MBA HO OLONA AZO ANTOKA AMIN’NY FANAJANA NY ZON’OLOMBELONA ANIE NO HOMENA ANDRAIKITRA HITANTANA ETO MADAGASIKARA – Newsletter n°268 (MLG)

Mponina ao Ampalaha Itasy mitaky ny zon’izy ireo amin’ny tany nalaina tsy ara-drariny

Mampahery ny mponina ao Ampalaha – Soavinandriana – Itasy ny Collectif TANY amin’ny ady ataony hisintonana ny zon’izy ireo sy hanamelohana ny fakàna tany tsy ara-drariny ataon’ny olona manam-pahefana.