara, ao anatin’ny Drafitra Fampandrosoana mitambatra ho ampiasain’ny mpampiasa vola vahiny, ankoatry ny tanin’omby manana velarantany aman’arivon’hektara izay efa nampanofaina an’i Landmark sy Tozzi Green (10).
– Manomboka mivaingana ny famoronana ny Faritra Ara-toekarena Manokana (Zones Economiques Spéciales) voalohany izay mety hihoatra ny 2.000 hekitara ny velarany indraindray, nefa ny lalàna lany tamin’ny 2018 dia mampiseho fa ho tena firenena ao anatin’ny firenena izy ireo, tantanan’ny orinasa (11).
Ny fanatanterahana sy ny fitantanana ireo tetikasa fanomezana tany midadasika ho an’ny mpampiasa vola avy amin’ny toerana isan-karazany dia iandraiketan’ny Birao Fanohanana ny Fampiasam-bola natsangan’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny 2006 eo anilan’ny Filohan’ny Repoblika, ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) (12).
Ny lalàna malagasy dia miha-manampy sy miandany amin’ny mpampiasa vola hatrany
Tamin’ny volana Desambra 2021, ny Société Financière Internationale ao amin’ny Vondron’ny Banky Iraisampirenena dia nitaky ny fitovian’ny zon’ny mpampiasa vola teratany sy vahiny eo amin’ny resaka « fitompoana tanteraka » ny tany.
Na dia sarotra aza ny manavaka ny mpampiasa vola vahiny amin’ny mpampiasa vola teratany hatramin’ny nanambaràn’ny Ministra teo aloha niandraikitra ny fananantany nandritra ny 10 taona mahery raha nilaza izy fa “Ao ambadiky ny Malagasy teratany mangataka taratasy momba ny tany manana velarana mihoatry ny 100 hekitara any amin’ireo faritra fanaovana fizahantany, dia fantaro fa misy vahiny foana” (13), dia ny fivarotana tany amin’ny vahiny no lohahevitra raisina ho ohatra.
Ny lalàna momba ny fampiasam-bola 2007-036 dia nanome alàlana ny famarotana tany ho an’ny orinasa izay avy any ivelany ny ankamaroan’ny renivolany, ny fepetra tokana notakiana tamin’izany dia ny fisian’ny mpiara-miasa malagasy. Tamin’ny volana desambra 2021, ny Société Financière Internationale (SFI) avy ao amin’ny vondron’ny Banky Iraisampirenena dia nitaky ny fitovian’ny zon’ny mpampiasa vola teratany sy vahiny momba ny “fitompoana tanteraka » ny tany (14). Noho ny fanoherana maro, dia nisafidy ny fampanofàna tany amin’ny fomba maharitra (bail emphytéotique) mandritra ny 99 taona ny mpanapa-kevitra ao amin’ny lalàna vaovao momba ny fampiasam-bola tamin’ny taona 2022 (15). Ity fampanofàna maharitra ity dia mitovy amin’ny fivarotana tany amin’ny vidiny ambany dia ambany satria ny lalàna momba ny bail emphytéotique dia manome alàlana ny fanavaozana ny fanofàna, tsy misy fetra ny isan’ny fanavaozana, ary ny tany hofaina dia azon’ny mpanofa ampiasaina ho antoka any amin’ny banky (16).
Ny tsy fitoviana miharihary eo amin’ny vola ananan’ny ankamaroan’ny orinasa sy ny olona malagasy, indrindra ny tantsaha, amin’ny andaniny, ary ny an’ireo orinasa sy orinasa maro rantsana avy any ivelany, amin’ny ankilany, dia mampanahy ny ahalasan’ny mpampiasa vola avy any ivelany velaran-tany goavana be.
Ny fandraràna ny fivarotana ny tany amin’ny vahiny dia manan-danja ao anatin’ny kolontsaina malagasy izay manome lanja lehibe manokana ny tany. Ny tsy fitoviana miharihary eo amin’ny vola ananan’ny ankamaroan’ny orinasa sy ny olontsotra malagasy, indrindra ny tantsaha, amin’ny andaniny, ary ny an’ireo orinasa sy orinasa maro rantsana (multinationales) avy any ivelany, amin’ny ankilany, dia mampanahy ny ahalasan’ny mpampiasa vola vahiny velaran-tany goavana be ary ny hijanonan’ny ampahany kely dia kelin’ny tany ho an’ny olompirenena malagasy somary kely fidiram-bola.
Ankoatra izany, na dia maro aza ny fangoronan-tany mikendry ny fambolen-kazo sy ny fivarotana crédit-karbôna izay miteraka fanoheran’ny mponina, tahaka ny raharaha Tozzi Green ao Ihorombe, dia manambara ny gazety tamin’ny faran’ny volana Jona 2024 fa “vao voalohany izao, ny Banky Iraisampirenena sy ny FMI no hiara-hisalahy hanohana bebe kokoa ny faharetan’i Madagasikara amin’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny fampindramana 321 tapitrisa dôlara. Ny fandoavana vola (…) dia hiankina amin’ny fanekena hanapa-kevitra momba na fanavaozana samihafa hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy hanandratra ny fampiasam-bola maitso sy mahazaka”, (…) “Ohatra, ny fanavaozana ny didim-panjakàna momba ny fidirana amin’ny tsenan’ny karbôna avy amin’ny ala” (…) “izay tsy dia mamparisika loatra ny sehatra tsy miankina. Ny fanatanterahana izany fanavaozana izany dia afaka hanintona fampiasam-bola be be kokoa ho an’i Madagasikara” hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana. (17)
Ity ohatra ity dia mampiseho ny anjara asan’ny rafitra ao Bretton Woods amin’ny fanerena hanao « fanavaozana » eto Madagasikara, izay tsy manampy ny maro an’isa amin’ny mponina matetika. Ireo tantsaha malagasy izay efa anisan’ny mijaly indrindra noho ny fikorontanan’ny toetr’andro ve, dia ho very tany bebe kokoa indray ao anatin’ny rafitra ateraky ny tsena karbôna, izay miteraka adi-hevitra be eran-tany tato ato ny tena fandairany sy fahombiazany eo amin’ny fanalefahana ny fiovan’ny toetr’andro ? (18)
Famaranana
Mampametraka fanontaniana mavaivay maro ny vinan’ny mpitondra fanjakana malagasy izay manohy manome tombotsoa sy vahana ny agrobusiness (fambolena tantanan’ny orinasa) ary mampandefitra ny fambolena tantanan’ny fianakavian’ny tantsaha satria tsy mampihena ny tsy fahampian-tsakafo manerana ny firenena (19). Mihakely ny tany azon’ny tantsaha ampiasaina, kanefa izy ireo no mamokatra mba hamelomana ny fianakaviany tsirairay avy sy hiantohana ny ankabeazan’ny vokatra ara-tsakafo ho an’ny tsena anatiny. Eo anilan’izay, ny tanjon’ny orinasa miasa amin’ny agrobusiness dia ny hampitombo ny tombom-barony be arak’izay tratra ka mifantoka amin’ny vokatra azo hamidy lafo rehefa aondrana any ivelany.
Andao hanohana ny tolona ataon’ny tantsaha malagasy amin’ny fitakiana tany azony ho volena sy fahaleovan-tena ary fiandrianam-pirenena ara-tsakafo !
26 Jona 2024
Collectif pour la défense des terres malgaches – Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy
patrimoine.malgache@yahoo.fr; http://terresmalgaches.info; Facebook: TANYterresmalgaches ; X: @CollectifTany ; Instagram: CollectifTany
Rakitra nisintonana hevitra :
- https://atlasocio.com/classements/economie/pauvrete/classement-etats-par-taux-de-pauvrete-monde.php
- https://www.foncier-developpement.fr/wp-content/uploads/Capitalisation_reforme_fonci%C3%A8re_Madagascar-VF.pdf;
- https://terresmalgaches.info/newsletter/article/mentions-legales?recherche=points%20saillants
- https://assemblee-nationale.mg/wp-content/uploads/2022/08/Loi-n%C2%B0-2022-013-propri%C3%A9t%C3%A9-priv%C3%A9e-non-titr%C3%A9e.pdf
- https://www.academia.edu/39641535/Giving_the_Land_Back_to_People_Solving_Colonial_Cases_of_Land_Grabbing_in_Madagascar
- https://www.madagascar-tribune.com/Les-occupants-des-terrains,21759.html; https://outremers360.com/economie/madagascar-2-millions-dhectares-de-terrains-bientot-cedes-aux-paysans
- https://terresmalgaches.info/newsletter/article/newsletter-214-debut-de-cartographie-des-accaparements-de-terre-a-madagascar; https://theconversation.com/a-madagascar-laccaparement-des-terres-peut-prendre-des-formes-diverses-129248; https://www.farmlandgrab.org/post/22794-lancement-du-rapport-accaparements-des-terres-a-madagascar-echos-et-temoignages-du-terrain;
tranga maro no voamarika ao amin’ireo fanambaran’ny Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY : http://terresmalgaches.info.
- https://www.farmlandgrab.org/post/30273-madagascar-pire-que-le-projet-daewoo-la-strategie-nationale-de-l-agrobusiness; https://lexpress.mg/27/05/2023/agribusiness-une-filiere-de-grands-enjeux/; https://entraide.be/publication/etude2022_madagascar/
- https://terresmalgaches.info/newsletter/article/newsletter-no-136?recherche=Elite%20Agro; https://lexpress.mg/18/12/2020/agriculture-lexploitation-de-60-000ha-en-suspens/;
https://midi-madagasikara.mg/andry-rajoelina-a-dubai-diplomatie-economique-et-digitalisation-comme-fer-de-lance-de-son-second-mandat/#google_vignette;
https://midi-madagasikara.mg/offensive-economique-aupres-des-investisseurs-emiratis/ - https://terresmalgaches.info/newsletter/article/newsletter-no209-fr-daewoo-madagascar-15-ans-apres-les-journees-internationales?lang=fr
- https://www.foncier-developpement.fr/wp-content/uploads/CTFD-ZES-et-foncier_FR.pdf; https://www.farmlandgrab.org/post/28394-la-loi-sur-les-zones-economiques-speciales-zes-a-madagascar-un-abandon-volontaire-de-la-souverainete-nationale
- https://edbm.mg/
- https://www.rfi.fr/fr/afrique/20231224-madagascar-un-projet-d-investissement-h%C3%B4telier-%C3%A0-nosy-mitsio-inqui%C3%A8te-la-population-locale
- https://www.madagascar-tribune.com/Les-institutions-financieres,27497.html#google_vignette; https://www.ifc.org/content/dam/ifc/doc/mgrt/cpsd-madagascar-fr.pdf
- https://terresmalgaches.info/newsletter/article/newsletter-no-192-fr-le-projet-de-loi-sur-les-investissements-deroule-le-tapis?lang=fr;
https://assemblee-nationale.mg/wp-content/uploads/2024/02/Loi-n%C2%B0-2023-002-sur-les-investissements-%C3%A0-Mcar.pdf; - https://www.droit-afrique.com/upload/doc/madagascar/Madagascar-Loi-1996-16-bail-emphyteotique.pdf
- https://www.msn.com/fr-xl/actualite/monde/madagascar-le-fmi-et-la-banque-mondiale-d%C3%A9bloquent-leur-premier-pr%C3%AAt-commun-pour-le-climat/ar-BB1oIujy
- https://www.agencemalagasydepresse.com/dossiers/le-marche-carbone-est-il-une-reponse-au-changement-climatique/
- https://www.agter.org/bdf/fr/corpus_chemin/fiche-chemin-716.html