Taratasy misokatra
· ho an’ny orinasa Tozzi Green,
· ho an’ny banky belja BIO sy finlandey FINNFUND,
· ho an’ny governemanta italiana
Tompokolahy sy Tompokovavy.
Izahay fikambanan’ny tantsaha sy fikambanan’ny firaisamonim-pirenena malagasy dia manoratra ity taratasy ity mba hampahafantarana anareo ny fampitahorana sy ny tsindry mafy mahazo ny mponina ao amin’ny kaominina Ambatolahy any amin’ny faritra Ihorombe eto Madagasikara, izay nampanofan’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny orinasa maro rantsana italiana Tozzi Green tany 11.000 hektara tamin’ny alalan’ny fifanarahana roa fanofàna mandritra ny 30 taona tsirairay avy, ny voalohany tamin’ny 2012 ary ny faharoa tamin’ny 2018. Nilaza ny orinasa fa namerina 3.900 hektara.
Rehefa tsy nahomby ny fambolen’ny orinasa ny savoa (« jatropha ») tao amin’ny kaominina Satrokala sy Andiolava, dia nosoloina teo amin’ny faritra midadasika amin’ireo kaominina roa ireo sy ao Ambatolahy hatramin’ny taona 2022, fambolena katsaka ho sakafom-biby, ary ny geranium novaina ho menaka manitra indrindra. Nanapa-kevitra izao ny orinasa fa hajanona ny fambolen-katsaka amin’ny faritra midadasika ka ho soloina fambolen-kazo mba hivarotana fanokanam-bola karbônina (na « crédit carbone »).
Ianareo orinasa Tozzi Green dia mahafantatra tsara fa hatramin’ny fotoana vao nahatongavanareo tany amin’iny faritra iny dia tsy nety nandao ny taniny ny mponina tao amin’ny kaominina Ambatolahy. Mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena mantsy izy ireo ka mila ny taniny hanatanterahana ny fiompiana omby izay mitaky velaran-tany midadasika ho an’ny firaofan’ny omby ahitra. Fanampin’izany dia milaza izy ireo fa manan-janaka maro, ary tsy maintsy manitatra ny sehatry ny fambolena sakafo hamelomana ny fianakaviany. Ankoatra ny anjara toerana lehibe raisin’ny omby eo amin’ny fiainany sy ny fomban-drazany, dia ampiasainy hihosy ny tany eny amin’ny saha ho volena ny omby mandritra ny fotoana fangady.
Ny orinasa moa dia mahazo famatsiam-bola avy amin’ny banky maromaro, anisan’izany ny banky fampandrosoana roa, BIO any Belzika ary FINNFUND any Finlandy.
Nambaran’ny fokonolona ao Ambatolahy hatrany fa tsy nitondra fampandrosoana ho an’ny ankamaroan’ny mponina ny asan’ny orinasa, fa vao mainka nampitombo ny fahasahiranana satria nihatery ny velarantany ahafahan’ny biby fiompy mifindra toerana sy miraoka ahitra. Tsy salama tsara ny omby ary tsy miteraka isan-taona toy ny teo aloha intsony. Niteraka olana isan-karazany toy ny sazy ara-bola lafo dia lafo voatery naloa rehefa tafiditra teny amin’ny saha nisy volin’ny orinasa ny omby. Ankoatra izany, dia nilaza izy ireo fa nanjary nananosarotra ho an’ny omby ny fandehanana mankany amin’ny toerana misy volin’ny mponina mba hihosy ny tanimbary sy ny tanimboly hafa. Nanambara ny orinasa fa hanome asa ho an’ny mponina, saingy ny ankamaroan’ny asa nisy dia asa tselika na maharitra andro vitsivitsy ary matetika ny karama no tara vao voaloa. Ny orinasa dia tsy nahatanteraka ny sasany amin’ireo fampanantenana nataony hoe hanatsaràna ny fiainan’ny mponina.
Ny tetikasa vaovaon’ny orinasa dia voalaza fa fambolena hazo akasia ny ampahany lehibe ary hisy koa kininina mena hovaina ho menaka manitra. Nanangona sonia ny mponina tamin’ny volana oktobra 2023 mba hanehoana ny fanoheran’izy ireo izany satria midika ho azy ireo fa hijanona ao amin’io faritra io mandritra ny fe-potoana tsy hisy fetrany ny fambolen-kazo. Tamin’ny volana aprily 2024 kosa dia nanoratra tany amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Tontolo Iainana (ONE) ireo mpiandraikitra ao amin’ny fikambanan’ny lonaky sy ny fikambanan’ny mpiompy, ny komity miaro ny tany ary ny federasionan’ny fikambanan’ny tantsaha fa tsy nasaina ny fikambanan’izy ireo tamin’ny fivorian’ny besinimaro momba ny fakan-kevitra mahakasika ny tetikasa fambolen-kazo ary toheriny ny tetikasa fambolen-kazo ataon’ny orinasa Tozzi Green. Fantatray hoy ny mponina ny toerana azo sy tokony hambolena hazo, izay tsy manimba ny kijana sy toerana firaofan’ny omby ary efa nandinika ny fiaraha-miasa amin’ity lohahevitra ity miaraka amin’ny tetikasa PLAE – Fandaharanasa fanoherana ny fahasimban’ny tany (Programme de Lutte anti-Erosion) – izahay, izay manaiky hifampidinika amin’ny vondrom-piarahamonina momba ny toerana hanaovana izany.
Nanomboka teo
· Nisy solontenan’ny orinasa nanatona ny lonaky sy ny solontenan’ny fikambanana mba handresy lahatra azy ireo hiova hevitra sy hanaiky ny tetikasan’ny orinasa,
· avy eo dia ny Kaomandà manam-boninahitra ao amin’ny zandarimaria no niresaka tamin’ny tsirairay tamin’ireo lehilahy dimy, lonaky sy mpiandraikitra fikambanana, saingy nitazona ny fandavany ireto farany.
· Herinandro izao no tonga any an-toerana ny tompon’andraikitry ny fifandraisana amin’ny ivelany eo anivon’ny orinasa ary manao hetsika fandresen-dahatra miaraka amin’ny zandary hatrany hatrany, izay voalaza fa mpanelanelana amin’ny fifampidinihana eo amin’ny solontenan’ny orinasa sy ny fokonolona, saingy tsy nahomby izany.
· Nisy fihaonana ny alatsinainy 13 mey teo niarahan’ity mpiandraikitra ao amin’ny orinasa sy ny komandà manam-bonibahitry ny zandarimaria roa andaniny, ary ireo olona 5 notohanan’ny ray aman-dreny roapolo eo ho eo, ankilany. Nohamafisin’ny fokonolona ny fandavana ny tetikasa fambolen-kazo. Tamin’ny fiafaran’ny fihaonana dia nifanaraka ny mpivory fa ny solontenan’ny orinasa no hiandraikitra ny fanoratana ny tatitra an-tsoratry ny fivoriana. Andrasan’ny mponin’Ambatolahy, araka izany, ny tatitra mikasika ny fivoriana izay tokony ho soniavin’ny solontenan’izy ireo.
Manahy mafy izahay fikambanan’ny tantsaha sy fikambanan’ny firisamonim-pirenena malagasy amin’ny fitohizan’ny fandresen-dahatra tsy misy farany miaraka amin’ny manam-boninahitry ny zandarimaria sy amin’ny ho fivoaran’ny toe-draharaha.
Manan-jo hiaro ny taniny sy ny kolontsainy ary ny antom-pivelomany ny mponina ao amin’ny kaominina Ambatolahy. Manan-jo haneho ny fandavany toy ny olom-pirenena rehetra eran-tany izy ireo ary hihazona ny heviny raha mifanaraka amin’ny maharesy lahatra azy izany sy raha hitany fa ny fandàvana no mety indrindra rehefa hita ny vokatry ny asan’ny orinasa teo amin’ny faritra misy azy, nandritra ny taona maro.
Izany no antony hanoratanay sy hampahafantaranay ny vahoaka eto amin’ny firenena sy eran-tany ny zava-misy ankehitriny ary angatahanay ny fanohanan’ny olom-pirenena rehetra eto Madagasikara, Italia, Belzika, Finlandy ary manerana ny tany manontolo, izay manome lanja ny rariny sy ny hitsiny, ny fahafahana manana hevitra sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahafahana mitazona ny heviny amin’ny fomba malalaka tsy misy fampitahorana na fanerena mivantana sy ankolaka.
Araka ny nosoratan’izy ireo dia tsy manohitra ny fampandrosoana ny mponina ao Ambatolahy fa maniry izany ho an’ny maro an’isa na ho an’ny mponina rehetra mihitsy aza. Mijaly noho ny haintany ny faritra misy azy ireo noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, saingy efa 15 taona mahery izao no namoronana ny tsenan’ny karbônina (« marché carbone ») sy ny fanonerana ny karbônina (« compensation carbone »), nefa toa tsy mihena ny fiovan’ny toetr’andro maneran-tany. Mifanohitra amin’izany no misy, vao maika miharatsy ny vokany. Noho izany dia milaza izy ireo fa tsy manohana ny tetikasa fanokanam-bola karbônina (« crédit carbone »). Fantatr’izy ireo ny soa azo avy amin’ny fambolen-kazo ary vonona ny hamboly hazo any amin’izay heveriny fa azo hanaovana izany tsy manimba ny fivoaran’ny fiompiana omby, ny loharanon-karenany na ny ho avin’ny taranany izy.
16 mey 2024
Manao sonia :
- Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
- Comité National pour l’Agriculture Familiale
- FIFATA – Association pour le Progrès des Paysans
- Solidarité des Intervenants sur le Foncier – SIF
- VFTM Menabe
- VFTM Vakinankaratra
- Vombo Bongolava
- Fikotamifi Itasy
- Fimpiama Haute Matsiatra
- Fagnimbona Vatovavy sy Fitovinany
- Vifam Alaotra Mangoro
- Ffts Sofia
- Sahi Haute Matsiatra
- Rova Vakinankaratra
- Fifatam Amoron’i Mania
- Réseau Conseillers Agricoles de proximité – CAP Malagasy –
- BIMTT
- Coalition des Paysans de Madagascar – CPM
- ONG FIANTSO Madagascar
- Réseau SOA – Syndicat des Organisations Agricoles
- SIF Province Fianarantsoa
- ONG TSINJO AINA MAHAJANGA