Taratasy avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy momba ny fiarovana ny fananantany tamin’ny 25 mey 2022 no nanambara ny famerenana amin’ny laoniny ny zon’ny mponina amin’ny tanin’olontsotra tsy vita titra (PPNT) izay noravàn’ny lalàna 2021-016. Ny fanamafisana izany dia tokony ho vita amin’ny fomba ofisialy amin’ny alalan’ny latsa-bato mahakasika ny lalàna vaovao izay hataon’ireo solombavambahaka sy loholona alohan’ny fiafaran’ny fivorian’ny Parlemanta amin’ny fiandohan’ny volana jolay. Io taratasy io koa no nanambara ny fisian’ny Fikaonandoham-pirenena ny 8 ka hatramin’ny 10 jona.
Taratasy avy amin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny 11 mey 2022 teo no nampahafantatra ny hisian’ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao. Ankoatr’izay, ny lalàna momba ny fampitambaram-pambolena (agrégation agricole) dia nolanian’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 30 May ary ny Antenimieran-doholona tamin’ny 9 Jona 2022.
Mendrika hodinihina ireo fanapahan-kevitra lehibe maro ireo, indrindra eo amin’ny firindrany sy ny fiantraikany. Manitikitika ny fanontaniana mikasika ny antony nahatonga ny mpitondra hanapa-kevitra tampoka ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany mialoha ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mitohy hatrany ny ahiahy amin’ny mety hisian’ny fanaovana ho ara-dalàna ny fivarotana ny tany malagasy amin’ny vahiny mpamatsy vola.
I – FANONTANIANA MOMBA NY FANAPAHAN-KEVITRA SASANTSASANY TAO AMIN’NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA MOMBA NY FANANANTANY.
Ny Taratasy avy amin’ny Filohan’ny Repoblika momba ny fiarovana ny fananantany dia nanindry ny tsy maintsy hiadiana amin’ireo vondrona « mafia » mangalatra tanin’olona ary nanolotra soso-kevitra hananganana Fitsaràna manokana momba ny fananantany. Avy eo kosa, dia niompana tamin’ny lohahevitra dimy ny fandaharam-potoanan’ny Fikaonandoham-pirenena nofaritan’ny minisitera roa dia ny an’ny Fitsarana sy ny an’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany (MATSF) : « 1. Fahazoana sy fisitrahana tany ho an’ny Malagasy rehetra, 2. Ny Tany sy ny fampandrosoana, 3. Ny famahana ny ady tany, 4. Ny fitantanana ny tany sy ireo mpiseatra rehetra, 5. Ny fangaraharana eo amin’ireo antontan-kevitra rehetra mikasika ny fananantany”.
Ny fanambarana nahafaly izay nisarika ny sain’ny rehetra nandritra ny lahateny fanokafana ny Fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany dia mikasika ny “fizarana ny tany ho an’ny vahoaka” mba ho “ny vahoaka no tena tompon’ny tany eto Madagasikara”. Ny tatitra nandritra ny lahateny famaranana dia nilaza fa homena laharam-pahamehana ny fanomezana tany, ho an’ny “tanora malagasy maniry hiroso amin’ny fihariana, indrindra ireo vao avy nanorina tokantrano na ireo fianakaviana sahirana te-hioitra amin’ny fiainana”. Io politika fitsinjarana ny tany ho an’ny vahoaka malagasy io ve manafoana tanteraka ny fanomezan-dàlana ireo vahiny mpampiasa vola hividy tany malagasy, izay naroson’ny tatitry ny SFI ary notoherina mafy tamin’ny fanambarana nataonay teo aloha (1). ? Mifanohitra tokoa ireo politika roa ireo, ary tsy afaka hiaraka mihitsy aza. Mahatratra 28 tapitrisa ny isan’ny mponina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Satria enina (6) ny salan’isan’ny olona isam-pianakaviana, tsy ho ela izany dia hisy fianakaviana 5 tapitrisa. Tsy azo ekena ny salan’isa 0,85 hekitara -n’ny velarantany amin’izao fotoana izao isaky ny fianakaviana Malagasy satria tsy ahafahany handroso mihitsy. Araka izany, raha manana velaran-tany 5 hektara ny tsirairay amin’ireo fianakaviana ireo ahafahany mamboly ny taniny mba hamelomana ny ankohonany sy ahafahany mampita izany amin’ny taranany dia 25 tapitrisa hektara ny filàna. Ny tombantombana amin’ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara dia miovaova arakaraky ny mpanoratra, eo anelanelan’ny 8 ka hatramin’ny 36 tapitrisa hektara, ary satria 3% ny fitomboan’ny mponina Malagasy isan-taona, dia hameno ny nosy manontolo ny filan’ny Malagasy 60 tapitrisa amin’ny taona 2050 (2). Noho izany dia tsy misy velarantany azo amidy amin’ny vahiny mpampiasa vola, izay matetika hekitara an’aliny maro no tadiavin’ny tsirairay, raha jerena ny tetikasa Tozzi Green, Elite Agro, … Nandritra ny lahateny famaranana ny Fikaonandoham-pirenena dia nohamafisin’ny fiarahamonim-pirenena ny firaiketam-pon’ny Malagasy amin’ny foto-kevitra hoe “Madagasikara ho an’ny Malagasy”. Ary ny fangatahana ny hampihenana ny faharetan’ny fampanofana tany amin’ny fomba maharitra ao anatin’ireo fehin-kevitra dia mety midika ho tsy fanekena ny fivarotana tany sy fandàvana ny fanavaozana ny fifanekena fampanofana tany amin’ny vahiny mpampiasa vola.
Ny hetsika sy fepetra mivaingana ho raisin’ny mpanapa-kevitra amin’ireo herinandro ho avy ireo dia hanazava ny safidy horaisin’izy ireo ary hanome valiny amin’ny fanontaniana. Mandra-pahatongan’izany, aoka isika tsy ho voarotsirotsin’ny fampanantenana.
Ny fanapahan-kevitra hafa voatonona izay nanaitra nandritra ny fivoriana famaranana ny Fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany dia mahakasika ny “fanafainganana ny famoahana ny lalàna momba ny tany manana sata manokana (TSS) mba hijerena ny tanim-pokonolona sy ny faritra misy ‘fandaminana manokana’. Ny vaovao tsy ofisialy azo tamin’ny taona 2020 dia nilaza fa ny lahatsoratra vaovao novolavolaina taorian’ny hetsik’ireo mpisehatra isa-karazany nanohitra ny volavolan-dalàna voalohany momba ny TSS dia tsy hisy mikasika ny tanim-pokonolona. Ny habaka voatondro ho “tany manana sata manokana” kosa dia ahitana ny faritra natokana ho an’ny fampiasam-bola. Ary ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao no hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho fampiroboroboana ny « agrobusiness » nambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny taratasiny ny 11 mey. Io taratasy io dia nampivoitra manokana ny fametrahana ny « zones d’émergence agricole », na faritra hampisandratana ny fambolena, izay anarana vaovao nomena ny faritra fampiasam-bola amin’ny fambolena (ZIA), izay antsoina koa hoe agropole.
II – NY VINAVINA MOMBA NY FIHAONAMBEM-PIRENENA HO AN’NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO
Tsy toy ny Fikaonandoham-pirenena mikasika ny Fananantany izay natomboka teo amin’ny sehatra nasionaly ary kasaina hotohizana amin’ny fifampidinihana isam-paritra, ity Fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ity, fa nialohavan’ny fivoriana tany anivon’ny faritra, saingy tsy dia nanome vaovao loatra momba ny votoatin’izy ireny ny akony an- gazety.
Taorian’ny fiantsoana fanehoana fahalinana tamin’ny volana martsa (3) niantolaka tamin’ireo mpampiasa vola teratany sy vahiny, izay namboraka ny fisian’ny katalaogy mirakitra ny tany amin’ny faritra samihafa nomanina ho an’ny mpampiasa vola, dia nisy Taratasy avy amin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny 11 mey 2022, nitolaka tamin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, nitanisa fepetra maromaro efa notapahana fa “hiantoka ny fanjariana ara-tsakafo eto amin’ny firenena”, toy
« • ny fampitomboana ny famokarana sy ny fitrandrahana mangahazo,
• ny fanamoràna ny fahazoan’ny tantsaha famatsiambola ara-pambolena, masomboly sy zezika mba ahafahany
mizaka tena, fa koa
• ny fametrahana Zones d’Emergence Agricole,
• ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany mba ahafahana
manatanteraka ireoo tetikasa goavana miompana amin’ny fandraharahana ara-pambolena (agrobusiness).
Anjaran’ny fanjakana ny mametraka rafitra fandrisihana hisarihana mpampiasa vola maro ao amin’ny sehatry ny
fambolena”. »
Inona àry ny karazana sy votoatin’ireo fepetra “famporisihana ny mpampiasa vola” vaovao ireo ? Mety ho tafiditra ao anatin’izy ireo ny fahafahan’ny mpampiasa vola vahiny ho lasa tompon-tany, araka ny tatitry ny SFI.
Misy fanontaniana hafa koa mipetraka : Nokajiana ve ny fanambaràna tamin’ny fomba maika ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany sy ny fampidirana izany alohan’ity fihaonambe-pirenena momba ny fambolena ity, mba hifantohan’ny sain’ny olompirenena amin’ilay fikaonandoha amin’ny fananantany ka tsy hisy akony loatra ny latsa-bato momba ny lalàna mahakasika ny fampitambaram-pambolena ? Moa ve ny fampanantenana fitsinjarana tany ho an’ny mponina nasisika tamin’ireo daty ireo no natao dia mba hampitelemana ny pilina mangidy mifandraika amin’ny fandraharahana ara-pambolena (agrobusiness) izay hisy fiatraikany tsy azo ihodivirana amin’ny tany tavela ho an’ny tantsaha manatanteraka fambolena tantanam-pianakaviana sy amin’ny fokonolona monina amin’ny faritra voakasiky ny fanamafisana ny agrobusiness ?
Tsara tsahivina fa amin’ny ankapobeny ny fampitambaram-pamblena dia endrika amin’ny fomba goavan’ny famokarana vita fifanekena eo amin’ny mpampiasa vola iray antsoina hoe « agrégateur » na mpanambatra, amin’ny andaniny, ary fitambaran’ny mpamokatra maromaro voalamina ao anatin’ny kaoperativa, antsoina hoe « agrégés », na voatambatra, amin’ny ankilany. Mijanona eo amin’ny taniny ny voatambatra, mahazo ny akora sy fitaovana ilaina avy amin’ny mpanambatra, tsy maintsy manaraka ny toromarika rehetra omen’ny mpanambatra mikasika ny fomba fambolena ary manaiky ny hivarotra ny vokatra manontolo aminy. Ny vokatra tsy mahafeno ny fenitra napetraka dia tsy vidian’ny mpanambatra ary ny vidin’ny akora sy fitaovana nomeny tany am-piandohana dia alaina amin’ny vidin’ny vokatra. Miharihary fa very ny fizakan-tenan’ny mpamokatra voatambatra mandritra ny dingana rehetran’ny fiaraha-miasa anjakan’ny tsy fitovian-danja. Ary ny 10 taona nampiharana ny fampitambaram-pambolena tany Maraoka, ohatra, dia nampiseho fa maro ny voatambatra no namoy ny taniny fa lasan’ireo orinasa lehibe sy maro rantsana vitsivitsy. . Io rafitra napetraky ny mpanapa-kevitra malagasy io, izay dingana voalohany amin’ny fampiharana ny paikadim-pirenena momba ny fampitambaram-pambolena, dia fomba fiasa mampidi-doza ho an’ny fananan-tanin’ireo voatambatra ao anatin’ny fotoana fohy, na antonony na maharitra. (4)
Na ny volavolan-dalàna na ny lahatsoratra mirakitra ny lalàna efa lany momba ny fampitambaram-pambolena dia tsy mbola naseho ho fantatry ny besinimaro. Averinay indray fa tsy azo ekena ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny volavolan-dalàna eto Madagasikara, satria ny tanjon’ izany, araka ny hevitray, dia ny hampikoroso fahana ny olom-pirenena ho toy ny zaza tsy ampy taona ary hisorohana ny adihevitra sy fanehoana fanakianana ary tolo-kevitra avy amin’ny olompirenena.
III – TOKONY HAMPITOMBOANA NY LANJA OMENA NY TANTSAHA MALAGASY SY NY FAMOKARANA TANTANAN-PIANAKAVIANA EO AMIN’NY FIKATSAHANA NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO
Ny fandraisan’ny olompirenena rehetra anjara amin’ny adi-hevitra mialohan’ny latsa-bato ataon’ny parlemantera dia anisan’ny foto-kevitra demokratika tokony horaisin’ny tompon’andraiki-panjakana malagasy isan-tokony manoomboka izao mba hialàna amin’ny disadisa tsy mety lany, ny fandaniam-potoana ho an’ny rehetra ary ny fanitsiana ny fanitsiana lalàna iray, toy izay nitranga vao haingana.
Nandritra ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany dia nanamarika fanavaozana eo amin’ny fiezahana hihaino ataon’ny tompon’andraikitra ny fiarahamonim-pirenena, naneho ny faniriany ny hanatanterahana antsakany sy andavany ireo fanapahan-kevitra, ary koa ny fanomezana fahefana sy lanjany bebe kokoa ny rafitra any ifotony. toy ny fokonolona sy ny fokontany ary ny kaominina. Tena ilaina ny fananganana Komity hanara-maso ny fampiharana ny fehin-kevitry ny Fikaonandoham-pirenena, izay handraisan’ny fiarahamonim-pirenena anjara.
Ny fironana mibaribary ho any amin’ny fandraharahana ara-pambolena asehon’ny mpitondra eo amin’ny fikatsahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara dia nahatonga ny fanamafisana ny tokony hanomezan’ny Fanjakana faritra midadasika ho an’ny fanitarana ny tany hisitrahan’ny fambolena sy fiompiana tantanam-pianakaviana ary ny hanomezany tany, tsy ho an’ny mpandraharaha ihany, fa indrindra ho an’ny tantsaha izay maro an’isa eo amin’ny mponina, mba hahafahan’izy ireo manohy ny famatsiana sy ny fampivoarana ny famelomana ara-tsakafo ny fianakaviany ary ny fivarotana ny ambim-bava eny an-tsena. Araka ny voalazan’ny mpikaroka tokoa mantsy, “ny fironan’ny mpamokatra [malagasy] ao amin’ny fambolena tantanam-pianakaviana hamokatra ho an’ny sakafon’ny ankohonany dia azo ovaina ny fijery azy ho tombotsoa hiadiana amin’ny fahantrana, ary ho fanoitra fampivoarana ho an’ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fampiasana ny tanora any ambanivohitra” (5). Mandray anjara betsaka amin’ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo ny tantsaha Malagasy amin’izao fotoana izao ary tsy hisy fahavitan-tena ara-tsakafo ho tanteraka eto Madagasikara raha tsy misy azy ireo.
Ankoatr’izay dia notsindrian’ny fiarahamonim-pirenena nandritry ny fikaonandoha momba ny fananantany fa ny fanohanan’ny Fanjakana tsaratsara kokoa amin’ny fanatanterahana fanajariana sy fotodrafitrasa iombonana no ahafahan’ny tantsaha hanatsara ny toetry ny asany sy ny vokatra azony. Notsiahivina ihany koa ny tokony hampitomboana ny faritra fampandrosoana eny ifotony, tantanan’ny mponina amin’ny alalan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, izay efa voarakitra ao anatin’ny Taratasy momba ny politikan’ny fananantany 2015-2030, satria izany no ahafahana mamaly ny ampahany betsaka amin’ny filàna ara-tsakafo eny ifotony, manoloana ny toe-java-misy ankehitriny sy amin’ny ho avy izay mitaky ny famerana ny fitaterana, noho ny antony samihafa.
Ao anatin’ny paikadin’ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny fanatontosana ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny agrobusiness, izay mbola toherinay hatrany, dia manentana mafy ireo mpanandratra sy mpisehatra amin’ny agrobusiness avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izahay mba hiala, amin’ny fomba rehetra, amin’ny fandroahana ny Malagasy amin’ny taniny, ary hikaroka vahaolana amin’ny alalan’ny fifampidinihina sy fandraisana ny hevitry ny mponina voakasika, satria ankoatra ny fanosihosena ny zo ara-toekarena, sosialy, kolontsaina ary tontolo iainana ananan’ny olompirenena malagasy, dia hampihena ny fahavitantena ara-tsakafo eo an-toerana, na eo amin’ny firenena mihitsy aza, ny fandroahana mponina avy eo amin’ny taniny.
FAMARANANA
Mety ho fanapahan-kevitra tsara ny nanatontosana ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany talohan’ny fihaonambe momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo raha toa ka ampiharina haingana ireo fanapahan-kevitra navoaka tao izay mifandraika mivantana amin’ny tombotsoan’ny tantsaha sy ny fokonolona any ifotony, alohan’ny hanomezana faritra midadasika hofain’ireo mpampiasa vola amin’ny fambolena. Mbola tsy tara ho an’ny mpitondra ny hiova làlana sy hanohana mafy kokoa ny tantsaha misehatra ao amin’ny fambolena tantanan-pianakaviana, raha toa ka misy ny finiavana politika amin’izany, satria araka ny efa nosoratanay imbetsaka, mitanila loatra manohitra ny tombotsoan’ny tantsaha ny fifandanjan-kery misy eo amin’ny mpandraharaha ara-pambolena (agrobusiness) sy ny tantsaha miasa eo amin’ny famokarana tantanam-pianakaviana ka atahorana ho lasa mpiasa mpikarama amin’ny orinasan’ny mpampiasa vola, vahiny indrindra indrindra, ny ankamaroan’ny tantsaha Malagasy raha toa ka vina mirona amin’ny agrobusiness no apetraka. Tena mety ho endrika fanjanahantany vaovao izany.
Fihemorana tsy mendrika eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanamafisana izany vina izany mandritra ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fahavitantena ara-tsakafo, amin’izao andro vitsivitsy mialoha ny fankalazàna ny faha-62 taonan’ny fahaleovantena izao.
14 jona 2022
Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy Collectif TANY pour la défense des terres malgaches – TANY
RAKITRA NAKANA HEVITRA
(2) https://www.instat.mg/documents/upload/main/Projection%202050.pdf
(5) Les agricultures familiales à Madagascar : un atout pour le développement :
https://agritrop.cirad.fr/575694/1/document_575694.pdf
(6) Collectif TANY : Agriculture familiale paysanne ou agrobusiness : un choix de projet de société http://www.agter.org/bdf/fr/corpus_chemin/fiche-chemin-716.html