Hampandroso ny malagasy sa hampahantra azy ny fiantsoana mpampiasa vola hisehatra amin’ny fandraharahana ara-pambolena (agribusiness) ? – Newsletter n°173

Am-bolana maro izao ny fikambanana marobe amin’ny fiarahamonim-pirenena any amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara no manara-maso sy manahy momba ny ho avin’ny fananantanin’ny Malagasy sy ny zo fototry ny mponina taorian’ny nandanian’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna 2021-016 fanavaozana ny lalàna 2006-031 mahakasika ny tanin’olontsotra tsy vita titra. Tao anatin’ny taratasy iray (note ministérielle) tamin’ny 25 febroary 2022 no nahitàna voalohany mirakitra an-tsoratra fa ny 28 oktobra 2021 no nosoniavin’andriamatoa Filohan’ny Repoblika io lalàna io. Efa nahiana ho nisy fikasàna hafahafa tao ambadiky ny fahamaikan’ny tompon’andraikitra samihafa hampiroso io lalàna io. Toa fantatra ny antony iray ankehitriny.

Fanazavàna momba ny fampanantenana fampandrosoana sy fanaingana ny toekarena amin’ny alalan’ity politikan’ny fandraharahana ara-pambolena ity

Tamin’ny fanambaràna fohy tao anatin’ny gazety iray no nahafantarana ny FIANTSOANA HANEHO FAHALIANANA AMIN’NY TETIKASA AGRIBUSINESS nandritry ity volana Martsa 2022 ity. Ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana (MINAE), ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), miara-miasa amin’ny Faritra (régions) sy ireo tetikasa ao anivon’ny MINAE ary ny projet Pôles intégrés de Croissance et Corridors no hita tao aoriana fa niaingan’ilay Antso. Ny antso nalefan’ireo rafitra ireo dia mitodika amin’ny mpampiasa vola rehetra malagasy na vahiny, mba hanehoan’izy ireo fahalianany amin’ny fanatanterahana tetikasa fandraharahana ara-pambolena (agribusiness) eny amin’ny velaran-tany manomboka amin’ny 100 ka hatramin’ny 2.000 hekitara

Manamarika teboka telo ilay antso :
– Hisy katalaogy na rakitra fampirantiana ny tany azo volena manerana ny faritry ny firenena malagasy izay hatao tolokevitra amin’ireo izay maneho fahalianana sy mahatafita ny sivana voalohany,
– Ireo mpampiasa vola voatazona kosa dia hampiasa ny tany eo ambanin’ny fitantanany SY amin’ny alalan’ny fanaovana fifanekena amin’ny vondrona mpamokatra, mba ahazoana antoka ny fahazoan’ny rehetra anjara amin’ilay tetikasa.
– Ny fanehoana fahalianana (taratasy fanehoana fahalianana sy fanazavana fohy momba ilay orinasa manao tolokevitra sy ny traikefa efa nananany) dia tsy maintsy halefa alohan’ny faha-26 Martsa amin’ny adiresy vitsivitsy.

Mahatalanjona sy maha-ketraka fa tsy misy fiovàna mihitsy ny zavatra hilofosan’ny mpitondra mifandimby eto Madagasikara. Ny anaran’ny tetikasa sy ny fombafomba antsimpiriany fotsiny no miova fa dia ny hanome tany midadasika hisitrahan’ny mpanam-bola sy mpampiasa vola teratany sy vahiny foana no lazainy fa hampandroso ny firenena sy hitondra amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Ny tetikasa Pôles intégrés de croissance kosa rehefa jerena ny tranokalany dia manandratra ny fanorenana « corridors » na « zones » amin’ny faritra izay samy omena andraikitra hanabe voho rohim-pamokarana (« chaã®ne de valeur ») iray na vitsivitsy. Ka ny hita tamin’izao fotoana faramparany izao dia ny fanohanana rohim-pamokarana heverina fa hampazoto kokoa ny mpampiasa vola tsy miankina no fandaharan’asa nomeny tsindri-peo. Anisan’izany ny hasy ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, ny dipoavatra mavokely sy tsaramaso maina ao amin’ny faritra Anosy, ary ny cacao any amin’ny faritra Diana. Nilaza ny mpiandraikitra ny tetikasa fa mbola hanitatra io asa io any amin’ny faritra hafa ka ny andrasany ho vokatr’izany dia ny fitomboan’ny mpampiasa vola tsy miankina sy ny fanondranana vokatra any ivelany, ary ny fanatsaràna ny fari-piainan’ireo izay mandray anjara amin’ireo rohim-pamokarana voakasika.
Ny «corridors’ dia antsoina koa amin’ny anarana hoe «agropoles’. Asa raha efa nolanian’ny Filan-kevitry ny Ministra ny volavolana-didim-panjakana nentin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fananantany momba ny fananganana agropoles ary ny fomba fitantanana azy ireo izay natolotra tamin’ny volana novambra 2019. Ny agropoles dia noresahina tao amin’ny atrikasa tao Antsirabe tamin’ny volana marsa 2020 nandinihina ny volavolan-dalàna mahakasika ny terrains Àstatut spécifique (volavolan-dalàna lasitra momba ny tany tafiditra ao anatin’ny faritra iharan’ny fitondrana ara-dalàna manokana). Ary hita tany amin’ny rakitra an-tsoratra nozaraina taorian’ny fivoriana tamin’ny volana Jolay 2020 mahakasika NY PAIKADY NASIONALY MOMBA NY FANDRAHARAHANA ARA-PAMOKARANA (agribusiness) fa 4 tapitrisa hekitara (4 000 000 Ha) no kasaina hametrahana agropoles eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030. Tena midadasikabe tokoa izany ! Lehibe noho ny tontalin’ny velaran-tany ambolen’ny fitambaran’ny tantsaha rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ary mila ho telo avo henin’ny velaran-tany saika lasan’i Daewoo tamin’ny taona 2009.
Tolo-kevitra avy amin’ny rafitra iray toy ny EDBM izay najoro mba hitadiavana mpampiasa vola ve sa vokatry ny fikaonan-dohan’ireo rafitra rehetra voatanisa ao amin’ilay Antso no nahatonga ny fisian’ny katalaogy mampiranty ny tany azo volena eran’ny Nosy ? Tena teknikam-barotra hary fomba sy avo lenta no ampiasaina ! Fantatry ny mponina rehetra, indrindra ny tantsaha, ao amin’ny faritra tsirairay arantiranty ve fa ho voakasika ny taniny ?

Ny fomba fiasa voalaza fa hampiasaina dia « en régie et en agrégation ». Tsy misy mangarahara moa ity raharaha ity no tena anisan’ny olana goavana aminy, nefa ny tanindrazana iombonan’ny Malagasy no iantsoana mpaka sy mpampiasa hafa. Koa voatery miainga amin’izay fantatra efa misy ataon’ny firenena hafa. Ny « régie » dia maro karazana na ny fifampiraharahana sy raharaham-barotra fonosiny na ny tompon’ny tany any am-piaingàna, fa matetika misy fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakàna sy ny orinasa tsy miankina rehefa roso ny asa, ka ny orinasa no mitantana sy manatanteraka ny fambolena. Ny agrégation kosa dia fifanarahana ifanaovan’ny orinasa (agrégateur) amin’ny mpamokatra (agrégé) fa ny elanelany amin’ny agriculture contractuelle mahazatra dia tokony mivondrona anatin’ny kaoperativa na rafitra toa izany ireo mpamokatra. Ny tantsaha sy mpamokatra eo amin’ireo tany voakasika izany mahazo masomboly sy zezika ary fitaovana ampindramin’ny orinasa azy any am-piandohan’ny fotoam-pambolena, tsy maintsy mamboly araka ny teknika sy fombafomba samihafa manaraka ny totomariky ny orinasa. Ary ny vokatra rehetra tsy maintsy hamidy amin’ny orinasa, hanalàna ny vidin’ny fitaovana nomeny teo aloha ary matetika tsy raisiny ny vokatra tsy manaja ny fepetra notakiany.

Araky ny fandalinana mikasika ny agropoles nataon’ny fikambanana maro sy ny resaka nifanaovana tamin’ny mpiandraikitra fikambanan’ny mpamokatra izay niara-niasa tao anatin’ny agrégation ampiharin’ny Plan Maroc Vert efa 10 taona izao, dia maro ny agropoles tsy tanteraka na tsy nanome ny vokatra nandrasana. Nohon’ny fametrahana ny agrégation tany Maroc kosa dia maro ny mpamokatra very tany ary nihitatra fatratra ny velaran-tany nanjary fananan’ny orinasa agrégateurs, satria tsy naharaka namerina ny vola nindramina tamin’ny fomba samihafa ny mpamokatra maro ka lasan’ny orinasa ny taniny.

Ny tena manaitra sy maha-mailo anay fiarahamonim-pirenena

Efa azo an-tsaina sahady fa na ho « projets présidentiels » ny ho filaza an’ireo tetikasa agribusiness ireo na tsia, dia mampanahy ho voasokajy anatin’ny tetikasa ho an’ny filam-bahoaka (déclaration d’utilité publique) ka hiharan’ny andininy faha-22 n’ny lalàna vaovao 2021-016 momba ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra, izay milaza fa raha tsy manana titra na kara-tany ny olona monina eo amin’ny faritra voaray amin’ny didim-panjakàna mikasika ny filam-bahoaka dia tsy hahazo fanonerana rehefa esorina teo amin’ny taniny.

Araky ny efa nosoratana tamin’ny fanambaràna maro teo aloha anefa dia an-tapitrisany ny olom-pirenena sy fianakaviana malagasy manana tany nitoerana sy novolen’ny taranaka nifandimby saingy tsy manana taratasy fanamarinana izany noho ny antony samihafa ka ho voaraoka fotsiny izao. Toa izany koa ireo olona sy fianakaviana mipetraka amin’ny tanim-panjakàna na vita titra amin’ny voanjo teo aloha. Noho izany dia an-tapitrisany izany ny olom-pirenena malagasy any amin’ny faritra 23 ho very zo eo amin’ny fananantany, ka ho very trano fialofana, ho very asa famokarana izay sady antom-pivelomana namelomana ny fianakaviana no asa fampidiram-bola amin’ny fivarotana ny ampahany.

Koa manao antso avo dia avo amin’ny mpitondra ny fanjakana malagasy ankehitriny sy ireo mpandray fanapaha-kevitra izahay fikambanana amin’ny fiarahamonim-pirenena

– Manamafy ny fanoheranay ny fampiharana ny lalàna vaovao 2021-016, izay mbola mitaky fandinihina tsara sy fifanakalozana ny momba izany amin’ny olom-pirenena rehetra any amin’ny faritra 23 ;

– Mangataka ny tsy hirosoana amin’io politika nasionaly momba ny agribusiness io fa mbola hanao fampahafantarana ny fifandraisan’ity Antso ity marina amin’ny pã´les intégrés sy agropoles ary corridors ary hanao famakafakàna momba ny ho fiantraikany ara-tontolo iainana sy ara-sosialy eo amin’ny olom-pirenena ;

– Mampahatsiaro hatrany fa tsy hanome asa mitovy amin’ny famokarana sy fambolena tantanam-pianakaviana ny agribusiness ka hitombo ny tsy manan-kohanina eto amin’ny firenena. Araka izany dia tsy hanome sakafo ahafahan’i Madagasikara hahavita tena ara-tsakafo ny mpampiasa vola amin’ny agribusiness fa hamokatra izay ahazoany tombony, indrindra amin’ireo voly azo ahondrana any ivelany no laharam-pahamehana ho azy ;

– Manamafy fa matoa ny tantsaha malagasy tsy mahavokatra ny sakafo ilain’ny Malagasy izay mitombo an’isa isan-taona dia satria tsy ampy ny tany azony volena sy ny fotodrafitrasa ahafahany mahazo rano ary koa ny fanohanan’ny mpitondra fanjakana azy ;

Mitaky ny hamoahana dien’izao amin’ny fomba mangarahara ho hitan’ny olom-pirenena malagasy rehetra ny lisitr’ireo faritra homena hisafidianan’ny mpampiasa vola fa tsy ho ry zareo mpampiasa vola ihany no hahafantatra azy ;

Mandàny hanovàna ny maro an’isa amin’ny tantsaha malagasy izay efa nanana tany ho lasa mpikarama amin’ny orinasa manao agribusiness daholo fa toy ny fiverenana amin’ny fanjanahan-tany izany.

Antananarivo faha 23 marsa 2022


Ireo fikambanana manao sonia :

Association MIFAMA
Association MMST
BIMTT
Coalition Lampogno Maroantsetra
Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
CRAAD-OI
Dis-Moi (Droits Humains océan Indien) Madagascar
Femmes en Action Rurales de Madagascar (FARM)
JAI Association
Observatoire de la Jeunesse
ONG FIANTSO Madagascar
ONG MYE
réseau SOA (Syndicat des Organisations Agricoles)
Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany (SIF)
Sendikan’ny mpiasan’ny orinasa afak’haba (SEMPIZOF)
TAFO MIHAAVO – Tambazotran’ny Fokonolona Mitantana Harena Voajanahary eto Madagasikara
Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM)