Fiangaviana sy hafatra ho an’ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara – Newsletter n°248 (MLG)

Faly miarahaba anareo Solombavambahoakan’i Madagasikara rehetra izahay fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena misehatra eo amin’ny fananantany mandefa ity taratasy ity.

Misy teboka lehibe mety hatolotra handraisanareo fanapaha-kevitra mandritr’ity fivoriana (session) ity. Heverinay fa goavana manokana ny andraikitra ho raisinareo amin’izany sady saro-pady satria mety haningotra ny fiandrianam- pirenena eo amin’ny tanindrazantsika, ka mamelà anay hisintona ny sain’ny rehetra androany :

  • momba ny zone franche internationale touristique, faritra afakaba iraisam-pirenena hoan’ny fizahantany, izay nankatoavin’ny Filankevitry ny Ministra taminy 19 Martsa 2025 fa hiarahana amin’ny Emirats Arabes Unis
  • ary momba ny espace agricole commun izay hiarahana amin’ny nosy Comores, La Réunion, Maurice ary Seychelles, araky ny tapaky ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana taminy 24 Aprily teo.


Ny zone franche internationale pour le tourisme
dia faritra efa misy any amin’ny tany sasany toy i Frantsa. Faritra kely voafetra hanamoràna ny fiavian’ny mpizaha-tany izy ireo ka mahazo alàlana hivoha ny alahady, ohatra. Misy fepetra manokana mahakasika ny fitsangatsanganana sy ny varotra ihany koa.
Any amin’ny toerana sasany, mba hamporisihina ny orinasa sy mpampiasa vola ho avy dia misy atao afakaba izy ireny ka izay no maha zone franche azy, na dia mazava ho azy aza fa mampihena ny tombotsoa azon’ny firenena ny fanomezana alàlana tsy handoa hetra sasany ireo orinasa.

Koa miangavy ny solombavambahoaka izahay hitandrina mafy sy ho mailo manokana eo amin’ny fandinihina izay volavolan-dalàna sy sosokevitra rehetra momba izany alohan’ny handraisana fanapaha-kevitra, na amin’ny ankapobeny na amin’ny antsimpiriany.

Amin’ity sokazy iray ity dia ny mpanam-bola Emirati no nosinganin’ny Filankevitry ny Ministra homena tombotsoa manokana.

Miangavy izahay mba tsy hisy fanomezana na fampindramana (1) na fampanofàna na fivarotana tany io tetikasa io fa mana-karembe ireto kasaina hiarahana hiasa ka ho vetivety foana dia mety ho lasany amin’ny fomba manara-dalàna avokoa ny tany rehetra fa tsy hisy ho an’ny taranaky ny Malagasy intsony.  Tokony hijanona eo amin’ny fahazoam-bola ateraky ny fizahantany sy ny hetsika samihafa karakarain’ny orinasa vahiny manodidina ny sehatra iasàny ny tombotsoa azony. Aoka mba ho ny mpizahatany (sy ny mpiasa ao) no ho iraisam-pirenena sy hisy avy amin’ny firenen-kafa fa tsy ny tany malagasy no hovaina ho iraisam-pirenena, sanatria.

Fanampin’izay, tsy mbola fantatra hono ny toerana hasiana io faritra iraisam-pirenena io. Koa mitondra ny tenin’ny mpiray tanindrazana maro izahay miangavy mba tsy hisy fandroahana na famindra-toerana ny mponina malagasy avy eo amin’ny toeram-ponenany sy tanindrazana nolovainy tamin’ny razambeny aterak’ity tetikasa vaovao ity.

Ampy izay ny tetikasa lazaina fa hitondra fampandrosoana sy ampanantenaina asa nefa manimba sy mandrava ary mampahantra ny Malagasy, tantsaha sy mpiasa hafa amam-polony na aman-jatony, efa nanao ezaka sy nitrongy vao omana an-taonany maro. Zara raha misy anefa ny asa entiny. Ny nosy kely maro amin’ny faritra avaratr ‘i Madagasikara no efa novangian’ny mpanambola émirati iray tamin’ny volana Desambra ary misy hetsika hafahafa mifono tetika vaovao ataon’ny tompon’andraikitra sy orinasa malagasy na vahiny tato anatin’ny volana faramparany ao amin’ireo nosy ireo ka mampanahy mafy.

Ny espace agricole commun izay ho foroninakosa dia efa notanisain’ireo nikabary samihafa nandritry ny fivorian’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indianina fa eto Madagasikara ny 90 isan-jaton’ny tany kasaina iarahana mamokatra.  Voalaza koa fa orinasa avy amin’ny firenena dimy no hikarakara sy hitantana izany fambolena sy famokarana izany. Mangataka sy miangavy ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara izahay mba ho malina sy  haka fepetra hentitra eo amin’ny lalàna,

  • mba ho fanomezan-kasiny ny Tantsaha mpamokatra malagasy sy tsy hisian’ny fanitsakitsahana ny zon’izireo eo amin’ny fananantany na tsy nanana ho enti-manana ampy nanaovana titra sy tsy afaka nanao karatany noho ny antony maro aza izy ireo ;
  • mba tsy hisy fanomezana na fampindramana na fampanofàna na fivarotana tany ao amin’io tetikasa io fa mahavidy tany mora foana eto Madagasikara koa ireo orinasa avy amin’ny nosy anatin’ny ranomasimbe indiana ireo ;
  • mba hiaro sy tsy ahavery hasina ny orinasa sy firenena malagasy ilay lazaina fa fiaraha-mampiasa vola (co-investissement) voizin’ity tetikasa ity.

Mahakasika ny tany, dia matetika no diso malala-tànana loatra ny mpanao lalàna sy mpandray fanapaha-kevitra eto Madagasikara  manoloana ireo mpampiasa vola, ka omena zo haka sombin’ny tanindrazantsika maimaim-poana na amin’ny fomba mirary dia mirary ny mpampiasa vola vahiny.

Misongadina izany amin’ny fampanofàna tany mandritry ny fotoana lava (bail emphytéotique) 18 ka hatraminy 99 taona, izay efa averimberina fa fivarotana tany ankolaka ary amin’ny vidiny mirary, satria sady azon’ny mpanofa atao antoka ny tany no azo avaozina tsy misy fepetra sarotra ary amin’ny isany tsy misy fetra ilay fifanarahana (2).

Aminay, dia ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra (agriculture familiale paysanne) hanatsara ny fomba famokarany sy ny fizahana làlam-barotra any amin’ireo tany ireo no tokony himasoana, fa tsy ny tetikasa mitondra anarana agrobusiness.

21 Mey 2025

  • Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY / Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy
  • ONG FIANTSO Madagascar
  • Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany – SIF / Solidarité des Intervenants sur le Foncier


Fanamarihina

  • Tamin’ny taona 2020, dia nisy tany 60.000 hekitara nolazaina fa hampindramina ny orinasa émirati Elite Agro tany Bas-Mangoky ahafahany mamboly sy mivarotra ny vokatra ara-tsakafo amin’ny fanjakàna malagasy : tsy azo antoka ho nahazo tombotsoa mihitsy ny firenena malagasy tamin’iny raharaha iny raha niroso io asa io, izay mihantona amin’izao fotoana izao. 
  • ”Mitohy ny tolona ho amin’ny fahaleovan-tena sy fiandrianam-pirenena eo amin’ny Tany” : https://terresmalgaches.info/madagasikara-mitohy-ny-tolona-ho-anny-fahaleovan-tenasy-ny-fiandrianam-pirenena-eo-aminny-tany-newsletter-n245-mlg/