Fanazavana sy fanitsiana – Filazam-baovao faha-181 (MLG)

Manoloana ny lahatsoratra an-gazety sy fanambaràna tato ho ato izay mirona amin’ny filazàna fa ny fizaràna kara-tany dia midika ho fizaràna tany ho an’ireo nisitraka izany, dia manao izao fanazavàna sy fanitisiana izao ny fikambanana TANY mba hialàna amin’ny manjavozavo.

Ny kara-tany dia taratasy omena ireo olona mipetraka amin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra (PPNT) mba hanaporofoana ny maha-tompon’ny tany azy, izay efa tany fananany nandritry ny taona maro ary matetika nolovainy tamin’ny razambeny, saingy tsy nananan’ireo tompony titra (bokin-tany) na kadasitra ilay tany.
Manaraka izany, ny lalàna laharana 2022-005 izay manavao ny lalàna mifehy ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra dia tsy mahakasika fizaràna tany, satria ireo tany resahana ao dia efa fananan’ireo olona voakasika. Ilay lalàna kosa dia manamafy ny zo fitompoan’ireo olona amin’ireo tany izay efa fananany sy nipetrahany. Io zo fitompoana io dia namafisin’ny lalàna 2006-031, noravàn’ny lalàna 2021-016 ary naverin’ny lalàna 2022-005 indray.

Ny elanelana lehibe misy eo amin’ny kara-tany sy ny titra fananantany dia ny kara-tany iandraiketan’ny Birao Ifoton’ny Fananantany (BIF) eo anivon’ny kaominina ny fitantanana sy famoahana azy ka mora takarina kokoa ho an’ny tantsaha satria sady kely kokoa ny fandaniana ara-bola takiany no akaiky kokoa ny toerana hikarakaràna azy noho ny titra, izay ny sampan-draharaham-panjakàna momba ny fananan-tany no miandraikitra sy mamoaka azy.

Manantena mafy izahay fa hanomboka tokoa tsy ho ela ny fiaraha-midinika momba ny hanatanterahana marina ny fizaràna tany ho an’ny tantsaha malagasy, araka ny fehin-kevitra nifanarahana nandritry ny Fikaonan-doha Nasionaly momba ny Fananantany tamin’ny volana Jona 2022.

19 jolay 2022
Ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy