TANDINDOMIN-DOZA NY MPONINA AO NOSY SAKATIA SY AO AMIN’NY NOSY KELY REHETRA AO AVARATR’I MADAGASIKARA – Newsletter N°228 (MLG)

Iaraha-mahalala fa nitombo ny fahalianan’ny mpampiasa vola amin’ny tany ho volena taorian’ny krizy ara-sakafo sy ara-bola eran-tany manodidina ny taona 2008 ka mitombo ny fangoronan-tany na accaparements de terre. Anisan’ny manavaka an’i Madagasikara hatramin’io vanim-potoana io ka hatramin’izao dia ny mpitondra fanjakana eto an-toerana mihitsy no manasa sy miantso ny vahiny haka ny tany malagasy. Misongadina izany tato ho ato ary miseho amin’ny tranga ao amin’ny nosy kely samihafa manamorona ny nosy lehibe any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara.  Sahirana sy mitaintaina ny vahoaka malagasy monina ao izay kasaina ho esorina teo amin’ny taniny mba hanomezana fahafaham-po ny Malagasy manam-bola be sy ny vahiny mpampiasa vola eo amin’ny sehatry ny fizahantany.

Fampahafantarana ny zava-misy sy fanehoana ny tsy fanekena izany ary fampitàna tolokevitra no kendren’ity lahatsoratra ity.


Mavaivay ny olana ao amin’ny Nosy Sakatia

Efa tamin’ny taona 2016 no nisy orin’asa mitondra ny anarana hoe GREEN MADA LAND nandefa iraka tao amin’ny mponin’ny Nosy Sakatia nilaza fa nanasonia niaraka tamin’ny fanjakàna fifanarahana fanofàna tany mandritry ny 40 taona izy (bail emphytéotique) ka tokony hiala ny mponina. Ny mponina kosa niray hina ka tsy nanaiky. Nanandrana fomba samihafa hifampiraharahana no nataon’ny orin’asa. Nampiasa ny fomba rehetra ahafantarana hoe iza no anatin’ny orin’asa GREEN MADA LAND kosa no nimasohan’ny mponina. Taminy faha-13 desambra 2024, no voalohany nisy olona telo tonga nilaza fa solontenan’ny orin’asa GREEN MADA LAND niaraka tamin’ny olona avy amin’ny ministera roa sy ny sampan-draharahan’ny fandrefesan-tany (topographie). Hanao fanombanana ny fiatraikan’ny tetikasa ara-tontolo iainana (étude d’impact environnemental) no anton-dia nolazainy saingy tsy navelan’ny mponina niditra satria tsy nisy olon’ny ONE (Office National de l’Environnement) izay tompon’andraikitra amin’izany tombana izany tonga teo. Ny faha-28 desambra 2024 dia nisy zandary roa niaraka tamin’ny filohan’ny fokontany hafa ao akaiky ao tonga nihodikodina nijery ny Nosy Sakatia saingy tsy nanazava ny anton-diany.
Koa velona ny fanontaniana sy ny ahiahy manoloana ny fampitahorana samihafa heno tato ho ato :
Sao dia mba sanatria namantatra ny toe-tany ao Nosy Sakatia fa manomana fanalàna ny mponina an-katerena sy amin’ny fomba feno herisetra no anton’iny famangian’ny zandary tsy nisy fanazavàna iny ?
Raha toa ka izany, dia tena tsy azo ekena.

Manoloana ity fanontaniana ity, dia tsara ny mampahatsiaro fa rehefa tsy namokatra ny fanadihadiana lalina tany amin’ireo rafi-panjakàna tokony nahafantatra ny olona ao anatin’ny orin’asa GREEN MADA LAND dia nametraka fitoriana ny mponina. Resy izy tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany, fa nandresy kosa nyfikambanan’ny mponina tao amin’ny fitsaràna ambony. Saingy na nandresy aza dia nitohy ny olana satria tsy nety nahazo titra ny fikambanan’ny mponina raha tsy miala hono aloha ny didim-pitsaràna nanao an’i Nosy Sakatia ho « réserve foncière touristique » tamin’ny taona 2.000. Nisy didim-pitsaràna koa nanafoana ny bail emphytéotique voasonia tamin’ny taona 2016 saingy re fa nahazo bail vaovao ilay orin’asa taty aoriana.

Ny lafiny iray asongadin’ny mponina dia ny tsy fisian’ny taratasy mihitsy naseho azy na momba ny tetikasa sy ny hotely voalaza fa haorina na momba ny fanambatambazana rehetra natao ahatonga ny mponina hanaiky, toy ny hoe « homena tany eo amoron-dranomasina ny mponina fa ny orin’asa hanao ny tetikasa eo akaiky eo ».

Ny zava-dehibe tsara marihina dia efa nahazo TGRN na fifanekena famindram-pitantanana ny harena voajanahary azo havaozina – n°663/22-MEDD/SG/DREDD.DIANA tamin’ny volana oktobra 2022 – koa ny vondron’olona ifotony (VOI) ao Nosy Sakatia, ary nahazo fanavaozam-pitantanana ho an’ny 10 taona manaraka indray izy tamin’ny Desambra 2023 satria tena feno harena voajanahary ao, toy ny : 

  • Atiala fady ao Ambohibe mirefy 12ha ;
  • Atiala honko Andranomatavy, 10ha
  • Faritra fanjonoana nentim-paharazana manodidina ny Nosy Sakatia 110ha;
  • Faritra fambolen-kazo eto Sakatia 15ha;
  • Torapasika manodidina ny Nosy Sakatia 7,2ha
  • Nosy Raty, izay Nosy fandevenana no sady rakotra ny Horoko mainty na « Corail Noir »
  • Orchidées
  • « L’île de Sakatia, située au large de la côte Nord-Ouest de Madagascar dans l’archipel de Nosy Be, recèle une fabuleuse biodiversité marine et côtière. Ses eaux turquoises abritent des récifs coralliens rempli de vie, ainsi que cinq espèces de tortues marines comme la tortue verte (Chelonia mydas, EN), la tortue imbriquée (Eretmochelys imbricata, CR), la tortue Olivâtre (Lepidochelys olivacea), la tortue caouanne (Caretta caretta, EN) et la tortue Luthe (Dermochelys coriacea,CR). Ses plages sont des sites de ponte pour ces magnifiques créatures. »

Manana kolotsaina manavaka azy koa i Nosy Sakatia : tsy azo atao ny mitondra alika sy miasa tany amin’ny andro alahady, talata sy alakamisy, fady ny manasa lamba andro talata.

“Véhicule à moteur interdit de circuler dans l’île de Sakatia, fusil harpon (fusil sous marin) interdit dans la zone protégée »  satria tokony ho tantanana sy arovana ao.

Be vola sy matanjaka be ve ny olona anatin’ny GREEN MADA LAND ka na ny didim-pitsaràna samihafa aza tsy hajainy sy tsy mahasakana azy ?

Mitombo ny isan’ny nosy izay kasaina homena mpampiasa vola ka manana olana ny mponina

Efa an-taonany maro no nisy nanao varo-boba ny tany tao Nosy Be ary mitohy tsy mitsahatra ny olan’ny mponina satria maro ny olon-tsotra ravàna trano sy esorina amin’ny taniny nefa tsy mazava ny fomba nisafidianana ireo vitsy an’isa mpanam-bola mahazo manorina. Efa sivy taona izao ny mponina ao Nosy Sakatia no mitolona miaro ny taniny nefa na nandresy tany amin’ny fitsarana ambony aza dia tsy mijanona ny fiezahan’ny orin’asa Green Mada Land hanaisotra azy fa hanamboatra hotely hono. Efa hatramin’ny taona 2020 ny mponina ao Nosy Mitsio no tsy mahazo manao fombafomba manodidina ny fikarakarana taratasy fananantany ary heno izao fa lasan’ny mpampiasa vola emirati ny Nosy Mitsio nefa tsy misy manazava ny momba izany amin’ny fokonolona ao an-toerana ny tompon’andraikim-panjakàna. Nanomboka ny volana desambra teo no mivoaka an-gazety fa tafiditra amin’ny resaka ifanaovan’ny manam-pahefana ambony sy ny mpanam-bola vahiny ny Nosy Iranja sy Sainte-Marie. Ary heno fa efa voakitikitika koa ny Nosy Bora.

Kasain’ny fanjakàna homena olona hafa na orin’asa tsikelikely ve ireo nosy ? Dia ho aiza ireo mponina satria amin’ny Malagasy ny loharanon’ny fiveloman’ny maro an’isa dia ny tany izay tena masina sy  sarobidy aminy satria nolovainy tamin’ny razany ?

Ketraketraka ny olom-pirenena fa misy tompon’andraikitra anivon’ny faritra izay manohana ny fikasàna hitondra ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fizahantany miorina amin’ny fanomezana ny tany sy ny harena voajanahary ho an’ny vahiny.

Maneho ny heviny ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena momba ny tena fampandrosoana

Mampieritreritra mafy sy mampitebiteby ny vahoaka ireo voalaza fa « projets présidentiels » satria toa heverin’ny manam-pahefana fa ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka (d’utilité publique) ka terena hiala ny mponina nefa tsy dia izany loatra. Raha tena fampandrosoana ny tanàna marina, maninona no tsy hatao mazava sy ampahalalàna ny vahoaka ? Mba tia zavatra tsara sy tena tia fandrosoana koa ny mponina. Matoa mbola mijanona soa sy an’ny Malagasy rehetra toy izao i Nosy Be ohatra, dia satria niaro azy tamin’ny fanimbàna sy fitsiriritan’ny hafa ny razambenay, izay resy lahatra fa tokony ho kojakojaina ny tanàna noho ny fitiava-tanindrazana, amin’ny maha-malagasy, mba ho lovain’ny taranaka. Ka dia io izy hitan’ny Fanjakàna fa tsara tarehy sy manintona io. Ny zava-misy tato ato anefa dia atao fitaovana fandravàna ny tanin’ny madinika ireo lazaina hoe tetikasan’ny fanjakàna na tetikasan’ny filoham-pirenena ka fadiranovana ny vahoaka sady tezitra.

Mampieritreritra koa ny mety hidiran’ny miaramila. Matoa misy miaramila dia misy tery vozona, tsy mazava. Teo aloha ny fahamarinana sy fitiavana no nanjaka teo amin’ny fiaraha-monina. Fa maninona no nosoloina herim-pamoretana sy angovo ary vola sy voninahitra ?

Ny fomba fitantanana heverinay fa tokony hisy dia fitondràn’ny tompon’andraikitra sosokevitra tetik’asa eo amin’ny mponina, manazava sy manome ny andinidininy rehetra ary manontany raha mety amin’ny mponina ilay fikasàna, mifanakalo hevitra sy manatanteraka izay ifanarahan’ny rehetra vokatr’izany. Fa samy tsy mety sy tsy tokony hatao na ny tsy mampahafantatra mihitsy sy tsy manontany hevitra na ny manao tery vozona.

Raha ny fizahantany no horesahana, mahafantatra tsara an’i Nosy Be sy ny tontolo iainana ary ny harena misy ao ny mponina ka afaka sy vonona hampiroborobo azy hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena raha toa ka mirona amin’izany ny politikan’ny fanjakàna ka misy tombotsoa azon’ny mponina eo an-toerana voavinavina sy hifanarahana  tsara. Toy izany koa ny any amin’ny nosy hafa rehetra.

Fanapotehana ny firenena malagasy ny fanaisorana an-keriny sy fandroahana ny mponina amin’ny taniny.
Hanaiky ve ireo vahiny raha tonga any amin’ny taniny isika ka roahana izy fa alaintsika ny taniny ?

Famaranana :

Milaza ho miaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary ny fanjakàna malagasy sy ny mpitondra ary ny mponina. Harena voajanahary maro anefa no hanjavona raha apetraka io hotely resahana hoe hatao ao Nosy Sakatia io, sady ao anatin’ny faritra tantanan’ny vondron’olona ifotony. Iaraha-mahalala anefa ny faharatsian’ny tontolo iainana amin’izao fotoana izao eran-tany. Manginy fotsiny ny harena an-dranomasina izay hihena na ho potika mihitsy raha ovaina hanamboarana hotely lehibe sy feno hetsika ataon’ny olombelona maro mpizaha tany io nosy io.

Farany, mahagaga sy mahatalanjona ny zava-misy : Ny mpampiasa vola vahiny lolohavina, fa ny tombotsoan’ny vahoaka madinika voahosihosy sy tsy raharahiana. Dia aiza ny fampandrosoana tena izy ?


20 janoary 2025

Manao sonia :

  • ANJAVA SAKATIA
  • Association des Amis de Nosy-Be AAN
  • Association des Volontaires Actifs – AVA
  • Association des Volontaires pour la Défense des Droits des Consommateurs – A.V.D.C.C
  • Association FIAROVANA
  • Association IZARA
  • Association Mpiasa afak’aba Mivondrona – MPIAMI
  • Association TAMBATRA
  • BIMTT
  • Centre de Recherches et d’Appui pour des Alternatives de Développement – CRAAD-OI
  • CLB RASIS : Regroupement d’Action pour la Sauvegarde de l’Ile de Sakatia
  • Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental – CNPE
  • Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
  • CRADES Ambanja – Centre de Réflexion et d’Action pour le Développement et l’Environnement de Sambirano
  • Esazisoa Ymca
  • Fédération CLB Ambaro Lovainjafy Baie d’Ambaro
  • Fédération des CLB Tahavono Nosy Be
  • Femmes en Action Rurale Madagascar – FARM
  • Fikambanana FAFAMA Moramanga
  • Fikambanana Miaro sy Mitsakaraka ny Tombontsoan’ny Nosy-Be – FMMTN 
  • FIKAMBANANA TAFATAFA
  • Fikambanan’ny Tanora Mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny Firenena – FTMF
  • FUB BATAN
  • Gny To tsy mba Zainy – GTZ 
  • Monique Raharinosy
  • MSIS Tatao-Multi-Sector Information Service
  • Ny Tanintsika Tnr
  • ONG AZAFADY
  • ONG CODE Menabe
  • ONG FIANTSO Madagascar
  • ONG Ravintsara 
  • ONG TSANTA
  • ONG TSINJO AINA Mahajanga
  • Organisation de la Société Civile sur les Industries Extractives – OSCIE
  • OSC Magnarigny Ambilobe
  • OSCE  MANDRESY DIANA
  • Plateforme pour l’Environnement et Développement de Nosy Be – PFED
  • Plateforme régionale Sociétés Civiles Alaotra Mangoro
  • Plateforme ROHY
  • READ-DSS
  • Réseau d’Acteurs d’Ambilobe
  • Réseau des Jeunes pour le Développement Durable – RJDD
  • ROSEDA
  • SAKATIA AVENIR
  • SAKATIA NATURE
  • SEDRS Bealanana
  • Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF)
  • SIRFA Nosy-Be : Sehatra Ikambanany Ray aman-dreny amin’ny Faritany Antsiranana
  • Solidarité pour l’Environnement et le Développement de la Région Sofia
  • Tafo Mihaavo
  • TAMBATRA Antafondro Nosy-Be
  • Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra amin’ny Fifidianana – TNMF
  • Vohifiraisana Analamanga