Ho fanohizana ny Antso fanairana mahakasika ny lalàna vaovao momban’ny fananantany, dia manao famakafakana teboka telo izay misongadina ao amin’ny votoatiny ny firaisamonim-pirenena ao anatin’ity fanehoan-kevitra ity.
Ny lalàna 2021-016 [1] dia manitsy ny lalàna laharana 2006-031 mahakasika ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra. Araka ny voalaza ao amin’ny Famelabelarana ny antonantony, ny votoatin’ity lalàna vaovao ity dia ny ahafahana « manitsy araka ny lalàna » ireo tsindry sy filàna ara-teknika ary fampiharana niainana nandritra ny 15 taona izay tsapa, vokatry ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2011, tahaka ny tsy fisian’ny fametrahana mazava tsara » ny fetra ara-potoana eo amin’ny fanatanterahana ny fanamaintisa-molaly » sy ny » velaran’ny tany azo omena », ny tsy fahampian’ny » fanaraha-maso sy tantsoroka ho an’ireo Birao ifotony fananantany », ny « gaboraraka amin’ny famoahana kara-tany eo amin’ny tanim-panjakana azo amidy sy ny fangoronan-tanin’olon-tsotra tsy vita titra izay ataon’ny fikambanana misata olon-tsotra mitady tombony (personnes morales à but lucratif) ».
Tsapa sy ekena ny maha zava-dehibe sy ny fahombiazan’ny fitantanana ny fananantany ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana. Izany dia nahafahana niaro ny zo fananan-tanin’ireo olom-pirenena » tamin’ireo sombin-tany izay nipetrahany nandritra ny taona [maro] tamin’ny alàlan’ny fombafomba fanomezana kara-tany ». Ireo tanjon’ity lalàna vaovao mahakasika ny tanin’olontsotra tsy vita titra ity dia :
- « fampitoviana ny fepetra amin’ny fanokafana sy fampandehanana ny birao ifotony fananantany » ;
- « famaritana mazava tsara ny sehatry ny fahefan’ny birao ifotony fananantany eny anivon’ny kaominina eo amin’ny famoahana kara-tany » amin’ny alalan’ny fametrahana ireo « fahalalàna mahakasika ny fipetrahana sy ny fanamaintisa-molaly izay ferana ho 15 taona alohan’ny daty mampanan-kery ity lalàna ity izay mason-tsivana ahafahana mampanaja ara-dalàna ny foto-kevitra mahakasika ny fiheverana ny fitompoana tany fananan’olon-tsotra tsy vita titra sy mba hanilihana ireo sombin-tany izay tsy mamaly ireo fepetra ireo » ;
– Ny fanamafisana ny fanantanterahana ny fitantanana ny fananantany ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana sy ny kara-tany » amin’ny alàlan’ny fanantintranterana ny fananan’ny kara-tany lanja eken’ny lalàna ;
- » Ny fiarovana ny tompon-tany izay manana kara-tany eo amin’ny tranga mahakasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny fanalàna ny maha-tompony nohon’ny asa ilaim-bahoaka (expropriations pour cause d’utilité publique) » ;
- » Fametrahana ny fombafomba vaovao ho amin’ny fanatanterahana fanaovana kara-tany faobe sy maro be izay atao amin’ny alalàn’ny fanambàrana ny fangatahana kara-tany ataon’ny isam-batan’olona » ;
- » Ny fitsinjovana ireo fepetra teteza-mita izay ahafahana manatanteraka ny fiarovana ny zo amin’ny fananan-tanin’ireo monina eo amin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra, raha toa ka mbola tsy misy ny birao ifotony fananantany eo anivon’ny Kaominina ».
(Sombiny nalaina tao amin’ny Famelabelarana ny antonanton’ny lalàna 2021-016).
Indrisy anefa fa ireo andininy maromaro ao anatin’ity lalàna vaovao ity dia mametraka mazava tsara ireto teboka manaraka ireto :
1. Famerana ny famaritana ny atao hoe tanin’olon-tsotra tsy vita titra : ny fe-potoana 15 taona dia manao zinona ny asa efa notanterahan’ireo olom-pirenena nanomboka nanazary tao aorian’ny 2006. Ny faharetana sy ireo antony tsy nahafahana nampiasa ny tany nandritry ny fotoana voafetra dia tsy asian’ity lalàna ity fandinihina.
« Tanin’olon-tsotra tsy vita titra no iantsoana ireo tany rehetra na andrenivohitra na ambanivohitra :
– Izay nipetrahana fara faha-keliny 15 taona alohan’ny daty mampanan-kery ity lalàna ity kanefa mbola tsy vita titra na
Kadasitra ;
-Tsy tafiditra na ao anatin’ny tanim-panjakana tsy azo amidy na ao anatin’ny tanim-panjakana azo amidiy na ao anatin’ny tanin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ao anatin’ny rafitra misata fanjakàna (personne morale du droit public)
-Tsy mitoetra eo amin’ireo faritra izay manana sata manokana. (And.2)
Ny fipetrahana amin’ny tany, raha araka ny hevitr’ity lalàna ity dia midika ho fanatanterahana fanamaintisa-molaly […]. Ny fepotoana nanamaintisa-molaly sy nipetrahana dia tsy latsaky ny 15 taona. Ireo tany izay tsy misy fanajariana amin’ny fotoana hanatanterahana ny fombafomba fitsirihana ifotony dia tsy ho ekena ho nipetrahana na vita fanajariana (And.6) »
Io famaritana vaovao io dia miteraka fisaintsainana sy fanontaniana. Ireo olona izay efa nipetraka sy nanajary ny taniny niatomboka tamin’ny taona 2006 sy tao aorian’ny 2006 ary ireo tanora izany dia tsy hahazo hangataka kara-tany intsony ? Tena tsy manaraka ny rariny sy ny hitsiny izany ! Ireo birao ifotony fananantany ve izany dia tsy hitantana afa tsy ny tranga efa lasa ? Ankoatr’izay, ny dikan’ny « fanamaintisa-molaly » dia tsy nazavaina, nefa andraikitry ny lalàna no mamaritra izany fa tsy anjaran’ny didy fampiharana satria izy no singa fototra mametra ny fiforonan’ny zo fitompoana ny tany, na tsia, raha araka ny hevitr’ity lalàna ity.
Lalàna manome vahana ny mpanan-karena ary vao maika mandetika ny mahantra ho tena faran’izay mahantra : Ity lalàna vaovao mahakasika ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra ity, raha oharina amin’ny fomba fisainana tany am-piandohana tamin’ny 2005, dia tsy manampy bebe kokoa ny olom-pirenena malagasy hahazo tany, indrindra ireo tanora vaovao miisa 500.000 tonga eo amin’ny sehatry ny fitadiavana asa isan-taona, fa kosa mikendry ny handrara azy ireo amin’izany. Ireo lalàna rehetra tany aloha namporisika ny Malagasy hipetraka sy hanajary ny tany, Fa ity lalàna vaovao ity kosa dia ny mifanohitra amin’izany fa mandrara ny olom-pirenena tsy hikitika ny tanin-drazany. Ny hany fomba ahazoana tany izany izao dia ny fanarahana ny andininy faha 19 sy faha 21-n’ny lalàna [2] mifehy ny tanim-panjakana tsy azo amidy amin’ny alalan’ny fanaovana fifanarahana amin’ny Fanjakana momba fanofàna na fividianana tany na amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny endriny rehetra voafaritry ny lalàna. Nefa ny Fanjakana, araka ny voalazan’ny lalàna, dia manana fahefana tanteraka hanapa-kevitra amin’ny famarotana sy fanolorana ny tanim-panjakana ary afaka mandàna manaiky izy fa tsy misy mibaiko azy amin’izany. Araka ny fanao ankehitriny sy ny hevitra ambadika izay kotrehin’ity lalàna 2021-016 ity, dia tsy misy antoka azo itokisana velively fa ity lalàna vaovao ity dia natao ho an’ny tombotsoan’ny Malagasy, izay miaina eo ambanin’ny tahan’ny fetran’ny fahantrana ny 80 isan-jato. Ireo Malagasy mahantra dia tsy hanana vola hividianana tany sy hanatanterahana ny fombafomba fahazoana titra izay lafo sy tsy takany fa mihoatra lavitry ny fahefa-mividiny. Ny herin-tsandriny amin’ny alàlan’ny fanajariana ny tany no hany fitaovana tokana hananany nefa ireo fitondràna nifandimby dia tsy nahavita niaro izany fanajariana izany manoloana ireo tsy fandriam-pahalemana mihanaka sy miverimberina. Arak’izany, ny tanjon’ity lalàna 2021-016 ity, amin’ny andaniny, dia haka ireo sombin-tany izay heverina fa tsy mahafeno ny fepetra amin’ny fanamaintisa-molaly nohon’ny antony mifandray amin’ny fampahantrana ny Malagasy, ary amin’ny ankilany, hanomezana vahana ny fanolorana tanim-panjakana ho an’ny tombotsoan’ny mpanan-karena fa tsy ho an’ny sarambaben’ny vahoaka Malagasy voasokajy fa mahantra araka ireo tondro ara-ekonomika ofisialy mahazatra.
2. Ny zo fitompoana eo amin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra : Ny fitambaran’ity lalàna ity dia maneho fa ny zo fitompoana dia tsy ekena intsony raha tsy misy ny porofo amin’ny alàlan’ny kara-tany. Ny hevitra manan-danja mifototra amin’ny fiheverana ny fitompoan’olon-tsotra ny tany (présomption de propriété) izany dia narian’ity lalàna ity tanteraka.
« Heverina ho tompon’ny tany ary mizaka ireo zo ekena ho an’ny tompon’ny tany araka ny voalaza ao anatin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, mitovy lenta amin’ireo tompon-tany manana titra, ireo izay mamaly ireo mason-tsivan’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra araka ny hevitry ity lalàna ity, sy nahazo kara-tany mifanaraka amin’izany » (And.21. Andal.3).
Tena fanovàna goavana entin’ity lalàna ity izany, satria tsy ny fipetrahana sy/na ny fanamaintisa-molaly intsony no mamorona ny zo fitompoana ny tany eo amin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra araka ny hevitry ny lalàna 2005-019, fa kosa ny fananana kara-tany. Ny kara-tany izany dia lasa akta mamorona ny zo fitompoana fa tsy akta fanekena ny fisian’ny zo intsony. Noho izany, ny sata-tanin’olon-tsotra tsy vitra titra dia heverina fa tsy misy intsony raha oharina amin’ny toe-tsain’ny lalàna tamin’ny 2005.
« Ho an’ireo tany izay tsy mbola nahavitàna kara-tany, ireo tompon’ny tany dia manatanteraka avy hatrany ny fombafomba ahazoana, na kara-tany, na titra fananantany araka ny voalazan’ity lalàna ity raha toa ka mbola tsy manana Birao ifotony fananantany ilay Kaominina voakasika. Rehefa tanteraka ny fikarakarana momba ny fanarahan-dalàna, dia marihina eo amin’ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany. Anjaran’ny tompon’ny tany no mitondra ny porofo maneho ny zo fitompoana mba ahafahany mahazo ny onitra izay efa voarotsaka ao anaty kaonty » (And.22 andal.3. Sy 4.)
Sahala amin’ny andininy faha 21 voalaza teo aloha izany, dia azo adika fa mipetraka amin’ny tany fa tsy manana zo ary tsy hahazo onitra raha tsy misy porofo fitompoana, ireo izay voakasiky ny fanesorana ny zo maha-tompony. Dia manjary inona izany ny dika lalina sy ara-bakitenin’ny atao hoe « tanin’olon-tsotra tsy vita titra » ?
Lalàna mamono-tena izay mamono ny antom-pisiany, dia ny Tanin’olon-tsotra tsy vita titra : Ny famoronana ny Sata-tanin’olon-tsotra tsy vita titra dia natao mba hanampiana sy hiarovana ireo zo amin’ny fananan-tanin’ny ankamaroan’ny teratany malagasy izay tsy afaka nahazo titra fananantany – izay tsy natao velively tany amboalohany (1896) hiarovana ny zon’ny Malagasy -. Araka ny voalazan’ny anarany, sy araka ny namolavolana azy tany amboalohany, « ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra » dia midika fa ny fipetrahana amin’ny tany no mamorona ny zo fitompoana amin’ny tany (And. 2 sy 33 lalàna 2005-019) [3], ny tsy fisian’ny porofo ara-taratasy dia tsy manala ny kalitao maha tompon’ireo tany efa nipetrahana, ny mifanohitra amin’izany aza satria ny kara-tany dia natao indrindra hanamarinana ny zo efa misy ; izay no mahatonga ny fitenenana hoe « fitsirihana ifotony » (« fitsirihana ny zo efa misy » – fa tsy hoe « famoronana ny zo eny ifotony » -. Noho izany, ny fanapahan-kevitr’ity lalàna vaovao ity izay tsy manaiky ny fisian’ny fitompoana tany raha tsy misy kara-tany eo amin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra dia maneho fa tsy misy intsony ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra, noho izany dia ity lalàna ity mihitsy koa no tsy tokony hisy satria nofoanany ny antom-pisiany dia ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra.
3. Ao anatin’ireo Kaominina aman’arivony tsy mbola manana birao ifotony fananantany (BIF), ny fanoratana tany sy ny fahazoana titra eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakan’ny fananantany ihany no vaha-olana tokana nomen’ity lalàna vaovao ity. Nataon’ity lalàna ity grefy amin’ny fanomanana fanolorana titra ny fombafomba fitsirihana ifotony ataon’ny komity misy mpiasa amin’ny sampan-draharaham-panjakana.
« Mandrapahatongan’ny fametrahana ireo sampan-draharaha mpitantana eny anivon’ny rafi-pitsinjaram-pahefana fototra misahana ny fitantanana ny fananantany, dia ireo sampandraharam-panjakana miorina eo amin’ny fitsinjaram-pitondrana no miantoka ny fiarovana sy fitantanana ny sombin-tany » (And.46). « Ireo olona rehetra maniry ny hiaro ny zony eo amin’ny fanananany tsy mihetsika dia mametraka fangatahana fanoratana ny tany eo anivon’ny Fari-piadidian’ny fitantanana ny tanim-panjakana sy ny tanin’olontsotra. (And.47 andal.1), misy ny fombafomba fitsirihana ifotony tarihin’ny komity zay ireto avy ny mpikambana ao aminy : Filoha : – mpiasa iray avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany, Ny mpikambana : -“géomã¨tre expert†avy amin’ny sampan-draharahan’ny fandrefesan-tany†(And.47 andal.2.), ankoatry ny Ben’ny tanàna, sy ireo Ray aman-dreny, izay nandrafitra ny komity mpitsirika voalazan’ny lalàna teo aloha 2006-031.
[…] Ny fanatsatohana ny vato baorina eo amin’ny sombin-tany izay angatahana dia atao mandritra ny fitsirihana ifotony ary tontosain’ny “géomã¨tre expert†–n’ny sampandraharan’ny fandrefesan-tany izay mpikambana ao amin’ny komity fitsirihana ifotony » (And. 47 andal.5.)
Ny fanoratana tany amin’ny bokin-tany eny anivon’ny sampan-draharahan’ny fananantany sy ny titra fananantany izany dia manjary tsy azo ialàna. Eny fa na dia niteny aza ireo tompon’andraikitra sasany fa hisy ny fihenan’ny saran’ny fanatanterahana ireo dingana sasany amin’ny fombafomba arahina, ireo sara ilaina amin’ny dingana rehetra ho fahazoana titra dia ahiana mafy fa mbola tsy ho takatry ny ankamaroan’ny olom-pirenena foana noho ny halafosany.
Ireo sombiny nalaina tamin’ity lalàna 2021-016 ity sy ny fampitahana azy tamin’ireo tanjona izay voalaza ao anatin’ny Famelabelarany ny antonantony dia maneho fa ity lalàna vaovao ity, izay milaza fa mikendy hanamafy ny fitantanana ifotony ny fananantany sy hanampy ny olom-pirenena mba hiaro ny zony amin’ny fananantany, dia mandemy amin’ny fomba ankolaka ny fitsinjaram-pahefàna amin’ny fitantanana ny fananantany, ary manozongozona sy manasarotra ny fahazoana ny fiarovana ny zo amin’ny fananantanin’ny ankamaroan’ny teratany malagasy.
Momba izay indrindra, manoloana ireo mpiaro ny lalàna vaovao izay manasongadina fa ny teratany malagasy ihany no mahazo mangataka kara-tany (And.10) araka ny lalàna 2021-016, ka manambara fa te hanome tany ho an’ny vahiny ny fikambanan’ny tantsaha matoa mandàity lalàna ity, dia tsara ny mampahatsiahy etoana fa ny lalàna teo aloha laharana 2006-031 koa dia efa nanapaka tao amin’ny andininy faha 8 sy faha 10 fa ny fangatahana ny kara-tany dia natokana ho an’ny isam-batan’olona, na vondron’olona, mipetraka amin’ny tany izay mizaka ny zom-pirenena malagasy.
Ireo teboka nasongadin’ity lalànan’ny fananantany vaovao laharana 2021-016 ity dia ny famerana ny famaritana ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra amin’ny fametrahana fe-potoana 15 taona, ny famonoana ny foto-kevitra fa ny fipetrahana sy ny fanajariana ny sombin-tany mandritra ny taona maro no namorona ny zo maha tompon’ny tany amin’ny sata-tanin’olon-tsotra, ka fanoloana io foto-kevitra io amin’ny fitakiana ny fisian’ny porofo voasoratra, ary ny fanamaivanana amin’ny endriny maro ny fitantanana eny ifotony ny fananantany. Ireo fiovana ireo dia tena loza ho an’ny zo fototry ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra fa ho an’ny zony hisakafo sy hanana hanin-kohanina.
Lalàna mitsipaka ny fanavaozana, tsy mankasitraka ny fitsinjaram-pahefana ary tsy mandroso vaha-olana mahomby manoloana ireo olana amin’ny fananantany eto Madagasikara : firy amin’ny ankamaroan’ny Malagasy no sahy milaza fa afa-po amin’ny fanatanterahana ny fombafomba arahana amin’ny fanoratana ny tany, mahavita mikarakara amin’ny fomba tsy manano-sarotra ny taratasin-tany eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fananantany ary manana antoka tanteraka fa tena voaharo tsy misy manelingelina izy rehefa manana titra ? Ankoatr’ireo fitarainana voaray avy amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy, ireo tatitra avy amin’ny sehatr’asa rehetra nanomboka tamin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena ka hatramin’izao dia maneho fa ny fitantanan-draharaham-panjakan’ny fananantany eto amintsika dia efa tototra ary tsy mahavita intsony manome asam-bahoaka maha afa-po na ara-kalitao na araka ny habetsany. Ity lalàna ity raha tokony hanatsara ny vaha olana eo amin’ny fanapariaham-pahefana amin’ny fitantanana ny fananantany, dia miroso mankany amin’ny fangoronana ny fahefana eo amin’ny sampan-draharan’ny fananantany izay tsy hitondra vaha olana mahomby velively nanomboka tamin’ny fisiany tamin’ny taona 1896. Ny fitantanana ny fananantany eny ifotony dia mendrika ny hamafisina amin’ny hitsim-po tokoa sy ara-bakiteny satria na ny Mpitsara rehetra eo anivon’ny fitsaràna manerana ny Nosy aza dia resy lahatra fa « ny fiarovana ny zo amin’ny fananantany amin’ny alalan’ny Karatany dia manampy betsaka amin’ny fampihenana ny adin-tany satria ireo tany vita kara-tany dia tsy dia ahitàna loatra ady eo anivon’ny fitsaràna (01% ny adin-tany eny amin’ny fitsaràna [4]) .
17 Janoary 2022
[2] lalàna 2008-014
Andininy 19 – Aorian’ny fanaovana titra ny fananany, dia azon’ny Fanjakana ekena ny :
– fampanofana tsotra azy ireo mandritry ny valo ambin’ny folo taona raha be indrindra,
– fampanofana maharitra mihoatra ny valo ambin’ny folo taona nefa tsy mihoatra ny sivy amby sivifolo taona.
Azony atao koa ny manao :
– lavanty amin’ny fifampiraharahana na ampahibemaso ;
– fifanakalozana ;
– fampiraharahana amin’ny endrika rehetra eken’ny lalàna iombonana mikasika ny fifanekena sy ny fananana.
– Na izany aza anefa, ny fahazoana tanim-panjakana azo amidy ho an’ny vahiny dia mitaky ny fahazoana ny fanomezan-dàlana araka ny fepetra voalazan’ny lalàna laharana faha-2007-036 tamin’ny 14 janoary 2008 momba ny Fampiasam-bola hamokarana eto Madagasikara.
Andininy 28 – Ny Fanjakana, tompon-tany, dia manana ny fahafahana feno hanapaka izay fivarotana na fanomezana rehetra ny ampahany amin’ny fananany azo amidy ary izy irery ihany koa no hany afaka manapaka ny fandàvana izany.
[3] lalàna 2005-019
Andininy faha-2- Ireo satan’ny tany : Ny tany eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara dia mitsinjara ho toy izao araka ny fepetra voatondron’ity lalàna ity : – tany miankina amin’ny Tanim-panjakana, amin’ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ary amin’ny fikambanana mizaka zo aman’andraikitra fehezin’ny lalàm-panjakana ; – tanin’olon-tsotra fehezin’ny lalàm-panjakana ; – tany mandrafitra ireo faritra fehezin’ny satam-piarovana manokana.
Andininy faha-33.- Fitambaran’ireo tany, an-tanandehibe sy ambanivohitra, izay ampiharana ireo fomba fizakan-tany avy amin’ny fakan-tany nataon’ny fanjakana ho an’olon-tokana na ho an’ny daholobe, isitrahana tanteraka, mivaingana sy maharitra, arakaraka ny fanao manokana amin’ilay fotoana sy ilay toerana ary araka ny fepetra manokana fampiasa amin’ilay tany,izay mety ho azo ekena ho zom-pitompoana amin’ny alalan’ny taratasin-tany
[4] Rakotobe Nelly, Premier président Àtitre honoraire de la Cour suprãªme, la Revue MCI pour les 1er et 2ème trimestres 2020, numéros 89 et 90, pages 53-66 » (page 64).
————
Manao sonia :
1. Actions Sans frontiã¨res
2. AGNAMI
3. AJAA
4. ALFA
5. Alliance Voahary Gasy (AVG)
6. AMBAIBO Miray
7. AMIH (Amis des handicapés)
8. Andrin’ny Fiadanana
9. AQUA MADAGASCAR
10. AR TIA
11. AROSO Madagascar
12. ASDFEM ATSIMO ANDREFANA
13. Association des journalistes de Toamasina
14. Association FIFAFI Manandriana Amoron’i Mania
15. Association FORMAGRI Antsirabe
16. Association Gasy Mandroso (AGM)
17. Association IZARA Antsirabe
18. Association LONGO IABY
19. Association Ondry Botry
20. Association TARATRA MIRAY
21. Association VIE NEUVE
22. ATT
23. Avotra Betroka
24. Bemiray Isoanala
25. Bezama Isoanala
26. BIMTT
27. CAFF
28. CDRP (clé de développement Rapide pour les Paysans)
29. Club DÉveloppement et Ethique CDE
30. Coalition paysanne de Madagascar (CPM)
31. Collectif TANY
32. Consortium des Jeunes Vonona MELAKY (CJV)
33. CRAAD-OI
34. Dis-Moi (Droits Humains océan Indien) Madagascar
35. Ezaka Betroka
36. Fanantenana Isoanala
37. Fanilo Magnazava
38. Faniryamboasary sud
39. FANJAVA
40. Fanoitra Amboasary Sud
41. FARA Vehivavy
42. FEKRITAMA Menabe
43. Femmes en Action Rurale de Madagascar FARM
44. FIFATA
45. FIFIFOA Betroka
46. Fikambanan’nyVehivavy Tantsaha eto Madagasikara (FVTM)
47. Fikambanana Zanaka Tagnala (FIZANTA) Menabe
48. Fikambanan’ny Leo ny Fahantrana (FILEFA)
49. FIMA
50. FIMAFI Atsimondrano
51. FIMPA
52. FITAFIBE
53. Fitama
54. FITAME (Firaisantsoan’ny Tantsaha Menabe)
55. FITAMI (Fikambanan’ny Tanora Mijoro Ambohidratrimo)
56. FITEA
57. FIVE Menabe
58. FIVOI MENABE
59. Fivondronamben’ny Tantsaha Malagasy (FEKRITAMA)
60. FIVOY Ambohidratrimo
61. FIZANTA Fikambanana Zanaka Tagnale eto Menabe
62. FPFE
63. FTAM
64. FTMF
65. FTMM (Fikambanana mitambatra maintimolaly Melaky)
66. FVVMA
67. GTZ
68. HANAVOTRA Betroka
69. ILONTSERA
70. JAI Association (Jeunes Actifs Inter-Regionale)
71. JPE
72. Kaoperativa Gasy Tsara Vokatra Atsimondrano
73. Lahatserã´mahasoa Amboasary sud
74. LOVASOA FETRA
75. Mahasoa Behara
76. Mahavelo Amboasary sud
77. MAMONJY Betroka
78. Martial MANANA
79. MCCP PAX ROMANA Nasionaly
80. Miakatse Amboasary sud
81. Miaradia Amboasary Sud
82. Miray lahatse Amboasary sud
83. MITEZA
84. MONEPT (Mouvement Nationale pour l’éducation pour tous)
85. Mouvement ROHY
86. MSIS-Tatao
87. NENY Mazoto
88. Observatoira momba ny Tanora
89. ONG ALT
90. ONG Avia
91. ONG AZAFADY
92. ONG CODE Menabe
93. ONG EDEN
94. ONG FIANTSO
95. ONG MALAGASY YOUTH EDUCATION
96. ONG ODHM (Organisation pour le développement harmonie des Melaky Maintirano)
97. ONG ODIMA
98. ONG RAVINTSARA
99. ONG SAHA
100. ONG SOS AUX JEUNES DE MADAGASCAR
101. ONG Tolotsoa
102. OSCIE
103. PFPH/MAD
104. PFROSC Anosy
105. PFROSC Melaky (RAFIA)
106. Plateforme des Personnes handicapées de Madagascar
107. Plateforme MIRANGA atsimoandrefana
108. Plateforme Organisation société Civile Hery Miray
109. PSBED
110. RÉseau des Jeunes pour le DÉvelppement Durable
111. RÉseau SOA
112. RÉseau des Jeunes pour le DÉveloppement Durable
113. SAF-FJKM
114. SANTATRA
115. SCAE Soatahy
116. Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany (SIF)
117. SEKRIMA
118. Sendika Kristianina Malagasy (SEKRIMA)
119. Sendikàtolon’ny MPIASA (T.M)
120. Sendikan’nympiasan’ny orinasa afak’haba
121. Soa Gny Mivoatsy – FIFATA
122. SOALIA
123. Soatantana Amboasary sud
124. TAFA MIRAY HINA
125. TAFO MIHAAVO
126. TAFIMA
127. TAMAMPIRAPI
128. Tambazotra MIHARI
129. THT (Tanora Hiasa hoan’ny Tanintsika Andramasina )
130. TNMF Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra ny Fifidianana
131. Todivelo Betroka
132. Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG)
133. TSINJO AINA MAHAJANGA
134. TVMA
135. Usagers d’eau Ambaro Ampaidrano Betroka
136. UTBV
137. VARA Betroka
138. VASIA
139. Vehivavy Liampivoarana Betroka
140. Vehivavy Mivoatra Ambohindratrimo
141. VEMITA (Vehivavy mifanolon-tanana)
142. VFTM (Vondron’ny Fikambanana Tantsahan’i Menabe)
143. VFTT (Vondron’ny Fikambanan’ny Tantsahan’ny Tsiribihina
144. VOHIFIRAISANA Analamanga
145. Vondrona Amboasary Sud
146. Vovonana Anjara Masoandro Malagasy (VAMM)
147. VOVONAN’NY MPAMOKATRY BONGOLAVA (VO.M.BO)
148. Vovonan’ny Tantsaha Miray – Betroka
149. Women in Mining and Resources Madagascar (WIMR-MADA)