Tompokolahy, Tompokovavy,
Ry namana,
Handao hamonjy ny ankizy ao amin’ireo nosy avaratr’i Madagasikara mba ho fanajàna ny zo fototra.
Ny Collectif TANY, sy ireo olona ary fikambanana miray hina amin’ny mponina amin’izao fotoana izao ao amin’ireo nosy kely avaratr’i Madagasikara, dia manasa ny olompirenena erantany hanasonia ity fitakiana mitolaka amin’Atoa Andry Rajoelina, filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ity, manoloana ireo tetikasa ao amin’ny sehatry ny fizahantany izay kendren’ireo fianakaviana vitsivitsy manakarembe sy orinasa haorina ao amin’io faritra io. Misy zavatra samihafa miseho mahatonga fanahiana mafy fa mety ho esorina an-keriny teo amin’ny taniny ireo mponina ao an-toerana.
Azonao ahitàna vaovao mikasika tranga samihafa manodidina ireo zava-mananontanona ireo any amin’ny fanambaràna naparitakay, indrindra nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana Fevrie 2025, ao amin’ny sity (https://terresmalgaches.info), Facebook (https://www.facebook.com/TANYterresmalgaches) and X (https://x.com/CollectifTany).
Misaotra sy mankasitraka amin’ny fanohanana sy fanaovana sonia.
Aza misalasala manaparitaka ity fitakiana sy fanangonana sonia ity.
Sauvons les enfants des îles du nord de Madagascar pour le respect des droits fondamentaux
Mirary soa indrindra
Ny Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY / Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy
_ _ _
TOY IZAO NY SORATRA AO ANATIN’ILAY ROHY (lien) MISY NY FANAOVANA SONIA
Tandidomin’ny fandroahana azy avy eo amin’ny taniny ny mponin’ny nosy kely maro ao avaratr’i Madagasikara, izay efa niaina teo am-polotaona maro
Taorian’ny fanambaràna momba ny tetikasa fampandrosoana ny fizahantany natokana ho an’ny mpanam-bola be nataon’ny mpitondra fanjakàna, dia misy hetsika samihafa ataon’ny manam-pahefàna sy ny mpampiasa vola izay tsy manaja mihitsy ny zon’ny mponina. Ao Nosy Mitsio, efa 5 taona izao no naato ny fahafahan’ny mponina manao fombafomba mifandraika amin’ny fahazoan’ny olompirenena titra fananantany ary olona enina mpiaro ny tany no notazonina teny amin’ny zandarimaria nandritra ny andro maro alohan’ny namotsorana azy ireo tanteraka. Ao Nosy Sakatia, ampihorohoron’ny manam-pahefana tsy an-kitsahatra ny mponina noho ny fanohanany ny orinasa Green Mada Land izay efa nofohanana ny fifanarahany tamin’ny fanjakàna hanofa tany amin’ny fomba maharitra. Ao Nosy Be, vondrom-piarahamonina maro no tandidomin’ny fandroahana azy ketrehin’ny mpandraharaha manankarembe sy matanjaka. Ao Nosy Iranja sy Nosy Faly, manomboka misy fanovàna miseho izay mampanahy.
Ny zavatra iombonan’ny tranga ao amin’ireo nosy ireo ireo dia ny tsy fisian’ny mangarahara, izay tena tsy azo ekena, ny tsy fanomezana vaovao mihitsy ny fokonolona eo an-toerana momba ny tetikasan’ny mpampiasa vola, ary ny fahalianana hanangana fizahan-tany natokana ho an’ny mpanambola be, izay manilika ny mponina eo amin’ireo nosy amin’izao fotoana izao, ka tsy nanontaniana ny heviny ary tsy ampandraisina anjara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra izy.
Ny fandrahonana mianjady amin’ny zo fananantany, zo ara-toekarena, ara-sosialy ary ara-kolontsain’ny mponina amin’ireo nosy dia fanitsakitsahana ny fanambaran’ny Firenena mikambana sy ny fifanarahana iraisam-pirenena izay nankatoavin’ny Fanjakana malagasy.
· Ndao ho tohanana ny mpiara-monina eo amin’ireo nosy tandindomin-doza ireo manoloana ny loza mahatsiravina izay miandry azy noho ireo tetikasa ireo.
· Ny mpizahatany manana vola be dia tsy hanana fialan-tsasatra sy fialam-boly milamina ao anatin’ny fotodrafitrasa naorina tamin’ny fanapotehana ny fiainan’ny mponina eo an-toerana.
· Ndao isika hangataka amin’ny Filoham-pirenena ao Madagasikara sy ireo mpandray fanapahan-kevitra mba hampitsahatra ireo tetikasa mahatsiravina be ireo.
Soniavo ary zarao amin’ny olona marobe ity fitakiana anangonana sonia ity.
Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY