FITAKIANA NY MANGARAHARA AMIN’NY MANAM-PAHEFANA AO AMIN’NY FANJAKANA FOIBE MOMBA IREO NOSY KELY ANY AVARATR’I MADAGASIKARA – Newsletter n°250 (MLG)

Manan-danja sady ilaina ny fizaràna amin’ny vahoaka eran-tany ny zava-misy manodidina ireo nosy kely ao avaratr’i Madagasikara. Ny ao Nosy Sakatia moa izao dia LATABATRA BORIBORY (table ronde)eo amin’ny mponina sy ny mpahay lalàna samihafa hanampy azy amin’ny andaniny, ary ny orinasa Green Mada Land sy ny manam-pahefàna mpanohana azy amin’ny ankilany, no dingana manarakamaika.

Rehefa tsy namaly ny fanasàn’ ireo mpanolo-tsaina ao amin’ny Conseil Communal ao Nosy Be izay nikasa hametra-panontaniana taminy momba ny Nosy Sakatia ny Préfet sy ny Ben’ny Tanàna taminy 14 Mey, dia nanantena ny mponina fa hahazo vaovao rehefa nasain’ny Receveur des Domaines avy ao Antsiranana ho tonga tao amin’ny Biraon’ny Domaines Nosy Be ny 21 Mey, satria handalo ny Filoham-pirenena sy ny Ministra maro izay tompon’ny fanapaha-kevitra farany hoy izy.Tonga tao ny mponina saingy tsy nisy Filoham-pirenena na Minisitra niseho. Mbola nasain’ny Receveur des Domaines Nosy Be niverina ny solontenan’ny mponina vitsivitsy ny ampitso fa sao misy afaka hiresaka aminy ny manam-pahefana eny anelanelam-potoana.  Tsy mbola nisy tonga ihany ireo nandrasana.

Tsy tokony handositra ny resaka mangarahara ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fanjakàna foibe.

Mitombo mantsy izao ny fanontaniana mipetraka : Inona avy marina no niseho nandritry ny fandalovan’ny mpiandraikitra ambony ao amin’ny Fanjakàna Foibe  maromaro tao Nosy be teo, ankoatr’izay voasoratra ao amin’ny Tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ? Tsy ny mpitondra Fanjakàna malagasy sy ireo mpanolo-tsaina azy avy any Antananarivo ihany mantsy no tonga tao fa nisy sambo lehibe (yachts) roa sy fiaramanidina vahiny iray koa tonga nipetraka tao. Miely be ny resaka fa nisy fanasoniavana fandraharahana momba ny nosy kely any avaratr’i Madagasikara teo amin’ny manam-pahefana malagasy sy ireo vahiny avy any ivelany nandritry ny fihaonana tao.

Miangavy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fanjakàna foibe izahay hanambara amin’ny fomba ofisialy, toy ny fanaony, raha nisy na tsia izany fifanarahana momba ny nosy kely any avaratra izany. Ary raha nisy, lazao azafady iza no nosy voakasika ary inona no votoatin’ilay fifanarahana.

Voalaza tamin’ny fanambaràn’Andriamatoa Ministry ny Fitsinjaram-pahefàna sy ny Fanajariana ny Tany taminy faha-7 Febroary 2025 fa tsy nisy fivarotana na fampanofàna ny Nosy Mitsio. Mbola marina veamin’izao faran’ny volana Mey 2025 izao fa tsy nisy nosy kely ao avaratr’i Madagasikara iray na maro, natao toy ny entam-barotra ny tany ao aminy, ka nanaovana fifampiraharahana tamina mpampiasa vola ? Ny antsoinay hoe « fifampiraharahana » dia fanomezana na fifampizaràna na fifanakalozana na fampanofàna na famarotana tamin’olona na orinasa na firenena. Misy mponina mantsyao amin’ireo nosy ireo izay nandova ny nosiny tamin’ny razambeny, ka nikolokolo azy ho tsara tarehy sy reharehan’ny Malagasy rehetra ary indrindra nanabe voho azy mba hivelomany ny vokatry ny tany ao.

Naredona ny fiantsoana ny mpampiasa vola Emirati tany DubaÏ mandritry ny Madagascar Dubaï Business Forum taminy 27 Mey teo. Miangavy ny mpitondra Fanjakàna foibe koa hampahafantatra izay fifanarahana rehetra nosoniavina na/sy fanapaha-kevitra noraisina tany Dubaï momba ny nosy kely ao avaratr’i Madagasikara ary mikasika ny zone franche internationale touristique. Nifanandrify tamin’ny fahatongavan’ny delegasiona malagasy tany an-toerana hamonjy io forum io mantsy no sambany nahitana rangahy miteny anglisy nidina avy tao amin’ny sambo (yacht) tao Ampasindava ao amin’ny faritra avaratry ny Nosy Mitsio, araky ny tatitry ny mponina. Malagasy no voalaza fa mpiambina niaraka taminy.

Ny fanindrian’ny Filoham-pirenena tao amin’ny kabary nataony nandritry ny Forum fa hanatanteraka fanovàna ao Madagasikara « miaraka » izy sy ny mpampiasa vola Emirati ve azo hadika hoe ny nosy kely ao avaratr’i Madagasikara no hampiharana voalohany ilay fomba fiasa vaovao izay miendrika fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny mpampiasa vola malagasy sy vahiny (co-investissement) nambara tamin’ny volana Aprily teo ?

Ny fanalàna tamin’ny mponina amin’ireo nosy kely ao avaratr’i Madagasikara ireo ny zony hanatanteraka ny fombafomba mahakasika ny fahazoana titra fananantany efa an-taonany maro sy ny fihetsika samihafan’ny manam-pahefana eo an-toerana sy any amin’ny Fanjakàna foibe dia mampiseho fa mitombona tanteraka ny ahiahin’ny mponina. Marobe ny olompirenana amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara sy aty ivelany no manohana ireo fokonolona monina any amin’ireo nosy kely any avaratra ireo. Manontani-tena ny olompirenena any amin’ny faritra rehetra hoe mbola afaka hisitraka mandritry ny fotoana ela ny zon’olombelona eo amin’ny taniny koa ve izy manokana sy ny fianakaviany, manoloana ny politika ampiharin’ny Fanjakàna eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, izay mifanipaka tanteraka amin’ny fampandrosoana ny Malagasy maro an’isa ?

Mba ho fanajàna ny zon’olombelona sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena samihafa momba izany izay nankatoavin’ny Firenena malagasy, ary mba ho fampiharana ny fotokevitra mikasika ny tamberin’andraikitra (redevabilité) eo anatrehan’ny vahoaka izay tokony hajaina sy hasehon’ny mpitondra izay nanankinan’ny vahoaka ny fitantanana ny firenena, dia maika sady tsy azo idovirana ny hampahafantaran’ireo tompon’andraikitrao amin’ny fanjakàna foibe ny olom-pirenenrehetra, amin’ny fomba mangarahara tanteraka, ny fifanarahana rehetra nifanaovana tamin’na orinasa teratany sy/na vahiny, momba ny nosy kely any avaratr’i Madagasikara, dia ny Nosy Sakatia, Nosy Mitsio, Nosy Iranja, Nosy Faly, Nosy Be ary Nosy Hara (*).

Mampahatsiahy izahay fa miandry ny datin’ny latabatra boribory (table ronde) ny mponina ao Sakatia.          
Ary hamafisinay ny fangatahana ny fanafoanana ireo vina sy tetikasa ary fikasàna rehetra mikendry ny fanilihina sy fandroahana ny mponina amin’izao fotoana izao ao amin’ireo nosy kely ao avaratr’i Madagasikara, araky ny efa voasoratra ao amin’ny fanangonan-tsonia izay efa miroso : Sauvons les enfants des îles du nord de Madagascar pour le respect des droits fondamentaux

2 Jona 2025

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY / Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy

patrimoine.malagasy@gmail.comhttps://terresmalgaches.info; Facebook :TANYterresmalgaches ; X :CollectifTany


(*) Tsy misy mponina ao Nosy Hara fa misy Faritra Arovana, araky ny fahafantarana azy. Tanisaina eto ihany satria toa mahaliana ireo tompon’na sambo lehibe (yacht) koa.