Mohamed Alabbar, mpandraharaha Emirati, dia naneho ny fahalianany hampiasa vola amin’ny sehatry ny fizahan-tany, fambolena, angovo ary fotodrafitrasa, indrindra ny làlana, nandritra ny fitsidihany an’i Madagasikara tamin’ny volana Oktobra 2024, amin’ny alalan’ny iray amin’ireo orinasany, Emaar Properties na Eagle Hills (1). Araka ny vaovao farany dia liana manokana izy amin’ny Nosy Sainte-Marie sy Nosy Iranja. Fa i Nosy Mitsio no nosy voalohany hanaovana “fifanarahana” eo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ity mpandraharaha malaza ity (2). Ny vondronosy Mitsio dia ao avaratra-andrefan’i Madagasikara, ao anelanelan’i Nosy Be sy Antsiranana Diégo-Suarez. Tamin’ny taona 2020 no nahafantaran’ny olom-pirenena Malagasy sasany ny fisian’ity vondronosy Mitsio tsara tarehy ity, noho ny fampielezan’ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena taratasy misokatra ho an’ny Filohan’ny Repoblika, nanontany azy ny antony tsy nahazoan’ireo mponina ao amin’ny nosy lehibe indrindra, izay mitondra ny anarana hoe Nosy Mitsio, nanao ny fombafomba samihafa hahazoana titra na bokin’ny fananantany, toy ireo mpiray tanindrazana malagasy rehetra (3).
Namaly io Taratasy Misokatra io ny Minisitra miandraikitra ny Fananantany tamin’izany fotoana izany ka nanazava fa ny anton’ny fampiatoana vonjimaika dia noho ny filàna fanadiovana ny toe-draharahan’ny fananantany tao Nosy Mitsio (4), satria hono nisy tompon-tany nivarotra na nampanofa ny taniny. Saingy efa-taona aty aoriana, mbola tsy naverina tamin’ny mponina ao Nosy Mitsio foana ny zony hanao ny fombafomba momba ny fahazoana taratasy bokin-tany na titra ho an’ny taniny. Angamba hafa ny tena antony marina nahatonga ny fampiatoana nandritra ny 4 taona ny fahafahana manao fombafomba rehetra manodidina ny titra amin’ny tany : tetikasa iray hananganana toerana fizahantany lafo vidy ao Nosy Mitsio.
Ankoatr’izay, ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny vaovao sy ny fisesin’ny tranga tsy manam-paharoa dia mitarika ny saina haminavina ireo petra-kevitra isan-karazany mety ho misy mikasika ny “fifanarahana” momba ny Nosy Mitsio (2).
Tamin’ny volana Jona 2022, tokoa mantsy, dia nanambara ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny Forum des Investisseurs fa hisy “hotely kintana 5” maromaro haorina, anisan’izany ny iray any Nosy Mitsio. Nanaitra ny mpikambana ao amin’ny Collectif TANY izany (5) satria tamin’ny taona 2020, nisy mpampiasa vola Soisa iray nanambara tamin’ny mponina ny tetikasany hanangana hotely, saingy teo amin’ny faran’ny fanadihadiana momba ny fiantraikan’ilay tetikasa amin’ny tontolo iainana, dia nandre tamin’ny fomba tsy nampoizina ny mponina, fa hisy fotodrafitrasa hafa, toy ny trano fonenana sy seranam-piaramanidina, haorina eo amin’ny toerana misy ny tranony sy ny tanimboly amin’izao fotoana izao. Raha mbola ho toy izany ny fisehoan-javatra dia mety haharitra mandritry ny fe-potoana tsy misy farany ny tsy fahafahan’ny mponina ao Nosy Mitsio manatanteraka ny fombafomba mifandraika amin’ny fangatahana taratasy momba ny fananan-tany. Satria alohan’ny hampanofana tany amin’ny mpampiasa vola iray amin’ny alalan’ny bail emphytéotique, izany hoe mandritra ny fe-potoana maharitra 18 ka hatramin’ny 99 taona, araka ny lalàna momba ny fampiasam-bola, dia tsy maintsy manoratra ilay tany amin’ny anarany ny Fanjakana. Efa an-taonany maro ve ny tompon’andraikitra sasany ao amin’ny Fanjakana no nanao izay ahafahany maka amin’ny fomba malalaka ny tany ao Nosy Mitsio ho an’na tetikasa fizahantany? (6)
Ny fanontaniana mipetraka avy eo dia hoe inona no endrika horaisin’ity “fifanarahana” ity: varotra sa fampanofàna ? Efa naneho ny tahotray ny hivarotana ny nosy Mitsio amin’ny mpampiasa vola izahay teo aloha, tahaka ny efa nitranga tamin’ny Nosy Ankao any amin’ny faritra avaratra-atsinanan’i Madagasikara, akaikin’i Vohémar (7). Marina ve ny vaovao heno fa nisy rafitra tsy fantatra anarana naka vao aingana faritra telo somary mifanalavitra ao amin’ny nosy Mitsio, izay maharakotra velaran-tany maherin’ny 200 hektara ny iray amin’izy ireo ? Raha mitombona io vaovao io dia hanafoana ny petra-kevitra mikasika ny fakàna toerana tokana ho an’ny fanorenana hotely lafo vidy fa hanamarina kosa ny eritreritra fa hibodo saika ny nosy manontolo ilay tetikasa vaovao, ary haka azy tsikelikely. Indrisy anefa, tsy mbola nahazo vaovao momba ity tetikasa ity ny fokonolona ao an-toerana hatramin’izao, na avy amin’ny mpampiasa vola, na avy amin’ny manampahefana ao an-toerana na avy amin’ny manampahefana nasionaly. Nisy manampahefana ambony iray anefa nilaza tamin’ny olona iray fa hafindra toerana ny mponina.
Ny fanambaràn’ny Filohan’ny Repoblika momba ny fahaiza-manaon’ny orinasa Emaar Properties amin’ny fananganana “vohitra” na « tanàna » ho an’ny mpizahatany (8) dia mety hanamafy ny fiheverana fa hanao ampihimamba ny nosy iray manontolo no fikasàna. Nahatohina ny olompirenena Malagasy maro ny fiarahan’ny zanaka lahimatoan’ny filoha Rajoelina matetika niaraka taminy mandritra ny diany ofisialy tany Dubai. Ny fisian’ny rohy finamanana eo amin’ny mpampiasa vola Emirati sy ity zanaka lahimatoa ity, izay nianatra momba ny fandraharahana fandraisam-bahiny tany Soisa, dia mampirona mankany amin’ny fiheverana fa misy fananganana rafitra iombonana eo amin’ny orinasa Emirati sy ny orinasa iray an’ny Filohan’ny Repoblika, mba hahafahany mividy tany ho lasa fananany tanteraka.
Na dia nisy aza ny fihaonana teo amin’ny vondron’orinasa Emaar sy ny mpikambana maro ao amin’ny governemanta tamin’ny volana Oktobra 2024 (9), dia nilaza tamin’ireo solontenan’ny mponina ao Nosy Mitsio izay tonga tao Antananarivo tamin’ny fiandohan’ny volana Desambra mba hitady vaovao ireo mpiara-miasa amin’ny Ministra izay tokony handray anjara amin’ity tetikasa fizahan-tany ity, raha ara-dalàna ny zava-miseho, fa tsy mahafantatra na inona na inona momba ilay tetikasa (10). Raha nilaza ny marina ireo manam-pahefana ambony ireo, dia homena anarana hoe tetikasan’ny filoham-pirenena ve ity tetikasa ity, tahaka ireo tetikasa maro lafo vidy sy mampiady hevitra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha toa ka tetikasa manokan’ny fianakaviana Rajoelina ?
- Ny fivarotana sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny fivarotana tany malagasy amin’ny vahiny dia famadihana tanindrazana, araka ny fomba fisainana mbola iombonan’ny ankamaroan’ny Malagasy;
- Nandritry ny herinandro vitsivitsy lasa, dia nisy hafatra tao amin’ny tambajotra sosialy nitsikera ireo mpitarika ambony ao amin’ny fitondram-panjakàna noho ny faniriany hivarotra ny Nosy Mitsio, izay “lova sarobidy” navelan’ireo razamben’ny vondrom-piarahamonina any an-toerana, tsy azo afindra ny fitompoana azy;
- Nampahatsiahy ny fampahalalam-baovao fa tany fambolena 60.000 hekitara no efa “natolotra” ho an’ny orinasa Emirati Elite Agro ao Bas-Mangoky ary nanasongadina ny fitoviana misy eo amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny raharaha Daewoo tamin’ny taona 2009 (11) ;
- Nandefa tararatasy ho an’ilay mpampiasa vola sy ho an’ ny Filohan’ny Repoblika ireo fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena
- nitaky ny hanajana ny zo fototra ho an’ny mponina ao Nosy Mitsio mba hahazo vaovao feno sy angatahana ny heviny mialohan’ny hanombohana tetikasa izay hisy fiantraikany aminy ;
- nanameloka ny fandraisana ny tanin’ny fokonolona ao Nosy Mitsio ho toy ny entam-barotra tsy misy hasiny ;
- ary nampahatsiahy ny fandraràn’ny lalàna malagasy ny fanomezana ho fananan’olon-tsotra nosy manontolo sy ny sisin-dranomasina ao anatin’ny 25 metatra miala avy eo amin’ny ranomasina rehefa miakatra izy (bande littorale de 25m) (12).
- Hiverimberina mandrakizay ve ny tantara (13) ?
31 décembre 2024
Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoinemalgache@gmail.com, http://terresmalgaches.info,
Rakitra nisintonana hevitra :
- (1) Emaar’s Alabbar eyes major investment in Madagascar | AGBI
- (2) Africa Intelligence 18 décembre 2024
- (3) Lettre ouverte à Monsieur le Président de la République de Madagascar à propos de Nosy Mitsio : 128209634.pdf
- (4) MONSIEUR LE MINISTRE DE L’AMENAGEMENT DU TERRITOIRE A REPONDU A LA LETTRE OUVERTE A MONSIEUR LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE A PROPOS DE NOSY MITSIO – CRAAD-OI
- (5) Madagascar: un projet d’investissement hôtelier à Nosy Mitsio inquiète la population locale
- (6) Newsletter n°211: l’État programme-t-il depuis 3 ans de dépouiller les communautés locales de Nosy Mitsio au profit d’un grand projet touristique d’investisseur ? – Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY
- (7) Madagascar : Tom Cruise est en vacances de luxe sur une île privée
- (8) https://2424.mg/andry-rajoelina-lorsque-emaar-sera-la-le-million-de-touristes-que-nous-visons-sera-multiplie-par-trois/
- (9) Holding Emaar : Les grands investisseurs émiratis en soutien à la vision d’Andry Rajoelina – Midi Madagasikara
- (10) https://www.youtube.com/watch?v=CXmxsOLZeXI
- (11) Tany midadasika kasaina homena ny arabo/ Ny nanonganana an-dRavalomanana no haverina…
- (12) ALERTE SUR NOSY MITSIO Une information très inquiétante et puissant soutien à la communauté concernée – Agence Malagasy de Presse
- (13) L »affaire Daewoo » alimente la colère contre le gouvernement – Jeune Afrique