AKOM-BAOVAO AVY ANY NOSY MITSIO – Newsletter n°259 (MLG)

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny fikambanana TSARAJORO ANKARANA ao Nosy Mitsio
amin’ny firaisamonimpirenena.

Taminy faha-8-n’ny volana Mey no natao tao Ratapenjiky ny fety fankalazana ny faha-5 taonan’ny niorenan’ny fikambanana TSARAJORO ANKARANA.

Mponina aman-jatony avy amin’ny tanàna maro eto Nosy Mitsio no nifamotoana nifamaly kabary sy niara-nisakafo tamin’io fety io.

Tonga nanotrona sy nanafana ary naneho ny fanohanany ny solontena roapolo avy amin’ny fikambanan’ny firaisamonimpirenena avy amin’ny distrika samihafa eto amin’ny faritra Diana. Ary fiarahan’ny rehetra nanadio ny torapasika no namaranana ny andro fankalazana.

Nisy solontenan’ny fikambanana TSARAJORO ANKARANA hatrany kosa namonjy ireo fiofanana samihafa nokarakarain’ny firaisamonimpirenena momba ny Zon’olombelona sy ny Fananantany ary ny Fanoherana ny kolikoly sy risoriso.


Mitohy hatrany tsy misy fiovàna mantsy ny olana lehibe mahakasika ny Zon’Olombelona mihatra amin’ny mponina eto Nosy Mitsio, dia ny fampihatoan’ny manampahefàna ny fahafahan’ny mponina eto Nosy Mitsio manao ny fombafomba rehetra mahakasika ny taratasy fananantany efa 5 taona mahery izao.  Tsy tena milamin-tsaina ny mponina manoloana an’io satria nisy resaka fanamboarana hotely kintana dimy izay heno teo aloha nefa tsy misy mampahafantatra mivantana ny mponina na mbola misy ilay tetikasa na efa foana. Misy fisehoan-javatra any amin’ny tanàna sasany koa mampieritreritra hoe sao dia sanatria ho tafiditra anatin’ilay Faritra afak’haba iraisam-pirenena eo amin’ny fizahantany na “Zone Franche Internationale Touristique” izay iarahana amin’ny Emirats Arabo Mitambatra voalaza tao amin’ny Filan-kevitry ny Ministra taminy faha-19 marsa 2025 ny Nosy Mitsio.  

Koa fampitomboana hatrany ny firaisankinan’ny mponina ao Nosy Mitsio amin’ny firaisamonimpirenena no anisan’ny asa lehibe imasoan’ny  ny fikambanana TSARAJORO ANKARANA.

Nosy Mitsio, faha-30 Aogositra 2025


Ny Biraon’ny Fikambanana TSARAJORO ANKARANA