Naato tsy misy fe-potoana ny fampiharana ny tataon-ketra amin’ny vary avy any ivelany, iray volana monja taorian’ny nanapahan’ny Antenimieram-pirenena fa hampiharina ny droits de douane 20 % sy TVA 5 % amin’ny vary hafarana. Manahy izahay amin’ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny tantsaha malagasy, izay mila afaka mivarotra ny vokany amin’ny vidiny ara-drariny sy mifaninana amin’ny vary avy any ivelany. Manoloana izany, mitaky politika mazava sy maharitra momba ny famokaram-bary sy ny fiarovana ny fiandrianana ara-tsakafo eto Madagasikara izahay.