Ny faha-12 sy 13 jona teo no niaraka tao Nosy Sakatia ny solontenan’ny mponina avy amin’ny nosy kely maromaro sy ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena aty amin’ny faritra Diana niofana nanamafy ny fahalalàny momba ny Zon’Olombelona. Talohan’izay moa dia efa nisy fikambanana samihafa nifandimby nanatanteraka fampiofanana ny solontenan’ny mponina any ifotony sy ireo fikambanana tato amin’ny faritra Diana ka ny lalàna samihafa mifehy ny Fananantany eto Madagasikara sy ireo rehetra tokony ho fantatry ny Olompirenena mahakasika ny Zon’olombelona eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena,izay nankatoavin’ny Firenena malagasy no nifantohana.
Nihaona tamin’ny manam-pahefana eto an-toerana ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena :
• Nanomboka tamin’ny fiarahabàna ireo manampahefana izany fiarahana izany ka Andriamatoa isany Préfet sy Ben’ny Tananan’i Nosy Be ary Ramatoa Filohan’ny Conseil Communal Nosy Be no nihaona tamin’ireo solontenan’ ny firaisamonimpirenena.
• Talohan’ny famaranana kosa no natao ilay fihaonana nokarakarain’ny Conseil Communal momba ny raharaha Nosy Sakatia tsy raikitra tamin’ny faha-14 Mey. Ka ankoatran’Andriamatoa Ben’ny Tanàna sy Ramatoa Filohan’ny Conseil Communal dia tonga nanatrika tao ny iraka iray nalefan’ny orinasa Green Mada Land. Samy nanambara ny fomba fijeriny ny olana na ny manohana ny tetikasan’ny orinasa Green Mada Land na ireo manohana ny mponina ao Sakatia izay manohy mitaky ny zony hijanona eo amin’ny taniny.
Mbola mitaky ny fanaovana latabatra boribory ny mponina ao Nosy Sakatia ahafahany mamantatra tanteraka ny lafiny rehetra, izay tena ilainy ahafahany mandanjalanja izay tokony hataony.
Ho fampiharana ireo hevi-dehibe voizin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona, izay nomena tsindri-peo sy nifanakalozana nandritry ny fifampiofanana dia samy nanao fanambaràna momba ny zava-misy sy olana iainany ary ny fitakiany ireo solontena tonga tao, dia ny avy any Nosy Sakatia, Nosy Mitsio, Nosy Iranja ary Nosy Be. Ho taterina amintsika ato ato ny antsimpirian’ireo fanambaràna ireo.
Misaotra sy mankasitraka ny olompirenena rehetra eto Madagasikara sy eran-tany amin’ny fanohanana hatrany ny olompirenena sy fianakaviana monina amin’izao fotoana izao ao amin’ireo nosy kely eto amin’ny faritra Diana, izay mandalo fotoan-tsarotra ka miara-misalahy amin’ny fiarovana ny taniny.
18 jona 2025 Ny Rodoben’ny Firaisamonim-pirenena eto amin’ny faritra Diana