Nalaza eran-tany fa nanomboka taminy faha-25-n’ny volana Septambra dia nanapa-kevitra haneho ny tsy fahazakàny intsony ny tsy rariny sy ny fiafiana mihoatry ny loha ny tanora malagasy ka nidina an-dalambe mba hampitsaharana ny fahatapahan’ny herinaratra sy rano mandritry ny fotoana lava dia lava isan’andro efa hatramin’ny volana maro.
Eto Madagasikara mantsy, afaka mividy sy manana izay rehetra tiany ireo vitsy an’isa manan-katao, indrindra ireo olona manam-pahefana, ao anatin’ny rafitra efa lomorina noho ny kolikoly. Fa ny vahoaka kosa, voatery miaina anatin’ny fijaliana sy fahantrana toy ny sanatria voahozona, vokatry ny fitantanana tsy mahomby sy ny tsy fanajàn’ny mpitondra sy manam-pahefàna ny zon’olombelona fototry ny vahoaka malagasy maro an’isa.
Koa rariny sy hitsiny raha nijoro nitaky am-pilaminana ny hamerenana ny rano sy ny herinaratra amin’ny fomba tomombana ny mponina.
Saingy, toy ny mahazatra, tsy navelan’ny mpitondra hilaza hevitra ankahalalahana. Ka io fanakanana io no heverina fa vao mainka nampisongadina ny fitakiana ny fahalalahana demokratika eto amin’ny firenena nandritry ny hetsika.
Kinga sy mailaka ny herim-pamoretana nampiasa fomba mahery vaika loatra sy mamerimberina fa mampihatra ny lalàna ry zareo matoa manakana sy mitifitra ny mpilahatra nandritry ity hetsika ity.
Ka maninona no tsy samborina ireo nandroba nandritra sy taorian’ny hetsika ?
TSY NY JIRO SY RANO FOTSINY IHANY NO LAFIM-PIAINANA HISEHOANA OLANA SY MAMPIKAIKAIKA NY OLOM-PIRENENA MALAGASY TATO HO ATO SY EFA AN-TAONANY MARO. OHATRA IRAY MAHAKASIKA NY TANY SY NY FANANAN-TANY NO HO SINGANINA ETO.
Tokony ho sakanana sy saziana koa izany ireo mpiandraikim-panjakàna ambony sy mpandraharaha malaza mpiara-miombon’antoka ao amin’ny orinasa Green Mada Land izay tsy manaja ny fanafoanana ny fifanarahana hanofa ny tany ao Sakatia nosoniaviny niaraka tamin’ny Fanjakàna malagasy tamin’ny taona 2016. Efa nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakàna (Journal Officiel) izany ny volana Desambra 2019 nefa mbola manohy mihizingizina izy ireo hatramin’izao fa hanohy ny tetikasany ao Sakatia, na nandritry ny fihaonan’ny solontenan’ny mponina tao Antananarivo tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fizahantany ny alarobia 17 septambra, na tamin’ny hafatra am-bava nampitondrain’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany ny alarobia 24. Efa maro anefa ny porofo navoaka tamin’ny fandaharana ALALINO tamin’ny alahady 21 septambra tao amin’ny fahita lavitra KOLO TV momba ny tsy fanajàn’ity orinasa ity ny lalàna malagasy. Naseho tao amin’io fandaharana io koa ny tarehin’ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’io orinasa tsy manaja lalàna io dia ny Filoham-pirenena, ny Praiministra ary ilay mpandraharaha matanjaka sady malaza naman’izy ireo. (1)
Nolazain’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fizahan-tany koa fa tokony ho nosamborina ny Raiamandreny ara-drazana ao Nosy Sakatia, izay anisan’ny solontenan’ny mponina tonga nihaona taminy, satria hono nanohitra ilay tetikasa. Porofo iray fanampiny mampiseho ny tsy fisian’ny fahalalahana hilaza hevitra, izay tena tsy azo ekena izany.
Tokony ho foanana manomboka izao ny tsy firaharahian’ny mpitondra Fanjakàna ny hevitry ny mponina sy ny fiheverana fa ambonin’ny lalàna sy tsy maty manota ny manam-pahefàna sy NY mpanan-karembe eto amin’ny firenena.
- Misaotra sady midera ary mankalaza ireo mponina sahy nijoro tany amin’ny tanan-dehibe, izay tanora ny ankamaroany, nanohy ny filazan-kevitra na nosakanana aza, izahay fikambanana TANY miaro ny tany malagasy avy aty ivelany, na Collectif TANY.
- Manameloka ireo nanome baiko sy nanatanteraka ny fanakànana ary nampiasa herisetra sy famonoana nasetry izany nanomboka tamin’ny baomba nampilatsa-dranomaso ka niafara tamin’ny bala isa-tsokajiny izay namono olona maro tany amin’ny tanàna samihafa.
- Manameloka koa ireo nandrava sy nanapotika ary nandroba, izay tsy ireo tanora nitaky ny zo fototra ho an’ny vahoaka malagasy no nanao izany, fa andian’olona hafa, raha ny voalazan’ny maro.
- Miondrika am-panajàna manoloana ireo namoy ny ainy teo ampitakiana ny fampiharana ny zo fototra ho an’ny Malagasy maro an’isa, sady mankahery ny fianakavian’izy ireo izahay.
Hitondra ny FANOVANA tsara indrindra antenain’ny vahoaka maro an’isa anie ny hetsika ho an’ny rariny sy ny hitsiny ary fiainana mendrika amin’ny hoavy, izay miroso ankehitriny.
01 oktobra 2025
Ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malagasy@gmail.com ; https://terresmalgaches.info ; Facebook : TANYterresmalgaches ;
X ex-Twitter : @CollectifTany ; Instagram : collectif tany ; BlueSky : @collectiftany
Rakitra nakàna hevitra