Fa nahoana ny fitondram-panjakana foibe sy ny fitondram-panjakana ety ifotony no manohy ny fikasany hatrany haka ankolaka ny tanin’ny mponin’ny Nosy Sakatia? – Newsletter n°272 (MLG)

Nosy Sakatia izay antsoina hoe Nosy Orchidée, any Avaratra Andrefan’i Madagasikara dia manana velarantany manodidinany 600 Ha. Any amin’ny Morontsiraka andrefan’i Nosy Be, manana Mponina miisa 2.000 ary efa tamin’ny taona 1800 no efa nisy Mponina nanoromponena tao. Ny tanàna telo manan-danja indrindra ao Nosy Sakatia dia Antanabe, Ampasimena ary Ampasindava. Manana fotodrafitr’asa maro izay nataon’ny mponina tamin’ny herim-pony manokana tsy nisy fanampiana avy aminy fanjakana mahefa. Manana fahavitan-tena ara tsakafo koa izy ireo noho ny fananana tanim-bary sy tanim-boly midadasika. Manana ny mampiavaka azy koa ny Nosy nohon’ny fisian’ny zavaboahary sy tontolo iainana kanto ary toerana masina fanaovana joro sy ireo fomban­drazana maro hajain’ny Mponina ka mahasaro-piaro azy. Mbola mipetraka ao ny firasan-kina sy ny fifankatiavana izay soatoavina nahindrahindran’ny Malagasy.

Nihevitra izahay Mponina fa rehefa tonga ny fitondram-panjakana vaovao izay nikatsaka ny fanavaozana sy ny fametrahana ny fampandrosoana eny ifotony dia ho rava tanteraka ny fikasana hanala anay amin’ny taninay izay nokasainy Fitondrana teo aloha natao. Nihevitra koa izahay mponina fa ny fanombohana ny fanomezana ny ODOC dia lalana mankany aminy fandravana ny RFT ao Ampasindava SAKATIA.

Miverina mitaitaina indray anefa ny mponina ankehitriny taorian’ny fifanakalozana tamin’ny Ministry ny Fizahantany Ramatoa Lily Rafaralahy sy ny Tale Jeneraly ny Ministeran’ny Fizahantany Ramatoa sy ny Ben’ny tanan’ny Nosy Be Andriamatoa ALY ABOUDOU ary Andriamatoa prefet ny Nosy be tamin’ny zoma 9 janoary 2026 tonga namangy anay taty Ampasindava-Sakatia Namerimberina ny hitazonana ny RFT ho fisarihana ny mpizahantany maro ireo manam-pahefana, ny fikasany hanao appel d’offre mba hisitonana Investisseur hanangana Hôtel 5 étoiles, izay hizara amin’ny fomba ankolaka ny tananan’iSakatia ho an’ny Mpanambola Malagasy sy V ahiny na dia somary niresaka fa hanindrahindra ny fifampiresahana sy hitondra fampandrosoana iaraha-manao aza ny ambetindresaka tao

A verina etoana fa ny RFT ao Ampasindava-Sakatia dia tsy nankatoavin’ny Mponina ny fametrahana azy ary tsy nisy fifampiresahana teo amin’ny Mponina sy ny fitondram-panjakana nametraka an’io ka nampisy ny fanoherena nataon’ny Mponina mandrak’androany.

NOSINAY TANINDRAZANAY TSY ALAFO TSY ATAKALO, izany no “Slogan” an’ny Mponin’ny Sakatia ary ho aparitany ho fantatr’ izao tontolo izao.

Koa Miantso ny feon’ny Fieritreretan’ny Mpitondra Fanjakana ao amin’ny Foibe sy ny Fitondrana fanjakana ety lfotony ny Mponina ao amin’ny Nosy Sakatia mba hiverina amin’ny fikasany ary hiara-dalana aminy hametraka ny fampiroboroboana ny fizahantany mianga aminy eny Ifotony, ataon’ny mponina eny lfotony madiodio ary tsy hisy ny fanalana anay ankolaka amin’ny taninay. Manaiky handray Mpamatsy vola hanampy azy amin’ny fananganana fotodrafitrasa fa tsy manaiky ny fanalana azy ka ho soloina Investisseur na Mpanambola V ahiny na Malagasy avy any aminy . faritra hafa vaovao mbola tsy nonina tao fa mikasa ny hiditra ankolaka ao.

Fampandrosoana mianga isan-tanàna no tokony ho katsahana izay afaka mamerina ny soatovina Malagasy : Firaisan-kina, Fifankatiavana ary Saropiaro amin ‘ny Tanindrazany no tokony hapetraka sy himasoan’ny fitondram-panjakana.

Manasonia :