Fanombohana fanehoana amin’ny alalan’ny sary ny fangoronan-tany sy fanaovana ampihimamba ny tany (accaparements de terres) eto Madagasikara – Filazam-baovao faha-214 (MLG)

Noho ny zava-misy eto amin’ny firenena sy eran-tany amin’izao fotoana izao dia zava-dehibe, tena manan-danja mihitsy, ny fahafantaran’ny olom-pirenena rehetra ny vokatry ny fitantanana ny tanin’ny Malagasy nataon’ireo mpitondra fanjakana sy mpanapa-kevitra nifandimby.

Ny Collectif TANY dia nangataka tamin’ireo mpitondra tamin’ny taona 2014 (jereo ny Filazam-baovao faha-30 : “Inventaire des terrains de l’Etat dont les droits fonciers ont déjà été transférés à des individus et sociétés, nationaux ou étrangers” na “Fitsirihana-ny tanim-panjakana izay efa nafindra tamin’ny olon-tsotra sy orinasa, teratany na vahiny”) mba hamoaka amin’ny Internet ny fifampiraharahana rehetra efa natao milaza ny anaran’ireo nahazo azy, ny karazana fifampiraharahana (varotra, fanofàna miaraka amin’ny fiafaran’ny fifanaraham-panofàna maharitra, fanomezana, sns), ny toerana misy azy, ny velarantany voakasika, toy ny nataon’ny firenena sasany tamin’izany fotoana izany. Saingy tsy nahazo fahafaham-po.

Noho izany dia avoakanay ity sarintany ity, izay ho havaozina hatrany, mba hahafahan’ny olom-pirenena rehetra, na Malagasy na tsia, mandray anjara amin’ny famenoana ny sarintany sy hampahafantarana azy.

Misaotra an’ireo izay mandefa fandraisana anjara amin’ ity lohahevitra ity amin’ny patrimoine.malagasy@gmail.com. Ny tranga dia hampidirina ato amin’ity sarintany ity aorian’ny fanamarinana izay hatao.