Omaly alatsinainy 28 aprily hariva, dia niantso mponina iray ao Sakatia indray ny Tompon’andraikitra roa ao Nosy Be hoe ho avy hanao ilay fandrefesan-tany (levé topographique).
Namaly ilay mponina fa fifampidinihana (table ronde) no nifanarahana fa hatao alohan’ny hanaovana levé topographique na tsia. Ary nangataka izy ny mba hisian’ny fampandrenesana sy fiantsoana ara-dalàna rehefa misy resaka hatao : ohatra mampandre ny Filohan’ny Fokontany andro maromaro mialoha an-tsoratra, mba hampandrenesany ny mponina.
Koa mampahafantatra ny vaovao sy ny fivoatry ny raharaha amin’ny vahoaka malagasy manontolo izahay Rodoben’ny Fiarahamonim-pirenena eto amin’ny faritra DIANA mba hanohy ny fanohanantsika rehetra ny mponina ao Nosy Sakatia sy hangataka amin’ny orinasa Green Mada Land sy ireo mpitondra fanjakàna manohana azy mba hampitsahatra ny fandrahonana sy fampihorohoroana ary hiroso amin’ny fifampiresahana hahitam-bahaolona maharitra ho an’ ireo vahoaka eny ifotony.
29 Aprily 2025
Rodoben’ny Fiarahamonim-pirenena eto amin’ny faritra DIANA