Mikendry ny hampihena ny fahantran’ny malagasy marina ve ireo mpandraharaha ara-bola iraisam-pirenena sa ny mifanohitra amin’izany ? – Newsletter n°178

Raha mbola eo am-pitaintainana momba ny hiafaràn’ny votoatin’ny fanitsiana an’ilay lalàna vaovao mikasika ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra (1) izay tokony holaniana mandritr’ity fivorian’ny Parlemanta mizotra ity ny rehetra, dia misy rakitra navoakan’ny Société Financière Internationale sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) tamin’ny Desambra 2021 mitondra ny lohateny hoe Diagnostic du Secteur Privé – Créer des mar-chés à Madagascar » (Fandinihina momba ny sehatra tsy miankina – Famoronana tsena eto Madagasikara) (2), tena miteraka ahiahy lehibe. Mirakitra tolo-kevitra momba ny “fanavaozana” lalàna maromaro, mba ha-hatonga ny vahiny mpampiasa vola (investisseurs étrangers) ho afaka ho tompon-tany eto Madagasikara izy io, ka mendrika ho fantatry ny rehetra sy ho toherina ny ampahan’ny votoatiny mifandraika amin’ny tany voalaza ao. Io tranga io dia nampahatsiaro fa ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana koa nametraka ho fepetra amin’ny fanomezana famatsiam-bola avy amin’ny Fandaharan’asa Fanohanana ny Fifaninanana eo amin’ny lafiny ekonomika (Programme d’Appui à la Compétitivité Economique (PACE)) tamin’ny taona 2019 ny fandanian’ny mpitondra malagasy didim-panjakàna mahakasika ny « agropoles » (3). Ny loza goavana ha-teraky ny fampiharana ireo tolo-kevitra tsy azo ekena ireo amin’ny fampahantrana ny mponina efa sahirana dia mitaky ny fanaparitahana ilay vaovao sy fiadian-kevitry ny Olom-pirenena.


I – INONA AVY IREO LALANA VOALAZA FA METY HAMELA NY MPAMPIASA VOLA AVY ANY IVELANY HO TOMPON’NY TANY  ?


1 – Ilay tatitry ny SFI sy ny Banky Iraisam-pirenena dia miainga amin’ny famakafakàna ny zava-misy eto Madagasikara taorian’ny valan’aretina Covid 19. Manasongadina ny lesoka sy banga efa voalaza matetika fa mety hisakana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina sy ny fahatongavan’ny mpampiasa vola, toy ny fomba fitantanana sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa amin’ny sehatra samihafa, ary avy eo dia ma-neho tolo-kevitra hanatsaràna ny tontolon’ny fandraharahana (environnement des affaires) amin’ny ala-lan’ny fangatahana
– ny fampihenana ny “tombontsoa tsy ara-drariny azon’ny orinasa sasany eto an-toerana”,
– ny fandaniana lalàna momba ny fampiasam-bola (loi sur les investissements) izay “mampifanaraka ireo la
 làna sy fitsipika isan-karazany
 […], fepetra tena ilaina ahafahana manamafy ny fahatokisan’ny mpam-piasa
 vola”

– ary ny fanafainganana ny “fanavaozana ny lalàna” (réformes) izay hamporisika ireo orinasa vaovao ha-nori-
 toerana, anisan’ny voatanisa ny “famindram-pitompoana fananana” (2)

2 – Ny toko momba ny tany dia manindry fa ny tsenan’ny tany eto Madagasikara dia “tsy mandeha araka ny tokony ho izy noho ny rafitra fananan-tany mitsipozipozy izay mametra ny fahazoana tany hamokarana voly sy ny fivoaran’ny orinasa tsy miankina”. Araka ny tatitra dia “tsy afaka mahazo tany ho azy tanteraka ny vahiny, ary tsy manome antoka ampy ho an’ny fampiasam-bola amin’ny fomba maharitra ny fanofàna”. Noho izany dia manao sosokevitra izy
– momba ny “fanavaozana ny rafitra momba ny lalàna sy ny lalàna lasitra mifehy ny fandaminana ara-ka ny faritra (zone), mba hampazava ny fomba fiasa mifandraika amin’ny faritra natokana ho an’ny mpampiasa vola (zones d’investissement), anisan’izany ny faritra fampiasam-bola amin’ny fambolena,
– ny fandaniana lalàna momba ny tanin’olon-tsotra vita titra, izay mikendry ny hanamora ny fombafom-ba mikasika ny famindràna tany sy hamorona fahafahana mahazo tany
”(2)

Atahorana mafy ny hampiharan’ny mpitondra fanjakana malagasy ireo tolo-kevitry ny SFI sy ny Banky irai-sam-pirenena ireo satria ao anatin’ny « taratasy fikasàna » (lettre d’intention) ho an’ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI) tamin’ny 24 febroary 2022, dia nanoratra ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola hoe “Izahay dia hanohy ny ezaka ataonay hampiroborobo ny « toetry ny fandraharahana » (climat d’affaires) manome vahana, izay tena ilaina mba hamporisihana ny fampiasam-bola tsy miankina, araka ny efa nolazai-na mialoha tao amin’ny Praograma Fampisandratana an’i Madagasikara (PEM) (4) […] Ao anatin’ny rafitry ny lalàna vaovao momba ny fampiasam-bola, dia manana fikasana izahay […], hanamafy ny fitovian’ny fom-ba hitondrana ny mpampiasa vola avy eto an-toerana sy avy any ivelany ary hanazavana momba ny zo fitom-poana » (5)

Ireo lalàna rehetra voalaza ireo anefa dia efa nahazo fanakianana mafy avy amin’ny fikambanan’ny firaisa-monim-pirenena sy ireo rafitra hafa, ary tsy ho azo ekena mihitsy ny fanolorana amin’ny fomba tsy ampoizina ny dikan-teny vaovao-n’ireo lalàna ireo ho lanian’ny parlemantera amin’ity fotoam-pivoriana manomboka ny volana Mey 2022 ity.

II – NAHOANA NO MIFANOHITRA AMIN’NY FAMPANDROSOANA NY MALAGASY IREO TOLO-KEVITRA IREO ?

1 – Ny fanekena ho ara-dalàna ny fividianan’ny vahiny mpampiasa vola ny tany eto Madagasikara dia hampidi-doza amin’ny fahafahan’ny Malagasy maro an’isa mivelona, ao anatin’ny fe-potoana antonotonony sy lavitr’ezaka, ary amin’ny zony ara-toekarena, ara-sosialy, ara-kolontsaina ary ara-tontolo iainana. Ny tsy fitoviana mibaribary eo amin’ny ara-bola sy fahafaha-mividy dia mety hitarika amin’ny fivarotana tany midadasika marobe amin’ny vahiny mpampiasa vola ary amin’ny fisian’ny ampahan’ny firenena kely dia kely sisa ho an’ireo teratany Malagasy manana fidiram-bola kely. Manana fifamatorana mafy amin’ny tany ny Malagasy, araka ny voasoratra ao anatin’ny tatitra. Ny androatokon’ny mponina dia miaina amin’ny fiasàny ny tany mpamelona. Tsy entam-barotra ny tany fa fananana sarobidy iombonan’ny rehetra, tanindrazana iombonan’ny Malagasy eto amin’ny firenena manontolo, izay tsy maintsy ho lovain’ny taranaka fara aman-dimby mba hiantohana ny fiandrianam-pireneny ara-tsakafo sy ny fandrosoany. Ny kialo fiarovana ny fananan’ny olon-tsotra, napetraka tamin’ny fomba feno hafetsena ao anatin’ny Lalàm-panorenana, mbola tsy ahafahana mamerina ho an’ny fianakaviana malagasy ny tany midadasika sy mahavokatra izay ananan’ny voanjo mpanjanaka titra fananantany « manankery amin’ny fomba maharitra sy tsy azo hozongozonina » (“définitifs et inattaquables”) dia ho avy koa ve ny lalàna vaovao hanamora ny fahafahan’ny vahiny mpampiasa vola hahazo titra fananantany ? Ny fanomezana antoka hanome tany betsaka kokoa mba ahafahan’ny fokonolona sy ny tantsaha mivelona amin’ny fomba sahaza sy hamokatra sakafo ho an’ny firenena dia tsy tokony afangaro amin’ny fametrahana « tsenan’ny tany » araka ny fomba fijery neo-liberaly. Tsindrianay manokana fa tsy maintsy tsipahana ny fikasàna hanova ho ara-dalàna ny fahafahan’ny orinasa sy ny rafitra vahiny samihafa hividy tany eto Madagasikara satria mifanohitra amin’ny fampandrosoana ny Malagasy sy ny taranany.(6)

2 – Ny resaka ataon’ny SFI sy ny Banky iraisam-pirenena momba ny « faritra (zone) » sy ny lalàna lasitra dia mifanandrify amin’ny lahatsoratra mahakasika lalàna roa izay tena efa niteraka adi-hevitra be :
– etsy andaniny, ny lalàna mifehy ny Faritra ara-toekarena manokana (zones économiques spéciales ZES), lany tamin’ny taona 2018 taorian’ny samboaravoara maro, noho ny fandàvan’ny olom-pirenena tsotra sy fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena ary mpanao politika, ary tsy noraisin’ny tompon’andraikitra ny didy fampiharana azy ; (7)
– etsy ankilany, ny volavolan-dalàna lasitra momba ny tany manana sata manokana, anisan’izany ny faritra natokana ho an’ny fampiasam-bola, (zones dédiées aux investissements) izay niteraka fanoherana matanjaka tamin’ny 2020 avy amin’ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena, ny fikambanana mpitantana ny faritra arovana ary ny mpamatsy vola misehatra amin’ny fananatany sy fampandrosoana ny faritra ambanivohitra ary ny tontolo iainana (8).

Nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny Tahirim-pirenena momba ny Fananantany tany Antsirabe ny volana martsa 2020 mikasika ity volavolan-dalàna farany ity no nisian’ny famelabelarana momba ny « agropoles » (9). Hitanay taty aoriana fa ny “fandaniana ny didim-panjakana roa momba ny famoronana sy ny fitantanana ny « agropoles » dia anisan’ny fepetra napetraky ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) hanomezana ny fanampiana tetibola andiany faha-3 ho an’i Madagasikara tao anatin’ny PACE III (3). Tahaka ny ZES, ny Agropole dia faritra hatao no an’ny andian’orinasa, mpamokatra sy mpanome « servisy », voafaritra anatin’ny toerana ara-jeografika iray, izay “hahazo tombony amin’ny fepetra famporisihana mifandraika amin’ny fampihenana ny hetra sy ny fiarovana ny fampiasam-bola” (10). Ny Paika nasionaly momba ny Fandraharahana ara-pambolena (Stratégie Nationale de l’Agribusiness) dia milaza fa 4 tapitrisa hekitara ny « agropoles » kasaina ho hajoro eto Madagasikara ato anatin’ny taona vitsivitsy (11). Ny nampiharana io fomba fiasa io tany amin’ny firenena hafa hatramin’ny taona 2000 anefa mampiseho fa tsy dia mahatratra ny zava-kinendry foana ny « agropoles » ary ratsy ny fiantraikany ho an’ny tantsaha madinika (12).
Niainga tamin’ny fampanofana tany amin’ny fomba maharitra mandritry ny 30 taona na mihoatra efa misy, ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena malagasy raha nanambara fa “momba ny faritra fampiasam-bola, oha-tra maro no mampiseho fa ny mpitondra nifandimby dia nanome tombotsoa manokana ireo vahiny mpam-piasa vola tamin’ny fanomezana faritra midadasika ho azy ireo [… ]. Namoy ny toeram-piainany sy ny toeram-piasany ireo fianakaviana Malagasy nipetraka teo amin’ireo toerana ireo, namoy ny tany nolovainy tamin’ny razambeny izay nifaharan’ny kolontsainy, ka nahita ny tontolo iainany noverezina hasina, noravàna ary nopotehina, ny loharanon-dranony voaloto ary nihanaka ny aretina isan-karazany : tsy azo lavina ny fitomboan’ny fahantrany sy ny fijaliany” (13).
Manamafy izany fandinihana nataon’ny fikambanana malagasy izany ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Land Matrix Initiative nivoaka tamin’ity herinandro ity izay nifototra tamin’ny raharaha 740 tany amina fi-renena maro momba fanomezana tany midadasika (200 hekitara na mihoatra) – nisy ohatra Malagasy tao ana-tiny – izay manambara fa “ny ankamaroan’ny fampiasam-bola amin’ny tany. aty Afrika dia mbola matetika miteraka fahasimban’ny fiainan’ny mponina eo an-toerana sy ny tontolo iainana” (14).
Vao mainka ho lalina kokoa ny voka-dratsin’ny fivarotana tany amin’ny fomba maharitra amin’ny vahiny mpampiasa vola.


Famaranana

Ny fitakiana ny fahafahan’ny vahiny mpampiasa vola « hizaka ny zo fananan-tany » nampitain’ny fizahana ny sehatra tsy miankina ao amin’ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena dia tena manafintohina satria manao herisetra amin’ny soatoavina ara-kolontsaina malagasy, manafoana tanteraka ny fanantenana fampandrosoana maharitra ho an’ny ankamaroan’ny mponina ary mikendry ny vao maika hampanan-karena bebe kokoa ireo mpanefoefo oligarika eto an-toerana sy any ivelany. Azo antoka fa hampitombo ny tsy fitoviana, fa tsy ham-pihena.
Raha toa ka miteraka olana ny tsy fitoviana eo amin’ireo mpampiasa vola efa eto an-toerana sy ireo vao ho tonga, dia any amin’ny fampihenana ny tombotsoan’ireo mpampiasa vola manana tombontsoa mihoampam-pana no tokony hanovàna ny lalàna, fa tsy amin’ny fanalàna amin’ny taranaka Malagasy ankehitriny sy ho avy ny taniny tsy hisy hiangana, izay azo antoka fa ho ateraky ny fanomezana alàlana ny vahiny mpampiasa vola hividy tany eto.
Ny krizy ara-tsakafo goavana manerantany izay efa manomboka dia tokony hanosika ny mpitondra hanamafy ny fitaovana enti-mamokatry ny tantsaha malagasy rehetra amin’ny fanamoràna ny fahazoany tany betsaka kokoa manoloana ny salan’isan’ny velarantany latsaky ny 1 hekitara isaky ny toeram-pambolena amin’izao fotoana izao. Ny fanaovana ny mifanohitra amin’izany ka hilokalokàna amin’ny mpampiasa vola sy ny fanomezana ho azy ireo ny zo fitompoana tany ve tsy fanaovana tsinontsinona ny tantsaha sy fanamelohana ho faty ny fambolena tantanam-pianakaviana ?
Ny lojika sy ny firindran-kevitra amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny mosary dia tokony hitarika ny mpanapa-kevitra hifantoka amin’ny fomba sy làlana hanohanana ny tantsaha Malagasy hamokatra amin’ny fomba mahaleo-tena ho an’ny fianakaviany sy ho an’ny tsena eto an-toerana, fa tsy hampiroborobo ny fandraharahana ara-pambolena (agribusiness) sy ny tetikasa famonoan-tena ho an’ny mponina, toy ny fivarotana ny tanin’ny Malagasy amin’ny vahiny mpampiasa vola sy ny “Madagasikara, Sompitra ho an’ny Ranomasina Indianina » (15, 16).


20 mey 2022

Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la Défense des terres malgaches – TANY

patrimoine.malgache@yahoo.fr ; www.terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresmalgaches
Efa azonao arahana ao amin’ny Twitter ny Fikambanana TANY : @CollectifTany

Rakitra nakàna hevitra :

(1) https://www.assemblee-nationale.mg/wp-content/uploads/2021/07/Loi-n%C2%B0-2021-016-propri%C3%A9t%C3%A9-fonci%C3%A8re-priv%C3%A9e-non-titr%C3%A9e_corrig%C3%A9.pdf ;
http://www.terresmalgaches.info/IMG/pdf/teboka_misongadina_lalana_2021-016_finale_0802.pdf?fbclid=IwAR35_WBZSnAGflUx6ctD70anBb-S5uhBv7Sokqb7xL9HU7DK2IwRQcWaes8

(2) https://www.ifc.org/wps/wcm/connect/4d681c7b-538c-4c59-bf59-f5030b76a561/CPSD-Madagascar-FR.pdf?MOD=AJPERES&CVID=nSi04A9 ;
https://blogs.worldbank.org/fr/africacan/mobiliser-le-secteur-prive-pour-soutenir-le-developpement-de-madagascar

(3) Teny nalaina avy amin’ny Naoty fanolorana ny volavolan’ny didim-panjakana mahakasika ny fametrahana ny « Agropoles » sy ireo rafitra fampiroboroboana sy fitantanana ny « agropoles » avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny Trano Fonenana ary ny Asa Vaventy sy ny Ministeran’ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono tamin’ny 08 novambra 2019.
Ny tatitra momba ny fanombanana ny PACE III – Oktobra 2019,
https://www.afdb.org/sites/default/files/documents/projects-and-operations/madagascar_-_programme_dappui_a_la_competitivite_economique_-_phase_iii_pace_iii_-_rapport_devaluation_de_projet_compressed.pdf, dia mitanisa ao anatin’ny « 3.2.7 Ieo fepetra tohanan’ny PACE III dia ireo fanavaozana mikendry ny fanatsaràna ho maoderina ny rafitra sy andrim-panjakàna hampiroboroboana ny « pôles de croissance agroindustrielle », amin’ny alàlan’ny […] (ii) fandaniana ny lalàna mahakasika ny « agropoles » ; iii) sy ny fandaniana ny didim-panjakana mamaritra ny rafitra mangarahara fanomezana tany any amin’ny « agropoles » sy ny bokin’andraikitra ho an’ny mpampiasa vola tsy miankina sy ny mponina eo an-toerana. » Ao anatin’ny Rakitra momba ny Paikadim-Pirenena (Document de Stratégie Pays) 2022-2026, dia tsy miresaka « agropoles « intsony ny BAD (Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana) fa mamerimberina kosa fa manohana ny fanatsaràna ny Tontolon’ny Fandraharahana.
https://www.afdb.org/fr/documents/madagascar-document-de-strategie-pays-2022-2026.

(4) PEM : Praograma Fampisandratana an’i Madagasikara (Plan Emergence Madagascar)

(5) https://www.imf.org/en/Publications/CR/Issues/2022/03/16/Republic-of-Madagascar-First-Review-Under-the-Extended-Credit-Facility-Arrangement-Press-515241 page 66 paragraphe 38. (Traduction libre)

(6) https://www.assemblee-nationale.mg/wp-content/uploads/2020/11/Loi-n%C2%B0-2007-036-sur-les-Inv.%C3%A0-Mcar.pdf
https://p1.storage.canalblog.com/28/03/448497/130046385.pdf

(7) https://edbm.mg/wp-content/uploads/2017/12/Loi-n-2017-023_ZES.pdf

(8) http://terresmalgaches.info/IMG/pdf/projet_de_loi-cadre_sur_les_terrains_a_statuts_specifiques_pour_observation_mars_2020_.pdf

(9) https://www.lakroa.mg/item-2070_articles_economie_18-atelier-de-finalisation-du-projet-de-loi-sur-les-terrains-a-statut-spacifique.html

(10) Comité technique « Foncier & Développement », 2022 (à paraître) Les zones économiques spéciales et le foncier : tendances globales et incidences locales au Sénégal et à Madagascar, AFD, MEAE

(11) Présentation à la Réunion de validation – Plan de mise en œuvre – Stratégie nationale de l’Agribusiness – Madagascar, Visioconfé-rence 15 juillet 2020.

(12) http://65.39.154.62/post/view/30273-madagascar-pire-que-le-projet-daewoo-la-strategie-nationale-de-l-agrobusiness
https://ccfd-terresolidaire.org/wp-content/uploads/2017/06/rapport_pcaa_exe_ok.pdf

(13) https://www.madagascar-tribune.com/Communique-des-organisations-de-la-societe-civile-sur-le-projet-de-loi-cadre.html

(14) https://landmatrix.org/documents/142/LMI_Africa_Report_on_investor_practices_2022.pdf

(15) https://actu.orange.mg/madagascar-doit-redevenir-le-grenier-agricole-de-locean-indien/

(16) https://www.farmlandgrab.org/post/view/21822-madagascar-grenier-de-locean-indien-des-engagements-a-risques-a-mener-avec-precaution ;https://www.farmlandgrab.org/post/view/22600-madagascar-grenier-de-locean-indien-que-les-paysans-ne-deviennent-ni-les-oublies-ni-les-victimes