Valiny sahaza amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ve ny tsena karbôna? – Filazam-baovao faha-216

FAMINTINANA

Manoloana ny fahavoazana nambara fa ho avy na efa misy ankehitriny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, dia firenena maro no nanome toky fa hampihena ny entona manafàna avoakany (gaz à effets de serre, GES)), indrindra ny karbôna. Saingy mba hialàna amin’ny fanovàna ny fomba fiainany sy ny fampitomboany harena, araka ny takian’ny tanjona hanalefaka ny fiovaovan’ny toetr’andro, ireo mpamoaka GES lehibe indrindra dia nahita ny hevitra momba ny fanonerana karbôna, ny « Net Zéro » ary ny tsena karbôna : mividy fanokanam-bola karbôna (na « crédit carbone ») amin’ireo izay manafoana na mampihena ny karbôna any amin’ny toeran-kafa. Matetika any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana no ahitàna ireo mampihena ny entona manafàna (GES).

Hazavaina ao amin’ny tapany voalohan’ity lahatsoratra ity ny hevi-dehibe. Vao haingana, ny mpanao gazety sy ny mpahay siansa no nametra-panontaniana momba ny maha-ara-dalàna sy ny fahombiazan’ny tetikasa maro ary manozongozona ny fototr’ity rafitra ity. Anisan’ireo fanakianana voalaza ao amin’ny fizarana faharoa ny fangoronan-tany sy ny fiantraikany ratsy eo amin’ny fiaraha-monina ateraky ny tetikasa fanonerana karbôna any amin’ny firenena maro ao amin’ny kaontinanta Afrikana.

Ny tapany fahatelo kosa dia maneho ny hevitra ankapobeny momba ny tantara sy ny vokatry ny fanadihadiana natao tamin’ny tetikasa fanonerana karbôna sasany, toy ny REDD+, eto Madagasikara.

==============================================================

Ny fehin-kevitra dia mamporisika antsika hieritreritra bebe kokoa momba ireo fepetra izay tsy mampitombo ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny vondrom-piarahamonina malagasy any ifotony eo amin’ny fanatanterahana ny tena fanalefahana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

FAMPIDIRANA

Ny fiovan’ny toetr’andro dia trangan-javatra maneran-tany izay miteraka loza ho an’ny fahaveloman’ny olombelona ny fivoarany, hoy ny mpahay siansa. Ny filàna hampiadana ny fivoarany dia nitarika fandavorariana Fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro (COP) niisa 27 nanomboka tamin’ny taona 1995. Amin’ny maha firenena mpikambana azy dia nanao ny andraikiny manokana i Madagasikara amin’ny fampihenana ny voka-dratsin’ny entona manafàna (GES). Nirindran-dàlana tamin’izany, dia natao lasibatra i Madagasikara ho faritra fampiharana ny “vahaolana” sasany miteraka adi-hevitra, toy ny fanokanam-bola karbôna, na crédit carbone, izay misy fiantraikany amin’ny fifehezana ny harena voajanahary.

Aorian’ny fampahatsiahivana fohy momba ny fifandraisana misy eo amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tsena karbôna, dia hanome topimaso ny asa nataon’ireo mpikaroka iraisam-pirenena tato ato izay mametra-panontaniana momba ny fahamarinam-pototr’io tsena io ity asa soratra ity, alohan’ny hanehoana ny maha-izy azy sy ny voka-dratsin’ity tsenan’ny karibona ity eto Madagasikara, izay mampanahy indrindra ho an’ny zon’ny tantsaha sy ny fiveloman’ny tantsaha Malagasy any an-tanety sy amoron-tsiraka.

NY FIOVAN’NY TOETR’ANDRO SY NY KARBÔNA

Araka ny voalazan’ny Vondron’ny manam-pahaizana manokana avy amin’ny governemanta samihafa momba ny fivoatry ny toetr’andro (Groupe d’experts intergouvernemental sur l’évolution du climat (GIEC)), ny fiovaovan’ny toetr’andro maharitra dia vokatry ny fampiasàna solika avy anaty tany (« fossile ») (arina, solika ary entona) any an-tokantrano, any amin’ny orinasa ary eo amin’ny fitaterana. Rehefa may, dia mamoaka entona mampidi-doza, indrindra fa ny entona karbonika (« dioxyde de carbone » CO2) ny solika avy ao anaty tany (1). Rehefa mihabe loatra ny habetsahan’ny karbôna mivondrona ao amin’ny sosondrivotra (« atmosphère »), dia “mikorontana ny fifandanjana marefo eo amin’ny masoandro, ny tany, ny ranomasina ary ny zavamananaina rehetra ka mitarika amin’ny tahan’ny maripàna avo kokoa sy fisehoan-javatra amin’ny toetr’andro mahery vaika kokoa” (2).

Ny vahaolana manoloana izany dia tokony ho fanovàna ny asa aman-draharaha miteraka ireo entona. Saingy mampalahelo fa ny indostrian’ny angovo – mpisehatra matanjaka eo amin’ny toekarena manerantany – dia mandà ny hampiato ny fikarohana sy ny famoahana solika avy anaty tany. Ary ny governemanta any amin’ny firenena indostrialy amin’ny ankapobeny dia tsy manaiky ny hanova ny fomba fiainany ka manohana ny politikan’ny « fanonerana » ny entona avoaka (compensation) fa tsy ny fampihenana azy ireo. Ny « fanonerana karbôna » dia ahitàna ny fampifandanjana, na ny fanafoanana ny fatran’ny entona manafàna (GES) avoaka amin’ny soson-drivotra amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ny programa fisorohana (« évitement ») na fitahirizana (« séquestration »). Ny tetikasa fanonerana dia matetika mifototra amin’ny fandaharan’asa, maneran-tany, momba ny fambolen-kazo ahazoana ala, ny fiarovana ny tontolo iainana na ny fampivoarana ny angovo azo havaozina (3). Io lojika io dia mametraka fa ny fanonerana dia ahafahana manatratra ny tsy fisian’ny karbôna na ilay antsoina hoe Afakaratsaka Aotra na « Net Zero ».

Ireo tsena karbôna dia manondro rafitra momba ny varotra fanokanam-bola karbôna « crédit carbone », izay mari-pankasitrahana mifandraika amin’ny fisorohana, fampihenana na fanafoanana ny CO2 taonina iray na ny mitovy aminy amin’ny entona manafàna (GES) hafa (4). Ny orinasa na olon-tsotra dia afaka mividy crédit amin’ireo orinasa manafoana na mampihena ny famoahana entona manafàna (GES).

MISY KARAZANY ROA NY TSENA KARBÔNA : NY FANARAHAN-DALàNA SY NY AN-TSITRAPO :

· Ny tsena fanarahan-dalàna (« marché de conformité ») dia noforonina taorian’ny politika na fepetra takian’ny lalàna eo amin’ny firenena, na faritra ary/na iraisam-pirenena toy ny Protocole de Kyoto tamin’ny 1997 na ny Fifanarahana malaza tao Paris tamin’ny taona 2015. Ny Fanjakana no mitantana ireo tsena ireo. Ity karazana ity no mitana toerana lehibe indrindra amin’ny tsena ankehitriny (800 lavitrisa (miliara) dolara amerikana)

· Ny tsena an-tsitrapo (« marché volontaire ») dia maneho ny fividianana sy fivarotana ny crédits karbôna an-tsitrapo. Fanjakana, orinasa ary olon-tsotra no mandray anjara ammin’izany. Ny famatsiana crédit karbôna an-tsitrapo amin’izao fotoana izao dia avy amin’ireo orinasa sy Fanjakana izay mamolavola tetikasa. Ity tetikasa ity dia mitana toerana ampahany kely amin’ny tsena (2 lavitrisa dolara amerikana)

Misy karazana tetikasa fampihenana ny entona manafàna (GES) isan-karazany amin’izao fotoana izao mba hahazoana fanokanam-bola (crédit). Misy ny tetik’asa momba ny ala (fiarovana ny ala, fambolen-kazo tanora, sns), ny fanarenana ny hivoka na akata (« savane »), fanoloana ny fatana ao an-tokatrano, fisamborana metanina (« méthane ») na fampihenana isa ny biby fiompy, fanovàna mba hampiasàna ny angovo azo havaozina (any amin’ny fiaramanidina, ohatra), sns. Ny tetikasa REDD+ (Fampihenana ny entona manafàna (GES) noho ny fandripahana ala sy ny fahasimban’ny ala – « Réduction des émissions de gaz à effet de serre dues à la déforestation et à la dégradation des forêts »), izay ahitana ny fiarovana ny ala izay vovo-na karbôna goavana, dia anisan’ireo fomba ahatongavana amin’izany. Saingy ny fitambaran’ity rafitra ity, izay natao indrindra mba hisorohana ny fampihenana ny famoahan’ny fanjakana matanjaka sy ny orinasa lehibe entona karbôna amin’ny alàlan’ny fanovàna ny loharanon-kareny sy ny loharanon-keriny, dia nisiana fikarohana maro, izay manozongozona ny fototra iorenany no vokany.

FANAKIANANA IREO FITSIPIKY NY TSENA KARBÔNA

Ny fitombenan’ny paikady momba ny fanonerana, sy ny tsena karbôna aterak’izany, ho solon’ny fampihenana ny entona manafàna (GES), no ivon’ny adihevitra ankehitriny. Fikambanana maro no mihevitra ny fanonerana karbôna ho endrika fanasan-damba ho maitso (« greenwashing »), fomba iray ampiasain’ny orinasa mba hanomezana sary diso momba ny fandraisany andraikitra ara-tontolo iainana (5), nefa izy mamela ireo asa aman-draharaha fandotoana hitohy (5). Ireo fikambanana ireo ihany koa dia manantitrantitra fa ity rafitra misy ity dia mamela ny mpamokatra entona lehibe indrindra, izay any amin’ny firenena any Avaratra matetika, hampikarakara ny asany momba ny toetr’andro any amin’ireo firenena tropikaly manana ala betsaka ary tsy dia mbola manana indostria na fanaova-taozavatra miroborobo loatra (1)

Ankoatra izay, misy olana eo amin’ny fahatokisana satria tsy azo itokisana ny fombafomba fanaovana fanamarinana momba ny « crédit carbone ». Nandritra ny taona 2023, fanadihadiana maro no nampiseho fa ny fizotry ny kajy momba ny fanokanam-bola ho an’ny karbôna (crédit carbone) mifandray amin’ny tetikasa maro momba ny ala, ohatra, dia diso satria mamporisika ny fanomezana fanokanam-bola be loatra amin’ny fampisondrotana ny loza mety hitranga amin’ny fandripahana ala sy ny fahombiazan’ny tetikasa natao hanarenana izany. Ny olana iray hafa dia ireo kajikajy tsy miraharaha araka ny tokony ho izy ny lafiny “fotoana” (tsy maintsy maharitra ny fitahirizana karbôna vao misy vokany) ary mety misy fanisàna indroa ny entona nivoaka. Ny orinasa ao ambadik’ireo fanamarinana ireo, toa an’i Vera, dia nahazo fitsikeràna mafy ary nisy tetikasa lehibe tena nofoanana.

Notsikeraina ihany koa ny fiantraikany ara-tsosialy. Ho an’ny tetikasa momba ny ala, satria goavana be ny velarantany nanaovana fambolen-kazo nolazaina fa ilaina mba hanonerana ny habetsahan’ny karbôna, dia nanjary loharanon’ny fandrobàna tany sy fangoronan-tany ary fandroahana ireo vondrom-piarahamonina any ifotony hiala amin’ny taniny na fahaverezan’ny fifehezana ny taniny ny tsena karbôna. Ny raharaha TotalEnergies, izay mamolavola tetikasa makadiry momba ny angovo any amin’ny firenena maro, dia iray amin’ireo malaza indrindra (5). Ohatra iray hafa ny orinasa Emirati Blue Carbon izay, araka ny tatitry ny fampitam-baovao, dia mampiasa vola amin’ny velarantany midadasika any Liberia, Kenya, Zimbaboe, Tanzania ary Zambia, mba hakana « crédit carbone » avy amin’ny faritra arovana sy ny valanjavaboary hafa (6).

Na dia tampitr’ohatra aza ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny fangoronana tany sy fanaovana am-pihimamba ny tany eto Madagasikara, dia misy miresaka ireo fakàna tany mifandray amin’ny « crédit carbone » ary ho resahana amin’ny lahatsoratra hafa. Andeha hojerentsika akaiky ny zava-mitranga eo amin’ny sehatry ny fanonerana karbôna ao Madagasikara satria voalaza ho “modely tsara any Afrika atsimon’i Sahara” i Madagasikara amin’ny resaka crédit carbone, araka ny lahatsoratra an-gazety nivoaka tamin’ny faran’ny volana febroary 2024 (7).

EO AM-PIVOARANA NY TSENA KARBÔNA ETO MADAGASIKARA

Nanomboka tamin’ny taona 2005 ny tetikasa fanonerana karbôna voalohany teto Madagasikara “izay niarahan’ny Fanjakana Malagasy sy ireo mpamatsy vola na fikambanana iraisam-pirenena mpiaro ny tontolo iainana” (8). Nisy tetikasa andrana tao anatin’ny ala Makira, tao amin’ny lalakelin’ny ala Ankeniheny – Zahamena ary tao anatin’ny tetikasa fiarovana ny ala manontolo (« projet holistique de conservation de la forêt »). Ny fanadihadiana momba ny fitantanana azy ireo natao tamin’ny taona 2016 dia nanasongadina indrindra ireo fomba faneriterena na fanaporetana mihitsy ny mponina any ifotony sy ny fiantraikan’ny fandrisihana ny fahazoana tombontsoa ho an’ireo efa manan-katao (9).

Namorona faritra arovana maro ho fitandrovana ny ala ny fanjakàna malagasy. Tany amin’ny toerana sasany dia nankinina tamin’ny orinasa toy ny orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany ny fitantanana ny velaran-tany an’arivony hekitara. Tamin’ny taona 2016, ny fanadihadiana natao tao amin’ny faritra arovana Tsitongambarika tantanan’ny orinasa maro rantsana Rio Tinto QMM, izay manohana ny fanonerana ny karbôna sy ny fanonerana ny zavamananaina maro karazana ary ny karbôna Afakaratsaka Aotra (carbone Net Zero), dia nampiseho fa ny fampiharana ireo fitsipika ireo dia nahatonga ireo faritra hany nahazoan’ny mponina alalana hamboly ny sakafony ho tena tery, lavitra ny tanàna ary feno fasika ka nihena be ny vokatra ary nitombo be ny tsy fahampian-tsakafo (10).

Ankoatra izay, ireo vondrom-piarahamonina any ifotony dia voarara tsy afaka mitady any anaty ala intsony sy maka ireo zavamaniry ilaina amin’ny fanaovana rary, izay asa tena mampidi-bola ho an’ny vehivavy. Ary ny fianakaviana dia tsy afaka manangona zavamaniry any amin’ireny ala ireny mba hataony fanafody hitsaboana ny tenany, nefa tsy manana fahafaha-mividy ny fanafody amidy eny amin’ny fivarotam-panafody maoderina. Nitondra tamin’ny làlana nampitombo ny fahantrana ny vokany ka tena “mifanohitra amin’ny fampandrosoana”.

Maro ny ONG mpiaro ny tontolo iainana miasa amin’ny toerana samihafa eto amin’ny nosy miaraka amin’ny Birao Nasionaly ho an’ny Fiovan’ny toetrandro sy ny rafitra fampihenana ny entona avy amin’ny fandripahana ala sy ny fahasimban’ny ala (BNCC-REDD+) eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Ny ONG no nitantana ny fanombanana sy ny fivarotana ny crédit karbôna. Araka ny tatitry ny mpanao gazety manam-pahaizana manokana momba ny tontolo iainana, tamin’ny taona 2021, ny ONG Blue Ventures niasa tany amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’i Madagasikara dia notsikerain’ny minisitra tamin’izany fotoana izany noho ny famarotana crédit karbôna tamin’ny vidiny mirary loatra, tsy neken’ilay ONG izany. Naaton’ny governemanta malagasy ny fitantanan’ny rafitra hafa rehetra ny crédit karbôna ary izy irery no nanjary nitantana ny fivarotana sy ny vola miditra amin’ny crédit karbôna nanomboka teo (11).

Ankoatra izay, nanao sonia “fifanarahana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena ao anatin’ny Tahirimbolan’ny Fiaraha-miombon’antoka ho an’ny karbôna mifandraika amin’ny Ala (« Fonds de Partenariat pour le Carbone Forestier (FCPF) ») ny Fanjakana Malagasy izay mikendry ny hampihenana ny entona karbôna 10 tapitrisa taonina any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy. Ny vola kasaina ho azo amin’izany dia mitentina 50 tapitrisa dolara ao anatin’ny 5 taona, ka nisy ampahany voalohany mitentina 8,8 tapitrisa dolara avy amin’ny crédit carbone momba ny ala avy amin’ny Programa fampihenana ny entona Atiala Atsinanana (PRE-AA) voaray tamin’ny Novambra 2023. Ity fandoavam-bola voalohany ity dia vokatry ny fanombanana nahafa-po ny fitahirizana karbôna, norefesina tamin’ny fanatanterahana ny programa. Voafehin’ny didim-panjakana mifehy ny tsenan’ny karbôna momba ny ala (DRMCF), ny fitsinjarana ny vola miditra amin’ny karbôna ka ny 20% ho an’ny fitantanana ary 80% zaraina amin’ireo rafitra samihafa any ifotony” (7). Efa nahazo ny anjarany tamin’io vola voaray io ve ireo vondrom-piarahamonina tokony nahazo tombontsoa araka ny « teoria » ?

Eto Madagasikara dia misy ireo mpisehatra samihafa ao anatin’ny rafitry ny karbôna manga ho an’ny tetikasa fambolen-kazo sy fitandrovana ny ala honko ary ny fitehirizana karbôna amin’ny rohin-javaboary anaty rano. « Maniry eo akaikin’ny rano masira izay tsy ahazoan’ny zava-maniry hafa rehetra aina ny honko. Ny fakan’izy ireo miendrika tsangambato difotra anaty rano dia mamorona toeram-ponenana tsy manam-paharoa any ambanin’ny rano, toerana fitaizana trondro vao teraka ary fialofana ho an’ny karazana hafa toy ny foza. Mahay manala karbôna amin’ny sosondrivotra (« atmosphère ») koa ireo hazo ireo. Ny honko dia afaka maka karbôna avo efatra heny noho ny ala tropikaly mando, araka ny tombatombana iray. Ny tany be karbôna dia kolokoloin’ny ravinkazo voafandrika ao anatin’ny tambajotran’ny fakany any anaty rano. Mampiadana ny fahapotehan’izy ireo ny rano an-dranomasina, ka mangeja karbôna betsaka kokoa mandritra ny fotoana maharitra kokoa ». « Ny ankamaroan’ny karbôna dia hita any ambanin’ny tany raha ny honko no dinihina »(11).

Ny Minisitry ny Tontolo iainana vaovao, izay maneho fahalianana tokoa amin’ny crédit carbone, dia nanao fitsidihina tany ivelany sy nifampidinika tamin’ireo andrim-panjakana isan-karazany mba hanomanana didy aman-dalàna vaovao mifandraika, ohatra, amin’ny fandraisana anjaran’ny orinasa malagasy amin’ny tsenan’ny karbôna.

TSOA-KEVITRA

Ny fahalalàna sy lesona notsoahina avy amin’ny fifanakalozana mikasika ny fanonerana karbôna manodidina ity asa soratra ity dia mitarika anay hamporisika ireo mpandray fanapaha-kevitra sy manampahefana mahefa

mba handinika amin’ny fomba feno fitandremana ny amin’ireo vondrom-piarahamonina any ambanivohitra satria matetika izy ireo no isan’ny tena iharan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ;

hitady hevitra vaovao mba tsy hampitombo ny fahantran’izy ireo amin’ny fanalàna aminy ny taniny sy ny fandraràna azy ireo tsy hampiasa hazo raha tsy manolotra safidy hafa sahaza ;

tsy hanapotika na ny zavamananaina maro karazana na ny kolontsaina eo an-toerana rehefa mihevitra ny amin’ny fanalefahana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Nahoana tokoa moa no tokony hanova ny fomba fanaony noho ny fanalefahana ny fiovaovan’ny toetrandro ny vondrom-piarahamonina any ifotony amin’ny ankapobeny, sy ny eto Madagasikara manokana, nefa ny orinasa mpandoto sy ny fanjakana manankarena kosa mbola manohy mandoto amin’ny alalan’ny tsenan’ny karbôna, izay fandrika manome alalana azy ireo hanohy hatrany ny fandotoana fatratra ny planeta Tany sady milaza ho manonitra ny entona manafàna (GES) any an-kafa ?

Raha toa ka ny zava-misy amin’izao fotoana izao izay mampisongadina ny fahantrana lalina misy ny vahoaka malagasy no manosika ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ny mpiaro ny tany malagasy hanohana ireo tetikasa mifandray amin’ny tsena karbôna, satria manome vola sy fotodrafitrasa vitsitsitsy ho an’ny vondrompiaraha-monina any ifotony izy io, dia tokony samy hametra-panontaniana bebe kokoa ny tsirairay momba ny fiantraikany ao aoriana sy amin’ny lavitr’ezaka eo amin’ny fahafahan’ny vondron’olona any ifotony mivelona raha tsy manana ny taniny intsony izy sy ny loza avo lenta mananontanona eo amin’ny fikorontanan’ny toetr’andro ho an’ny mponina eto Madagasikara sy any amin’ny firenen-kafa manoloana ny fitaka raiki-tapisaka fonosin’ny tsena karbôna. 

9 jolay 2024 no aparitaka amin’ny teny malagasy 
18 avrily 2024 no naparitaka tamin’ny teny frantsay :
https://wdp.terresmalgaches.info/le-marche-carbone-est-il-une-reponse-au-changement-climatique-newsletter-n216-fr/

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

RAKITRA NISINTONANA HEVITRA

(1) https://www.bbc.com/afrique/articles/cv2yre1gp3no

(2) https://greenfinanceobservatory.org/our-work/nature-markets-explainer-video-series/

(3) https://selectra.info/energie/guides/environnement/compensation-carbone

(4) Ny dioxyde de carbone CO2 no matetika hampiharana ny fanonerana karbôna fa mety hampiharina koa io fanonerana io amin’ny entona manafàna hafa toy ny metanina « méthane » (CH4), na ny protoxyde d’azote (N2O) na ireo solika antsoina hoe hydrocarbures halogens (Wikipedia)

(5) https://www.trtfrancais.com/actualites/compensation-carbone-de-totalenergies-entre-greenwashing-et-expropriation-de-terres-congolaises-11735646

(6) https://farmlandgrab.org/post/32146-colonialisme-du-carbone-les-habitants-sont-forces-de-partir-alors-que-la-societe-de-creditcarbone-de-dubai-s-empare-de-terres-en-afrique

(7) https://www.moov.mg/article/82098-credit-carbone-madagascar-un-bon-modele-en-afrique-subsaharienne

(8) https://www.academia.edu/6393406/Le_m%C3%A9canisme_REDD_Mythe_ou_Panac%C3%A9e_pour_Madagascar_

(9) https://www.cairn.info/revue-natures-sciences-societes-2018-3-page-308.htm

(10) https://www.wrm.org.uy/mg/node/11974 Fanonerana harena voajanahary ataon’ny Rio Tinto ao Madagasikara

(11) https://news.mongabay.com/2021/08/even-as-the-government-bets-big-on-carbon-redd-flounders-in-madagascar/