VAOVAO MAHAKASIKANY NAMANA SADY MPIARA-MIASA AMINAYJAOKAMISY ANDRIANTSIDISO Newsletter n°229 (MLG)

Nalain’ny zandary tao an-tranony vao maraina ny namana sady mpiara-miasa aminay Jaokamisy Andriantsidiso, mpiandraikitra ny Fikambanana ao anatin’ny Firaisamonim-pirenena (OSC) Magnarigny ao Ambilobe, Faritra Diana.

Hatao fanadihadiana no antony voalaza fa nitondràna azy nankany amin’ny biraon’ny zandarimaria saingy tsy fantatra ny anton’izany fanadihadiana izany.

Izao tolakandro izao, misy feo milaza fa nomena fahafahana vonjimaika (liberté provisoire) izy nefa tsy misy mahazo azy izay miantso an’i Jaokamisy an-tarobia.

Ka tsy misy porofon’izany famoahana azy vonjimaika izany hatreto.Zarainay eo ihany ny vaovao momba ny fivoaran’ity raharaha ity.

8 febroary 2025, amin’ny 4 ora tolakandro

Ny Fikambanana TANY, miaro ny tany Malagasy

patrimoinemalgache@gmail.com