QMM Rio Tinto : antso amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mba hampandoavana ny onitra ho an’ireo fianakaviana 27 ao Andranokana – Newsletter n°294 (MLG)

Miangavy ny Filohan’ny Fanavaozana Repoblika Malagasy handray andraikitra izahay mba hiarovana ireo fianakaviana 27 ao Andranokana sy handresy lahatra ny orinasa QMM Rio Tinto hanatanteraka ny didim-pitsarana momba ny fanonerana azy ireo. Araka ny didim-pitsarana nivoaka ny 18 Febroary 2026, izay nohamafisin’ny rafi-pitsarana ambony kokoa ny 4 Aogositra, dia tokony handoa onitra mitentina 9,9 lavitrisa ariary ho an’ireo fianakaviana niharan’ny tsy fahafahana namboly hanin-kohanina ny orinasa.