FANAIRANA NY MPONINA MALAGASY REHETRA mikasika ny “ACCORD DE PARTENARIAT ECONOMIQUE” miaraka amin’ny vondrona Eropeana voalaza fa ho soniavina aminy Alarobia 10 jona izao any Maorisy – Newsletter n°285 (MLG)

HO SONIAVINA AMINY ALAROBIA 10 JONA IZAO ATSY AMIN’NY NOSY MAORISY NY FIFANARAHANA FIARAHA-MIASA ARA-TOEKARENA (Accord de partenariat économique – APE) eo amin’ny Vondrona Eropeanina sy ny nosy 4 aty amin’ny Ranomasimbe Indiana dia i Comores, Maorisy, Seychelles ary Madagasikara, araka ny naparitaky ny Solontenan’ny Vondrona Eropeanina eto Madagasikara ao amin’ny pejy Facebook-ny.

Araka ny fantatra dia tsy nisy solontena na ny firaisamonimpirenena na ny tantsaha malagasy nandray anjara tamin’ny fanomanana izany fifanarahana izany hatramin’ny taona 2022 (1).

Misy ambana sy olana lehibe tokony hifampizarana sy hiarahana vahana anefa dia ny tsy maintsy ahavoakasika koa ny mponina avy amin’ny firenena nanasonia ny APE ohatr’antsika, raha toa ka sanatria raikitra ireo fepetra vaovao kasain’ny Vondrona Eropeanina ho raisina ato ho ato. Hisy fiatraikany ratsy, mety hahatsiravina, amin’ny Zon’ny mponina hisakafo, sy ny Zon’ny Tantsaha Mpamokatra hampiasa, hikirakira sy hiaro ary hifanakalo ny masomboly izay tiany izany  ary mety hanome vahana ny Zo amin’ny fananana ara-tsaina (droits de propriété intellectuelle) takian’ny orinasa.  Manomana hetsika lehibe Forum européen sur la justice alimentaire  hanaovana ady sisika momba ireo lohahevitra ireo ao Bruxelles ny fikambanana tsy miankina – ONGs – eropeanina aminy talata 9 jona 2020 ary nampiomana fa ireo izay hanasonia ny APE dia tsy maintsy hiharan’ireo fiantraika ratsy ireo koa.

INONA IREO FANOVANA KASAIN’NY VONDRONA EROPEANINA HATAO ?

Efa an-taonany maro ireo orinasa goavana sy hery mpanam-bola samihafa no manindry ny mpanapa-kevitra eran-tany momba ny tokony hametrahana fepetra sy lalàna hentitra hanasaziana izay mpamboly mamafy na mitahiry na mifanakalo na miaro ireo masomboly toy ny teo aloha (2). Raha mifintina amin’ny teny fohy, dia kasain’izy ireo hatao fananan’olon-tokana na fananan’orinasa avokoa izy ireo ka tsy maintsy handoa vola amin’ireo voalaza fa manana zo amin’ny fananana ara-tsaina (droits de propriété intellectuelle) amin’ireo masomboly ny tantsaha mpamokatra isaky ny hampiasa izany.

Ilay voalaza fa zon’ireo orinasa amin’ny fananana ara-tsaina (droits de propriété intellectuelle) dia mazava ho azy fa hampiakatra be ny maso-karenan’ny mpamboly raha tsy afaka mamokatra masomboly intsony izy mpamokatra. Ka ny asany vao maika hamono antoka azy, moa ny ankamaroan’ny mponina koa voatery hividy lafo dia lafo ny sakafo azo amin’ireo vokatra. Tsy fahampian-tsakafo (insécurité alimentaire) sy tsy fisian’ny fiandrianana ara-tsakafo (souveraineté alimentaire) no ho vokatr’izany.

Ny rafitra toy ny UPOV (Union Internationale pour la Protection des Obtentions Végétales), izay fivondronamben’ny governemanta maro no mitaky ny hanaovana ny masomboly hisy tompony manokana avokoa (privatisation) ka tolona efa nanomboka an-taonany maro atrehin’ny mponina amin’ny tany maro ny fanoherana ny UPOV (3)

FITAKIANA NY FAHAFAHAN’NY MPAMOKATRA MALAGAY HAMPIASA NY MASOMBOLY ANKAHALALAHANA SY NY FAHAFAHAN’NY MPONINA MANONTOLO HISAKAFO AMIN’NY VIDINY ARA-DRARINY.

Tsy irery isika Malagasy amin’ny tolona ho fiarovana ny masomboly mahazatra ny tantsaha (semences paysannes) sy ireo masomboly nentim-paharazana (semences traditionnelles). Isika Malagasy no tokony hanamafy ny fiarovana ny zo mahakasika izany eto Madagasikara ka miara-misalahy amin’ny tantsaha sy ny vahoaka amin’ny tany hafa rehetra.

– Takiana ny hizaràn’ny mpitondra Malagasy amin’ny vahoaka manontolo ny votoatin’ny Accord de Partenariat Economique – APE – alohan’ny hanasoniavany azy ;

– Takiana ny tsy hanasoniavan’ny solontena Malagasy ny lafiny mahakasika ny masomboly sy ny sakafo ary ny resaka mahakasika ny zo momba ny fananana ara-tsaina raha tsy maka ny hevitry ny rafitra fikambanan’ny tantsaha sy ary ny firaisamonimpirenena farafahakeliny ;

– Takiana ny hitazonana ny masomboly teratany ho fananana iombonana fa tsy hanovàna ny masomboly rehetra eto Madagasikara ho fananan’olon-tokana na an’ny orinasa ;

– Takiana ny fahafahan’ny tantsaha misafidy ny masomboly tiany ho ampiasaina ho fampiharana ny zon’izy ireo izay arovan’ny fifanarahana iraisam-pirenena samihafa (4) ;

– Takiana ny fahafahan’ny tantsaha manohy ny fomba fiasany sy mampivoatra ny traikefany hatramin’izay momba ny masomboly, fa tsy ho terena hividy masomboly indostrialy izy (5) ;

– Marefo ny maro an’isa amin’ny mponina malagasy ka takiana ny hitandrovan’ny mpitondra fanjakàna sy ny mpandray fanapaha-kevitra rehetra ary ireo mpiara-miombon’antoka ny zon’ny Malagasy hisakafo ary hisitraka ny fiandrianany ara-tsakafo, amin’ny alalan’ny fandavana ireo fepetra vaovao kasain’ny Vondrona Eropeanina ho raisina ireo,

Miainga amin’ny zava-pantatra androany ity fanambarana sy ireto fitakiana ireto fa mety hivoatra arak’izay vaovao azo momba ny votoatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-toekarena (APE).

Tazonina avokoa ireo fitakiana ireo na iza na iza mpiara-miombon’antoka mikasa hanao fifanarahana amin’i Madagasikara.

              5 jona 2026

Sonia

Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – CRAAD-OI

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

FARM – Femme en Action Rurale de Madagascar

RJDD – Réseau des Jeunes pour le Développement Durable.

CNAF – Comité National pour l’Agriculture Familiale

FVTM – Fivondronan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara

Tantsaha Mivoatsy

Rakitra nisintonana hevitra :

(1) https://terresmalgaches.info/collectif-tany-souverainete-alimentaire-madagascar-accords-partenariat-economique/

(2) GRAIN,  L’UPOV 91 et les autres lois sur les semences : petit guide sur les méthodes des entreprises semencières pour tenter de contrôler et monopoliser les semences

(3) https://www.apbrebes.org/news/open-letter-no-upov-eu-esa-epa

(4) Le Pacte international relatif aux droits économiques, sociaux et culturels (PIDESC),
– le Traité international sur les ressources phytogénétiques pour l’alimentation et l’agriculture (TIRPAA)
– et la Déclaration des Nations unies sur les droits des paysans et des autres personnes vivant en milieu rural (UNDROP)

(5) Geneva Graduate Institute, State of Farmers’ Rights to Seeds in the World, A systematic review of national regulations in Kenya, Rwanda, Madagascar and Colombia