NOSY MITSIO : VAOVAO NANAITRA MAFY SY FANOHANANA NY MPONINA Newsletter n°226 (MG)

Ny 18 desambra teo no nisy lahatsoratra navoakan’ny filazam-baovao Africa Intelligence fa tonga ao Nosy Be, ary hipetraka ao hatraminy faha-25 desambra ny mpampiasa vola émirati (avy any Emirats Arabes Unis)  mpanamboatra toerana fizahan-tany ho an’ny manan-katao.
Voalaza tao amin’ny lahatsoratra fa mandritra ity fandalovany ity no ho faranany miaraka amin’ny Filoham-pirenena  Andry Rajoelina ny fifampiraharahana momba ny Nosy Mitsio.

Noho izany, dia nandefa taratasy ho an’ny Lehiben’ny orinasa Emaar Properties (tamin’ny teny anglisy, izay nadika toy izao amin’ny teny malagasy) ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena maromaro manasonia.

Mitovy amin’izao koa ny taratasy nalefa tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa ny andalana roa voalohany no nisiana fanovàna nampifanarahana tamin’ny olona iantefàna.

Ho an’ Andriamatoa MOHAMED ALABBAR,

Filohan’ny orinasa EMAAR  PROPERTIES

Rehefa nahafantatra tamin’ny gazety fa ao Nosy Be ianao amin’izao fotoana izao, dia miarahaba anao izahay fikambanana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena izay nanao sonia ity taratasy ity.

Nampahafantatra anay ihany koa ny gazety fa mandritra ity fandalovanao ity, mikasa ny hihaona amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy Andry Rajoelina ianao mba hamarana fifanarahana momba ny nosy Mitsio .

Ny tanjon’ny hafatray dia ny fanamafisana fa ao Nosy Mitsio, ilay nosy lehibe indrindra ao amin’ity vondronosy ity, dia misy olona maherin’ny arivo mipetraka, lehilahy, vehivavy sy ankizy, olombelona tahaka anao sy tahaka anay, izay tsy maintsy hajaina ny zon’olombelony fototra.

Araka ny fahalalanay azy, ny vondrom-piarahamonina ao dia tsy mbola nampahafantarina mihitsy tamin’ny fomba ofisialy sy mazava momba ny tetikasa « toerana fizahantany » kasaina hatao ao amin’ny nosiny, izay noresahan’ny manampahefam-panjakana tamin’ny haino aman-jery ary indrindra taminareo mpampiasa vola.

Tsy mbola nikarakara fihaonana tamin’ny fokonolona ao amin’ity nosy ity ireo manampahefana ireo, na dia manan-danja lehibe eo amin’ny fomba amam-panao malagasy aza ny fifampidinihina sy fakàna hevitra, ary ny foto-kevitry ny lalàna iraisam-pirenena dia mitaky ny fampahafantarana mialoha sy ny faneken’ireo vondrom-piarahamonina voakasiky ny tetikasa izay fampiasam-bola kasaina atao.

Mety tsy ho sahy mampahafantatra ny vondrom-piaraha-monina ao Nosy Mitsio ireo tompon’andraiki–panjakana samihafa satria fantatr’izy ireo fa mety handà tanteraka ny fakàna ny taniny sy ny fikirakiràna ny nosiny toy ny entam-barotra tsy misy hasiny ny fokonolona.

Fanampin’izany, ny lalànan’ny Repoblika Malagasy dia mandrara ny fivarotana nosy sy ny fampanofàna ny moron-dranomasina anatin’ny 25 metatra miala avy eo amin’ny toerana tratry ny ranomasina rehefa miakatra izy (antsoina hoe bande littorale de 25m) eran’ny firenena.

Manohana mafy ny mponin’i Nosy Mitsio izahay.

– amin’ny fiarovana ny tany izay nomen’ny razany ho lovany, sy tena loharanon’ny foto-pivelomany,

– ary amin’ny fiarovana ny kolontsainy sy ny dingana efa vitany eo amin’ny diany mankany amin’ny fampandrosoana.


Matoky ny fahendrenao amin’ny fijerena ny maha-olona izahay, Andriamatoa Filohan’ny orinasa, ary manao veloma anao am-panajàna

20 desambra 2024

ACTIONS CITOYENNES MADAGASCAR

As-Aqua Madagascar

ASDFEM TOLIARA

ASSOCIATION GASY MANDROSO- AGM

Association Liberty 32 

Association MMST

Association TSARAJORO ANKARANA

Coalition Paysanne de Madagascar – CPM
Collectif des Jeunes Engagés Atsimo-Andrefana (COJEAA)

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

Femmes en Actions Rurale de Madagascar – FARM

FIANTSO MADAGASCAR

Fikambanan’ny LEHILAHY MANDRAY ANDRAIKITRA Amoron’i Mania
Fikambanana RVF-MFB

FOCUS DEVELOPMENT ASSOCIATION (FDA) 

FTMF 

GROUPE MANOVA IMERINTSIATOSIKA

Jeunesse et Citoyenneté

KMF CNOE – Fanabeazana Olompirenena

KOMITY NY DINA BE SAINTE MARIE

Monique RAKOTOANOSY

ONG EFA

ONG FAHAZAVANA

ONG SOS AUX JEUNES DE MADAGASCAR

ONG Tsinjo Aina Mahajanga

Organisation de la société civile sur les Industries Extractives (OSCIE)

OSC MANDRESY Diana

OSC MANDRESY Nosy Be
PFED Nosy Be
Plateforme Nationale des Organisations de la Société Civile (PFNOSCM)

Plateforme Solidarité des Intervenants sur le Foncier (SIF)

SE.MPI.ZOF

Sendikà TOLON’NY MPIASA (T.M)

Soa Gny Mivoatse – Fifata Ihorombe

Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra amin’ny Fifidianana (TNMF)

Tantsaha Mivoatsy

Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG)

USAM – RANDRANA SENDIKALY

VOHIFIRAISANA Analamanga