NOSY SAKATIA – TATITRY NY Fivoriamben’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana ANJAVA-SAKATIA – Newsletter n°258 (MLG)

Nivory tao Ampasindava-Sakatia ny mpikambana ao amin’ny fikambanana ANJAVA-SAKATIA ny Zoma 29 Aogositra 2025.

 Ny fandaharam-potoana dia nahakasika ireto teboka manaraka ireto

  1. Fifidianana Birao vaovao
  2. Fitondràna tatitra momba ny fivoriana tao amin’ny ACCES Bank taminy 8 aogositra 2025
  3. Fanomanana ny fanatanterahana ny fomba nentim-paharazana Joron-tany izay hatao ny faha-3 septambra 2025
  4. Fifanakalozana mahakasika tranga iray tsy mahazatra niseho tao Ampasindava-Sakatia ny alahady 24 aogositra 2025.

1. Fifidianana Birao

Rehefa natao ny fifidianana dia lanin’ny maro an’isa ho Filohan’ny Fikambanana ANJAVA-SAKATIA i Ramatoa HOUSSENY Francklina

2. Tatitra momba ny fivoriana taminy 8 aogositra 2025

Nampahatsiahivina fa anisan’ny nanatrika io fivoriana io ny solontenan’ny fokonolona ao Sakatia, ny manam-pahefana eto an-toerana ary ireo solontenan’ny orinasa Green Mada Land (GML).
Nanapa-kevitra ny handà ny sosokevitry ny GML sy ny solontenan’ny Fanjakàna mahakasika ny fitantanana sy ny fanomezana ny lisitry ny mponina monina eo amin’ny faritra voasokajy ho Réserve Foncière Touristique –RFT) ireo solontenan’ny Fokonolona ao Sakatia taorian’ny fifanakalozana.

  • Fanomanana ny joro Joron-tany

Ny mpikambana dia nampahafantatra sy nanamafy ny fikarakaràna ny Joron-tany (fomban-drazana fangataham-pitahiana ho an’ny tany sy ny firaisankinan’ny mpiara-monina) ny                     3 septambra 2025.

4. Tranga niseho ny 24 aogositra 2025

Noresahana nandritry ny fivoriana fa nisy Kolonely niaraka tamin’ny vady amn-janany sy havany, tonga nitsangatsangana tao Ampasindava-Sakatia. Nandritry io fandalovana io dia hita fa naka sary maro izy sady nanondro faritra samihafa ao an-toerana, izay nahagaga ireo mponina vitsivitsy nanatrika ilay fisehoan-javatra.

Taorian’io fakàna sary io dia niakatra tanatin’ny sambo antsoina hoe « coque rapide » izay nofainy ny Kolonely sy ny fianakaviany, nitodi-doha ho any amin’ny toerana an-dranomasina ao Antanabe, antsoina amin’ny fomba mahazatra hoe « La Piscine », izay hiaraha-mahalala fa toerana voajanahary fanatodizan’ny sokatra monina an-dranomasina.

Rehefa lasa teo amin’ny 250 metatra nanalavitra an’Ampasindava ny sambokely, dia nisy poa-basy nirefotra tao. Araky ny fanazavan’ny mpiatsambo dia nisy kitapon’ilay Kolonely – izay sendra nipetraka teo amin’ny fitoerana iray tao anatin’ny sambo – nilatsaka noho ny vokatry ny onja. Nisy basy (pistolet) tao anatin’io kitapo io, izay niteraka ilay fitifirana tsy nahy.

Nahavoa ny tongotry ny vadin’ny Kolonely ny bala. Niditra tao amin’ny tongony iray ilay bala dia nivoaka ka tonga tao amin’ny tongony faharoa, ary niteraka ratra mafy, izay nitaky fandraisana an-tànana azy teo no eo ara-pahasalamana.

Manoloana ny fahamaizana naterak’ilay zava-niseho nanahirana, dia niainga teo no eo ilay sambo nankany Chanty Beach, izay toerana nisy ny fiara niandry ny fianakaviana. Nentina teo no eo nankany amin’ny « urgence »-n’ny Hopitaly Be-n’i Hell-ville (Nosy Be) ilay fianakaviana mba ahafahan’ilay tra-pahavoazana hahazo ny fitsaboana sahaza.

Araky ny voalazan’ireo vavolombelona, dia feno dian-drà ny sambo ary tsy afaka niasa nandritry ny andro maro mba nahafahan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana nanao ny fanadihadiana sy fanamarinana rehetra nilaina.


29 Aogositra 2025

Ny voatendry hanoratra ny tatitra.