IREO TEBOKA LEHIBE ilàna fahamalinanataorian’ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) tao Antananarivo- Newsletter n°244 (MLG)

Natao tao Antananarivo tamin’ny 24 aprily 2025 ny fihaonana an-tampony faha-dimin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI), rafitra iraisan’ny governemanta avy amin’ny firenena 5 mpikambana ao aminy, dia Seychelles, La Reunion, Maorisy, Madagasikara ary ny Firaisan’i Kômôro. Efa taona maro izao no nanomezana anarana ny fitambaran’izy ireo hoe “Indianoseania”.

Ny lohahevitry ny fihaonambe dia ny “Fiarovana sy fiandrianam-pirenena ara-tsakafo : ho an’ny fampandrosoana ny tsenan’ny Indianoseania”. Mampanahy hiteraka zava-doza ny fanapahan-kevitra sasany noraisina, indrindra fa ny endrika vaovao miafina amin’ny fakàna sy fangoronana tany. Ny Filoha Emmanuel Macron no nitarika ny delegasionan’ny La Réunion ary tsy nisalasala nampiasa ny lanjany manontolo teo amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny Frantsay.

Marina fa tanjona mendri-piderana ny fikatsahana ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny firaisankina eo amin’ireo nosy dimy. Saingy tsy tokony ho toy ny fiaraha-miasa eo amin’ny soavaly sy ny mpitaingina azy izany. Hatramin’ny nanombohan’ity tetikasa ity tamin’ny taona 2013 teo ambanin’ny teny filamatra nanjary malaza hoe “Madagasikara, sompitry ny Ranomasimbe Indianina”, dia efa mailo ny fikambanana Collectif TANY satria natao toy ny tsy misy ny tantsaha Malagasy (1).

Tsiahivina mantsy fa ny 98%-n’ny tany azo volena ao amin’ny faritr’i Indianoseania dia eto Madagasikara, ary i Madagasikara dia tsy mbola mahavita manome fahafahampo ny filàny, na eo amin’ny vary aza. Ka inona ary no fonosin’ity loha-hevitra vaovao momba ny “tany fambolena iombonana” “hamokarana sy hifanakalozana” ity izay nolanian’ireo filoham-panjakana 5 nandritry ny fivoriana tao Antananarivo ? Nireharehan’Andriamatoa Edgard Razafindravahy, Sekretera Jeneralin’ny COI amin’izao fotoana izao ny famoronana sy fitompoiny io lohahevitra io, ary voalaza fa ny fivorian’ny parlemanta hanomboka amin’ity volana Mey ity no hanapaka ny fiantraikany mivaingana sy ny fepetra ara-dalàna momba izany.

Ny zava-baovao faharoa dia ny fanohanan’ny mpandraharaha malagasy amin’ny fomba mazava, indrindra ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM), ny politikan’ny COI amin’ny fiarovana ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa malagasy sy indianoseaniana. Fanamafisana ny politikan’ny governemanta malagasy momba ny fananan-tany izay manome vahana ny agrobusiness na fambolena tantanan’ny mpandraharaha fotsiny izany, sy manimba ny fambolena sy fiompiana tantanan’ny tantsaha.

Ny andro nialoha ny fihaonana an-tampon’ny COI dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy an’i Madagasikara Andriamatoa Emmanuel Macron. Maro ny fifanarahana voasonia.

Tsy nandalo fotsiny ho an’ny rehetra, tsy nisy nahatsikaritra araka ny niheveran’ny mpanao gazety iray azy ny fanambaràny momba ny fanirian’i Frantsa “hanangana fiaraha-miasa amin’ny tany tsy fahita firy (terres rares) sy ny mineraly stratejika”. Hanaraka akaiky sy amim-pitandremana manokana ny mety ho tohin’io fanambarana fikasàna io izahay.

Nisy olom-pirenena Malagasy nanomboka naneho tsy fankasitrahana manoloana ny fandavan’ Andriamatoa Macron tsy hamerina ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara amin’ireo Nosy Manodidina (Iles Eparses) (2).

Ankoatra izany, tsy nisy fampitam-baovao nitatitra momba ny fifanakalozana fanomezana teo amin’ireo Filohan’ny Repoblika roa. Teboka iray mampanahy io satria tsaroan’ny vahoaka Malagasy fa nandritra ny fitsidihana ofisialy nataony tany Maorisy tamin’ny taona 2019, dia nanome tany malagasy 80 hektara ho an’ny Maorisiana (3) ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Mety ho nahazo tany malagasy ho fanomezana koa ve ny Filoha Macron?

Noho izany, mitodika amin’ireo mpikambana ao amin’ny komity mpitantana (comité de pilotage) izay mandalina ny fanatanterahana ny “fananganana toeram-pambolena iombonana ho an’ny Indianoseania”, ary amin’ireo mpanapa-kevitra sy parlemantera izahay :

  • Maninona moa raha misy tetikasa mikendry ny “hampamirapiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”? Saingy ambonin’izany rehetra izany, tsy tokony hanaratsy ny toe-javatra efa marefo iainan’ireo tantsaha izy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny tany. Ny ankamaroan’ny Malagasy dia efa anisan’ireo olom-pirenena mahantra indrindra eto an-tany, izay miady mafy araka izay tratrany mba hisitraka ny zon’olombelona manoloana ny tetikasam-panjakana, indrindra fa ireo nofaritana hoe “tetikasan’ny filoham-pirenena” izay manimba ny fananana sy mandrava ny ezaka efa nataon’ny mponina, toy ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina, ny tanàna vaovao ao Imerintositsiaka, ny Farihy Iarivo ao Ivato, … tetikasa mitovy amin’ny napetraky ny tandapa, tsy misy fiheverana ny zo sy ny tombontsoan’ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana sy ny tantsaha ary ny olom-pirenena hafa voakasika.
  • Iaraha-mahalala fa maherin’ny telo ampahaefatry ny Malagasy no miaina amin’ny vokatry ny tany, izay ahazoany ny ankamaroan’ny fivelomany. Mamelona ny fianakaviany izy ireo ary mamatsy ny tsena eo an-toerana indrindra amin’ny famokarana ao anatin’ny sehatry ny fambolena tantanan’ny fianakavian‘ny tantsaha. Anisan’ny tanjon’izy ireo ihany koa ny fahampiana sy ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo, ary ny zo hihinana sakafo sahaza.
  • Tokony hampiharina amin’ny fomba mitovy eo amin’ny mponina rehetra anatin’ny Indianoseania ny fahalalahana eo amin’ny fahalalam-baovao, ny fahalalahana haneho hevitra ary indrindra ny fahalalahana hivezivezy. Tsy mitovy amin’izao fotoana izao ny hamoràn’ny fifamoivozana sy ny fikarohana làlam-barotra ananan’ny rehetra.

Raha tsy voavaha ireo olana rehetra ireo, dia mandeha ila sady mitongilana ny “fiaraha-miasa”.

30 Aprily 2025

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

patrimoine.malgache@yahoo.fr; http://terresmalgaches.info; Facebook: TANYterresmalgaches ; X: @CollectifTany ; Instagram: CollectifTany

Rakitra nisintonana hevitra:

  1. « Madagascar, grenier de l’Océan Indien » : Des engagements à risques à (…) – Afriques en Lutte ;
    –    farmlandgrab.org | « Madagascar, grenier de l’Océan Indien » : que les paysans ne deviennent ni les oubliés ni les victimes.
  2. Les îles Éparses : plus d’un siècle après la colonisation française, où en sont les revendications de Madagascar ? – Geo.fr
  3. Madagascar signe une série d’accords de coopération avec Maurice.