Araky ny efa fantatry ny maro, dia Green Mada Land no anaran’ny orinasa manana tetikasa fizahan-tany lazaina hoe « kintana dimy » ao Nosy Sakatia izay mahatonga ny mponina ao ho asaina miala amin’ny tanindrazany.
Nifanandrify tamin’ny fandalovan’ny solontenan’ny mponin’ny Nosy Sakatia tao Antananarivo ny fotoana nivoahan’ny fandaharana ALALINO tao amin’ny fahita-lavitra KOLO TV taminy alahady 21 septambra teo.
Nampahalala zavatra betsaka io fandalinana io :
– Iza ireo tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND izay niafina fatratra hatramin’izay : voatanisa tao sy naseho sary ireo olona avo toerana eto amin’ny firenena malagasy, dia ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra amin’izao fotoana izao ary ny mpandraharaha malaza iray naman’izy ireo akaiky.
– Voatanisa tao koa inona avy ny tsy ara-dalàna niseho ka nahatonga ny Ministry ny Fanajariana ny Tany teo aloha nanafoana ny fifanarahana fampanofàna ny tany 17 hekitara mahery (« réserve foncière touristique ») tao Ampasindava-Sakatia tamin’ny taona 2019.
– Nahagaga sy nahatalanjona ny nahafantatra fa ireo olona voatonona ireo no tsy manaja sy tsy mampihatra ny fanafoanana tamin’ny taona 2019 ny fifanarahana teo amin’ny Fanjakàna sy ny orinasa momba ny fampanofàna maharitra ny tany ao Ampasindava-Sakatia na dia efa nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakàna (Journal Officie)l aza izany fanapaha-kevitra izany.
– Nampiseho rakitra an-tsoratra samihafa ilay fandaharana nanaporofoina fa fantatr’ireo tompon’andraikitra tsara ilay fanafoanana na dia nisy nilaza tsy nahafantatra izany aza ny sasany tato ato. (1)
Tsy mahagaga kosa raha sahala amin’ny mikipi-maso mandeha an-jambany ary manao fihetsika mihoa-pefy tsy manara-dalàna nohon’ny fanohanana ilay orinasa Green Mada Land ny manam-pahefana isa-tokony toy ny any Nosy Be satria ny sasany mety ho mpiara-miombon’antoka ao koa, ny sasany mety matahotra ho very toerana.
Ny tsy niova sady efa fantatra dia ny tsy fanomezan’ny manam-pahefana haja sy hasiny ny mponina ao Sakatia.
Nandefa taratasy nangataka fihaonana tamin’ny Minisitra roa izy ireo talohan’ny niaingàna.
Noraisin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fizahantany izy ireo sy ny solontenan’ny firaisamonimpirenana ny alarobia 17 septambra ka nilazany fa tsy maintsy hiroso amin’ny tetikasany ao Nosy Sakatia ny orinasa Green Mada Land.
Ny tao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany kosa nilaza ny alatsinainy 22 septambra maraina, talohan’ny hanaovan’ny mponina valandresaka tamin’ny mpanao gazety (conférence de presse), fa ho raisina ry zareo ao aoriana. Tamin’ny andro niaingan’ny solontenan’ny mponina anefa vao nampitondra hafatra ny Ministera hoe tongava izao saingy tsy afaka intsony satria efa nitodi-doha nody ireo solontenan’ny mponina.
Ho tohizantsika tsy hoe ela ny dinika mahakasika ity dian’ny solontenan’ny Nosy Sakatia tany an-drenivohitra ity.
25 septambra 2025
Ny Collectif TANY
patrimoine.malagasy@gmail.com ; https://terresmalgaches.info ; Facebook : TANYterresmalgaches ;
X ex-Twitter : @CollectifTany ; Instagram : collectif tany ; BlueSky : @collectiftany
Rakitra nisintonana hevitra : (1) https://www.facebook.com/vaovao.kolotv/videos/1457107905574164/?mibextid=wzMAWvT7TnWcRcov