Famintinana
Mba hamaliana io fanontaniana io amin’izao faran’ny taona izao, dia manomboka amin’ny fitanisàna ireo tranga samihafa tamin’ny volana desambra notsongaina mampiseho fa toa ny taloha no miverina nefa fanavaozana no voizina sy nifanarahana ny lahatsoratra. Mbola mafana sy mampiahiahy ny raharaha ao Nosy Mitsio ka naverina nozaraina ny tranga sy olana tao tato anatin’ny 5 taona mahery nisian’ny fiahiahian’ny mponina, momba ny zony eo amin’ny taniny, manoloana ireo tetikasa fizahan-tany. Tolo-kevitra mikasika ny hanavaozana ny fizahan-tany amina vina sy fomba amam-panao hitondra tombotsoa bebe kokoa ho an’ny firenena sy ho an’ny Malagasy any ifotony, amin’ny alalan’ny fanomezana toerana ny « tourisme communautaire », no hamaranana.
Maro ny zava-niseho nampiahiahy teo amin’ny fiainam-pirenena mandritry ny volana Desambra 2025
Niverina niantsona tao Nosy Be indray ny sambo be toy ireo « yachts » avy any Emirats Arabes Unis mpamangy sy mpipetrapetraka tao Nosy Be tamin’ny andron’ny Filoha Rajoelina. Maro ny nametra-panontaniana saingy tsy nahazo valiny hoe : Fifanandrifian-javatra ve sa nisy antony manokana ny nisehoan’izany tamin’ny fotoana nandalovan’ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany tao Nosy Be sy ny manodidina taminy 8 desambra 2025 ?
Andro vitsy taorian’io dia re fa nandeha tany Dubaï ny Filoha vaovao Kolonely Michael Randrianirina.
Ny fiverenan’ny fikatonan’ny fahalalahana eto Madagasikara no tena nampanahy ny maro taorian’ny nilazana fa firesahana tamin’ny Israelianina momba ny « Sécurité » no nataony tany, satria iaraha-mahalala ny fampiharan’ny Israelianina izany any amin’ny firenena samihafa. Tsy latsa-danja koa ny ahiahy momba ny tany sy ny fambolena izay efa noresahana teo aloha (1).
Ketraka kosa ny rehetra nandre ny loza iray fantatra taoriana kelin’io fandehanana tany ivelany io, dia ny fifanarahana nisy teo amin’ny mpiandraikitra ny Repoblikan’ny Fanavaozana sy ny Amerikanina momba ny Base Toliara. Tsy manova na manala ny loza rehetra efa fantatra fa haterak’io tetikasa fitrandrahana fasimainty hataon’ny orinasa Energy Fuels io ny fanovàna ny anarany ho Vara Mada : fahaverezan’ny tanin’ny mponina any ifotony voakasika, tsy fahampian’ny rano, fitomboan’ny tahan’ny radioactivité izay hanimba ny tontolo iainana sy ny zava-boahary ary ny fahasalaman’ny mponina (2). Manohitra ny mponina.
Resaka Angovo no voalaza fa natao tany Dubai niaraka tamin’ny Emirati, saingy tsy adinon’ny fikambanana sy olom-pirenena mailo mahakasika ny tany malagasy fa misy fanatanterahana Zone Franche Internationale Touristique nifanarahan’ny Fitondràna teo aloha hatao miaraka amin’ny Emirats Arabes Unis nivoaka tamin’ny Filan-kevitry ny Ministra taminy faha-19 marsa 2025. Asa inona no tohin’ity tetikasa azo antoka fa hampihena ny fiandrianam-pirenena sy ny hetra miditra amin’ny kitapom-bolam-pirenena efa marefo ity ?
Toa ny tranga sy resaka efa nampanahy sy notsipahana tamin’ny andron’ny fitondràna teo aloha ireto niverina sy namafisina tato anatin’ny fotoana fohy ireto ka maha-tongatonga saina.
Tsy nandrenesana vaovao hatreto raha niresaka momba ny Nosy Sakatia ry zareo manam-pahefana malagasy sy ny mpampiasa vola amerikana. Efa nisy tonga tany Nosy Be mantsy tamin’ny volana novambra nanadihady lalina ka nampita moramora fa mety hisy orinasa amerikana liana amin’ny réserve foncière touristique (RFT) ao Nosy Sakatia. Nanambara taminy tamim-panajàna ireo niresaka taminy fa tsy mitady mpampiasa vola.
Ary satria mbola mijanona ho anisan’ny olana mavaivay ny fiarovana ny tanin’ny mponina ao amin’ireo nosy kely ao Avaratr’i Madagasikara amin’izao faran’ny taona 2025 izao, dia hotohizana kely ny dinika momba azy.
Tena mbola sahiran-tsaina momba ny taniny sy ny hoaviny ny mponina ao Nosy Mitsio
Toerana iray tsiriritin’ny mpampiasa vola efa an-taonany maro ny Nosy Mitsio ka mandry an-driran’antsy ny mponina.
Tsiahivina mantsy fa rehefa avy nihaona tamin’Andriamatoa Ministry ny Fanajariana ny Tany tany Antananarivo ny solontenan’ny mponina ao Nosy Mitsio tamin’ny 26 novambra 2025 dia tolagaga rehefa nilazan’ny tompon’andraikitra iray tao fa nisy fifanarahana fampanofàna tany nosoniavin’ny mpitondra fanjakàna tamin’ny taona 2023. Ka tsy hahazo titra ny mponina, hoy izy, raha tsy foana io « bail » fampanofàna tany io. Tsy voalaza ny andinidininy momba ilay « bail » fa mbola miafina ihany. Manam-pahefàna hafa no nanambara taoriana kely fa 104 hekitara ao amin’ny faritra avaratry ny nosy no misy tany iray nampanofaina. Rehefa fantatra fa 2.000 hekitara ny fidadasiky ny Nosy Mitsio dia mampieritreritra sao misy zava-miafina hafa mikasika ny Nosy Mitsio fa tsy tena maharesy lahatra ilay hoe satria misy 104 hekitara nampanofaina any amin’ny ilany avaratra dia tsy misy azo omena titra ny mponina any amin’ny toerana hafa raha tsy foana ilay « bail ».
Koa miangavy ny manam-pahefàna hanambara amin’ny fomba mangarahara tanteraka ny zava-misy amin’ny mponina ao an-toerana sy amin’ny Malagasy rehetra mba hampitsahatra ny ahiahy sy fitaintainan’ny mponina efa naharitra an-taonany maro be loatra.
Raha hiverenana hifampizaràna mantsy ny tantaran’ny olana ao Nosy Mitsio dia : – Efa tamin’ny taona 2019 no nampiatoan’ny mpitondra fanjakàna ny fahafahan ’ny mponina manao titra ; – Nanazava ny Ministra nisahana ny Fananantany amperin’asa tamin’izay fotoana, tao amin’ny taratasy nalefany ny 20 desambra 2020, fa misy fanadiovan-draharaha tsy maintsy hatao tao Nosy Mitsio (3) ; – Orinasa-na vahiny iray efa nipetraka ela tao Madagasikara no efa fantatra fa nanofa tany tao avaratry ny Nosy Mitsio talohan’ny 2019 ka voalaza fa nisy tsy nanara-dalàna. – Tamin’ny taona 2020, dia nisy orinasa soisa – MGB Development – efa nanana tetikasa saika hatao tao Nosy Mitsio tonga namitapitaka ny mponina fa tsy nahatanteraka ny fikasàny (4) ;
– Tamin’ny volana Jona 2022, nanambara ny Filoha Rajoelina fa anisan’ny toerana hananganana Hotely kintana 5 ny Nosy Mitsio ;– Desambra 2024, nanoratra ny mpilaza vaovao tany ivelany fa nisy mpampiasa vola Emirati tonga ao Nosy Be ka hiara-hanasonia fifanarahana amin’i Andry Rajoelina momba ny Nosy Mitsio alohan’ny iaingàny tao (5) ; – Nanontanian’ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena maromaro an-tsoratra ny filoha Rajoelina sy ilay mpampiasa vola hoe inona ilay fifanarahana ho soniavina (6) saingy tsy namaly izy ireo; – rehefa nihamaro ny tsaho fa efa vita ny fifanarahana teo amin’ny mpitondra malagasy sy ny Emirati momba ny Nosy Mitsio dia nosamborin’ny zandaryny mpiandraikitra iray ny fikambanana amin’ny firaisamonim-pirenena ao Ambilobe sy mponina 5 tany Nosy Mitsio nanomboka ny 8 febroary 2025 fa nampangaina ho nampiely vaovao tsy marina ; – afaka noho ny fisalasalàna izy 6 mirahalahy nony nandalo fitsaràna ny faha-6 marsa rehefa avy notanana tao amin’ny zandarimaria sahabo herinandro ; – ny 19 mars 2025, dia namoaka ny Filan-kevitry ny Ministra fa hiroso amin’ny fanatanterahana Zone Franche Internationale Touristique iarahana amin’ny Emirats Arabes Unis ny governemanta malagasy (3).
Mibaribary fa miteraka olana amin’ny zon’ny mponina eo amin’ny taniny amin’ny toerana maro ny tetikasa Fizahan-tany tato anatin’ny taona maro, toy izay niseho tany Nosy Sakatia sy Nosy Mitsio ka tokony hanatsoahana lesona amin’izao fotoanan’ny Fanavaozana izao.
Tolo-kevitra hahazoan’ny Malagasy tombotsoa betsaka kokoa amin’ny fizahan-tany
Nahagaga sady nanampoka ny fisian’ny « Assises nationales » – fihaonana nasionaly – nialoavana fihaonana anivon’ny faritra momba ny fizahan-tany taminy 18 sy 19 desambra teo (7). Na ry zareo tompon’andraikitra sasany aza toa tsy nanampo an’izany satria nisy fanasàna hita niantso ny olona hamonjy fivoriana anivon’ny faritra (rejionaly) iray andro mialoha (8). Ka mampanontany tena hoe nisy laminasa maika tsy afaka miandry ny sehatra rehetra izay hanomboka fakan-kevitra afaka 3 volana anga tonga avy tany Dubaï na avy any an-kafa ?
Manantena izahay fa mbola hisy fakan-kevitra momba ny Fizahantany ao aoriana nefa tsara ny hizaràna dien’izao ny tolokevitra heverina fa hampivoatra kokoa ny mponina sy ny firenena : Tokony homena fahafahana tanteraka hisehatra amin’ny fizahan-tany amin’ny fomba mahaleo-tena ny Malagasy sy ny mponina any ifotony fa tsy ny vahiny sy ny Malagasy mpanam-bola be ihany toy izay tsapa sy hita fa nataon’ny projet PIC -n’ny Banky Iraisam-pirenena izay nanangana ny Réserves Foncières Touristiques tao Nosy Be sy ny manodidina.
Izao fotoanan’ny FANAVAOZANA izao no tokony hametrahana ny fanontaniana hoe « Hitondra tombotsoa ho an’iza ny Fizahan-tany eto Madagasikara ? » sy hijerena amin’izay ary hampiharana ny fomba hitondràn’ny sehatry ny Fizahan-tany tombotsoa ho an’ny mponina sy ny firenena malagasy.
Rehefa jerena mantsy ny « chaîne de valeurs » amin’ny Fizahan-tany dia ny fitaterana (transport) sy ny fampiantranoana (hébergement) ary ny fijerena ireo toerana samihafa sy ny fividianana fahatsiarovana. Ny sara-piaraha-manidina mankaty Madagasikara no mandany vola indrindra. Hatramin’ny naharava an’i Air Madagascar, dia an’ny firenen-kafa daholo ny zotra fiara-manidina. Noho izany dia ireo no mahazo tombotsoa indrindra amin’ny fisian’ny mpizaha-tany avy any ivelany. Mikasika ny fampiantranoana (hébergement) dia tsy tokony ho hotely kintana 5 irery intsony no haorina (9) fa tokony ho afaka hikarakara fampiantranoana ny fianakaviana tsirairay na ny fianakaviana mivondrona any ifotony, sady maro ny mpizaha-tany vahiny mankasitraka izany. Maro koa ny Malagasy na eto an-toerana na mipetraka any ivelany izay mpizaha-tany any amin’ny firenen-kafa ka efa mandinika lalina sy manan-kevitra momba ny hampivorana ny « tourisme communautaire » eto Madagasikara any amin’ny toerana maro toa an’i Nosy Sakatia sy Nosy Mitsio.
Azo antoka fa hiteraka adi-hevitra eo amin’ireo zatra mpahazo tombotsoa sy ny mpanohana azy izany kanefa aleo hirosoana fa fampandrosoana ny Malagasy rehetra sy ny firenena no tanjona ka tokony hasiana fanovàna ilay vina sy fomba amam-panao manome tombotsoa mihoam-pampana ireo avy eto an-toerana sy avy any ivelany efa manambe ary manambana fandroahana ny vahoaka malagasy any ifotony avy eo amin’ny taniny.
Manantena fa hotohizana amin’ny taona 2026 miaraka amin’ireo efa misehatra eo amin’ny « tourisme communautaire » eto Madagasikara sy any ivelany ny antsimpiriany momba izany.
23 desambra 2025
Fikambanana TANY miaro ny Tany Malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malagasy@gmail.com ; https://terresmalgaches.info ; Facebook : TANYterresmalgaches ;
X ex-Twitter : @CollectifTany ; Instagram : collectif tany ; BlueSky : @collectiftany
Rakitra nakan-kevitra
(2) https://www.lexpress.mg/2025/12/projet-minier-base-toliara-bascule-en.html
(7) https://new.moov.mg/actualite/110273-assises-nationales-madagascar-repense-son-tourisme#body2
(8) https://www.facebook.com/share/16m2uWFnLu/
(9) https://www.lexpress.mg/2025/12/developpement-un-accent-sur-le-tourisme.html