Fanambaran’ny Fikambanana ao amin’ny Firaisamonim-pirenena Faritra DIANA –  Newsletter n°238 (MLG)

FANAMBARANA

Manoloana ny antso avo izay ataon’ireo mponina ao Sakatia, izahay OSC mivondrana ato amin’ny faritra DIANA dia manohana tanteraka ny hevitra navoakan’izy ireo ny amin’ny sihosihon-dresaka fanalana ny mponina tompotany mipetraka sy monina ao talohan’ny fanjanahan-tany sy taranak’izy ireo.

Noho izany, izahay dia:

  • Manohana tanteraka ny fanambarana nataon’ny mponina mikasika ny raharaha ao Sakatia
  • Manameloka ny tsy fanajana ny zon’olombelona aminy lafiny rehetra raha toa ka misy izany
  • Manameloka tanteraka izay tompon’nandraikitra mahakasika izao raharaha izao.
  • Takianay ihany koa ny hampitsaharana ny fanesorana ny mponina ao sakatia ary hamaly ara-drariny ny fitakiana nataon’ny olona eny ifotony

Miantso ny tompon’andrikitra mahefa rehetra izahay mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity

Ny firaisamonim-pirenena manao ny fanambarana

  • Palais Royal Ambilobe
  • FUP-BATAN
  • ROSEDA
  • CRADES
  • READ-DSS
  • FMMTN
  • Fédération CLB AmbaroLovaonjafy
  • OSC Mandresy
  • CLB Bobasakoa
  • AnjavaSakatia
  • RASIS
  • Réseaud’ActeurAmbilobe
  • Espace de dialogue Ambilobe
  • Espace de dialogue Ambanja
  • Fédération CLB Nosy Be
  • TAFO MIAAVO
  • Ravinala Nosy-Be
  • Coalition NamakonyTany DIANA
  • OSC Magnarigny
  • Tsarajôro Nosy Mitsio