Amin’izao fotoana izao, izay anandratan’ny governemanta ny fanavaozana sy ny fampivoarana, dia ilaina ny midina eny ifotony mba hijerena ny zava-misy marina sy hanafoanana ireo fomba fanao ratsy izay tena mahatonga ny mponina hijaly.
Anisan’ny anton’ny fijalian’ny mponina ao amin’ny faritr’i Bas Mangoky, distrikan’i Morombe, faritra Atsimo-Andrefana, ny fitsinjarana tsy ara-dalàna ny tany ataon’ny Komitin’ny Fitsinjarana Tany (CAT) ao anatin’ny tetikasa fanajariana ny tany fambolena PII. Ity tetikasa ity dia manova ny tanimboly nambolena katsaka, mangahazo, kabaro, lojy ary voly hafa ho lasa tanim-bary mirefy 5.000 hektara.
Amin’izao fotoana izao, maro ireo tantsaha no mbola tsy afaka miditra amin’ny taniny, raha ny hafa kosa nahita ny taniny nomena olon-kafa. Ireo izay mandà sy tsy manaiky izany toe-javatra izany dia ampitahorana ho voasambotra sy higadra.
Anisan’ireo toe-draharaha ireo, dia marihina manokana ireto tranga manaraka ireto:
Tamin’ny 6 Febroary 2026, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, nisy polisy efatra nankao an-tranon’i Ramatoa Adolphe Razafindregaky Solange, 44 taona, monina ao amin’ny Fokontany Tanivao, kaominina ambanivohitr’i Ambahikily, mba hisambotra azy.
Ankoatra an’i Ramatoa Solange, dia voasambotra koa ireto olona manaraka ireto:
Andriamatoa Gervais Désiré, 49 taona
Andriamatoa Hery, 52 taona
Andriamatoa Mahanatsy, 28 taona
Andriamatoa Kamagnaritse Jeanty, 32 taona
Samy monina ao amin’ny Fokontany Ampagnarivo, Kaomina Tanandava Station.
Antony nisamborana azy ireo:
Voampanga ho naniraka olona hamono an’Atoa Mbola Romain, izay fantatra amin’ny anarana hoe “Pelakelena” (miaramila), i Ramatoa Solange, noho ny olana fifandirana eo amin’ny tany.
Voampanga ho namana mpiara-dia aminy amin’izany kosa Atoa Gervais Désiré.
Voampanga ho ireo nokasaina hanatanteraka ity teti-pamonoana olona ity ry Andriamatoa Mahanatsy, Kamagnaritse ary Hery.
Mpitory :
An’i Ramatoa Solange sy Atoa Hery, Kamagnaritse ary Mahanatsy: Andriamatoa Mbola Romain, fantatra amin’ny anarana hoe Pelakelena.
An’i Andriamatoa Gervais Désiré: Andriamatoa Mbola Romain sy Andriamatoa Zafisoa, mpanampy an’Andriamatoa Mbola Romain eny amin’ny saha.
Fanambaran’ireo olona voatazona:
Tamin’ny 7 Febroary 2026, nisy fanadihadiana natao. Nandà ny fiampangana avokoa ireo rehetra voatazona ary nilaza fa noforonina ny fiampangana. Milaza izy ireo fa tsy misy fifandirana amin’ilay mpitory, fa ilay mpitory kosa no mandrahona azy ireo, ka milaza fa hampiditra azy ireo am-ponja izy raha mandà ny hiala amin’ny taniny izy ireo.
Fisamborana vaovao:
Ny Alahady 8 Febroary 2026, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, dia nosamborin’ny polisy Andriamatoa Alifred, 75 taona, monina ao Ankotoboka, kaominina ambanivohitr’i Ambahikily.
Voampangan’ny olona iray hafa ho nandrahona hamono olona izay nomena tany iray avy amin’ny CAT izy. Mandà tanteraka ireo fiampangana ireo Andriamatoa Alifred.
Ny Talata 10 Febroary 2026, nentina teo anatrehan’ny Biraon’ny Fampanoavana ireo voasambotra. Nanapa-kevitra ny Fitsarana ambaratonga voalohany fa hotazonina am-ponja vonjimaika Ramatoa Solange sy Andriamatoa Gervais Désiré, raha navotsotra vonjimaika kosa ireo olon-kafa.
Vokatr’izany, nametraka fangatahana famotsorana tanteraka ho an-dRamatoa Solange sy Andriamatoa Gervais Désiré ny mpisolovava ny ny Alarobia 11 Febroary 2026, saingy mbola tsy nisy valiny azo hatreto.
Ny zava-misy dia tsy mifanaraka amin’ny zava-nitranga ireo fiampangana ireo tena tompon-tany ireo momba ny fandrahonana hamono sy ny drafitra hamonoana. Tsy manaiky fotsiny ireo olona ireo ny hamela ny taniny ho alaina an-kafetsena na ho alaina ankeriny
Noho izany dia manao antso maika izahay, satria manana zo izahay amin’ny maha-tantsaha anay ary tsy tokony hohadinoina na ho hitsakitsahana izany zo izany.
Ireto avy ny zon’ny tantsaha araka ny fenitra iraisam-pirenena sy ny lalàna Malagasy momba ny tany sy ny zon’olombelona:
Zo hitazona ny taniny
Manana zo hanana ara-dalàna sy hampiasa ny taniny ny tantsaha. Tsy azo alaina na zaraina ny tanin’izy ireo raha tsy misy antony ara-dalàna.
Zon’ny fitsarana ara-drariny
Raha misy fifandirana na fitoriana momba ny tany amin’ny mpampanofa na antokon’olona fahatelo, dia manan-jo hitady fitsarana ara-drariny ny tantsaha ary hisoroka ny fisamborana na fitazonana tsy ara-dalàna.
Zo handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra momba ny tany
Tsy maintsy ampidirina handray anjkara amin’ny fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny fitsinjarana, ny fifampizarazarana na ny fanajariana ny tany ao anatin’ny fiarahamonina misy azy ireo ny tantsaha.
Zo hiarovana ny fambolena sy ny fomba fiaina
Tsy tokony hisy tetikasa fanovàna tànana na fizaràna tany hanimba ny asa fambolena ataon’ny tantsaha na ny fivelomany.
Zo hahazo vaovao
Manana zo hahazo vaovao mazava ny tantsaha momba ny fanovàna tànana, ny tetikasa fanajariana ny tany ary ny zon’ireo ankolafiny hafa ao amin’ny faritra.
Ambahikily 11 Febroary 2026
Fikambanana Volirano Tsy miambany Firaisankina
Firaisankina ny Fiherenana, Manombo, Mangoky