Vaovao momba ny NOSY SAKATIA sy dinidinika mahakasika ny R.F.T. (Réserves Foncières Touristiques) – Newsletter n°270 (MLG)

Navoitra tamin’ny fanambaran’ny Collectif TANY farany (1) ny fiandrandran’ny maro an’isa ny hanatanterahan’ny mpitondra fanjakàna vaovao marina ny fanambaran’ Andriamatoa Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany taminy faha-30 oktobra 2025 fa ho averina amin’ny mponina any ifotony ny taniny, indrindra fa ireo any amin’ny nosy kely any avaratr’i Madagasikara izay voatonona manokana (2). Marina fa vao iray volana izay no lasa. Aleo anefa miresaka sy misoroka mialoha izay tsapa fa manahirana. Misy mitanisa ho anisan’ny sakana amin’izany ny RFT (Réserve Foncière Touristique) sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale). Ka ndao halalinina be be kokoa.

Tsy tena araky ny nandrasana ny fanapaha-kevitra mahakasika ny Nosy Sakatia

Re avy tamin’ny fifanakalozana samihafa nisy teo amin’ny mponina ao Nosy Sakatia sy ny mpiandraikitra ao amin’ny rafim-panjakàna fa afaka hividy ny tany amin’ny vidiny mirary tokoa ny mponina ary hahazo titra amin’ny alalan’ny hetsika titra faobe na ODOC – Opération domaniale concertée – saingy tsy ho voakasik’izany ny faritra ao Ampasindava-Sakatia izay Réserve Foncière Touristique (RFT). Io faritra io anefa no tena olana satria

– sady tany masina io toerana io ho an’ny mponina rehetra ao amin’ny nosy

– no misy fianakaviana monina sy manana trano ao izay miompy sy mamboly ary manana antom-pivelomana efa miroborobo,

– ary maro ny mponina mipetraka any amin’ny tanàna hafa ao amin’ny nosy no manana tany fambolena ao Ampasindava nolovainy tamin’ny razambeny satria lonaka sy mahavokatra be ny tany ao.


Sao dia sanatria lahy ho tambatambazana titra faobe amin’ny ambin’ny Nosy Sakatia ny mponina  hampangina azy sy ireo mpanohana azy fa ny RFT izay tena olana tsy hasiana FANAVAOZANA ? Fa tehirizina ho an’iza moa izany ny RFT ao Ampasindava ?

Betsaka ny mpanara-maso ny raharaha no manontani-tena momba ny Green Mada Land.

Mbola matanjaka ao Nosy Be ny mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Green Mada Land avy ao an-toerana, tsy nisy nikitikitika, tsy nisy niteniteny. Tsara ny mampahatsiahy fa voalaza tamin’ny vokatra fandalinana tao amin’ny fahita lavitra KOLO TV taminy faha 21 septambra 2025 (3) fa ny Filoham-pirenena sy Praiministra teo amperin’asa ary ny mpanolo-tsainy oligarika mana-karembe izay manana olana amin’ny fitsaràna ao amin’ny Nosy Morisy amin’izao fotoana izao no anisan’ny mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Green Mada Land. Araraotina ity asa soratra ity hizaràna fa nilaza tany amin’ny gazety io orinasa io fa Malagasy daholo no ao anatiny saingy rehefa vakiana ny rakitra momba ny tetikasa kasainy hatao (4) dia misy orinasa vahiny hiara-hiasa akaiky ao. Fanampin’izany, ny fifanarahana nosoniaviny niaraka tamin’ny Fanjakàna (bail emphytéotique) dia milaza mazava fa hofainy ny tany mandritry ny 50 taona ary avy eo dia ho vidiny. Koa maika dia maika ny fanalàna ny Green Mada Land tao amin’ny taratasy rehetra mahakasika ny RFT ao Ampasindava-Sakatia ho fampiharana ny didim-panjakàna nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakàna (Journal Officiel) volana desambra 2019,

Tsy tokony hampandeferina ny zon’ny mponina amin’ny taniny hamalifaliana ny mpamatsy vola

Nisy nilaza fa ny antony tsy hamerenana ny tany ao Ampasindava amin’ny mponina ao Sakatia dia noho izy RFT nefa ny RFT niaraha-nametraka tamin’ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) izay tena ilain’ny fitondràna vaovao ny fiaraha-miasa aminy. Tsy fantatra ny fahamarinan’ilay antony nomena fa ny nataonay kosa dia nanamarina fisehoan-javatra mifandray amin’izany.

Efa fantatra teo aloha fa ny projet PIC – Pôle Intégré de Croissance – tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, na fitaovany mihitsy, no niara-nametraka tamin’ny mpitondra fanjakàna nifanesy ny Réserves Foncières Touristiques (na RFT) hatrany am-piandohana. Voasoratra matetika io PIC io any amin’ny rakitra samihafa mahakasika ny Nosy Sakatia ary fantatra fa nisy solontenan’ny PIC tao amin’ny fivoriana iray tao Nosy Be niresaka ny raharaha Nosy Sakatia tamin’ny volana Aogositra lasa teo.


Nanaitra sy nandiso fanantenana ny maro ny filazan’ Andriamatoa Ministry ny Fanajariana ny tany tao amin’ny fahita lavitra Real TV taminy faha-18 novambra fa hatao RFT ny « plages » na ny tora-pasika (5).

Fifanandrifian-javatra ve sa tsia ny fisian’io fanambaràna somary tsy dia nisy nandre satria lavitra be tany amin’ny faran’ny vaovao io, dimy andro taorian’ny nihaonan’ny mpiandraikitry ny PIC tamin’Andriamatoa Ministra ?

Marihina mantsy fa « domaine public de l’Etat » tokony ho sitrahan’ny vahoaka tsy ankanavaka fa tsy azo amidy na hatao ho fananan’olona manokana ny morotsiraka anatin’ny 25 metatra miala amin’ny sisin’ny ranomasina rehefa miakatra izy, izay antsoina hoe « bande littorale » nanomboka tamin’ny taona 2008 (6) rehefa nosoloina an’io ny « pas géométriques » 80 metatra izay tao amin’ny lalàna teo aloha. Tsy tena nazava raha ao Sakatia irery na any amin’ny nosy rehetra no hatao RFT ny « plages ».

Dia hametraka zavatra tsy ara-dalàna marobe ve ny mpitondra vaovao ?

Ho sakanana amin’ny RFT ve ny plages maro ka tsy hanana fahafahana mankeny amoron-dranomasina intsony ny mponina, ary mety ho sahirana vao afaka handeha hanjono hitady sakafo sy antom-pivelomana ?

Ankoatr’izay, eny amin’ny plages ve ny mpampiasa vola ho an’ny fizahan-tany no hanorina fotodrafitrasa sa ny sisin-tany rehetra manoloana ny ranomasina koa homena an-dry zareo avokoa ?

Marina fa mila vola ny mpitondra vaovao. Roapolo mahery ny isan’ny RFT tamin’ny taona 2008 (7) ary nisy maro vao nokasain’ny ekipa Andry Rajoelina haorina araky ny resany tamin’ny volana Jona 2025 (8). Aoka kosa mba ho tena anisan’ny FANAVAOZANA ny fiijoroana amin’ny fiarovana ny tanin’ireo mponina any ifotony sy ny tombotsoam-pirenena (5) fa tsy handoalika na handady sanatria toy ny nataon’ny mpitondra malagasy sasany teo aloha manoloana ny mpampiasa vola sy ireo rafitra toy ny banky iraisam-pirenena, izay mbola hiverenatsika eto tsy ho ela ny resaka momba ny fikasàny mahakasika ny tany malagasy izay efa nozarain’ny Collectif TANY tamin’ny rehetra teo aloha (9).

Avereno amin’ny mponina marina ny tany ao amin’ny RFT ao Nosy be sy ny manodidina

Raha ny RFT fantatra ao Nosy Be sy ny manodidina no dinihina, – Ampasindava-Sakatia, Amporaha, Ampasindava-Befotaka ary Antsatrabevoa – dia toa natokana ho an’ny mpanam-bola vahiny na orinasa malagasy tena manakarembe ny RFT no tanjon’ireo namolavola azy sy mpandray fanapaha-kevitra. Mitaraina mafy momba ny ratsy aterak’izany amin’ny fiainany sy ny zony ny mponina amin’ireo toerana ireo nefa samy afaka sy vonona hikarakara fampandrosoana lovainjafy am-pahalalahana sy mahaleo-tena arak’izay heveriny fa mety ho azy sy ny taranany fara-mandimby ary mitondra tombotsoa ho an’ny firenena manontolo. Misy ny efa niroso lavitra tamin’izany nefa rahonana fandroahana, misy ny efa nanomboka saingy niantona noho ny ahiahy mavesatra naharitra aman-taonany mahakasika ny zon’ny fokonolona ao an-toerana amin’ny fisitrahana ny tany.

Koa miray hina amin’ireo mponina izahay amin’ny

– fangatahana ny fanafoanana ny fifanarahana efa nataon’ny mpitondra teo aloha tamin’ireo orinasa samihafa eo amin’ireo RFT,

– sy fitakiana ny fandinihina lalina momba ny RFT tsirairay sy amin’ny ankapobeny ho anisan’ny lohahevitra maika hiarahan’ny tompon’andraikitra, miaraka amin’ny mponina voakasik’izany, mandritr’izao teteza-mita FANAVAOZANA izao. Diso ny laharam-pahamehana miainga amin’ny fiheverana ny mponina malagasy any ifotony ho tsy mendrika hanorina sy hitantana tetikasa fizahan-tany.

Vaovao fohy momba ny Nosy Mitsio

Ho tohizana tsy ho ela ity dinidinika ity amin’ny fizaràna ny vaovao mahakasika ireo nosy kely hafa. Ny azo zaraina androany diananao fanambaràna ny solontenan’ny mponina avy any Nosy Mitsiofa tafahaona tamin’ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny mpiara-miasa aminy ka nahaheno fa nisy fifanarahana fampanofàna tany ao Nosy Mitsio voasonia tamin’ny taona 2023 mbola tokony ho foanana vao afaka hahazo titra faobe ny mponina. Manantena izahay fa tsy haharitra ela dia hangarahara ny resaka rehetra, ho foanan’ny mpitondra fanjakàna vaovao izany « bail » miafina izany ary hahazo hisitraka ny nosiny manontolo sy afaka hanao titra amin’ny faritra rehetra ny mponina ao Nosy Mitsio.

6 desambra 2025

Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

patrimoine.malagasy@gmail.com ; https://terresmalgaches.info ; Facebook : TANYterresmalgaches ;

X ex-Twitter : @CollectifTany ; Instagram : collectif tany ; BlueSky : @collectiftany

Rakitra nanovozan-kevitra :

(1) https://terresmalgaches.info/collectif-tany-fiarovana-tany-malagasy-tetezamita-fanavaozana/

(2) https://www.farmlandgrab.org/post/33120-madagascar-les-terres-spoliees-seront-restituees

(3) https://www.youtube.com/watch?v=QtiLD0LWP3E

(4) Nosy Sakatia, L’île aux orchidées – Projet d’écotourisme « bleu et vert »

(5) REAL NEWS / Ny # VAOVAO MARINA MIVANTANA 18 NOVAMBRA 2025 (https://youtu.be/QtiLD0LWP3E)

(6) lalàna 2008-013 mifehy ny tanim-panjakàna tsy azo amidy

(7) https://www.jacaranda.fr/en/tourisme-3-000-hectares-de-reserves

(8) https://2424.mg/hotellerie-des-reserves-foncieres-touristiques-securisees-pour-accueillir-des-ecolodges-de-luxe-et-des-hotels-club-haut-de-gamme-selon-andry-rajoelina/

(9) https://terresmalgaches.info/les-institutions-financieres-internationales-visent-elles-la-diminution-de-la-pauvrete-des-malagasy-ou-le-contraire-newsletter-n178/