Famintinana ny fifanarahana vokatry ny fivoriana niarahan’ny orinasa lga-oso farming sy ny fikambanan’ny mpanjono fup-batan ny 1 ka hatraminy 3 mey 2022 – Newsletter n°177

Fanolorana

Taorian’ny fitarainan’ny mponina mipetraka amin’ny faritra manamorona ny orinasa LGA-OSO Farming, izay nisy nivoaka tamin’ny fahitalavitra, dia nihaona ny solontenan’ny orinasa LGA-OSO Farming sy ny solontenan’ny mponina notarihin’ny fikambanan’ny mpanjono FUP BATAN (1) ny faha-1 ka hatramin’ny faha-3-n’ny volana Mey lasa teo tao amin’ny Ecole Félix Ampampamena. Maro ny olompirenena manaraka akaiky ity raharaha ity koa ampahafantarina ny rehetra ny fanapaha-kevitra noraisina sy ny fifanarahan’ny roa tonta mandrit’izany fihaonana izany, izay nahakasika ny lafiny ara-tontolo iainana, ny jono, ny ara-sosialy ary ny fananantany.

1/ MIKASIKA NY LAFINY ARA-TONTOLO IAINANA AMORONTSIRAKA

Manoloana ny fitarainana mikasika ny tsy fahazavan’ny faritra tantanan’ny VOI (Vondron’olona ifotony) sy ny tanin’ny orinasa OSO-LGA dia nasehon’ny orinasa ny sarintany mazava misy azy eo amin’ny faritra
Ambavanankarana, Ampangahia sy ireo hafa koa.
Nohon’ny fahasimban’ny ala honko (mangroves), dia ho raisin’ny orinasa an-tànana ny famerenana amin’ny laoniny ny tany sy ny ala honko ao Port Saint Louis (Antsohimbondrona) ary nanambara ny orinasa fa tsy hametraka foto-drafitr’asa ao amin’io toerana io. Ny asa rehetra izay hatao dia iarahany amin’ny VOI any antoerana sy FUP BATAN. Mikasika ny fahapotehan’ny ala honko ao amin’ireo VOI manodidina ny OSO-LGA dia hanatanteraka ny fambolen-kazo sy fametrahana famokarana zanankazo maharitra amin’ireo toerana izay tena misy fahasimbana ny orinasa OSO-LGA.
Nanazava ny orinasa fa ny fiovaovan’ny toetr’andro no miteraka ny fiakaran’ny ranomasina, toy izay hita any amin’ny firenen-kafa, fa tsy avy amin’ny fisian’ny bassins LGA. Hisy tetikasa « ROOT » atolotry ny orinasa OSO-LGA hamerenana sy hanatsarana amin’ny fomba maharitra ny tontolo iainana amorontsiraka ato amin’ny toerana misy ny OSO-LGA. Fanampin’izany dia tapaka fa haverina amin’ny laoniny (état zéro) ny tany sy ala honko ao Antsohimbondrona, izay nofaritin’ny bassins de crabes teo aloha, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo (reboisement de mangroves) ka ny FUP BATAN sy CLB (2) no hanatanteraka ny fanentanana eny ifotony sy ny fambolen-kazo ary izay rehetra miaraka amin’izany, ny OSO-LGA kosa no hiantoka ny famatsiam-bola hanatanterahana izany.

2/ MIKASIKA NY LAFINY JONO

Momba ny fanakanan’ny orinasa ny fanjonoana eo amin’ny toerana sasany dia nanazava ny OSO-LGA fa fepetra hiarovan-tena amin’ny fisian’ny aretina « white spot » no antony lehibe indrindra mahatonga izany satria ny faritra avaratra irery sisa no tsy tongan’io aretina io amin’ny ranomasina eto Madagasikara. Koa tsy maintsy mandray fepetra « bio-sécurité » hiarovana ny orinasa izay mamelona olona sy fianakaviana 900 mahery sy mampiditra harena (devises) ho an’ny firenena. Koa mandrara ny orinasa ny tsy hanaovana jono drakaka (crabes) eo amin’ny vavasaha Ampangahia sy eo amin’ny faritry ny 50 metatra manodidina ny « station de pompage » ary eo amin’ny « débarcadère » ao Ambavanankarana.
Ho tohin’ny fangatahan’ny mpanjono ny mba hisian’ny solon’asa mampidi-bola ho an’ny mpanjono ao an-toerana izay very asa, dia namaly ny orinasa fa vonona hanampy ara-teknika sy ara-kalitao ny olona rehetra tsy an’asa izay mivondrona anatin’ny association. Ohatra raha manao fambolena légumes na voankazo, fiompiana akoho amam-borona dia nanambara ampahibemaso ny OSO-LGA fa vonona ny hividy ny vokatra manaraka ny kalitao ho sakafon’ny mpiasa 900 isan’andro.
Hitady ny vahaolana maharitra ny orinasa OSO-LGA mba hampijanonana ny fikorontanan’ny asan’ny mpanjono mampiasa ny ranomasina iombonana ateraky ny fifamezivezen’ireo vedettes sy sambo an’ny sy ampiasain’ny OSO-LGA. Hanamafy ny « note de service en interne » ny OSO-LGA izay hamepetra ny fandehanan’ireo sambon’ny orinasa ary ireo Commandants izay tsy manaja ny « note de service » dia ho sazian’ny OSO-LGA (sanction). Hampiasa torche mahataka-davitra, handeha mora foana ny sambo mivoaka sy miditra Ambavanankarana raha vao mahita sy mahatsinjo lavitra ireo mpanjono amin’ny lakana.
Mba hanalàna ny olana ateraky ny tsy fampiasan’ny mpanjono ny « bouée de repérage » ka voasinton’ny sambon’ny orinasa izay mandalo ny aratony, dia hametraka bouées roa ny mpanjono ho an’ny harato 200 m ary bouées telo ho an’ny harato mihoatry ny 200m.
Nanao engagement ny orinasa OSO-LGA fa tsy hividy intsony géniteurs any amin’ireo mpanjono izay mety mbola mampiasa poteaux (3). Sarotra ny manatanteraka izany ka mitaky fiaraha-miasa maharitra miaraka amin’ny vahoaka ifotony mihitsy izay eo ambany fiahian’ireo présidents fokontany, TGRH (4), Union des Pêcheurs ary CLB
Mikasika ny tsy fahafahan’ny mpanjono mampiasa ireo vavarano manodidina ny « débarcadère sy station de pompage », dia nifanaraka ny orinasa OSO-LGA sy ireo mpanjono fa ho an’ny harato mbola manankery dia azo hatao ny manjono 50 m aorian’ny débarcadère sy ny station de pompage. Momba ny Pêche à la ligne kosa dia hisy fikarohana hataon’ny teknisiana sy mpanjono. 

3/ EO AMIN’NY ARA-TSOSIALY

Mikasika ny fahasalamana. Manoloana ny fitarainan’ ny vahoaka momba ny tsy fitovian’ny fandraisan’ny Dispensaire ny mpiasa sy ny tsy mpiasan’ny orinasa OSO-LGA, dia namaly ny orinasa fa Dispensaire ho an’ny orinasa io ary natao sy mitsabo ny olona rehetra. Ireo mpiasa maika handeha hiasa no raisina voalohany satria payé à l’heure izy ireo sady mandoa latsakemboka. Fa prioritaire ny olona marary mafy. Ankoatr’izay, ny orinasa dia manao évacuation sanitaire ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka, tsy andoavam-bola, amin’ny fomba rehetra misy eo am-pelatanany, sambo, fiara, moto,.. rehefa misy marary mafy ka tsy voatsabo eto an-toerana.
Nolavin’ny orinasa OSO-LGA tanteraka ny fisian’ny sakantsakana amin’ny fifamohivoizana (accessibilité) izay nitarainan’ny vahoaka mikasika ny fampiasàna ny làlana mampitohy an’Ambavanankarana sy Ampampamena.
Fanelingelenana no nisy hoy izy noho ireo fisavana matetika izay tsy azo ialana, ho fiarovana ny orinasa amin’ny halatra sy amin’ny aretina « white spot ».
Efa nisy fifanarahana teo amin’ny orinasa sy ny vahoakan’Ambavanankarana mikasika ny làlam-panjakàna Ambavanankarana- Ampapamena. Hitady vahaolana kosa ny orinasa amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fanamboarana ny ampahan’ny làlana Station de Pompage – Ambavanankarana. Hisy fampandraisana anjara ny fokonolona amin’ny fanamboarana ireo sisiny fa ny orinasa OSO-LGA kosa hampiasa ireo engins hanitsy ny làlana.
Nilaza ny orinasa OSO-LGA fa efa manana tetikasa hanamboatra lalantongotra Ampangahia – Ampapamena – Ambavanankarana – Ampangahia.

Nitaraina ny vahoaka fa tsy ampy ny rano sy ny fotodrafitr’asa famokarana ny rano fisotro madio. Namaly ny orinasa OSO-LGA fa efa nanome bornes-fontaine efatra ary nampiasa vaovao ao amin’ny aéroport azon’ny rehetra ampiasaina. Ireo rehetra ireo dia apetraka eo ambany fiahian’ny Kaominina ka ny prezidan’ny fokontany no tokony hanatona ny kaominina Antsaravibe momba ny fitantanana sy fiarovana ireo bornes sy vovo.

4/ TEO AMIN’NY LAFINY FANANANTANY AO BOBASAKOA

Momba ny tanin’ny OSO-LGA – izay misoratra daholo amin’ny anaran’ny orinasa SIGAMMA – mirefy 1.804 ha ao amin’ny kaominina Bobasakoa, araka ny fanambaràn’ny orinasa sy araka ny taratasy dika mitovy nasehon’ny orin’asa mandritry ny fivoriana .
Nilaza ny mpizaika avy ao Bobasakoa fa tsy fantatry ny vahoaka ao amin’ny kaominina Bobasakoa sy ny manodidina ny mombamomba ny nahazoan’ny OSO-LGA io tany io, na ny refiny na ireo dingana nandalovany nahazoany ny maha ara-panjakana io tany io ka niteraka hetsi-bahoaka tao an-toerana.
Namaly ny orinasa OSO-LGA fa
1 – nanaraka ireo fepetra sy ambaratonga rehetra tamin’ny fomba fahazoana tany ara-mpanjakana ;
2- nividy tamin’ny Fanjakana Malagasy (terrain domanial) ary efa voaloa ny vola vidin’ireo tany ireo tamin’ny taona 2000 ;
3 – nandoavana ary handoavana hetra isantaona ao amin’ny kaominina Bobasakoa ny tany ary mifanaraka amin’ny haben’ny tany ao amin’ny titre foncier.
Manoloana izany dia naneho fahavononana ny vahoakan’i Bobasakoa sy ny orinasa OSO-LGA ny hihaona amin’ireo mpitantana ny OSO-LGA mba hamerenana ny fanazavàna momba ny fomba nahazoan’ny orinasa OSO-LGA io tany io sy ny fitadiavana vahaolana maharitra. Ho karakarain’ny fokonolona any an-toerana sy ny ekipa FUP BATAN ny fanatanterahana izany fihaonana irian’ny roa tonta izany, any amin’ny toerana tsy an’ny andaniny na ny ankilany, ato anatin’ny 3 (telo) volana.

5/ FANATANTERAHANA IREO TEBOKA TAPAKA TAMIN’NY FIVORIANA

Hatsangana ny vondrona hanatanteraka sy hanara-maso ary hanao jery todika ireo fanapahankevitra, soso-kevitra, fanamarihana, .. « Comité de Pilotage, Suivi et Contrôle », izay handraisan’ireo sampan-draharaha maro anjara na ara-mpanjakana, na tsy miankina. Hatao ao anatin’ny roa volana ny fananganana izany. 

Famaranana

Niarahan’ny mpandray anjara tamin’ny fivoriana nanao sonia ny tatitra an-tsoratra izay niaingana nanaovana ity famintinana ity. Maro ireo asa miandry araka ny fifanarahana sy fifanomezan-toky natao. Koa zava-dehibe sady maika ny fanantanterahana ny dingana manaraka, dia ny fananganana ny vondrona hanatanteraka sy hanara-maso ary hanao jery todika ireo fanapahankevitra, soso-kevitra, fanamarihana, na Comité de pilotage, Suivi et Contrôle voalaza eo ambony.

16 mey 2022
Mpanasonia  :
– FUP BATAN
– Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental (CNPE)
– Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
– CRADES
– IDEE Jeunes Nosy Be
– JCI DIANA
– OSC Magnariny
– OSC Mandresy
– PFED Nosy Be
– Plateforme Nationale des Organisations de la Société Civile VOIFIRAISANA
– Plate forme ROSEDA Ambilobe
– READ DSS

Fanazavàna fanampiny

(1) FUP BATAN : Fédération des Unions de Pêcheurs de la BATAN (Baies d’Ambaro, Ampasindava, Tsimipaika et Nosy Be) – Fivondronan’ny Kaoperativan’ny mpanjono maromaro.

(2) CLB = Communauté locale de base na VOI = Vondron’Olona Ifotony

(3) Poteaux : tsato-kazo aorina eo amin’ny vavasaka ary ametrahana fitaovam-panjonoana toy ny “moustiquaire” ka ahafahana mahazo trondro hatramin’ny madinika indrindra. Manapotika indrindra sady malaky ny harena andranomasina ary tsy eken’ny lalàna.

(4) TGRH  : Transfert de Gestion des Ressources Halieutiques – Famindràm-pitantanana ny harena an- dranomasina