TANDINDOMIN-DOZA NY NOSY SAKATIA :TSY EKENA NY FANGORONANA SY FANAOVANA AMPIHIMAMBA NY TANYTSY EKENA NY FANODIKODINANA NY SAIN’NY MPONINA – Newsletter n°256 (MLG)

Maneho ny ahiahiny lalina ny Collectif TANY momba ny toe-javatra sarotra miseho amin’izao fotoana izao ao Nosy Sakatia. Ity nosy ity, izay manankarena amin’ny vakoka voajanahary miavaka sy rohim-piarahamonina mavitrika, dia tandindomin-doza amin’izao fotoana izao noho ny fikasan’ny orinasa mitondra anarana hoe Green Mada Land hangorona tany ao amin’ny fomba feno hafetsena. Ao ambadiky ny filazàna fa hisy tetikasa antsoina hoe ‘écotourisme’, dia miroso mitondra saro-tava manafina ity orinasa ity miaraka amin’ny fanohanan’ireo manampahefana sasany eo an-toerana, manitsakitsaka ny foto-kevitry ny fahamarinana sy ny mangarahara ary ny fiandrianam-pirenena eo amin’ny mpiara-monina ao an-toerana. Marihina fa sady tsy nampahafantarina ny mponina ao Sakatia ny votoatin’ity tetikasan’ny orinasa ity no tsy nolazaina azy iza ireo olona ambony toerana any Antananarivo lazain’ny manampahefana ao Nosy Be fa tena tompon’ny fanapaha–kevitra amin’io orinasa io hatramin’ny androany.

Fanafihana tsotra izao ny zo fototry ny mponina ao an-toerana ireo fihetsiky ny Green Mada Land.
Na dia nofoanana tamin’ny taona 2019 aza ny fampanofana maharitra nomena an’ity orinasa ity noho ny zavatra tsy ara-dàlana tsikaritry ny tompon’andraikitra, dia miezaka ny Green Mada Land hiverina an-tsehatra amin’ny endrika vaovao mitafy fanaovan-tsoa, saingy tsy mifototra amin’ny zo, fa amina paikady hiezaka hisarika sy hanana fiantraikany feno fitaka.

Ny Collectif TANY dia manameloka mafy ny fikasana hizara kitapo fianarana maimaim-poana, ny fikasàna hanome fitaovana ary fanampiana tampoka karakarain’ny Green Mada Land ao Nosy Sakatia. Ao ambadik’ireo fihetsika hoatry ny feno hatsaram-panahy manampy ireo dia misy tetikady afenina vokatry ny kajikajy : mampiasa ny fahasahiranan’ny mponina mba hampiroboroboana ny tetikasany mahakasika ny tany izay tsy azo ekena. Ireo fanolorana fanomezana dia endrika maoderina amin’ny kolikoly malefaka, fomba iray hampandriana adrisa ny hevitry ny mponina ao an-toerana momba azy ireo, hanalana ny fiahiahiana sy tsy fahatokisana, ary hamoronana rivotry ny fanekena an-tery. Manolotra penina anio mba hakàna ny tany rahampitso: izany no tena tarehy sy endrik’ity hetsika ity.

Ity fomba fanao ity dia vao mainka tsy azo ekena noho izy manararaotra ny fahalemen’ireo fianakaviana, indrindra fa ny filan’ny ankizy, mba hanompoana tombontsoa manokana tsy mangarahara. Tsy fitiavana hanao soa ho an’ny mpiara-belona na fanoloran-tena ara-tsosialy, fa fampiasam-bola stratejika natao hampanginana ny fanoherana sy hividianana tsikelikely ny hoavin’ny vondrom-piarahamonina iray manontolo. Tsy misy tetikasa tena miahy ny tombontsoa iombonana ka hiasa ao anatin’ny aizina sy ny aloka, miaraka amin’ny tanjona miafina sy fomba fiasa manodikodina (méthodes de manipulation).

Ny vondrom-piarahamonina ao Sakatia kosa dia efa nanaporofo fa nahavita be : nahatsangana sekoly sy toeram-pitsaboana tsy nampian’ny Fanjakàna ary nahomby tamin’ny fametrahana maodelin’na fizahantany iarahan’ny mpiara-monina amin’ny fomba maharitra sy mikajy ny tontolo iainana izay mamelona ny toekarena eo an-toerana feno firaisankina. Ity maodely ity ankehitriny dia tandindomin-doza noho ny fikasàna hampanaiky tetikasa napetraka avy any ambony, izay tsy mifandray amin’ny zava-misy eo an-toerana, ary miorina amin’ny fanilihana ny tena mponina ao amin’ny nosy. Ny manampahefana ao an-toerana izay manaiky ny hetsika ataon’ny Green Mada Land dia mamadika ny andraikitr’izy ireo izay ny fiarovana ny olom-pirenena ary mandray anjara amin’ny fanalàna amin’ny vahoaka ny fananany.

Miantso ny vahoaka Malagasy ny Collectif TANY mba handa io endrika fanjanahantany maoderina io, izay mivarotra ny tany ho takalon’ny fanomezana vitsivitsy, izay anaovana fifampiraharahana ny hoavin’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fihetsika tsy tena misy lanjany ary tsy misy fahamarinana sy fahatsoram-po. An’ny rehetra ity tolona ity : satria raha Sakatia no lasibatra anio dia ho tanàna hafa, ala hafa, morontsiraka hafa indray rahampitso. Tsy afaka ho lasa tany atolotra ho an’izay manan-katao sy miray tsikombakomba i Madagasikara, ka ho faty antoka ireo izay monina ao sy mamelona azy.

Mitaky ny fampitsaharana tsy misy hatak’andro ny hetsika rehetra ataon’ny Green Mada Land momba ny tanin’ny Nosy Sakatia izahay, mitaky ny fampiharana ny fanapahan-kevitra nanafoana ny fifanarahana fampanofàna maharitra ny tany nivoaka tamin’ny taona 2019, ary mitaky ny fanokafana fanadihadiana mahaleo tena  momba ny fifandraisana misy eo amin’ity orinasa ity sy ireo manampahefana manohana azy. Ny mponina ao an-toerana dia tsy maintsy henoina, harovana ary hampandraisina anjara amin’izay tetikasa rehetra mifandraika amin’ny toerana misy azy.

Tsy amidy i Nosy Sakatia. Na anio, na rahampitso. Tsy voavidy vola ny tanin’ny Malagasy izay mitondra fahatsiarovana, kolontsaina, fiandrianam-pirenena ary hasina.

7 aogositra  2025

 Collectif TANY  pour la défense des terres malgaches – Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy
patrimoine.malagasy@gmail.com; Facebook :TANYterresmalgaches ;